Créer un site internet

Masoandro amam-bolana

Tapatapakahitra nifanaovany tamin'ny poeta Ny Tsiaro

Masoandro amam-bolana
Faniry Ezeckiel - 17/05/2025

Masoandro amam-bolana

Masoandro amam-bolana, amboaran-tonkalo vaovao, nosoratan'i Ny Tsiaro, manome hasina manokana ireo ray aman-dreny niteraka. Mifanandrify indrindra amin'izao ankatoky ny fetin'ny reny izao ity boky miavaka ity. Tafaresaka tamin'i Faniry Ezeckiel i Ny Tsiaro ary nanazava misimisy ny ao anaty vilanin'ity sanganasany vaovao ity.

Faniry Ezeckiel
Miarahaba anao Ny Tsiaro, faly mitapatapakahitra aminao eto amin'ny efitranon'ny Poetawebs.

Ny Tsiaro
Miarahaba an’i Faniry Ezeckiel sy ny ekipa rehetra manodina ny Poetawebs. Miarahaba an’ireo mpanaraka an’ity fitaovan-tserasera mahasoa sady mahafinaritra ity ihany koa. Am-pifaliana no hitafana!

Faniry Ezeckiel
Mba itantarao ny vaovao mahafaly momba ny soratra noentinao ny mpiserantsika.

Ny Tsiaro
Masoandro amam-bolana. Amboaran-tononkalo mirakitra ireo ainga nosoratan’i Ny Tsiaro manokana ho an'ny dada sy neny sy ny zanaka. Io izao no vaovao farany sady vao mafana!

Faniry Ezeckiel
Hamoaka io boky vaovao io ianao, azonao hazavaina ve ny anton'ny nisafidiananao io lohateny io sy ny heviny manokana?

Ny Tsiaro
Efa natsidiko teo ambony teo ny hoe amboaran-tononkalo miresaka manokana an’i dada sy neny izy io. Nosafidina noho izany ny lohateny hoe
Masoandro amam-bolana izay ho fanehoana ny hasarobidy sy hakanton’ireo ray aman-dreny sy loharano nipoirana.

Faniry Ezeckiel
Ahitana takila firy ny Masoandro amam-bolana ary ainga firy no ao anatiny? Iza no nanolotra azy ity?

Ny Tsiaro
Takila 75 no mandrafitra ny Masoandro amam-bolana ary misy ainga 50 ao anatiny. Ny teny fanolorana moa dia niangalian’i Avelo-Nidor izay zoky nitantana ahy hatrany teo amin’ity sehatry ny fanoratana ity ary ny teny famaranana kosa dia avy amin’i Rima izay sakaiza mahatoky anatin’ny tontolon’ny literatiora.

Faniry Ezeckiel
Misy tara-kevitra voizinao manokana ve ao anatin'ity boky ity?

Ny Tsiaro
Masoandro amam-bolana dia manasongadina ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Voaresaka ao ny tranga maro samihafa mifamahofaho ao anatin’ny ankohonana, na ny mahafinaritra izany na ny mampalahelo ihany koa.

Faniry Ezeckiel
Nanahoana ny lalana sy ny dingana nolalovana mandra-pitsangan'ity amboara ity?

Ny Tsiaro
Manan-tantara amiko loatra ity amboara iray ity fa tena saro-piterahana. Ny zokiny moa dia ilay amboaran-tononkalo "Vonifanja" izay nivoaka ny taona 2021 ary natokana ho an’ireo reny. Ny taona 2022 kosa no nanomboka niketrika an’i Masoandro amam-bolana, mba ho zandrin’i "Vonifanja".  Namoy ny dadako anefa aho tamin’ny fotoana tokony namoahana an’ity amboara ity ka tena najanona mihitsy aloha ny fikasana rehetra fa mafy ny sedra nandalovana. Ny FONTSY EDISIONA moa no nanankinako ny fikarakarana ity boky ity ary nampahery ahy hatrany i Mina-Ilarion rehefa nilazako hoe "aoka mihitsy aloha fa tena tsy mbola zakako !". Telo taona aty aoriana, tsapako hoe efa nomen’ny Tompo ny hery sahaza aho entiko manohy ny dia ka dia indro ny Masoandro amam-bolana fa an-dalam-pahaterahana soa aman-tsara!

Faniry Ezeckiel
Hisy hetsika manokana hamoahana ofisialy ny Masoandro amam-bolana ve?

Ny Tsiaro
Ny alarobia 21 mey 2025 no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny boky Masoandro amam-bolana. Tsy hisy anefa ny hetsika manokana amin’io fotoana io. Amin’ny volana oktobra 2025 kosa no hitondrana an’i Masoandro amam-bolana an-tsehatra ary "teatra poetika" no anehoana azy amin’izay fotoana izay.

Faniry Ezeckiel
Ho an'ireo te hamandrika sahady ity boky ity dia ohatrinona ny hasiny?

Ny Tsiaro
Ho an'ireo te hamandrika sahady ity boky ity mba hatao fanomezana ho an’i Neny, na ho an’i dada, na ho an’ny zanaka, na ho an’ny tenanao manokana koa aza dia afaka miresaka mivantana amin’i Ny Tsiaro. Azo raisina amin’ny hasiny 15000ar moa ity
Masoandro amam-bolana ity.

Faniry Ezeckiel
Hararaotina ny fitafatafana aminao namana Ny Tsiaro. Firy taona no nilomanosanao tao anaty literatiora? Nanahoana ny lalana nodiavina tao anatin'izay vanim-potoana maro izay?

Ny Tsiaro
Mbola kely aho dia efa tia namaky tononkalo sy poezia. Ny taona 2008 kosa no tsaroako hoe tena nanombohako nanoratra. Ny volana jolay 2021 no niantsako an-tsehatra voalohany tao anatin’ny hetsika "Misaingy kalo" izay natao teny amin’ny Efitrano DOX – Tranombokimpirenena Anosy. Ny volana janoary 2025 kosa no nandraisako ny fankasitrahana avy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ka nanomezan’izy ireo ahy ny "Chevalier de l’Ordre des arts, des lettres et de la culture".

Faniry Ezeckiel
Ankoatra ity Masoandro amam-bolana ity, firy izay ireo boky navoakanao manokana?

Ny Tsiaro
"Vonifanja" sy "Masoandro amam-bolana" no boky navoakan’i Ny Tsiaro manokana hatramin’izay fotoana nanoratana izay. Efa nisy ihany koa ny "Misaingy kalo" sy ny "Pelasoa" ary ny "Vakinantsa" sy "Tsary teny" izay niarahana tamin’ireo namana mpiara-mianjoria ao anatin’ny soratra. Tsy hadino ny "Tsianjery sy hira krismasy" izay efa misy karazany 4, boky niarahako nanoratra tamin’ny Mpitandrina Randriamiandrisoa Fanantenana.

Faniry Ezeckiel
Hamaramparanantsika ny resadresaka, misy hafatra manokana avy aminao ve Ny Tsiaro?

Ny Tsiaro
Sarobidy loatra ny fiainan’ny ankohonana. Manantena aho fa hitondra anjara biriky amin’ny fanatsarana ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary indrindra hampitombo ny fitiavana eo amin’izy ireo sy hampifanakaiky an’ireo izay nifanalavitra ity Masoandro amam-bolana ity.

Faniry Ezeckiel
Mankasitraka anao nivahiny teto amin'ny Poetawebs. Mirary anao hamokatra be eo amin'ny zava-kanto hatrany.

Ny Tsiaro
Fisaorana eram-po, eran-tsaina ho anareo eto amin’ny Poetawebs ary koa ho an’ireo izay nanaraka ity tapatapakahitra ity. Mirary ny soa sy ny tsara indrindra! Samia mahefa be amin’ny famelomana sy fampiainana ny literatiora malagasy!

Ajouter un commentaire