Fantaro i Solofo José

Fantaro i Solofo José

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

15 avrily 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra RàjaFantaro i...
Solofo josé
(1947 - 2014)
Poeta
Mpanoratra
Mpanatontosa sy Mpilalao tantara (an-tsehatra sy an'onjam-peo)
Mpampianatra

— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo 


Hoy i Solofo José raha naneho hevitra mikasika ny haisoratra sy ny fandrosoana tao amin'ny Gazety Ambioka lah 32 ny janoary 2001 : "Andraikitry ny mpanoratra sy ny mpamorona ny mianatra mandalina, milona amin'ny zava-misy entin'ny fiainan'ny andavanandro".

Teraka ny 9 Avrily 1947 tao Antohomadinika Atsimo ary nodimandry ny 13 Febroary 2014 teo amin'ny faha-67 taonany tao Ampefiloha i Solofo José. Rakotosolofo Joseph no anarana nasalotry Ravaonirina sy Rakotoson Ray aman-dReniny azy. Ambatomanga no fiaviany ary Merina sy Antemoro no foko niavian’ny razambeny.
Sekolin'ny Frera Mariste Isotry no nisantarany ny ambaratonga fototra. St-Joseph Andohalo sy Institut Sainte Famille no nanohizany ny ambaratonga faharoa. Teny amin'ny Anjerimanontolo no nandratoany ny fahalalana mikasika ny teny sy filozofia ka nahazoany ny "Licence de lettres modernes" sy ny "licence de philosophie". Izany indrindra no nahatonga azy ho mpampianatra Filozofia tao amin'ny Lycée Ampefiloha nandritra ny fotoana maro. Nanambady an'i Lydiary na RAZAIARIMANANA Marie Lydia izy ny 09 Desambra 1972 ary efatra mianadahy no zanany dia RAKOTOSOLOFO Tsiry Hasimbola, RAKOTOSOLOFO Mialy Seheno, RAKOTOSOLOFO Saroy, RAKOTOSOLOFO Ranto.
Miisa sivy kosa ny zafikeliny: Lindo, Miaro, Miotisoa, Ianoka Iriantsoa, Kanto, Tya, Renty Soraya, Tia Rayan, Rotsy.
Ray tia zanaka sy vady i Solofo José teo anivon'ny ankohonana, ray mpananatra, mpanohana ary mpanampy azy efatra mianadahy zanany teo amin'ny talenta nananan'izy ireo tsirairay avy. Nampirisika sy nitondra azy ireo handalina ary hitrandraka hatrany izany i Solofo José.

Be sangy tamin'ireo zanany izy ary nitondra azy ireo niala sasatra matetika. Mankafy ny fiainana i Solofo José satria fahafinaretany ny mijery baolina lavalava, baolina kitra, mijery sarimihetsika, teatra, mijery hiragasy. Tsy nohadinoiny ny nilalao daomy niaraka tamin'ny taranany. Fanaony indrindra ny miray latabatra amin-janany eny amin'ny toeram-pisakafoana.

Nanomboka nanoratra izy ny 1967 ary maro karazana izany toy ny tononkalo, sombin-tantara, tantara an'onjam-peo lahatsoratra famakafakana. Pôeta mivelatra amin'ny sehatra maro i Solofo José, anisan'ireny ny fankafizany ny asa soratr'ireo mpanoratra efa nialoha lalana toa an-dry Dox, J.-J. Rabearivelo, Randja Zanamihoatra, eo ihany koa ireo vahiny tahaka an'i Paul Eluart, Paul Valery, Guillevi, Karl Marx, Lenine ary ireo mpanoratra mandala ny fironan-tsaina mihoatra ny zava-misy.

Anisan'ny mpiady hevitra tamin-dRandja Zanamihoatra sy Ilay mikasika ny fomba hitantanana ny zavakanto malagasy vita amin'ny teny izy. Taty aoriana dia niditra an-tsehatra ny mpanoratra hafa ka nahatonga ny fijoroan'ny Faribolana Sandratra. Izy no filoha faharoa taorian'i Elie Rajaonarison.

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja

SOLO JOSE : PÔETA MANGA FEO
Tsara ho tsaroana fa i Solofo José dia iray amin'ireo mpilalao tantara nampiaiky feo tao amin'ny Radio Madagasikara noho ny feo mangany. Ny taona 1970 tany ho any no nilalaovany ny tantara Trimofoloalina fony izy ireo tao amin'ny ATAUM teny amin'ny Oniversite. Namana iray no nahatsikaritra fa tsara raha entina any amin'ny fampielezam-peo ny feo mangan'i José satria izay no fiantson'ny namany azy. Hany ka tafiditra teo amin'ny kihon-dalam-piainany ny resaka fampielezam-peo. Mahalala ny feony avokoa ny rehetra raha vao mandeha ny tantara na ny dokam-barotra. Mampiavaka ny feony ny toerana tovolahy be fitiavana, be fandeferana. Hainy ny mampangorintsina ny mpihaino amin'ny fomba fiteniny. Na izany aza anefa dia manavanana azy ny milalao ny toeran'ny olona tsy manaiky lembenana ka mitolona sy mioitra eo amin'ny fiainana. Nanomboka teo dia notadiavin'ny mpihaino ny feon'i Solofo José rehefa mandeha ny tantara tao amin'ny Radio Madagasikara. Taty aoriana dia re tamin'ny onjam-peo samihafa toy ny ACEEM Radio, MBS.
Sehatra nanehoany ny feo mangany ihany koa ny fanatontosana tantara an'onjampeo sy tantara filalao an-tsehatra. Tsy azo odian-tsy hita ny fanatontosana horonantsary niaraka tamin'i Lydiary sy ny fanatontosana tsangan-tononkalo. Ankoatra izany dia toy ny re hatrany ny feony rehefa mamaky ny famotopotoran-kevitra izay nosoratany momba ny filozofia sy literatiora. Tiana ny manamarika fa efa nanaraka fiofanana manodidina ny tontolon'ny tantara an-tsehatra tany Abidjan (Côte dIvoire) izy.

SOLOFO JOSÉ : PÔETA MALEMY FANAHY
Lehilahy tomady sy tsotra fihetsika, sady nanana ilay feo faheno i Solofo José. Manana fijery somary mivantana izy ka mambabo avy hatrany izay mifanatrika aminy. Somary malefaka ihany izany indraindray ary midika zavatra lalina sy maro. Tsy miala eo amin'ny tarehiny ny fitsikiana sy ny hanihany. Lokilokin'ny hehy hatrany izy rehefa misy fahadisoana mahatsikaiky amin'ny famakiana ny tantara any anaty efitrano fandraisam-peo.
Hita taratra eny aminy ny fahamatorana sy vazivazy. Ireny dia miampita sy mipaka amin'ny olon-drehetra nifanerasera taminy avokoa.
Olona feno fanetren-tena i Solofo José; tsy dia tia misehoseho izy. Tsy tia lainga izy ary manaja fotoana mandrakariva.
Manam-potoana foana i Solofo José, manahirana azy ny tsy hanatrika antsan-tononkalo tao amin'ny C.G.M nokarakarain'ny Faribolana Sandratra. Olon'ny serasera izy satria maro ireo boky niarahany tamin'ny mpiraifaribolana Sandratra. Nanaiky nentina tetsy sy teroa izy hanao velakevitra momba ny literatiora.

ETSETRA, ETSETRA...

Tsy voatanisa eto daholo
Ny alahelo bosesika anatin'ny fo
Ny hanina, ny embona sy velovelo
Navalon'ny taona, navalon'ny lasa
Injao misamonona anaty tadidy
Ny kasa, ny iry, ny vetso tsy tana
Mipololotra, manafotra tsiahy
Ka ho aiza zareo ny lalan'ny sento
Hirifatra hamaky lalam-boasoritra
Sa hisidina avo hananika lanitra?
Hitambolina lavitra hanaraka rano
Sa hirezareza an-tampon-kavoana?
Sento tsy tana, sento manempotra
Mampitamberina Ny Avana, Rabe sy Ratany
Miantso ny Rahona sy Myosotis
Dox, Randza ary koa Lys Ber
Etsetra, etsetra...

Solofo José (1 novambra 2002)
Ambioka lah 51


Ireo fehezantenin'i Solofo José matetika
"Raharaha izy ity!"
"Tsy misy fahagagana izany fa isika daholo ihany ireo"
"Saroy petak'orona tsy mahare vary manitra"
"Izaho tsy miandry ny tara an!"

SOLOFO JOSÉ : PÔETA MIHEVITRA
Zava-dehibe amin'ity Pôeta ity ny fanovana ny fomba fijery mba tsy ho difotry ny fakana tahaka izay malaza any ivelany fa hifantoka amin'ny tantaram-pirenena sy ny zava-misy iainana eto an-toerana. Ohatra narosony ny fifantohana amin'ny fiainan'ny mpiara-belona toy ny fambolena sy fiompiana, ny olana atrehin'ny tsy an'asa, ny renim-pianakaviana.
Sarotiny ity Pôeta ity eo amin'ny fanoratana ny teny malagasy izay tsy tokony handisoana tsipelina. Nanentana ny rehetra izy mba hiezaka hianatra sy hamantatra ny teny malagasy amin'ny alalan'ny fandinihana matetika ny Rakibolana.
Mitarika ny mpiara-belona i Solofo José mba hikatsaka ny tsara lavitra na mihoatra ny mety na dia eo aza ny fomba fisainan'ny tsy tia mizahozaho sy mieboebo. Sarihiny ny sain'ny rehetra mba hanorina zavatra tsara ho an'ny ankehitriny sy ny taranaka ho avy izay tsy mitsaha-mitombo. Hoy indrindra izy : "Ajanony amin'izay ny ampotomoty fa aleo mitsinjo lavitra dieny izao", Gazety Ambioka lah 34, Marsa 2001.

Ahariharin'i Solofo José fa tokony hanova ny fijery momba ny zavakanto ny rehetra ka hihevitra fa tsy ny mpihira ihany akory no mpanao zavakanto fa ny mpanoratra ihany koa. Ambarany mazava fa ankoatra ny sary hosodoko sy sikotra dia miainga amin'ny soratra avokoa ny zavakanto rehetra. Hoy izy "na dia ny hira mahafatifaty antsika rehetra aza dia mila mpanoratra mba hahavitana tononkira". "Koa maninona raha homentsika ny hasiny sy ny toerana mendrika azy amin'izay ny mpanoratra? Heveriko fa ny zavakanto malagasy rehetra no hiakatra laharana, raha mitombo hasina ny mpanoratra."

Nahariharin'ity Pôeta ity ihany koa fa ny haisoratra ankehitriny dia tsy mifantoka loatra amin'ny fiainana any an-koatra sy ny nofinofy intsony fa mifototra amin'ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-piarahamonina. Hoy indrindra izy ao amin'ny Sandratra Amboaran-tononkalo I : Nanjary hevitra fiventiny ny momba ny fahantrana, ny saranga, ny tolona, ny fanambakana sy ny fangoronan-karena... Tsy teo amin'ny tononkalo ihany akory no nisehoan'izany fa hatrany amin'ny tantara fandefa amin'ny onjam-peo.

ANIKA

Tanana manify, matevina
Tanana
Tanana mandrafitra ; mikaly
Tanana manangana tanàna
Ivelaran'arabe, voninkazo
Tanana mampiakatra, mampiakatra
Rindrina mijoala
Mananika ny lanitra
Tanana mamadika ny hazo
Ho fefy, ho fanaka ho tetezana
Tanana mamolaka ny akora
Ho fitaovan-tsamihafa
Tanana manampaly
Izao rehetra izao
Ho tontolonao voarindra
Fa ny tanana ihany koa
Mandrangotra, mandratra, mamono
Tsy ampoizinao akory
Fa he!
Ity tanana ity
Mandrangotra, manoratra
Eritreri-mahagaga
Lasa tononkalo
Ekenao?

Solofo José (14/06/2009)
Ambioka lah 105

SOLOFO JOSÉ : POETA MANEHO
Maneho ny zava-misy iainana an-tanàn-dehibe toa an'Iarivo izay ahatarafana ireo fihetsika samihafa asehon'ny sokajin'olona eny anivon'ny fiarahamonina ny tononkalon'i Solofo José. Fampieritreretana ny tanora ankehitriny mba hitandrina eo amin'ny fihetsika aseho ary hisoroka ny loza mety hihatra no ambara amin'izany.

Indro koa tovolahy, "walkman" an-tsofina
Mirintona mitrifana a-môtô mafy
Toa hitsena vava fasana
Lasa toa tadio
Solofo José, Sandratr'Antsa tak 9

Maneho ny fahantrana miharihary eo anivon'ny fiarahamonina ireo tononkalony. Efa loza mitatao amin'ny mpiara-belona izany ka ampahatsiahivana azy ireo. Fampieritreretana ny rehetra ho tonga saina ka hanapa-kevitra ny amin'ny fanatsarana fari-piainana no ambara.

Ilay loza be fiavy mitambesatra mandavam-piainana
Ilay fahantrana odian-tsy hita zakain'ny tontolontsika
HONO HO'AHO AVELA HANJAKA SA HARODANA?
Solofo José, (08.05.1990), Tontolo isainana tak 100

Sarotiny ny Pôeta eo amin'ny fanajana ny zon'olombelona. Aharihariny an-tononkalo avokoa ireo tsy rariny mitranga izay tokony hanairana ny mpiara-belona. Manana zo hiaina avokoa mantsy ny rehetra indrindra ny zaza.

Dradraina ho an'iza ny ZON'OLOMBELONA?
Raha ny ankizy tsy jerena, tsy tafiana, tsy koloina?
Ry zon'olombelona lalaiko, tena misy ve ianao?
Solofo José (14 Desambra 1998) Ambioka lah 12

Maneho ny embona sy hanina ireo lasa izay mivela ho tadidy ny kalon'i Solofo José. Manampy izany ny fitanisana ireo Pôeta niavaka sy namela mamy ho an'ny literatiora malagasy

Sento tsy tana, sento manempotra
Mampitamberina Ny Avana, Rabe sy Ratany
Miantso ny Rahona sy Myosotis
Dox, Randza ary koa Lys Ber
Etsetra, etsetra...
Solofo José (1 novambra 2002) Ambioka lah 51
Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja

RAKITRA FITADIDY
Amboaran-tononkalo
- ANOKANTSA (24 Aprily 1996 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin'ILAY)
- FOTOANA MIHANTONA (27 May 2009 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin'i TAHIRINTSOA sy AVELO-NIDOR)
- INONA NO MIAFINA ETO ? (23 Novambra 2011 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin-dRATSIFA)
- ANGALIANTSA (27 Aprily 2013 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin'i TOLY)

Amboara iombonan'ny FARIBOLANA SANDRATRA
- Amboaran-tononkalo I (1988)
- Tontolo Isainana (1991)
- Sandra-kalo (teny malagasy sy teny frantsay - 1994)
- Sombintantara voafantina (1999)
- Sandratr'Antsa (2008)

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja


Solofo José tao amin'ny CGM

Tantara efa nandeha tamin'ny onjam-peo
- Alan-drain'ialahy sa alan-drenin'ialahy ?
- Miverena rahampitso
- Tantara marina
- Ilay moday fony kely
- Mpanakorontana ve ?
- Ambohitrananona
- Ilay zavatra
- Ho fefika ve ?



Seho niseharany
- 2013 : Dox mifoha
- 2009 : Folera
- 2006 : Ny variraiventy farany (nosoratan'i E. D. Andriamalala)
- 2003 : Andro gaigy
- 2002 : Hiaka sy Tsiky
- 1999 : Ziglô (nosoratan'i Tsitohery Raolona)
- 1998 : Tory fitia , Andraso eo Paoly
- 1997 : Tsiaro redareda
- 1995 : Rindran-teny, Rindran-jo
- 1994 : Renty Manadala
- 1991 : Ny Avana Ramanantoanina
- 1990 : Randja Zanamihoatra
- 1989 : Mangahazo mamy (nosoratan'i Louis Vahandanitra )
- 1987 : Jean Joseph Rabearivelo
- 1970 : Trimofoloalina

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja


Solofo José eo ambony faharoa avy any ankavanana
miaraka amin'ny mpiraifaribolan'ny Sandratra

Velakevitra notontosainy
- 19 May 2010 : Ny Faribolana Sandratra sy ny haisoratra malagasy (Vasavasa...Tafatafa)

Gazety sy sy haino aman-jery namoahana asa soratra
- Gazety ambioka
- Radio nasionaly malagasy
- Aceem Radio

FIKAROHANA mikasika an'i Solofo José
- RANDRIAMALALA Andrianjafy Mamy, 2003, SOLOFO José : Pôeta, ENS Ampefiloha - CAPEN
- RATOVOARIVAO Maminiaina, 2010, Ny saina tsy tsaroana ao amin'i SOLOFO José mibitsika ny sarinteny manova endri-javatra iorenan'ny tononkalo nosoratany, FLSH Ankatso - MAITRISE

Mariboninahitra azony
- Grand-Officier de l'Ordre National Malagasy
- Commandeur de l'Ordre National Malagasy
- Officier de l'Ordre National Malagasy
- Chevalier de l'Ordre National Malagasy

Hamaranana izao fampahafantrana an'i Solofo José izao dia indramina ny tari-teny mampisaina ho an'ny Pôeta fony izy nanolotra ny Sandratra Amboaran-tononkalo I : "Heverinay mantsy fa ny baranahiny sy ny fakan-tahaka be fahatany ny avy any ivelany ihany no mety ho vato misakana ny firoboroboan'ny haisoratra malagasy amin'ny ankapobeny"
Loharanon-kevitra
Faribolana Sandratra, 1988, Sandratra, amboaran-tononkalo I, Antananarivo
- 1998, Ambioka lah 02 (Febroary)
- 1998, Ambioka lah 03 (Avrily )
- 2001, Ambioka lah 34 (Marsa)

Isaorana manokana i Saroy Rakotosolofo sy ny Faribolana Sandratra tamin'ny fanampim-panazavana.
Sary : Saroy Rakotosolofo
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 14/04/2019