Randja, poeta mihevitra
Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra
Valiha
Gasy - 21/06/2025
Ity
fanadihadiana ity dia nosintonina tamin'ny tapatapakahitra nifanaovan'i
Valiha Gasy tamin'i Toetra Ràja (Poetawebs) tamin'ny 19 mey 2025 (daty
nipariahana) ary tsy naseho tao anatin'izany tafatafa izany toa ireo
andiany 4 hafa tao anatiny.
"Ny hany zava-pantatro dia tsy mahalala na inona na inona aho", izany andalan-tenin'i Socrate izay anisan'ny raiben'ny filozofia izany, araka ny fahalalana kely mba norantoviko momba ny filozofia, dia niteraka famaritana toy izao : "Ny manao filozofia dia mametra-panontaniana mandrakariva". Izany indrindra no tsaroana rehefa mifanojo amin'ny andalantenin-dRandja Zanamihoatra any anaty sorany any, toy ny hoe : "adala ve ny hendry?" sy ny hoe "Iza no Andriamaniny? Ny inona no masiny?" sy ny sisa.
Eny, poeta mpihevitra Randja, hatraiza anefa?
Amin'ny literatiora moa ny fomba fandinika dia manana zoro maro foana ka miova isaky ny zoro andinihana ny fahitana ny hita amin'ny zavatra dinihina, ny zavatra dinihina anefa savaivo iray ihany. Saingy tsy zoro iray eo amin'ny fomba fijery literera fotsiny intsony no azo andinihana raha ny asasoratr'i Randja no zavatra dinihina araka ny efa voalaza tany aloha ihany satria tafiditra koa ireo fomba fijery amin'ireo sehatra hafa nifotorany teo amin'ny asasoratra, ary eto tsindriako kely ny maha filozofika azy.
Niondana tahirin-kevitra maro Randja ka hita tamin'izany ny filozofian'ny siansa toy ny lahatsoratra mamahavaha ny "Bombe H" (physique nucléaire) sy ny filozofia maha olombelona toy ny "Le Troisième Oeil de Losbang Rampa - Apprenez à lire les lignes de la main".
Eny, mpihevitra izy, nefa hatraiza?
Na tapa-teny monja aza nahatarafana fa mpihevitra Randja, ohatra : "aiamaia", Andriamanitra (hono) io fa nesoriny daholo ny renintsoratra afa-tsy io "ema" iray io, toy izany koa ny teny tsy mahazatra toy ny hoe "Maya" izay nataony hoe "zava-manodoka". Diniho ireo teny roa ireo : "Aiamaia" sy "Maya", moa tsy tarehintsoratra kely foana no manelanelana azy? Eny, na ny fanonona aza. Inona no tiany havohitra raha tsy hoe :
- "Andriamanitra" = "Zava-manodoka"
- "Izao tontolo izao hita maso" = "Zava-manodoka"
- "Izao tontolo izao hita maso" = Olombelona (isika)
- "Izao tontolo izao hita maso" = "Andriamanitra"
Ary farany hoy izy : "Andriamanitra isika"
Eny, mpisaina Randja, hatraiza anefa?
Mety mbola tsy ampy hilazana ireo rehetra ireo fa mpihevitra tokoa Randja fa any andro raha hiseho masoandro na hisy hikira ireo lahatsorany efa an-jatony maro manohitra ny teolojia kristianina dia ao ireo mpandalina efa manana traikefa kokoa ataoko fa afaka miditra lalina amin'ny fanadihadiana. Ny tsikaritro teo am-pandraiketana an-tsoratra ireo asasorany fotsiny dia "nino" izy, mino "fisian'Andriamanitra" ary niaiky ny Andriamani-bavin'ny poezia (Iray amin'ireo deesy sivin'ny zava-kanto araka ny kolontsaina Grika izay tsy iza fa i Erato raha ny fahazoako azy). Manaporofo izany ny lahatsoratra iray nosoratany mitondra ny lohateny hoe "Tsy azo tsaraina" izay nilazany fa "ao anaty fanahin'ny poeta misy Andriamanitra tsy azo tsaraina" sy ny filazany koa hoe : "Tsy mpino aho, fantatrao... fantatry ny lahatra... Nefa misy izay inoako : NY SORATRA. Misy Andriamanitra izay ekeko : ny Andriamanitry ny mpanoratra - Ilay Andriamanitro."
... Eny hatraiza?
Miharihary hatrany anaty tononkalony ny filozofia metafizika tsikaritra amin'ny "Fa hanitra no tadin'ilay fanako Valiha"; "Embona ary raha adika, hanitra sy ra mitsika..." sns. Hita any koa ny idealisima an'i Platon izay niraisan'izy sy E.D. Andriamalala fijery tanteraka, mifototra amin'ny hoe : fahasambarana miorina amin'ny fisarahan' ny vatana sy ny fanahy. Ohatra: "Ny tenantsika aza fasana ankiray (...) kanefa ny fanahiny tsy mba maty fa manangatra". Sarin-teny fanovana endri-javatra kosa ireny raha ny maha poeta azy no dinihina ary ao anatin'ireny fahaiza-manao ireny no ipoiran'ilay "zava-mahagagan'ny poezia". Na izany aza dia hita fa teny efa nanaovan-dRandja fandalinana daholo ireny vao nosafidiny ampiasaina satria rehefa zohina dia mifamatotra amin'ny zavatra tiany havohitra avokoa. Rehefa miteny izy hoe "vato" na "ra", ohatra, dia tandindon'ny fahavelomana izay na ilay aina velona no ambarany ; rehefa miteny izy hoe "Valiha" dia tandindon'ny firenena. Ity farany izay fikarohana nataon'i Jean Edouard Rajaonarison tany anaty vakiraokany sendra hitako koa dia kasaiko mbola halalinina kely.
... hatraiza?
Nitahiry andalan-tenina filozofa maro toa an-dry J.-J. Rousseau sy Voltaire (François Marie Arouet) i Randja toy ny "Un esprit corrompu ne fut jamais sublime" (Voltaire).
Eny, teo tokoa ny maha mpihevitra an-dRanja Zanamihoatra ary na tsy nisehoany loatra aza dia hita ihany, mainka niharihary... Fa izy ilay "poeta sy mpaminany" anefa no tena fantatra... "Tsaroako ery izany fahalefadefaky ny rythme tao amin'ny andalan-tononkirako fony teo am-piandohana...", hoy izy tao amin'ny harivan-tafasiry.
_______________
Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra - Randja, poeta mihevitra