Créer un site internet

Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra

Ny asasoratra nifotorany

Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra - Ny asasoratra nifotorany
Valiha Gasy - 07/06/2025

Ity fanadihadiana ity dia nosintonina tamin'ny tapatapakahitra nifanaovan'i Valiha Gasy tamin'i Toetra Ràja (Poetawebs) ny 19 mey 2025 (daty nipariahana) ary tsy naseho tao anatin'izany tafatafa izany toa ireo andiany 4 hafa tao anatiny.

Ny asasoratra nifotoran'i Randja Zanamihoatra - Valiha GasyNanoratra izay rehetra nandalo tao an-tsainy i Randja Zanamihoatra raha ny fisavovon'ny takelaka manidiny no tsikeraina ary nandranto fahalalana tamina loharano lalina sy nivelatra raha ireo forongom-boky voalazan'ny zanany fa nananany, miampy ireo tahirin-kevitra maromaro mbola tazana any ihany.

Misy any mantsy teny irery tonga tsangan-keviny manokana ka anisan'izany ny famoronana ohabolana izay nitondrany ny solon'anarana hoe " REV PERE RANDJA ZANAMIHOATRA" (oh: "Ny adala no hendry indrindra satria tsy manely, tsy mizara fahendrena"). Voasorany any koa ny "Feon'ny fantatra sy ny tsy fantatra" araka ny filazany ka amin'izany ny taratasy sasany niresahany tamin'Andriamanitra sy niresahany tamin'ny tenany, "... any Randja". Any koa ireo karazana episitily toa taratasy tsy nalefa... na tsy tonga toy ny hoe "Efa niteny Andriamanitra"; nararaky ny peniny hatramin'ireo nofy moana saiky tsy hotantaraina, "Ny diako tany an-danitra". Ary soa fa mbola voatahiry ireo taratasy sasany nifandefasany tamina mpanoratra indray nihira taminy sy tamina mpiandraikitra an-gazety toy ny nalefa tamin'i Clarisse Ratsifandrihamanana, ny nalefa tamin'ny mpiandraikitra ny gazety Fandrosoam-baovao... sy ireo taratasy nifehezany ny teny amin'ny maha fitsipika azy kanefa koa nofolahiny hahay hifamatotra amin'ny maha fanaovan-javakanto azy.
Ohatra amin'izany ny "Essai de dictionnaire des Rimes selon Edmond Randriamananjara". Ireny sisa ahatarafana mivantana ny niainany sy ny zava-misy hita sy tsapany tsy hilana fandalinana be.

 Amin'ny ankapobeny, tombanako ho ny dimy isan-jaton'ireo zavatra nosoratany ireny niseho masoandro ireny, izany hoe navoakany boky ara-dalàna na... tsy misy afa-tsy amboaran-tononkalo "VAINAFO TONONKIRA" izay, saingy na io boky io aza amin'izao fotoana izao efa zara raha hita. Anankiray no ao amin'ny tranombokim-pirenena sisa ahitako azy. Ny marina anefa dia mpandala iringiriny, mpilalao teo amboniny sady ngezalahy nandrafitra ny kianjan'ny literatiora malagasy Randja Zanamihoatra satria misy any sombintantara toy ny "Ilay Rapaoro miafina"; any koa ny piesy teatraly mitantara ny nahaterahan'i Kristy, nataony tamin'ny fombany. Mihiboka any koa ny tantara foronina ("Alina farany") efa an-jato pejy maro. Tombanana ho avo telo henin'ny isan'ireo tononkalo aman-dahatsoratra maneho toe-po toy ny piraozy poetika ("Mena masoandro" - 1960 ohatra) ny isan'ireo piraozy tsotra aman-dahatsoratra mamotopoto-kevitra, miampy ireo famakafakana nataony ka amin'ireo ihany ny mbola nifaly havanja teo ambalan'ny literatiora toy ny namahavahany ny tantara foronin'i E.D. Andriamalala "Antso" sy "Taolombalo".
Ny asasoratra nifotoran'i Randja Zanamihoatra - Valiha GasyNy asasoratra nifotoran'i Randja Zanamihoatra - Valiha Gasy
Ny ankamaroany koa anefa efa nahahoatra ilay vavahady be tokana ivoahan'ny rindrina efatra nanasoakajian'i Aristote ny literatiora (maneho toe-po, mitantara, maneho an-tsehatra, maneho hevitra). Ary na azo heverina ho ity karazany fahefatra ity aza (littérature des idées) dia sarotra ny manilika azy eo amin'ireo kianja hafa ahatafidirany na ninian-dRandja izany na tsia. Tsy inona izany fa ny sehatra filozofika toy ny "Ny Art sy ny Firenena", "Dia Be", ny sehatra pisikolojika toy ny "... ny praograma fampatoriana dia fanaovana lahateny maharenodrenoka" => hypnose conversationnelle), siantifika koa aza indraindray. Tsy mpaminaninany foana koa Randja raha nilaza fa "Poeta sy mpaminany" satria nandinika ny sikidin-karatra toy ny "Fanazavana ny mari-tsary pika amin'ny karatra sy ny fifandraisany amin'ny vintan'ny olombelona", nandalina ny tontolon'ny zava-panahy ("La réincarnation"), nandalina ny tonon'andro sy ny vintan'ny olombelona izay mifototra amin'ny matiera (tany, afo, rano, rivotra, vato) ary ny filahatry ny kintana.
Ny asasoratra nifotoran'i Randja Zanamihoatra - Valiha GasyNy asasoratra nifotoran'i Randja Zanamihoatra - Valiha Gasy
Ho fehin'ny hoe "inona ny asasoratra nifotorany", hita fa nifototra tamin'ny fandraketana an-tsoratra izay rehetra nandrehitra ny sainy, nibitsika ny fanahiny ary nanotaka ny fony Randja Zanamihoatra na tamin'ny endriny toy ny ahoana na tamin'ny fomba toy ny ahoana na teo an-kianjan'ny inona. Sora-kanto no nifotorany saingy "soramonina" kokoa no tena naha izy azy dia tsy inona fa ilay bolongana literatiora mbola tsy nivaky tamin'ny andron-dry Homère sy ireo loharano grika (750 - JC), ireo no nilomanosany. Manaporofo izany ny fihirahirany ny andriamani-bavin'ny poezia sy ny asasorany sasany mbola ahatarafana fifangaroan-karazana toy ny "Indray mipy maso".

Valiha Gasy

Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra
Ny asasoratra nifotorany

Ajouter un commentaire

 
×