Ny maha Malagasy

tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra

Ny maha Malagasy tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra
Nirihaja - 15/06/2025

Tontosa soa tamin'ny 13 jona 2025 ny velakevitra natolotr'i Ridza Ngaly izay tafiditra tao anatin'ny hetsika Hadimian'ny Faribolana Sandratra ka nandraisan'ny Komity fankalazana ny faha-100 taonan'i Randja Zanamihoatra anjara. Tena nahaliana tokoa ity htsika ity ka ny masoandro mody no nampalahelo. Marihina fa niainga avy tamin'ny tohan'ny diplaoma nahazoan'i Ridza Ngaly (Randrianaivo Ridza) ny CAPEN tao amin'ny ENS tamin'ny 2003 ity velakevitra ity.
 
Nizara 3 ny velakevitra izay nohaingoin'ireo poetan'ny Faribolana Sandratra tamin'ny tononkalon'i Randja Zanamihoatra teny antsefatsefany.

1) Ny momba an'i Randja Zanamihoatra sy ny fifotorany amin'ny maha Malagasy

Teraka tamin'ny vanimpotoana fiforetana anaty i Randja Zanamihoatra ary anisan'ny nandray anjara tamin'ny fitadiavana ny very niaraka tamin'ireo poeta indray nihira taminy.

Teo amin'ny fahatanorany sy ny toetsainy, sarotiny tamin'ny fahadiovana izy, tsy tia voninahitra, nandala ny maha Malagasy. Sarotiny tamin'ny fomba fiteny sy fanoratra malagasy izy, nampiroborobo ny teny malagasy.

Niavaka koa ny endrik'izany fifotoran'i Randja Zanamihoatra izany teo anivon'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina.

Nampiaina ity fizarana voalohany ity ny fiantsana ireto tononkalon'i Randja Zanamihoatra ireto :
"Poeta" nantsain'i Miaro Zo, "Aretimpitia" niangalian'i Lova Santatra, "Fanandratana ny tahotra" an'i Kanto Fitahiana ary "Fifandraisana" novetsoin'i Mampandriniaina Manitra.

2) Ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra

Novelabelarin'i i Ridza Ngaly fa manana endrika roa ny asasorany.

Endrika voalohany:  milaza ny lafy ratsy vokatry ny fandrosoana toy ny siansa, fivavahana kristiana, fanjanahantany izay nahavery ny teny sy ny kolontsaina ary nandaozana mihitsy ny firenena malagasy. Nampihaingoan'i Nirihaja tamin'ny alalan'ny tononkalo "Andro gaigy" izany.

Endrika faharoa : ny lafy tsarany. Azo atao tsara ny manandratra ny Malagasy raha misy ny finiavana. Misy ny fifandraisan'ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy izay miverimberina matetika ao anaty asasoratr'i Randja Zanamihoatra : teny, tany, olona, taranaka, ra, fanahy, zavabohary, fahatsiarovana, tandindona.

Ireo tsy azo sakanana ka tsy mahatapaka antsika amin'ny maha Malagasy antsika

- Ny fanarenana tsy azo sakanana. Azo arenina ny fahavoazan'ny firenena amin'ny alalan'ny taranaka, ny asasoratra, ny fahatokiana an'Andriamanitra.

- Ny fihariam-pirenena tsy azo sakanana. Manana ny maha izy azy i Madagasikara ka tsy maintsy tafarina ny firenena malagasy na inona na inona hitranga, amin'ny alalan'ny fizahantany, ny literatiora, ny harena ankibon'ny tany.

Tsy azo hodian-tsy hita ny lalanan'ny famadibadihana fantatra amin'ny maha kodiarantsarety ny fiainana.

Noho ny fanatontoloana dia mirona any amin'ny fihavanambe ny firenena rehetra, tsy misy hery na fahaizana misakana izany ka mitaky fahamailoana sy tsy fitaraikiraikiana.

Nanome aina izany ny fiantsan'i Kanto Fitahiana ny tononkalon'i Randja hoe "Taorian'ny kaloko masina".

3) Ny hafatry ny mpanoratra

Mila miova toe-tsaina ny Malagasy hoy i Ridza Ngaly, mahay mandanjalanja, miala amin'ny hakamoana sy ny fitiavan-tena. Ambonin'izay dia mila manangona hery ampiasainy sy mahay mandanjalanja ny Malagasy ary mifototra amin'ny literatiorany... Ireo voambolana nampiasainy tamin'izany dia fampiasa amin'ny tontolo ambanivohitra sy tranainy.

Teo am-pamaranana dia nohamafisin'i Ridza Ngaly fa tsy sarotra ny mamaky ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra fa mila ifantohana tsara fotsiny ho an'ireo izay liana ary tokony haparitaka koa izy ireo.

Naharitra ora iray sy dimy minitra ny famelabelara-kevitra izay nofaranana tamin'ny fametraham-panontaniana nombam-baliny.

Sary sy tatitra : Nirihaja

Ny maha Malagasy tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra
Ridza Ngaly teo amin'ny velakevitra

Ny maha Malagasy tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra
Mampandriniaina Manitra

Ny maha Malagasy tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra
Ireo mpanatrika teo amin'ny laharana voalohany

Ny maha Malagasy tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra
Miankavanana :
Ridza Ngaly, Avisoa, Nirihaja, Zo Maminirina

Ny maha Malagasy tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra
Ridza Ngaly sy Avisoa
_______________
Ny maha Malagasy tarafina ao amin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra

Commentaires (1)

Toetra Ràja
  • 1. Toetra Ràja | 24/06/2025
Misaotra an'i Ngaly nanolotra velakevitra mahaliana.
Misaotra an'i Nirihaja nitatitra, tsy irery ny Poetawebs manana anao!

Ajouter un commentaire