Randja mahasarika mpikaroka
Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra
Valiha
Gasy - 14/06/2025
Ity
fanadihadiana ity dia nosintonina tamin'ny tapatapakahitra nifanaovan'i
Valiha Gasy tamin'i Toetra Ràja (Poetawebs) tamin'ny 19 mey 2025 (daty
nipariahana) ary tsy naseho tao anatin'izany tafatafa izany toa ireo
andiany 4 hafa tao anatiny.
Fanontaniana toy izany no mahasarika ny sain'ny mpikaroka amin'ireo poeta sy mpanoratra ireo satria matoa tsy afaka am-bava hatraty amin'ny taon-jato ela taorian'ny nivoahany ny asasoratra iray dia misy "fiantraika" sy "hery" tsy levon'ny fotoana ary tsy ravan'ny elanelana sy ny hetsika ao anatiny mitana an'ilay asasoratra, ilay "zava-mahagagan'ny poezia sy ny teny" iny araka ny filazan-dRanja. Matoa koa tonga hita maso amin'ny soratra ny zava-mahagaga iray samborin'ny poeta eny amin'ny habakabaka sy ny rivotra dia nisy "asa saina" mafy nataony tao ary izay asa saina izay no ilafihan'ny anton-javatra rehetra nampivoaka io asasoratra iray io. Misikotra izay asa sain'ny mpanoratra izay no asan'ny mpikaroka literera sy ianaran'ny mpandalina literatiora eny amin'ny Oniversite.

Asa sarotra izany ka mainka ho sarotra raha tsy asasoratra sarotra sy be hevi-dalina iray karazana amin'ireny an-dRandja ireny no hanaovana fampiharana.
Telo aloha hatreto ny fikarohana Oniversitera nokiraiko momba ny asasorany saingy inoako fa maro no mbola tsy hitako, ireto avy izany sy ny lalantsaina nitondran'ny mpikaroka azy :
• Haitsikera ara-pianahana izay nikiran-dRadanielina Radoeninjoa ny sora-tanan-dRandja Zanamihoatra ka nahazoany ny mari-pahaizana "Doctorat ès lettres"
• "Ny baiboly : loharanon'ny aingam-panahin-dRandja Zanamihoatra", nataon-dRabetalata Chantal ny taona 2009 ka nahazoany ny mari-pahaizana "Maîtrise ès lettres". Ny haitsikera ara-tarakevitr'i Paul Weber no nampiasainy tamin'izany.
• "Ny afo sy ny asa soratr'i Randja Zanamihoatra", nataon-dRafanomezantsoa Mbolatiana Bodoharimalala, nahazoany ny mari-pahaizana "Maîtrise ès lettres" ny taona 2004. Ny haitsikeran'ny ati-fanahy Bachelard no nitondrany izany asa izany.


_______________
Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra - Poeta mahasarika mpikaroka
Commentaires (2)

- 1. | 24/06/2025
Mankasitraka an'i Valiha Gasy mizara fandalinana mahaliana.

- 2. | 14/06/2025
Mahaliana ity fandalinana ity