Créer un site internet

Randja - Poeta andrarezina

Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra

Randja Poeta andrarezina
Valiha Gasy - 28/06/2025

Ity fanadihadiana ity dia nosintonina tamin'ny tapatapakahitra nifanaovan'i Valiha Gasy tamin'i Toetra Ràja (Poetawebs) tamin'ny 19 mey 2025 (daty nipariahana) ary tsy naseho tao anatin'izany tafatafa izany toa ireo andiany 4 hafa tao anatiny.

Hoy Ranoe tamin'ny velakeviny izay natrehiko ny alarobia faha-14 mey lasa teo : "Tsy mety ho poeta tena poeta raha tsy manitatra fahalalana sy mamaky ny asasoratr'ireo Andrarezina". Fomba fijeriny manokana izany saingy azo dinihina sy mitombina ihany rehefa nijery an-dRandja Zanamihoatra sy J.-J. Rabearivelo aho. Rabearivelo no aoka horaisiko satria misy antony izay!

   Teo amin'ny poeta frantsay nankafizina dia tena iray izy roa lahy ireo : Charles Baudelaire, Stéphane Mallarmé, Paul Valéry, sns... Izany hoe nankafy an'ireo poeta nivoy fironan-kevitra "saimbolisima" tany Frantsa i J.-J. Rabearivelo sy i Randja raha tsorina.

   Misy ifandraisany ve? Fa inona moa izany "saimbolisima" izany? Ny fikarohana ho avy mbola hamakafaka izany lalina, tsy anio, tsy rahampitso satria "asasarotra izany".

   Miainga amin'ireo antontan-taratasin-dRandja hatrany aho eto; misy any mantsy tononkalo mitondra ny lohateny hoe "Rabearivelo poeta"; any koa ny taratasy misary episitily, tsy haiko faritana ny zavatra toy iny, mbola tsy ampy ny fahalalako tsinona, hoe nalefan-dRabe ho azy raha ny sonia no jerena kanefa dia izy ihany no nanoratra azy. Toy izao ny faran'io taratasy io : "Randja, inoako fa tsy anisan'ireo mpanoratra te ho lehibe tampoka ise... Hoy Rabearivelo aty ankoatra". Tsy ireo ihany fa tazako tao koa ny tapa-taratasy kely sendra misy mari-bokin'ny "Saiky Nofy"... eny, tsy nankafy fotsiny an-dRabe i Randja fa nanovo... nanovo... nitohoka na tsy hita taratra mivantana tamin'ny fomba fanorany sy ny rafitry ny tononkalony aza... Ny antony? Nanana ny fitsipi-piainany i Randja dia ny fijoroana amin'ny maha izy azy ny tena. Fitaratra ho anao mpanao "Art" rehetra izany na iza ianao na iza.

   Lesona nosintoniny tamin-dRabe io tsy fitadiavana laza amam-boninahitra "mangery maitso" tamin-dRandja io rehefa dinihina. Mitovy tanteraka mantsy ny tontolo nisy azy ireo noho ny asasorany samy ilaina avadika im-pito farafahakeliny... Eny, na izy tenany aza niala nenina raha ny isan'ireo vakiraoka miverimberina amin'ny tononkalo iray any no tsikeraina. Nisy fotoana Rabe, tamin'ny androny, nitady "lanja" sy "toerana" noheveriny ho mendrika ny ron-dohany raraka ihany saingy tsy nahita mangirana ka iny izy nitady hevitra hitabatabana mandrakizay tamin'ny alalan'ny tantaram-piainana iny aloha vao nisy nahadinika ny asasorany. Randja kosa tsy izay! Tsy nitovian'ireo ngezalahy roa ireo ny fijery "miiba" sy "miabo", positiviste ny iray, négativiste ny iray, na samy mpaneho amin'ny fomba kanto ny lafiratsin-javatra azy izy ireo (pessimistes). Ohatra ny fiainam-pirenena, ny fahafatesana, ny alina. Ny an-dRanja fiakarana foana no nitondrany ny sain'ny mpamaky.


























Tononkalon'i Randja Zanamihoatra ho setrin'ny "Valiha", tononkalon'i J.-J. Rabearivelo

Valiha

Blocs d’émeraude pointus
   surgis du sol
   parmi l’herbe dont le fleuve est cilié,
   et ressemblant à d’innombrables cornes de jeunes taureaux
   enterrés vivants par un clair de lune.

Il est une eau pure, il est une eau secrète,
   froide comme le sable où elle se cache,
   qui remplit ces frêles conques non perforées.

Puis deviennent une forêt de flûtes non travaillées,
   deviennent un peuple de fûts
   où de l’eau est captive depuis les origines :
   deviennent des bambous bruissants de nids
   et de vents.

Ils y résonneront
   jusqu’à ce qu’y vienne un artiste
   qui brisera leur jeunesse de dieux
   et qui les écorchera dans sa cité
   et tendra leur peau
   avec des fragments de calebasses
   et des bribes de lianes.

Et lorsque le soleil sera rouge,
   lorsque les étoiles écloront
   ou que les matins battront des ailes,
   au bord de l’âtre
   ou sur une natte neuve,
   les bambous ne seront plus
   que des choses chantantes
   entre les mains des amoureux.

J.-J. Rabearivelo
In Presque songes

    Nanoratra tamin'ny teny frantsay koa i Randja fa tsy navoakany : "Les femmes vont à l'hyppodrome" sy ny "Circonstance" ary ny "Le temps où nous vivons". Heveriko fa mbola lesona tamin-dRabe koa no tsy nanaovany izany ary indrindra ny tsy namoahany afa-tsy iny boky iray iny... Ataoko hoe nifantsika tao aminy ilay tenin-dRabe manao hoe: "Ny bokinao... tsy ho an'olon-drery na arivo fa sakaiza zato". Ary izany indrindra no mahasaro-tadiavina ny asasoratr'izy roalahy ireo sy ny mahasarotra dinihina azy koa... Ny maha saro-posaina azy roalahy koa... Toa sarotra daholo izay rehetra momba azy ireo.

   Tsy hampitaha ny lentan-dRandja sy J.-J. Rabearivelo aho akory. Tsia, tsy hanao izany mihitsy aho, asan'ny mpanao "littérature  comparée" izany. Mahalasa ny fisainako fotsiny ireo anaran-dRabe voatonontonon-dRandja ao anaty sora-tanany ireo.

   Eny na teo amin'ny tantaram-piainana aza mantsy dia nisy toy izao :

   Rabearivelo rehefa nahita fa tsy fantatry ny taon-jatony ny lanjan'ny asa soratra nifotorany dia tsy nankasitraka ny taon-jatony ka nanova ny taona nahaterahany ho zokiny kokoa... mba hanakaikezany ny taon-jaton-dry Victor Hugo, nandondòna andrim-pajakana mihitsy izy ary nandany vola sy fotoana hiovan'ny  1903 ho 1901 tamin'ny kopiany, sy hiovan'ny "Jean Casimir Rabe" ho "Jean-Joseph Rabearivelo" (J.-J.R. toy ny an'i Jean-Jacques Rousseau).

   Nanao toy izany koa Randja satria raha ny fikarohana hita dia ny 20 marsa no tena daty nahaterahany saingy novany ho 29 mey izany. Araka ny tsoa-kevitry ny mpikaroka Radanielina Radoeninjoa izay efa nikira ny sora-tanan-dRandja koa dia noho ny vintan'ny 29 mey neken-dRandja ho mety taminy no nisafidianany an'io 29 mey io sy nanovany ny 20 martsa... Dia toa an-dRabearivelo ihany, nimaty ho an'ny nofiny, tsy misy fefy ary manakatra izay heveriny ho tiany sy mety aminy araka izay tratra sy amin'ny fomba rehetra.

Valiha Gasy
_______________
Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra
Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra - Poeta andrarezina


Commentaires (2)

HOBIANA
  • 1. HOBIANA | 29/06/2025
Sipa mafy kely koa ilay Valiha Gasy a!
Mankasitraka fa misy hisaintsainina ny nanoritanao ny lalana hamantarana an'izy mitsamy mpanelanelana ny hita sy ny miafina ireto.
Nirihaja
  • 2. Nirihaja | 28/06/2025
Mankasitraka an'i Valiha Gasy Rimbaud sy ny Poetawebs fa tena mahaliana ilay fikarohana. Rosa hasina hatrany

Ajouter un commentaire