Créer un site internet

Hitia Poeta, tononkalon'i Miantsa Nofy

nohadihadin'i Felana Radoniaina

Hitia Poeta, tononkalon'i Miantsa Nofy
Felana Radoniaina - 14/06/2025

Ny tononkalo “Hitia Poeta” dia tononkalo manaitra, manentana ny tanora hahay hifidy izay olona hotiavina  indrindra raha poeta izy. Ao anatiny no ahafantarana ny fomba fijery sy fampitandreman'ny poeta amin'ny fitiavana mety ho voatototra ao ambadiky ny voambolana mamy ataon'ireo mpanoratra tononkalo. Miantsa Nofy, amin'ny maha mpanoratra azy, dia mitondra fanentanana sy fanehoana lalina momba ny toetra sy fahasarotan’ny fitiavana poeta. Amin’ity fanadihadiana tononkalo ity dia hovelabelarina ny fomba fanehoan’ny poeta ny fitiavana amin’ny alalan’ny saina sy teny. Hojerentsika amin’ny antsipiriany ny votoatin'ny tononkalo, ny firafiny, ary ny hevitra tian’ny mpanoratra hampitaina. Amin’ny farany dia hisy lesona sy fandinihana horaisina avy amin’ity tononkalo ity.

Hitia Poeta

O ry tovovavy sy tovolahin'ny taniko a!
Anatry ny reny ity ka dia araniraniko:
Raha te hiadam-po, hilamina finaritra,
Sy hiaina am-pitiavana mafonja sy maharitra;
Alaviro toa fasam-bao ny mitia ireo poeta,
Satria ny azy, nofinofy anaty redy ny rehetra.
Eny, ekeko fa tsy laviko, be fitiavana izy ireny,
Fa raha tsoriko avy hatrany, dia makorelin-teny.

Masiaka ny filazako azy nefa izay no tena marina.
Fa ny tena ao am-pony, tsy mba takatrao takarina.
Ny azy ireny ny ''MALALA'': feno eny rehetra eny,
Ny sasany ankifonofono, atao safelipeli-teny.
Ianao no sasatra hikaroka hoe mba iza re izany?
Nefa tsy ary anaty fony fa eo imolony eo ihany.

Ka dieny izao, mafisa fo raha te hitia ireo poeta,
Fa ny fitiavan'izy ireny, tsy hay takarina, avo lenta.
Ny azy anaty sarin-teny: toa fitiavana ankizara;
Ka raha mety tsy hahazaka, dieny izao 'ndehana miala.
Fa 'zany mihitsy izy ireny e!
Monja ny azy ireny: "TENY".
Fa ilay fitiavany mihidy
anaty fony SAROBIDY!
Ilay tokany tsy foiny
No mpanjakan' ilay fony.
Ka mitiava ho'aho poeta raha mahazaka herisetra e!

Miantsa Nofy

 *
* *

Teny sy fehezanteny voalohany

“O ry tovovavy sy tovolahin'ny taniko a!
 Anatry ny reny ity ka dia araniraniko…”


Eo no manomboka amin’ny fanentanana sy fitenenana an-kolaka. Toy ny anatra avy amin’ny reny ho an-janany ilay endrika. Midika fa hafatra lehibe, manan-danja no hozaraina.

Fanehoana ny lohahevitra

“Raha te hiadam-po, hilamina finaritra
  ...
 Alaviro toa fasam-bao ny mitia ireo poeta”


Aseho mazava eto ny fampitandremana: ny fitiavana poeta dia tsy mora, tsy tsotra, ary mety hiteraka fikorontanana ara-pihetseham-po. Ampiasaina ny ohabolana toy ny “toa fasam-bao”, manamafy ny mahasarotra sy mety hampidi-doza izany.

Fanakianana ny poeta

“Fa raha tsoriko avy hatrany, dia makorelin-teny”
“Ny azy ireny ny 'MALALA': feno eny rehetra eny...”

Ireo andalana ireo dia feno fandinihana sy fanakianana. Asehon’ny mpanoratra fa ny poeta dia olona manan-talenta amin’ny voambolana, kanefa indraindray dia mety ho zary teny fotsiny no asehon'ireny fa tsy ilay tena fitiavana.

Fomba fitiavan’ny poeta

"Fa 'zany mihitsy izy ireny e!
 ...
 Fa ilay fitiavany mihidy
 anaty fony SAROBIDY!”


Ity faran'ny tononkalo ity no mampandanjalanja ny rehetra. Tsy hoe ratsy tanteraka ny fitiavan’ny poeta, fa tsy azon’ny rehetra leferina. Sarobidy ilay fitiavana ao am-pony, nefa voahidy ka sarotra idirana. Mila olona mahavita miaritra, mahataka-davitra, ary mahatakatra ny fisainan’ny poeta.

Ny tononkalo “Hitia Poeta” dia manasongadina fa tsy mora ny mitia olona manan-tsaina sy manan-talenta amin’ny soratra. Ny fitiavan'ny poeta dia matetika mivonona amin’ny nofinofy sy sary an-tsaina, ka mety hahalatsa an-katerena izay tsy ampy finoana sy fahatakarana.

 *
* *

Hafatry ny kalo

Ny fitiavana tsy teny ihany fa asa sy fo. Tsy maintsy misy faharetana sy faharesen-dahatra amin’ny fitiavana olona manam-panahy. Mahalala ny fahasamihafan'ny olona sy ny fomba fanehoany fitiavana izay miroboka amin'izany. Ny olona mitia poeta dia mila mahavita mitia amin’ny fo sy saina. Tsy azo hadinoina fa ny fitiavana marina dia mihoatra lavitra noho ny teny. Mila ezaka ny fahatakarana ny tena lanjan’ny fitiavana lalim-paka.

Felana Radoniaina

_______________
Hitia Poeta, tononkalon'i Miantsa Nofy, nohadihadin'i Felana Radoniaina


Commentaires (1)

Toetra Ràja
  • 1. Toetra Ràja | 24/06/2025
Mankasitraka Felana amin'ny fanadihadiana mahaliana!

Ajouter un commentaire