Randja - Poeta mamaka amin'ny maha Malagasy azy
Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra
Valiha
Gasy - 05/07/2025
Ity
fanadihadiana ity dia nosintonina tamin'ny tapatapakahitra nifanaovan'i
Valiha Gasy tamin'i Toetra Ràja (Poetawebs) tamin'ny 19 mey 2025 (daty
nipariahana) ary tsy naseho tao anatin'izany tafatafa izany toa ireo
andiany 4 hafa tao anatiny.
Tendro tokana niredareda loatra tao anatin-dRandja ka nampirehitra azy toy ny AFO teo amin'ny fanehoan-kevitra rehetra ny MAHA MALAGASY. Heveriko ho antony tsy nilonany famin'ny fanoratana tamin'ny teny frantsay koa ity.
Misy any amboaram-pamakafakana nomeny lohateny hoe "NY FIFANDRAISAN'NY NTAOLO AMAN'OLONA". Raha efa namaky ny filozofia malagasin'i RP Rahajarizafy ianao dia hiverina hahatsiaro azy indrindra eo am-pamakiana io famakafakan-dRandja io.
Inty indray ny fikarohan'i Jean Edouard Rajaonarison : nahita izy fa ireto avy ny ventin-kevitra ao amin-dRandja, ventin-kevitra hoy izy fa tsy tara-kevitra, ary ao amin-dRandja fa tsy eo amin'ny asasorany : ny fahatsiarovana, ny alina, ny fiainana fivahinianana, ny raharaham-pirenena sy ny akony, ny mahery, ny fitiavana, ny hery sy lanjan'ny teny, ny zavaboahary vavolombelona. Naravoko izany rehefa nampiray tendro ireo asasorany rehetra hitako aho. Ary satria hitako fa ny fandraiketana an-tsoratra hanjarian'ny fisiana ho fahavelomana mandrakizay no ambony indrindra taminy, dia nataoko hoe : "Ny fahatsiarovana eo amin'ny fitiavana ny fiainana, ny firenena, ny teny, ny zavaboahary sy alina, ny olon-tiana..." ka io fahatsiarovana io no miteraka "HERY" sy zava-mahagaga, toy ilay mbola mampiaiky antsika amin'ny Ntaolo tamin'ny fotoana androny.
Ladina ireo ventin-kevitra ireo raha fototra kosa ny "maha Malagasy" satria izao : misy asasorany mitory fitiavana mivantana ny teny malagasy ary ventin-kevitra hafa toy ny zavaboahary no entiny maneho izany. Na ao anatin'io zavaboahary io koa aza anefa dia midera ny hakanton'i Madagasikara izy sy manasina ilay natiora hain'ny Ntaolo nofehezina fahiny. Mbola andramany fehezina amin'ny fomba hafa aza izany dia ny "fanoratana". Ho fantam-pisiana ka ho velona mandrakizay eo amin'ireo taranaka mifandimby araka izany ny "ela" amin'ny alalan'ny fahatsiarovana. Toy izany koa ny "alina" izay mazàna fotoana nametrahany ny tantaram-pirenena (fanjanahantany) sy ilay "fiainana hafa - tsy izao" noventiventesiny izay ataoko fa ilay fiainana Malagasy madiorano mbola tsy voakasiky ny "soratra" akory aza. Iny no fohaziny.
Manaporofo izany ny fanaovany Hainteny toy ny "ALAHELON'IZA?". Nitoviany tamin-dRabe koa io ary ao anatin'io, tsy hoe mitory fitiavana ny teny malagasy intsony izy fa manaporofo, ny fitiavany amin'ny fampiasana sy filalaovana azy. Velominy mihitsy ireo teny tranainy, antitra sy bobongolo ary entiny mivoy ventin-kevitra hafa toy ny firenena, olon-tiana, zavaboahary, sns... Nanoratra tapa-tantara koa i Randja, "Safidy fahagola", nalainy tamin'ny angano masina nosoratan'ny zanak'Andriamasoandro faralahy fony izy nitady namana tety an-tany... Ary na ireo fanandroana, fandinihana ny riba nataony afa-tsy ny siansa namakafakany ny asan'ny zavamaniry malagasy toy ny "Amontana" sy ny tariny aza dia ny "maha Malagasy" avokoa no faka namaharany... Eny, izany ilay Malagasy mbola feno ny hery sy fahamasinan'ny Ntaolo ka mihoatra ny takatr'eritreretina... Izany ilay Malagasy mbola tsy "nankany".
![]() |
![]() |
Valiha Gasy
_______________
Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra
Valiha Gasy mandalina an'i Randja Zanamihoatra - Poeta mamaka amin'ny maha Malagasy azy