Firenena sambatra
Tononkalon-dRakotojaona Job, nohadihadin'i Toetra Ràja
Toetra
Ràja - 22/06/2025
* * *
■ Ny fahamaroan'ny poeta
Tsy moramora ny famaritana ny hevitry ny "sambatra" fa na i Régis Rajemisa-Raolison (1985) aza dia nanao izany tao anatina fehezanteny telo nombana ohatrohatra ka nifantenana ireto teny ireto : miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika, miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra, mananjara, tsara vintana, ambinina. Efa maro ve ny poeta nanoratra tononkalo tamin'ny 1975? Na dia sarotra aza ny hanombana ny isany dia heverina ho maro kokoa izy ireo ankehitriny raha iompanana ny fahalalahana manapariaka asasoratra amin'ny aterineto. Raha tena poeta marina izy ireny dia tokony ho sambatra ny firenena, fahasambarana tena izy fa tsy izay tiana hovoizina kanefa tsy mifanaraka amin'ny famaritana etsy ambony akory: miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika... Ilaina ny fahamaroan'ny poeta satria mampitombo ny hafalian'ny faly, manalefaka ny fahorian'ny ory, mampitraka ny fahakivian'ny mitolefika... amin'ny alalan'ny teny voahevitra sy kanto teraky ny aingam-panahy manonga. Tsy ampy anefa ny fahamaroana fa ilaina mihitsy koa ny kalitao tokony hananan'ny poeta.
■ Haneho ireo fanaony sy fisainan-tsarobidiny
Inona no fanaon'ny poeta? Tsotra ny valiny, manoratra tononkalo izay sarotra faritana noho ireo andrana analinalina nataon'ny mpandinika. Raha raisina ohatra ny an'i R. Rajemisa-Raolison (1985), "Asa soratra misy sarin-teny sy aingam-panahy, vita amin'ny teny mirindra, izay matetika miady roa ny tonom-peon'ny faran'andalany, na mifanararakaraka izany na mifanelanelana.", dia mety tsy ironan'ny rehetra noho ny antony samihafa. Ny mety hiombonana angamba dia ny firiman'ny endrika kanto sy ny hevitra mafonja fonosiny ka mampite hamaky na hihaino.
Tsy nianina tamin'ny mety ho famaritana Rakotojaona Job fa nanome lanja manokana ny hevitra voizin'ny poeta amin'ny hoe "fisainan-tsarobidiny". Tsy ny fisainana azy poeta ihany no sarobidiny fa ny fisainan'ny fiarahamonina izay isalorany koa, halalininy izany ary arindrany amin'ny rafi-teny kanto. Manana ny lanjany manokana ny tenin'ny poeta.
■ Mitahiry koa ny Teny tsy ho simba
Tsapa ho mihasimba ny fampiasana ny teny malagasy amin'izao vanimpotoan'ny fanantoloana izao. Tsy voahaja ny tsipelina sy ny rafi-pehezanteny, ny voambolana... hany ka sanatria ho very maina ve ny ezaka nimatimatesan'ny razantsika? Tokony ho anisan'ireo mpiarofanina tsy hivarinan'ny teny any an-kady ny poeta fa tsy sanatria ho izy indray no ho tosika itambesaran'ny teny mankany amin'ny fahaverezana. Eny, tsy poeta izay mpamarina ny teny. Filazam-potoanan'ny ankehitriny no nanoratan'ny mpanoratra ny "mitahiry", izany hoe efa fomba fanao mahazatra, dia ny fitahirizana ny efa voaforona. Tsy mba fahita izany fanimbazimbana ny teny izany any amin'ny tononkalon-dry Dox, Ny Avana, J.-J. Rabearivelo, Le Myosotis, Rabary, Josefa sy Joseph Andrianaivoravelona... Nahoana kosa no tsy voatandrina ny hasin'ny teny amin'ireny fanapariahana tononkalo maro amin'ny aterineto ireny? Tokony ho modely sy mpitarika ny poeta amin'ny fikolokoloana ny Teny tsy ho simba. Tsy tany an-tsekoly ihany no anovozan'ny poeta ny fahaizana mikolokolo ny teny fa tokony hanana anjara amin'ny fanitsiana ny diso ireo fikambanana poeta sy mpanoratra ankehitriny. Manana ny teniny sy ny voambolany ny Malagasy ka tsy tokony hametaveta azy amin'ny fifangaroana fa hanaja ny efa voaforona ary hamorona an'izay tsy mbola voadika, afa-tsy hoe "tsy fidiny", araka ny fanirian-dRakotojaona Job amin'ny hoe: "raha tsy efa dia tsy fidiny !"
* * *
Maro no te ho poeta fa tsy avelan'ny peniny hanandratra ny talenta, hahasambatra ny fiarahamonina. Maro mantsy no tsy zatra mitahiry ny teniny sy mikolokolo fatratra ny fisainan-tsarobidiny. Fotoana izao Iray Volan'ny Teny Malagasy izao hisaintsainan'ny poeta an'izay tokony hahasambatra ny fireneny.
Toetra Ràja
______________
Anisan'ireo 14 mirahalahy nanangana ny FIMPIMA Rakotojaona Job.
FIRENENA SAMBATRA