Créer un site internet

Takalo kalo poetika

Faha-100 taonan'ny poeta Randja Zanamihoatra

Takalo kalo poetika
Nirihaja - 24/06/2025

Nifamotoana teny amin'ny RENALA Manjakaray ireo mpakafy tononkalo sy an'i Randja Zanamihoatra manokana ny 21 jona 2025 tamin'ny alalan'ny Takalo kalo poetika . Ho fanohizana ny fankalazana ny faha-100 taonan'izany poeta izany no anton'ity fihaonana nokarakarain'ny taranany sy ny komitin'ny fankalazana ity.

Nitondra hafanana sy nahafinaritra ny fihaonana raha fehezina. Nosokafana tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny solontenan'ny Komity faha-100 taona sy ny taranaka ny lanonana. Niavaka ny fiantsana ny tononkalo sy resadresaka momba an'i Randja. Tao ireo nihira narahin-javamaneno toy ny gitara. Nalalaka ny fandraisana anjara toy ny fikaloan'ireo poeta ny asasorany.

Nahafinaritra ny rehetra koa ny kitonotono sy ny dihy noentina nandoko ny fotoana izay nitohy mandrak'alina.

Nirihaja

Takalo kalo poetika
Teo amin'ny fandraisam-pitenenana, miankavanana :
Avelo Nidor sy Nirihaja (Faribolana Sandratra)
Avisoa ary Rova (zafikelin'i Randja)

Takalo kalo poetika
21 jona 2025, Takalo kalo poetika

Takalo kalo poetika
Valiha Gasy niantsa tsy an-kijery
ny tononkalon'i Randja

Takalo kalo poetika
Ny poeta Jayah Razafi

Takalo kalo poetika
Izy no Radada mpiraifaribolana Sandratra

Takalo kalo poetika
Do angamba no lakilen'i Avelo Nidor teto

Takalo kalo poetika
Erika no Fiantso azy, mpiraifaribolana Sandratra

Takalo kalo poetika
Haritiana Laska miantsa am-pitsanganana

Takalo kalo poetika
Felana, mpiraifaribolana Sandratra sady Komitin'ny faha-100 taona an'i Randja

Takalo kalo poetika
Noble Randriamananjara,
szanak'i Randja Zanamihoatra

Takalo kalo poetika
Izy no vadin'i Nobel, renin'i Avisoa,
miantsa tononkalo

Takalo kalo poetika
Zanak'i Nobel, zokin'i Avisoa, niantsa tononkalo koa

Takalo kalo poetika
Santatra Ramarozaka sy Avelo Nidor nampiara-peo

Takalo kalo poetika
Vero Tadidy, anisan'ny niavaka tamin'ny antsany
_______________
Takalo kalo poetika - Faha-100 taonan'ny poeta Randja  Zanamihoatra


Commentaires (1)

Havozo Manitra
  • 1. Havozo Manitra | 27/06/2025
Misaotra fa nianoka kalo izahay tanatin'ny tatitra an-tsoratra sy sary

Ajouter un commentaire