Elisé Romuald
henika aingam-panahy
Tsikimilamina
Rakotomavo - 09/06/2025
Raha ny misy no arahiko
Fa noho ny aminao rehetra
Dia miainga ny fanahiko"
Nanaitra loatra an'iTsikimilamina Rakotomavo izany ampahany amin'ny tononkalon'i Elisé Romuald izany ka nahatonga azy nitapatapakahitra tamin'ity poeta feno tsikitsiky ity.
Tsikimilamina Rakotomavo
Tongasoa eto amin'ny tranonkala Poetawebs. Azonao ambara aminay ve hoe Iza moa i Elisé Romuald?
Elisé Romuald
Elisé Romuald: poeta, mpanoratra, mpikabary, mpanao gazety, mpampianatra.
Teraka tao Ampasimbe Manantsatrana, distrika Fenoarivo Atsinanana ny 21 jona 1995. Lehibe tao amin'ny distrikan'i Soanierana Ivongo, faritra Ananjirofo.
Nanohy fianarana tao amin'ny Sampana Malagasy, Oniversiten'Antananarivo, taorian'ny fahazoana ny mari-pahaizana Bakalorea ny taona 2013. Fandalinana ny teny sy fiteny no nosafidiko.
Nanomboka ny taona 2016 no niditra teo amin'ny sehatry ny kabary sy asasoratra.Tantara fihaino amina onjampeo no nanavanana ahy kokoa. Ny RDB sy RNM ary Record FM no nandefa ny ankamaroan'ny sanganasa. Anisan'izany ny "Tsiny tsy hamono", "Fanomezan-drafilahy", "Mariazy kambana", "Asa fa tsy kabary", "Harenan'olona"...
Niezaka nizara tsikelikely ny talenta momba ny lahabolam-paritra betsimisaraka sy tononkalo tamina gazety, revio, indrindra ny fampisehoana mandritra ny lanonana samihafa.
Eo amin'ny sehatra asa: efa mpanao gazety, mpanolotra vaovao tao amin'ny RNM, TVM Anosy (2020-2021), mpanao gazety tao amin'ny Dépêche Informative Taratra (2022-2023), ary lehiben'ny Sampan-draharaha misahana ny Fampiroboroboana ny fitenim-paritra nanomboka ny 2024.
Tamin'ny 15 janoary 2025 aho no notoloran'ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina Mari-boninahitry Kanto sy ny Soratra ary ny Kolontsaina.
Poeta i Elisé Romuald, firy eo izao ny tononkalo nosoratanao, amin'ny fiteny Betsimisaraka avokoa ve izy ireo?
Elisé Romuald
Maromaro, hoy ilay tsy mahay manisa, ny tononkalo efa nosoratako fa ny voatahiry ao amin'ny firaketana ny sanganasako dia eo amin'ny roapolo eo. Misy ny navoaka tamina gazety, pejy Fesiboky, ary noantsaina an-tsehatra sy tamina fandaharana.
Iray amin'ireo no amin'ny fiteny betsimisaraka avaratra. "Tsaboraha no lohateniny", izay sady fampahafantarana io fomba amam-panao nentim-paharazana sy mbola iainana mandraka ankehitriny io.
Tsikimilamina Rakotomavo
Inona avy no loharanon'aingam-panahin'i Elisé Romuald rehefa manoratra?
Elisé Romuald
Raha poezia aloha no resahina dia "olona" no loharanon'ny aingampanahiko. Tsy voatery ho olona miresaka amiko mivantana na zavatra iainako fa mety ho zavatra hita amin'ny olom-pantatra na tsy fantatra ka mampihetsi-po.
Raha tantara ana onjampeo kosa dia matetika misy toe-javatra na hevitra iray nanaitra ahy ary tonga ny aingampanahy mandrafitra azy ho tantara feno. Eny an-dalana no matetika tonga ny aingampanahy amin'izany, ary manoratra rehefa tonga ao an-trano.
Tsy manana aingampanahy amina zavatra mampalahelo, ary tsy tia, tsy mankafy asasoratra mampalahelo aho.
Tsikimilamina Rakotomavo
Namoaka boky mahaliana ny maro ianao, azonao lazaina amin'ny mpiseran'ny Poetawebs ve ny andinindininy mahakasika izany?
Eny, nivoaka ny alakamisy 5 jona 2025 teo tokoa ny boky nosoratako. Am-pitiavana sy am-panetren-tena lehibe no ampahafantarako antsika ny andinindininy.
LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA no lohateniny. EDIRAR no trano mpanonta. Ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna no manao ny teny fanolorana, ary profesora Ranaivoson Jeannot Fils, mpampianatra mpikaroka ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo kosa no manao ny teny mialoha.
Amboarana lahobolana, manana pejy miisa 192 izy ity, amin'ny teny malagasy ofisilay ny fanolorana, famaritana sy ny sisa. Amin'ny fiteny betsimisaraka avaratra kosa ny lahabolana tsirairay ao anatiny.
Fampahafantarana ny karazana zava-kanto vita amin'ny fiteny misy ao amin'ny foko betsimisaraka, amin'ny tapany avaratry ny faritanin'i Toamasina (Analanjirofo, Ambatosoa) no antom-pisian'ny boky. Sady voasokajy izy ireo no misy famaritana, arahana ohatra maromaro.
Ny fizarana voalohany: ahitana lahateny, toy ny rasavôlaña (misy ohatra 17), miampy Ôhabôlaña (385), hantambôlaña (27).
Ny fizarana faharoa : ahitana hira vako-drazana sy rindran-teny maneho toe-po , toy ny Ôsiky (43), kôro (06), jijy/tôkatôka (31), sôva (16), fankahitry (04), hira dôlan-jaza (24)
Ny fizarana fahatelo kosa no misy ny sokajy mitantara sy kilalaon-tsaina isan-karazany, toy ny angano (11), korambe (12), ankamantatra (94), ankanoñoño (03) ary ankifidy (06).
Afaka mampiasa io boky io avokoa ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpandalina, mpanakanto, mpamokatra fandaharana amin'ny haino vaky jery, ary ny Betsimisaraka te hampitombo fahalalana sy hiaina ny kolontsaina sy fandaharan-teny mampiavaka azy.
Tsikimilamina Rakotomavo
Tena miavaka tokoa ity boky ity Elisé Romuald. Ahoana ny fomba nanangonanao ireo haren-dahabolana kanto ireo ?
Elisé Romuald
Fomba telo no nahazoana azy ireo. Teo aloha ny famoronana, satria efa niaina ireo karazana lahabolana ireo aho hatrizay ka afaka nandrafitra niainga tamin'ny talenta sy aingampanahy ary fandinihana ny zava-boary manodidina. Voakasik'izany ny rasavôlaña, tôkatôka sy sôva sasany.
Misy, ankoatra izay, ny nangonina, izany hoe noraisim-peo tany amin'ny faritra Analanjirofo ary navadika an-tsoratra. Anisan'izany ny angano, korambe, ôsiky, ankamantatra...
Fahatelo farany ny lahabolana nomena, izany hoe nisy namana namorona na efa nanao azy an-tsehatra ary nomeny hampidirina ao anatin'ny boky.
Tsikimilamina Rakotomavo
Hono ho aho, ahoana no fahitanao ny literatiora malagasy? Ahoana no fomba hanasongadinana azy?
Elisé Romuald
Velona ny literatiora malagasy ary tsy mitsahatra mivoatra na dia somary resin-tosiky ny karazana zava-kanto hafa aza, toy ny hira sy kilalao amin'ny tontolo nomerika.
Raha tiana hisongadina ny literatiora malagasy dia mila manolotra vokatra tsara sy miavaka foana ny mpamorona (poeta sy mpanoratra). Rehefa miavaka ny vokatra dia voasarika foana na dia ny olona tsy mpankafy sora-kanto aza.
Mila hita amin'ny sehatra maro ireny sanganasa ireny mba hisongadina na amin'ny endriny an-tseatra izany, na arahina feo sy sary, an-dampihazo, amina onjampeo sy fahitalavitra, an-tambajotra, tranonkala eny hatramin'ny mpampiditra hira azon'ny isam-baravarana henoina. Tsy atao ambanin-javatra koa anefa ny boky.

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no hafatrao ho an'ny taranaka ankehitriny?
Elisé Romuald
Ho an 'ny tanora, taranaka ankehitriny, fantaro ny endrika sy votoaty naha literatiora ny literatiora malagasy izay napetraky ny zoky, andrarezin'ny sora-kanto. Araho ny fivoarany sy ny fihatsarany. Trandraho ny talenta mampiavaka sy mampisongadina anao. Aza hadinoina koa anefa ny lahabolana kanto nolovaina tamin'ny razantsika. Aza avela ho lovantsofina zary hadinodino izy ireny satria sady mifamatotra amin'ny tena fiainantsika no mandrani-tsaina hahalala ny tontolo. Koa fantaro, trandraho ary ampitao amin'ny fitaovana rehetra misy ankehitriny.
REHEFA TIA
Tsy ampoimpoizinao
Fa zava-mbola tsy fatao
Mivoaka ho azy tsotra izao
Rehefa tena tia ianao
Ianao ilay be kizitina iny
Misinda ho azy sao tsy tiany
Na saro-kenatra aza lahy
Miova lasa sahisahy
Fa ny mahavariana hoy aho
Dia miova toa vazaha
Mandeha ny teny frantsay
Angilisy koa indraindray
Fa ny tena tsy ampoizina
Lasa poeta be ikoizana
Mahatory fitia am-poezia
Mitranga izany rehefa tia
Maro fa tsy voatanisa
Vinanio indray ny sisa!
Tsara ery, mamisavisa
Ilay fitia paradisa.
Hatrizay aho tsy poeta
Raha ny misy no arahiko
Fa noho ny aminao rehetra
Dia miainga ny fanahiko
Eilsé Romuald 17/10/22
Tsikimilamina Rakotomavo
Misaotra anao nitapatapakahitra teto
Eilsé Romuald
Tsy misy tokony isaora!
Ianareo eto anivon'ny Poetawebs no isaorana mampiaina sy mizara ny kanto. Ankasitrahina manokana ny mpankafy sy mpanaraka ny tafatafa toy izao.
Samy hitombo hasina sy talenta anie ny isam-batan'olona!
___________
Elisé Romuald, henika aingam-panahy
Commentaires (1)

- 1. | 09/06/2025
Mahaliana ity Tapatapakahitra ity