Créer un site internet

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Toetra Ràja - 07/06/2025

Tanteraka soa aman-tsara tao amin'ny tokotanin'ny Tranombokim-pirenena ao Anosy ny 04, 05 ary 06 jona 2025 ny Tsenaben'ny boky izay tafiditra ao anatin'ny Iray Volan'ny Teny Malagasy. Nampiavaka io telo andro io ny fanentanana samihfa toy ny fitantarana angano notontosain'i Arikom's Randria, ny velakevitra nosahanin'i Ranoe amin'ny hoe "Inona no antsoina hoe : mpanoratra sy poeta?", fanolorana ny boky "Lahabôlana betsimisaraka" nosoratan'i Elisé Romuald, ny fanehoana ny bokin'i Anaclet Imbiki "Histoire de l'île de Sainte-Marie de Madagascar", atrikasa samihafa ary indrindra ny fampirantiana tamin'ny Tranoheva izay nampiavaka ireo mpanonta boky (TPFLM, Teny, Le Lauréat...), fivarotam-boky (Md Paoly, Antso...) ary ny mpanoratra toy ny Faribolana Sandratra, Famoloana Telozoro...

Anisan'ny nitazona tranoheva tao ny tranonkala Poetawebs, tsikaritra teo anoloan'ny fidirana ao amin'ny tranombokim-pirenena ary nifanila tamin'ireo seza manatrika ny lampihazo.

Teo anoloan'ny tranohevany ny rantin'ny sorapiainana misy an-dry Dox, J.-J. Rabearivelo, Jean Narivony, Elie Rajaonarison, ny mpitandrina Andrianaivoravelona mianaka. Samy manana ny andian'ny boky Sorapoainana misy azy avy ireo poeta ireo. Teo an-databatra ny santionan'ny boky Sorapiainana miampy ny an'ny poeta sy mpanoratra samihafa. Singanina ao ny "Rakibolan'ny mpianatra" teo ambany fitantanan'ny Pr Narivelo Rajaonarimanana izay mpikamban'ny Poetawebs rahateo. Niavaka tamin'ny andro voalohany ny fitsidihan'ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina tao anatin'ny fifaliana ary nanolorana azy ireo andiany anankitelo amin'ny boky Sorapiainana. Terý afara indray ny efijery nandefasana horonam-peo mahakasika ireo andraikitra sahanin'ny Poetawebs.

Zava-dehibe ho an'ny Poetawebs ny fifanakalozan-kevitra tamin'ny mpitsidika izay nahitana mpianatra, mpampianatra, ray aman-dreny, mpanonta boky, olona liana amin'ny literatiora sy ny poezia malagasy. Niantsoroka ny fimasoana ny tranohevan'ny Poetawebs sady tompon'ny sary ampiasaina amin'ity tatitra ity i Tsikimilamina Rakotomavo, Rita, Patrick ary i Hery. Tazana teny an-toerana koa i Solotiana Nirhy-Lanto.

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Minitra fohy mialoha ny fandraisana ny mpitsidika voalohany. Miankavanana : Patrick, Tsikimilamina Rakotomavo, Rita, Hery

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Ireo mpitsidika voalohany

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Raim-pianakaviana sy ny zanany mandinika fatratra ny raiben'ny poezia malagasy : ny mpitandrina Andrianaivoravelona mianaka

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Ny fitsidihan'ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy. Mandray azy ireo :
Tsikimilamina Rakotomavo
(Mpitantana ny Poetawebs)

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Fehezam-boky Sorapiainana anankitelo
notolorana ny Ministra

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Liana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Manazava ny momba ny boky Sorapiainana i Rita
I Hery kosa manazava ny atin'ny tranonkala

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
I Patrick manazava ny momba ireo boky Sorapiainana sy ny bokin'ny poeta hafa

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Tsikimilamina Rakotomavo manolotra ny lisitr'ireo poeta 47 efa nanaovana sorapiainana ary voarakita ao amin'ny tranonkala Poetawebs

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Solotiana Nirhy-Lanto, mpikamban'ny Poetawebs namadibadika ny bokin'angano nosoratan'i Tsikimilamina Rakotomavo "OMBE"

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Eo afovoany i Cathia Razay, mpampianatra taranja Malagasy, mihaino ny fanentanan'ny poeta Hobiana

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Miankavanana : Cathia Razay, ny poeta Hobiana, Tsikimilamina Rakotomavo (Poetawebs), ny poeta Felana. Namangy sy nanentana saika ho isan'andro tao amin'ny tranoheva ireo poeta roa namana ireo

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Misy amin'ireo nividy boky Sorapiainana no nangataka rakitsiaro. Manatanteraka izany eto ny mpandrindra ny boky Sorapiainana :
Tsikimilamina Rakotomavo

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Miandry kely ety ivelany aloha ireo mpianatra liana fa mbola misy olona

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Mitataovovonana, misy ny miditra, misy ny mivoaka

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Raim-pianakaviana sy mpianatra
manongilan-tsofina amin'ny fanazavana

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Hery manolotra ny lisitr'ireo poeta 47 efa nanaovan'ny Poetawebs sorapiainana

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Taratra amin'ny endrik'i Fitomiandalana, filohan'ny FMTS, ny fahalinana amin'ny sorapiainana

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Ireto anoloana ny boky sorapiainana, hoy i Patrick, ao afara ny bokin'ny poetan'ny ankehitriny. Tsikaritra amin'ny efijery ny Sorapiainana andiany voalohany

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Tsy mitsahatra mametraka fanontaniana ireo mpitsidika

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Ny endrik'ireo boky raha zohina akaiky

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Fotoana anisan'ny nahamaro ny mpitsidika

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Anisan'ny nifantohan'ny maso ny fafan'ny poeta Dox sy J.-J. Rabearivelo

Poetawebs tao amin'ny Tsenaben'ny boky 2025
Ny lampihazo tetsy ampita


Commentaires (1)

Havozo Manitra
  • 1. Havozo Manitra | 08/06/2025
Misaotra Toetra Ràja amin'ny tatitra.Mahaliana tokoa ny hetsika araka izao ahitana azy amin'ny sary izao .

Ajouter un commentaire