Créer un site internet
Sorapiainan'i Lolo Rajohns
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 janoary 2021
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja

Fantaro i...
LOLO RAJOHNS

(1910 - 2004)
Pôeta
Mpiasam-panjakana
Mpanao hosodoko
Mpitsikera literera

— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo sy i Toetra Ràja —

Hoy Lolo Rajohns tao amin’ny "Aingam-panahy vaovao: ny rindran-kira ho anao" tak 157 :
"Manana saina tia karokaroka, tia fivoarana ary tia fandrosoana ny tanora amin’izao taon-jato iainantsika izao, ka izany no tokony tsy hahakivy ny mpanan-talenta rehetra eo amin’ny asa soratra, fa hamoaka boky".
Sy ny hoe : "Koa ny hany sisa atao dia ny mampirisika ireny tanora fanantenan’ny firenena ireny ho tia mandrakariva ny LITERATIORA MALAGASY".



Teraka ny alarobia 16 febroary 1910 tao Manarintsoa Namehana, distrikan'Antananarivo-Ambanivohitra i Barthélemy Rajohns antsoina hoe Lolo Rajohns, lahimatoa amin’izy fito mianadahy mpiray tampo, telo lahy sy efa-bavy, nateraky Rajonson Barthélemy sy Ranoro. Fahefatra farany amin'ireo zanaky Rainimiakatra sy Rafara kosa Rajonson Barthélemy. Avy any Ambodirano sy Namehana ry zareo.

Nanambady an-dRanoromihaso Emilie (sary eo ambony) zanak’Andriamihaso sy Rasoamananoro i Lolo Rajohns ary niterahany fito mianadahy. Nodimandry ny 21 aogositra 1988 Ranoromihaso Emilie fa i Lolo Rajohns kosa naharitra hatramin'ny 94 taona rehefa nodimandry tamin'ny 29 mey 2004.


Tetiaran'i Lolo Rajohns maneho ny loharano nipoirany sy ny zanany

Barthélemy Rajohns - Lolo Rajohns
Miara-dalana amin'ny olombelona hatrany ny anarany ary mandritra ny androm-piainana mihitsy aza. Ankoatra ireo nasalotra azy teo am-pahaterahana dia misy ireo nomena azy taty aoriana na ireo nofinidiny koa. Maro samihafa ireo anarana niantsoan’ireo naman'i Lolo Rajohns azy toa an-dRajonson, Rajonson Barthélemy (zanany), Barthélemy Rajohns, Lolo Barthélemy Rajohns, Lolo Rajohns. Hahaliana ny fahafantarana ny hevitry ny anaran'ity pôeta hanaovana fandalinana ity satria mety hahalalana ny toetrany sy ny maha izy azy, araka ny voalazan'ny Firaketana (tak 532) hoe:

"... misy tokoa maha zava-dehibe ny anarana, indrindra fa (a) ireo anarana mirakitra tantara; (b) ireo manambara toetra ambony izay irina hananana. Ny fanonontononana sy fandrenesana azy matetika dia miasa mangina mampilentika ao an-tsain'ilay tompony ny toetra tsara ao aminy ka manetsika azy, na iniany atao izany, na tonga ho azy mba hanana izany..."

Ny Rajohns aloha, fanampin'anarana anglisy Johns notovonana "Ra" ho mari-panajana amin'ny maha Malagasy, dia mifandraika amin'ny anaran'ny apôstôly Jaona na Jean (Madame le Figaro). Olon'ny fiadanana sy fitoniana ny Johns, malalatanana sy hantra olona, mpikatsaka fampandrosoana ary tia zavakanto omban'aingam-panahy mihoa-pampana.

Ny Barthélémy indray dia avy amin'ny teny hebreo "bar" midika hoe zanaka sy "Talmaï" manambara sori-dalana na vava asa (Madame le Figaro). Anisan'ireo apôstôly 12 koa izy izay novonoina noho ny asa fitoriana. Mampiavaka azy anefa ny tara-pifaliana misoritra amin'ny endriny, ny fahaizana mifanerasera amin'ny olona tsy mitaky ezaka be fa toy ny mandeha ho azy. Tony sy matotra izy amin'ny andavanandrony ary mihaino sy mahafoy fotoana ho an'ny mpiara-belona aminy. Mandalina sy mandanjalanja izay lazaina azy izy saingy tsy mitsara, hany ka anatonan'ny olona mpila toro-hevitra.

Izy roa voalohany ireo no voarakitra ao amin'ny karapanondrony. Toy izao kosa no namaritan'i Régis Rajemisa-Raolison (1985) ny "lolo" ao amin'ny Rakibolana: "Anarana ilazana amin'ny ankapobeny ireo bibikely misy elatra efatra maro karazana rakotra elakelaka manify mandraraka vovobovoka ary voaravaka loko mamirapiratra". Raha ny marina koa anefa dia niovaova endrika io bibikely io vao tonga lolo satria olitra aloha vao bibindandy ary soherina indray. Araka izany, toetra roa no mety hampiavaka an'i Lolo Rajohns: ny hatsaram-bikany aloha, araka ilay voalaza hoe "mamirapiratra", na izy tenany izany na ilay fihetsika kanto am-panidinana. Manaraka izany, ilay fahabitihana am-boalohany kanefa misongadina amin'ny habeny ao aoriana.

Mbola i Régis Rajemisa-Raolison (1985) koa no namaritra fa "Araka ny finoan'ny Ntaolo: fanahin'ny olona maty mihelohelo manodidina ny velona toy ny angatra na ny matoatoa, saingy amin' ny tarehi-na lolo ary mazàna manambara zavatra na mahatonga harary". Ampoizina ho mpandala ny  loharano nipoirany izy ara-talenta, talenta tsy mba maty amin'ny maha pôeta, na dia nofo aman-dra mety hiharan'ny setram-piainana saro-jakaina aza.

Nahatsapa ny lanjan'izany teny izany ny namany akaiky, J.-J. Rabearivelo, ka vaky vava hoe:

"Tsy tianao ve raha "Lolo" fotsiny no atao fanampin'anaranao, fa tsy asiana "Ny""

Notsongaina tao amin'ny boky "Aingam-panahy vaovao, Rijan-kevitra fandinika sy rindran-kira malalaka", Boky II, tak 62, izany teny izany.


Lolo Rajohns manovo
Maro ireo sekoly nanovozan’i Lolo Rajohns fahalalana izay natombony tao amin’ny sekolim-panjakana Andilamena Ambatondrazaka tamin'ny 1915 raha mpiasam-panjakana tany ny rainy (chef de canton). Nanohy fianarana teto Antananarivo izy: sekolim-panjakana tao Namehana Antananarivo (1917), sekoly Ambohijatovo Atsimo F.F.M.A. (Friends' Foreign Missionary Association), tamin'ny 1919, izay sekolin'ny sangany teto amin’ny Nosy ary nahitana pôeta toa an-dry Georges sy Célestin Andriamanantena, Samuel Randria. Nianatra tao amin’ny sekolim-panjakana Faravohitra izy taorian’izany (1922). Mpianatr’i Jean Maxence izy fony nianatra tao amin’ny "Ecole des Beaux Arts" tao Antaninarenina tamin'ny 1924, ho tohin'ny fahafahany tamin'ny fanadinana nampanaovin'ny Fanjakana teto Antananarivo. Voaray tao amin’ny sekoly rezionaly Mantasoa izy tamin'ny 1926-1928 ary nahazo ny C.E.S.D. (Certificat d’Etudes du Second Degré). Izany no nahafahany nanohy tao amin’ny sekoly le Myre de Vilers teo Mahamasina (1929-1930) izay namaranany rahateo izany fanovozam-pahalalana fototra izany.

Io zatovolahy mitana fehezam-boninkazo tohanan-drainy amin'ny sorony io no Lolo Rajohns teo amin'ny fahadimy taonany (1915). Sarim-pianakaviana nalaina tao Andilamena (Ambatondrazaka) tamin'ny fotoana naha mpiasam-panjakana an-dRajonson Barthélemy rainy

Voaray ho mpiasam-panjakana Mpanoratra-Mpandika teny izy tao aorian'ny fianarany ary voatendry tany Antomboka (Antsiranana taty aoriana) ny 12 janoary 1931. Voatendry hiasa teto Antananarivo indray izy ny 12 jolay 1934.

Na dia efa niasa  aza i Lolo Rajohns dia tsy nitsahatra nandranto fahalalana tao amin’ny sekoly fianaran-tsarin’ny Provansin’Antananarivo teo atsinanan’i Mahamasina ka Rtoa Fort sy Lucien Andriamampianina no mpampianatra azy. Iray tarika tamin-dry Dr Ratianarivo sy Ramambazafy Ralainony (mpitsabo biby sy anisan'ny nanoratra ny Firaketana) tao izy.

Lehilahy mangetaheta fandrosoana lalandava i Lolo Rajohns ka nilofo tamin’ny fianarana fandaharan-teny sy fitorian-teny tao amin’ny sekoly fanomanana ho mpitoriteny tao amin’ny Fiangonana Protestanta FJKM Analakely ka nahazoany ny filazam-pahaizana ho an’ny mpitoriteny rehefa nilofo nandritra ny valo taona mahery (1959-1967).


Lolo Rajohns manan-talenta
Nampivelatra ny talentan'i Lolo Rajohns ny toerana nanamarika ny fiainany ka anisany i Mantasoa nandrantoany fianarana,  sy Antomboka nanombohany niasa, ary Iarivo niaviany sy nonenany naharitra.

Mantasoa

Toerana nahafinaritra indrindra ny mpanjaka i Mantasoa, na Soatsimanampiovana fehizay, ary nataony ho fialam-boly sy fitsangatsanganana noho ny fisian’ny dobo namboarina natao ho fandroan’ny mpanjaka. Fony nianatra tao an-toerana i Lolo Rajohns ny 1925-1928 no nitsimohan’ny talentany sy ny fitiavany literatiora. Fanaon’ny mpianatra taona fahatelo tao amin’io sekoly io, isaky ny fiafaran’ny taom-pianarana, ny fametrahana fahatsiarovana toy ny soratra sy sary ao amin’ny kahien’ireo handao ny toeram-pianarana. Pôezia sy teny mamy no voasoratra ka tena mampamolivoly ny fon’ireo handeha. Vokatry ny fahitana sy fiainana ireo tontolo ireo no nitiavan’i Lolo Rajohns literatiora sy ny sary hosodoko. Tsy afa-misaraka mihitsy ireo kanto roa ireo taminy.

Antomboka

Toerana ahitana seranana amin’ny ilany avaratr’i Madagasikara ary ifamezivezen’ireo sambo samihafa Antomboka. Toerana milamina sy ahatsapana ny hakanton’ny voary no hita ao ka anisany ny helo-dranomasina fanta-daza eran-tany noho ny hatsarany. Tao Antomboka no nanombohan’i Lolo Rajohns asa maro ny 12 Janoary 1931. Anisan’izany ny asam-panjakana nanendrena azy, ny fiahiana tokantrano, ny famoronana pôezia. Nahavatra nanao hosodoko nandravahana ny sehatra nanaovana ny fampisehoana ny tantaran-dRasalama Maritiora ny lehilahy tamin’izany. Niavaka indrindra tamin’ny hosodokony ny sarin’Anatirova. Nanoratra ihany koa izy noho ny fitobahan’ny aingam-panahy tao aminy.

Ny 1933 moa no namoahany voalohany tao amin’ny gazety Fandrosoam-baovao ny asa sorany milohateny hoe "Nofy sa…?" izay isan’ny nahafantaran’ny maro azy.

Iarivo

Mazava loatra fa nampivelatra ny talentany i Iarivo amin'ny maha tanindrazany azy sy tanàna nitoerany mandritra ny fotoana ela. Hanina sy embona no tambin'ny fisintahany an'izany toerana izany:



"Eny! ry Ialamanga mamin'ny razako,
 ry Malalan'ny foko sy fitiavako,
 raha tsy amindranao fo
 sy amindranao hery aho,
 dia halahelo anao tokoa"
 (Aingam-panahy vaovao, Tome II, tak 11)

Tsy lavitra an'izay Iarivo izay no misy an'i Namehana niaviany sy nahaterahany ary nahabe azy. Zovy no tsy ho manina na aiza na aiza no tazanina. Mandalina sy mankafy hainteny ny pôetanao Lolo Rajohns:

"Iarivo no nantsoina
 kanjo i Namehana no nanoina...
     malaza avy any Namehana izahay,
     ka nitondra voasary ho an-jaza;
          (...)
gaga aho
raha tany Ambohimanga:
Talanjona aho
raha tany Andohatanjona
     Lazalazao, ry Lazaina,
     hitambitamby ve aho vao ho tompony?
     sa hividy fitia vao hanana?"

Loharano hafa


Antony hafa nahatonga an’i Lolo Rajohns hianoka literatiora ny fifampitohizana aina teo amin’ireo loharano nipoirany efa nanan-talenta teo amin’ny fandaharan-teny sy fitorianteny toa an-dRandriamiakatra rahalahin-drainy, Mpitandrina tao Ambohinaorina Namehana sy Rainizafy- Randrianary, Mpitandrina anadahin-drenibeny avy amin’ny lafin-drainy.

Fony nianatra tao amin’ny sekoly le Myre de Vilers dia nahavariana azy ny adihevitra niarahany tamin-Rtoa Dandouau mpampianatra azy taorian’ny fampianarana izay mahakasika sanganasana pôeta malagasy voarakitra tao amin'ny boky "Amboara voafantina".

Nampisento sy nampirotsa-dranomaso ity vazaha ity ny fandrenesana ny tononkalon’i Eliza-Freda sy ny namany. Izany ihany koa no mbola nampiredareda ny fanirian’i Lolo Rajohns ho tonga pôeta. Vokatry ny filonany tamin’ny sanganasan’ireo pôeta jiosy tao amin’ny Baiboly no nahatonga izao fahalalana hevi-baovao mikasika ny fanoratana izao. Fanampin’izany ny fifantohany tamin’ireo pôeta vahiny toa an-dry Rabindranath Tagore, pôeta indiana nanoratra ny "Le jardinier d’Amour" sy ny "La jeune lune", ry Bâbâ-Feghâni, pôeta persiana, nanoratra ny "Les Perles de la Couronne", ry Archag Tchobanian, pôeta persiana nanoratra ny "La vie et le Rêve", ary indrindra ry Charles Baudelaire, pôeta frantsay malaza. Ny pôeta tena nankafiziny teto Madagasikara kosa dia ireo pôeta nanao hainteny tsy lany hamamina toa an-dry J.J. Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Jean Narivony, Fredy Rajaofera sy ny hafa.

Lolo Rajohns manapariaka
Maro ireo gazety namoahan’i Lolo Rajohns ny asa sorany toy ny Fandrosoam-baovao, Maraina vaovao, Vaovao Frantsay-Malagasy, Takariva, Takariva ankehitriny, Tarabolana, Mpandinika, Madagasikara-Vaovao, Tatsinanana, Besinimaro, Ravin-jahana, Fanasina, Gazety Hehy.
Nisy kosa Revio sy boky namoahany ny aingam-panahiny toy ny:
 
- Tatamo (Revio literera)
- Boky "Ny faha-15 taonan’ny fikambanan’ny Pôeta sy Mpanoratra Malagasy (1952-1967)" amin’ny maha mpikambana tao azy.
- "Mantasoa sy ny Firenena", boky ho fankalazana ny faha-50 taonan’ny sekoly Rezionaly Mantasoa ny 1917-1967
- "Lahateny famoaboasana", boky ho fahatsiarovana ny jobily volafotsin’ny Sekoly Fenomanana Mpitoriteny tao amin’ny Fiangonana Protestanta Analakely ny 1936-1961
- Ny sakaizan’ny tanora

Ireo mpikambana ao amin'ny F.P.M.M. (U.P.E.M.) na Fikambanan'ny Pôeta sy Mpanoratra Malagasy, nalain-tsary tao Ankadifotsy, ho fankalazana ny fahafolo taona niorenan'ny Fikambanana (1953-1963).
Avy eo ankavanana miankavia amin'ireo mipetraka, manao solomaso, i Lolo Rajohns

Aingam-panahy vaovao

Ankoatra ireo dia nahavita asa goavana tokoa i Lolo Rajohns tamin'ny alalan'ny "Aingam-panahy vaovao" mirakitra boky 3:

• Boky I, edisiona T.P.L. (Trano Printy Loterana), D.L.148, ahitana ny teny fanoloran'ny Dr Richard Andriamanjato sy ny sasin-tenin'ny Dr Rakotobe-Andriamaro

• Boky II, edisiona Aingavao 1980, natontan'ny Trano Printy MADPRINT, D.L. 109 1er trimestre 1981. Ny Dr Randriamarozaka kosa no niangaly ny sasin-teniny

• Boky III, edisiona Aingavao 1982, natontan'ny Trano Printy MADPRINT, D.L. 190 2ème trimestre 1982
 
Ankoatra ireo dia efa nanehoana imbetsaka ny pôezian’i Lolo Rajohns ny Radiom-pirenena tamin'ny alalan'ny fandaharana "Valiha tori-folo sy Bitsiky ny Pôeta"



Lolo Rajohns mitari-dalana
"Anisan’ny Mpamaky lay teo amin’ny tononkalo malagasy i Lolo Rajohns" hoy Dr Rakotobe-Andriamaro teo am-panaovana sasin-teny ny bokin’i Lolo Rajohns. Na izany aza anefa dia maro ihany koa ireo tsy resy lahatra ka nanome tsiny sy nanabanty mihitsy aza. Richard Andriamanjato raha nilaza teo am-panolorana ny bokiny dia nampiharihary fa "fampirisihina ny mpamaky hankamamy zavakanto na dia miseho amin’ny endrika manavia aza eo am-panombohana". Tsy zoviana amin’ny rehetra ny fisian’ireo mpanoratra nitondra fivoarana lehibe teo amin’ny literatiora malagasy indrindra ny pôezia toa an-dry Ny Avana Ramanantoanina, Charles Rajoelisolo, Jean Joseph Rabearivelo tao amin’ny Fandrosoam-baovao ny 1934. Roa taona mialoha izany anefa dia efa namolavola hevitra ho fampivoarana ny literatiora izany i Lolo Rajohns, saingy taty aoriana vao nivoaka ny boky miresaka izany.

Na ny Dr Rakotobe-Andriamaro na ny Dr Richard Andriamanjato dia samy te hanasongadina ny fahasarotana mitarika olona amin'ny lalam-baovao kanefa nanehoan'i Lolo Rajohns herim-po ary fototry ny fahombiazany. Hoy indrindra mantsy ny Dr Rakotobe-Andriamaro momba izany:

"Sarotra ny mamaky lay toy izao ataon'i Lolo Rajohns izao, nefa mahafaly ny milaza fa manomboka mandray ny sori-dalany ny olona".

Tsy izay fanambarana "sori-dalana" izay indrindra ve no toetra voafono ao anatin'ny anarana Barthélemy (Talmaï) voafaritra tetsy ambony? 

Mbola ao anatin'izay "mpamaky lay" izay ihany no nihobian'i J.J. Rabearivelo hoe "Hita ny very" nony nivoaka tamin'ny taona 1934 ny poeziany hoe "Nofy sa...?"

Araka izany dia nifanerasera akaiky tamin'ny pôeta sy mpanoratra i Lolo Rajohns ka anisany, na dia tsy voatonona teo aloha aza, i Dox araka ny fanazavan'
ny zafikeliny Julia Ravison Rakotomalala:

"Izy sy i Dox dia tena mpinamana tsy mifankafoy satria saika isan'andro i Dox no tonga mitsidika sy mitafatafa aminy"

Tokony ho manana toetra miavaka, araka izany, i Lolo Rajohns amin'n
y maha mpitari-dalana azy. Andeha aloha hindramintsika ny famaritan'ny zafikeliny izany toetra:

"I Dadabe dia olona ela velona ary mahitsy fijoro hatramin' ny farany, ny olona tahaka ireny dia mijoro amin'ny heviny nefa tony. Mahay mizara ho an'ny tsy manana izy, nefa mahay mitady vola koa."

Iraisany amin'ireo tompon'ny anarana Johns eto ilay toetra "antra olona". Toy izany koa ny fitoniana manoloana ny fijoroan'ny tena amin'ny heviny. Voalaza tetsy ambony koa ny fitafatafan'izy sy i Dox efa saika ho isan'andro. Izany angamba ilay hoe "Barthélemy" mahafoy fotoana ho an'ny mpiara-belona aminy. Fa na i Johns, na i Barthélemy, dia samy manambara faharetana amin'ny asa sy finoana avokoa, faharetana nofikiriny tao amin'ny fiangonan'i Namehana.

 
Lolo Rajohns miaritra
Endrika vitsivitsy kanefa mafaitra no azo anehoana ny ngidim-piainan'i Lolo Rajohns izay manamafy ny maha "lolo" azy araka ny namaritana izany hoe "mazàna manambara zavatra na mahatonga harary". Ao ny sakana teo amin'ny fivelaran'ny asa sorany, ny setran'ny fanjanahan-tany niainany nandritra ny 50 taona ary ny fahafatesana teo amin'ireo akaikiny.

Maro ireo fikasana hamoaka amboara niarahana tamin’ny namany J.J. Rabearivelo sy ny famoahana asa soratra tao amin’ny boky niarahana tamin’i Robert Razafindratsira tompon’andraikitry ny Gazety Tatsinanana saingy tsy nisy tanteraka.

Ankoatra izany dia nisy ny herisetran’ny mpanjana-tany M.Taillandier, lehiben’ny faritr’Antananarivo tamin’ny taona 1942, izay nanampim-bava ny pôeta. Nampiantsoin’ny mpitondra voalaza anarana tamin’ny alalan’ny pôlisy mantsy i Lolo Rajohns ary nanaovana famotorana noho ny fiheverana azy ho be kabary loatra. Fanampin’izany dia nosoketaina ho Kominista izy. Vokatr’izany dia nafindra toerana haingana tany Ambatondrazaka izy ary tsy maintsy nanainga tao anatin’ny 8 andro. Marihina anefa fa dimy ireo "administrateurs des Colonnies" nifandimby nitondra ny Distrikan’Ambatondrazaka nandritra ny efa-taona dia Imm Conti, Vidal, Ducourau, Ferrié, Lechevanton izay samy nanana ny nahatsiaroavana azy teo amin’ny herisetra be teo amin’ny fitondrana. Ny tena nanampatra ny herisetra mahery vaika tamin’izy ireo dia i Ducourau izay nalaza tamin’ny asa an-terivozona hiasa ho an’ny voanjo. Teo anatrehan’izany ady mafy izany indrindra dia efa indroa teo ambavahoanan’ny fahafatesana i Lolo Rajohns ary efa fantatr’ireo mponin’Ambatondrazaka tamin’izany fotoana izany.

Ankoatra ireo dia tranga mafy natrehin’i Lolo Rajohns tamim-piaretana teo amin’ny fiainany ny fandaozan’ireo ray aman-dreniny sy ireo zanany. Ny fomba niatrehany ny fandaozan’ny zanany lahy azy no tena tsikaritra ho navesatra indrindra taminy. Raha zohina ny tantara dia niantafika tany Arzew Alzeria i Mami Rajohns zanak’i Lolo Rajohns. Nanoratra taratasy ho an’ireto ray aman-dreniny izy, roa volana talohan’ny nahafatesany, izany hoe ny 13 Janoary 1962, ary nilaza ny herim-pony. Tamin’izany no nilazany fa nahavita be izy ka nisaoran’ny lehibeny tamin’ny asany rehetra; saingy nilaza ny ahiahiny ny amin’izay havoaky ny ampitso. Nodimandry anefa izy ny 21 marsa 1962. Na dia teo aza ireny tranga mafy nolalovana ireny dia hain’i Lolo Rajohns ny nandanjalanja ny fihetsehampony ka nahafahany nandresy ny sarotra rehetra. 

Lolo Rajohns mahavatra
Anisan’ny nanamarika ny fiainan’i Lolo Rajohns ny fahavarany mikarakara tena ka nahafahany niaina nandritra ny 94 taona. Manana fifehezan-tena matotra izy, hoy hatrany ny zafikeliny, araka izao fanazavany izao:

"Vao maraina dia mamelatra karipetra... dia kotrana kely! na dia efa 90 taona aza. Ny zafikeliny àry tsy maharesy azy raha paompy; tia mandeha an-tongotra".

Hainy koa ny mandanjalanja ny fomba fisakafoana. Ohatra amin’izany ny fisotroana "Rhum Impérial" iray veram-pandraisana isan'andro izay manatsara ny fikorianan’ny rà. Nahafinaritra azy ny mamboly zana-kazo sy mikarakara zaridaina. Itovizany amin'ny Pôeta ela velona sasany izany toa ny pôeta frantsay Eugène Bizeau, maty teo amin'ny faha-105 taonany, ary namboly voaloboka fanaovan-divay hatramin'ny fahasivy folo taonany.

Mahatsiaro finaritra ery i Lolo Rajohns miaina eny ambanivohitra sy ny tontolo eny. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny toe-batany sy ny toe-tsainy izany, dia ny tanjaka hatramin’ny fahanterany, araka ny fitadidian'ny zafikeliny:

"Mijaridina tsara izy na dia efa antitra aza fa tsy mba vokovokoka izany".

Lolo Rajohns mihevitra
Maro ireo fomba fiheverana nampifanojoan’i Lolo Rajohns mikasika ny pôezia. Tsikaritr’i Ny Avana fa rehefa lahateny miady rima, indrindra fa misy fingadona dia pôezia avokoa. Ny fahamaroan’izany tamin’ny gazety Fandrosoam-baovao no nahatonga azy sy J.J. Rabearivelo ary Charles Rajoelisolo hanao fanazavana mitohy mikasika ny pôezia marina.

Hoy Ny Avana Ramanantoanina sy Charles Rajoelisolo:

"Efa voalazanay fa ao anatin’ny pôezia rehetra dia misy zavatra anankiroa: dia ny vatam-pôezia sy ny fitafiana atafy azy dia ny versification"
Fandrosoam-baovao, 10 novambra 1937

Fredy Rajaofera kosa nilaza fa :

"Ny tena Poésie, dia tsy ny rindra vonjena eo amin’ny tononkira, fa ny hasin’ny teny feno aina velona eo amin’ny andalan-tononkira malalaka(vers libres) tsy kendakendain’ny lalàna".
9 septambra 1938

Ener-Lalandy indray nilaza fa :

"Pôezia marina nefa kalokalon’ny fo miseho amin’ny endriky ny teny, teny voasivan’ny fanahy te-hahazo fahafinaretana".
7 Desambra 1959

Pôeta mpandinika, mampiana-tena amin'ny alalan'ny boky ary mpizara fahalalana i Lolo Rajohns. Tsapa izany amin'ireo kritika literera fanaony tao amin'ny Gazety Takariva milohateny hoe "Fandinidinihana poetika somary kritika". Anisan'ny nakany fianarana tamin'izany ny tononkalon-dRabearivelo "Ombalahy" tao amin'ny boky "Saiky nofy" sy ny "Diavolana" an'i Fredy Rajaofera.

Lolo Rajohns manoratra
Manana ny mampiavaka azy ny tononkalon’i Lolo Rajohns, tononkira hatrany moa no anehoany izany. Ho fitarihana ny mpamaky hifantoka amin’ny hafatra tiana hampitaina dia misy fehezanteny vitsivitsy manazava mialoha izay toy ny tari-dalana ny mpamaky hifantoka amin’ny tian-kambara. Ohatra mialoha ny "Nofy sa…?" dia toy izao no hita:

"Tononkira, natao hanehoana ny hasoan’i Madagasikara na ity nosy ngeza sy mahagaga ao amin’ny Oseana Indiana".

Tsikaritra ihany koa fa manazava amin’ny alalan’ny marika fampahafantarana izay teny heverina fa sarotra na ilana fanoroana bebe kokoa ny mpanoratra. Ohatra, Ranavalona I no voasoratra eo am-piandohan’ny tononkalo. Eny ambanin’ny takila kosa dia misy ny fanazavana ny momba ity mpanjaka voalaza anarana ity amin’ny ankapobeny toy ny hoe mpanjakavavy nasiaka tamin’ny fiarovana ny taniny ary nalaza tamin’ny tsy fitiavana vazaha.

Miendrika takalo na resaka ifanaovana ihany koa ny tononkalo toy izay hita ao amin’ny "Dinika Poetika", tafan’ny Pôeta sy ny Pôezia mikasika ny rima izay tena ahitana aingam-panahy mampamolivoly ny fo amam-panahy.

"NY POEZIA
 Teniko aminao aloha ry Poeta
 Ry sakaiza mamin’ny foko
 Arovy ity zava-mahagaga imatesanao
 Fandrao ho simba ka ho very
 Ilay tena itiavanao azy"

"NY POETA
 Teniko aminao kosa ry Tononkira
 Ry tsara indrindra amin’ny tononkira
 Ambonin’izay fihetsehanao rehetra
 Aoka ho fantatrao fa tia anao aho
 Tsy noho ny fingadonao hafa kely andrefa
 Fa noho ny herinao miafina
 Ilay herinao sarobidy
 Mahay mandrendrika
 Sy mambabo lozan-tany
 Ny fo amam-panahin’ny zanak’olombelona"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 33

Mahatalanjona ny fiverimberenan’ny voambolana hoe Poeta amin’ny tononkalon’i Lolo Rajohns ary ny tenany izay manoratra hatrany no ambara amin’izany.

"ALINA
 Sy ny toriko
 Sy ny nofiko
 Ry Poeta havako
 Ry Poeta mamiko
 Toa tsy fantatrao"
 Lolo Rajohns ,1972 , tak 125

"DINIKA POETIKA
 Teniko aminao aloha ry Poeta
 Ry sakaiza mamin’ny foko
 Arovy ity zava-mahagaga imatesanao
 Fandrao ho simba ka ho very
 Ilay tena itiavana azy"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 33

Maro  ireo hevitra hita taratra ao amin’ny tononkalon’i Lolo Rajohns. Voalohany indrindra amin’izany ny fitiavana izay isehoan’ny fitiavana an’Andriamanitra, tanindrazana ary ny mpiara-belona. Marika anehoana ny fitiavana an’Andriamanitra ny fisaorana sy fankalazana Azy noho ny fitahiany ny zanak’olombelona. Noraisina ho fototra sy fiandohan’ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana izy ka nataon’ny pôeta hoe Alfa.

"Dia nirotsaka ilay tana-nandrandraina
 Namolavola
 Hanahafako ny endrik’Andriamanitra
 Mpanao ny tany sy ny lanitra
 Ka asa lahy...
 Asa lahy na izany no fiovan’endriky
 ny fanahy
 ho tonga nofo velona
 ho tonga olombelona"
 Gazety hehy, 9 ôktôbra 1964

Asongadin’i Lolo Rajohns amin’ny tononkalony ny fitiavan-tanindrazana. Ambarany fa i Madagasikara no anisan’ny nosy miavaka noho ny fananany zavaboary tsy fahita firy ary indrindra ireo harena maro tsy tambo isaina na ny hita maso na ny any ambanin’ny tany.

"NOFY SA …. ?
 Raha vao nahatsipalotra azy anefa ny masoko
 Dia niankohoka impito aho vao nanao hoe :

"RY ILAY TSARA TAREHY
 O, ry ilay tsara tarehy"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 45

Fanampin’izany dia marika anehoana ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ny fanajana ny teny malagasy. Na dia eo aza ny fianarana sy fifehezana ny tenin’ny hafa dia tsy tokony hohadinoina velively ny fankamamiana ny tenindrazana.

"NY FITENY MALAGASY
 Koa raha mioty ny voninkazon’ny tany hafa izahay
 Moa tsy vao mainka mampitombo hatsarana
 Sy mampitombo aina anao indray ?
 Ry fitenin-drazako
 Ry fiteny saro-piaro"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 53

Ankoatra ireo endri-pitiavana ireo dia zava-dehibe amin’ity pôeta ity ny fankaherezana ireo mpiara-belona tratry ny sorisorin-tsaina sy hakiviana. Ilaina ny fampitoniana azy ireny amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona mba hahafahany mitraka amin’ny fiainana.

"VONINKAZO
 izaho nifono tanaty taho tsy fantatra
 Izay toa nariana ho lo...
 Kanjo nitsiry sy naniry
 Ary nandravina"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 123

Amin'ny maha "lolo" azy dia hita taratra ary nibahan-toerana tamin’ireo kalon’i Lolo Rajohns ihany koa ny tsiaro ireo akaikiny izay efa lasana. Hanombohana izany ny rainy, nodimandry ny 27 mey 1945, ka nampiloa-bava azy hoe :

"NY ALOK’IDADA
 Dray 'ty dadanay !
 Toa lahiantitra iray
 Mitsinjo, vao maraina, amin’ny saina tony
 Irony rano mikoriana eny an’ony"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 93

Nanoratra ho fahatsiarovana ny reniny lasana ny 15 janoary 1941 ihany koa izy. Toa miraikitra ao an-tsaina sy tsy lefy ao am-po ny fihetsiky ny reny izay niahy sy nikarakara hatrizay, ka nahatonga ny antsoantsony hoe:

"NY ALOKY NY RENIKO
 Neny!... Neny!...
 Indro izy! mijery  fa tsy miteny
 Ary manjaka ao an-tsaina
 Tahaka ny hasoan’ny zaridaina"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 95

Nampametsovetso azy ny fandaozan’ny zanany vavy anankiroa dia Lalao izay nodimandry ny 26 marsa 1935 sy Vololona nodimandry ny 5 janoary 1950. Am-polo taonany maro aty aoriana, mipololotra tsy mitony eo imolony ireo hiakam-piverenana:

"ZAVA-MIAFINA
 Ny andalan-kira toy ‘zao :
 Miverena, miverena ry Lalao !
 Miverena ry Vololona, dia mitenena !
 Mitenena ! hoy ity foko nanantena
 Ry zava-miafina ! ô ry zava-miafina !"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 97

Anisan’ny fotoana navesatra tamin’i Lolo Rajohns ny nandaozan’ny zanany lahy Mami Rajohns azy izay namita iraka tany Alzeria. Lasa tampoka izy ny
21 marsa 1962, fandaozana sarotra ekena araka ity vetso-po tsy hain'ny peniny nafenina folo taona tato aoriana ity:

"Ny zanako ?
 Tsy aiza izy fa ato anatiko ato
 Ato anatin’ny fo amam-panahiko !"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 101

Nahatsiaro ireo pôeta namany ihany koa i Lolo Rajohns ka nilaza ny asa niavaka vitan’izy ireo. Rabearivelo dia tsaroany tamin’ny hoe:

"TRADUIT DE LA NUIT
 RABEARIVELO
 No nigaga, no nandinika
 Ny zava-miafin’ny alina
 Imbetsaka no nisentoany
 Imbetsaka no nivetsoany"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 83

Nisy ihany koa ny tononkalo fahatsiarovana an’i Fredy Rajaofera nanoratra ny Kintan’ny mamatonalina:

"MAIZIN-TAKARIVA
 O ! ry kintana an-tapitrisa irony
 Ny aty anie ny aloka
 Ka tsy ahalalana endrika
 Sy loko intsony"
 Lolo Rajohns, 1972, tak 85

Mari-boninahitra

- Officier de l’ordre de Mérite de Madagascar
- Chevalier de l’Ordre National
- Chevalier de l’Ordre de l’étoile Noire du Bénin
- Mérite de 3ème Classe
- 11 Voninahitra

Marihina fa notoloran'ny Akademia Andrianampoinimerina ny "Diplaoman'ny mpikambana" izy tamin'ny 16 desambra 1976 araka izao teny izao:

"... noho izy nandala sy nikely aina ary nahavita be teo amin'ny literatiora malagasy nanomboka tamin'ny 1931 ary mbola nanohy ny talentany mirakitra fahaziana sy fihezahana maha-te-hidera".
____________________________________
Hafatra napetrany ho an'ny mpanakanto

"Manàna faharetana sy fikirizana amin'izay atao rehetra, indrindra eo amin'ny lafiny ZAVAKANTO. Manaraka izany, ny fandinihana sy fandalinana  ny haren-tsaina malagasy no mahatarika azy ho tena tia ny TENY MALAGASY, ary hanohy hatrany ny fanaovana TONONKIRA amin'io teny io: teny mozika tsara sy mahafinaritra tokoa".
____________________
Hafatry ny akaiky azy


Régis Rajemisa-Raolison
"Tsy sanatria doka na hasohaso, fa ny tena araka ny foko mihitsy izany. Misy telo ny antony itiavako ny tononkalonao manokana, dia voalohany ny sary raketiny… manaraka izany dia ny firindrany sy ny filantony… ny zavatra fahatelo itiavako ny tononkalonao, dia ny aingam-panahy ao anatiny mihitsy koa"

Réné Andriarimalala
"Faly tokoa aho tamin’ny fankasitrahana nataon’ireo namana sy sakaiza maro nihaino ny asanao. Famporisihina antsika ireny, ka dia mahereza Tompokolahy"

H. Randzavola
"Manantitra sy manamafy ny fisaorako anao indray aho amin’ny anaran’ny Komitin’ny MPANOLO-TSAINA"

Robert Razafindratsira
"Isan’ny tsy maintsy ho tafiditra ao ny vers libres izay efa manomboka ho maro mpitia"

Edouard Ratovohery
"Tozoy ihany fa aza mba kivy na ketraka. Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, hoy ny teny, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela"

J.J. Rabearivelo
"Nandany tapak’alina iray manontolo izahay niverimberina namaky ny Nofy sa…? Tsy miafina aminao fa tena sarotiny izahay… Ampy angamba izany hahalalanao fa tena mivoaka avy ao am-ponay mihitsy ny teninay"

Gazety
- Fandrosoam-baovao, 13 Jona 1934
- Fandrosoam-baovao, 10 novambra 1937
- Gazetim-panjakana JORM n° 840, 10 Jona 1972
- Hehy, 28 oktobra 1960
- Hehy, 9 oktobra 1964
- Hehy, 24 jona 1966
- Hehy, 5 Aavrily 1968
- Malagasy Vaovao, 26 aogositra 1960
- Maraina Vaovao, 3 aogositra 1936
- Takariva, 2 jona 1938
- Tatsinanana, 2 febroary 1937
- Vaovao Frantsay-Malagasy, 17 novambra 1944

Isaorana manokana
Julia Ravison Rakotomalala, zafikeliny, tamin'ireo hevitra sy tahirin-kevitra ary sary natolony






-
-
-
-



-

-
Loharanon-kevitra

* Boky

RAJOHNS, B. (1972). Aingam-panahy vaovao, Ny rindran-kira ho anao, TPL, Antananarivo
KRUGER, E., RAVELOJAONA, JONAH-GABRIEL. (1937). Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy. Avoakan'ny "Mpiadidy ny FIAINANA" sy ny namana maro manerana ny Nosy
RAJEMISA-RAOLISON, R., (1985). Rakibolana. Ambozontany


* Tranonkala

Madame le Figaro. "Origine et signification du prénom John", repéré dans:
https://madame.lefigaro.fr/prenoms/prenom/garcon/john
Madame le Figaro. "Barthélémy", repéré dans:
https://madame.lefigaro.fr/prenoms/prenom/garcon/barthelemy

_____________________________________
NOFY SA … ?

Tononkira. Natao hanehoana ny hasoan’i Madagasikara, na ity nosy ngeza sy mahagaga ao amin’ny Oseana Indiana

Nisy zazavavy
Niakatra ny rian-dranomasina Indiana
Niakanjo akanjo fotsy lava
Sy nitafy lamba hariry madinika
Eny an-tratrany, haronkely volamena
Feno zava-manitra mahagaga
Dia voninkazo ary voankazo an-tsalohiny
Singanin-dravina vitsivitsy
Sy vololon’ampanga kely madinika
Ny volondohany matevina sy lava
Mipariaka
Toa tanamasoandro vao maraina
Ary voronkely sy tantely
 Sy lolo isan-karazany
No milalao eny amin’ny laingon-tavany
Volamena sy volafotsy
Topazy sy ametista…
No manelatselatra eny amin’ny lalan-kombany
Ary sora-doko sesehena
No mifanjevo aminy etsy sy ery !
Raha vao nahatsipalotra azy anefa ny masoko
Dia niankohoka impito aho vao nanao hoe :
RY ILAY TSARA TAREHY
O, ry ilay tsara tarehy
Zovy moa hianao
Ary taiza ?
Tsaroako tamin’izay fa intelo izy no nitsiky
Ary indimy no nipy vao niteny hoe
Ary indimy te hahalala ny zava-miafina

Iza aho fa tsy ZAZAVAVIN-DRANO
Notorontoronin’ny lalina
Tao aho ka tao
Ary, nony afaka ireo taona maro
Dia inty aho hitanao indray !

Ho mariky ny hafaliako
Sy ny fitiavako
Indreto voninkazo sy voankazo
Atolotro anao
Ka iza anefa aho raha mahalala hianao ?
Tsy ho fantatrao, angamba sombinaiko
Nefa izaho no MADAGASIKARA
Mitaiza sy mamelona anao

Antomboka (Diégo-Suarez) 1933 Lolo Rajohns, 1972, tak 46

MAINTY AHO

Tononkira natao noho ny taona 1971 natokan’ny Firenena Mikambana ONU sy Firaisana Afrikana OUA ho fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny Apartheid.

Oh ! mainty aho, ekeko izany
Mainty manana ny maha izaho ahy
Eto an-tany
Fa tsy dia hoe badolahy
Eo afovoan’ny olona betsaka
Miara-miaina sy mipetraka
Eto anivon’ny zava-boahary
Izay nataon’ilay Nahary
Hanaitra sy handrendrika
Ka mahatonga ny fiainana
Etoana
Ho azo iainana
Ary tsy ahamonaina
Ny maso sy ny saina
Averiko : ekeko
Fa mainty aho kanefa lazaiko
Fa tiako ny volon-koditro
Io ihany no mampiavaka ahy
Io no maha-izaho ahy ka tsy ataoko mosalahy
Dia ity izaho isan’olona nomen’Andriamanitra fanahy
Saingy… saingy ny mampalahelo dia izao
Ka ambarako ho ren’izao tontolo izao :
Noho ny fihodirana
Noho ny fihodirana
Toa ataon’ny hafa fandiavan-tongotra
Na tohatohatra iakarana
Eo amin’ny fiadanana
Ny fananako
Ny tanjako

Ny tenako
Ny zanako
Fa hoy ny Tany raha nandre izany
- henoko ry zanako ny antsonao
Henoko ny hiranao
Henoko ny tolokonao
Ka izao no toro-hevitro aminao
Aza kivy, sombin’aina, fa mijoroa ho olon’afaka
Aza kivy fa misehoa ho olon’afaka hanapaka
Hanapatapaka…
Sy hanjakazaka amin’izay nomen’Andriamanitra
Ho anao sy ny zanakao
Mba hitovianao ara-tsaina, ara-piaina…
Amin’ireo fotsy izay mahay mandrokidroky
Sy mandrotsirotsy

Amin’ny hevitra toa kanto
Toa milanto
Aza kivy fa mijoroa, mandrosoa
Aza kivy fa miasà, mitrandraha
Dia velaro, amiko, ny felatananao ankiroa

Fa atolotro ho anao avokoa
Ny harem-be raketiko ato amiko
Hatolotro mihoatra noho izay bika aman’endrikao
 Na izay fihodiranao
Fa izaho ihany raha tianao ny ho velona eto hatrany
Misehoa ho kingalahy
Misehoa fa manam-panahy
Dia manatona ahy
Fa hofihiniko amin’ny tanam-pitiavako

Eto an-tratrako
Hianao sy ny taranakao.
Iarivo,16 febroary 1971,in Lolo Rajohns,1972,tak 119

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 14/01/2021

×