"Nahoana?", tononkalon'i Arthony, nohadihadian'i Faniry Ezekiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 aprily 2021
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja

NAHOANA?
Mpanoratra
ARTHONY TOPAZE

Loharano
“Tontolo Isainana"

Nanadihady
Faniry Ezeckiel


Lalana diavin'ny olon-droa mifankatia  ny fisarahana indrindra rehefa misy ny tsy fifankahazoana. Io dingam-pisarahana eo amin'ny fiainam-pitiavana io indrindra no resahin'i ARTHONY TOPAZE ao amin'ilay tononkalony mitondra ny lohateny hoe "NAHOANA" izay notsongaina tao amin'ny boky "TONTOLO ISAINANA". Asongadin'ity asa soratra iray ity ny endrika isehoan'ny  fisarahana eo amin'ny mpifankatia. Andeha hirosoana lalindalina ny fanadihadiana ka hohazavaina mialoha fa zavatra tsy manahoana firy dia mety hampifandao, raha efa izany, haseho indray fa mampisaraka ny fiovam-panekena.

*
*  *

Raha faritana fohy ny hoe fisarahana dia fihatahana na tsy fikambanana intsony amin'izay niombonana teo aloha, raha eo amin'ny olon-droa izy, midika ho fifandaozana sy faharavan'ny fiarahana hatrizay.


NAHOANA?

Nahoana ry tiana no niova fitempo
Ilay fo niara-dia
Tsy onja manafotra mety hahapempo
F'eny am-paladia
Ry tsiriry vorona misidintsidina tia setrasetra
Mbola eto amorona dia miaka-midina
Tsy mba mitoetra.

Nahoana ry tiana ilay toky nomena
no niova sahady
Vao miana-manidina tsy mahazaka tena
Fa mbola mandady
Ny ravi-nihinana akory tsy maina
dia hiova toetra
Fitia vao mivelatra mbola maraina
ka asiana fetra.

ARTHONY TOPAZE (in Tontolo Isainana)


Seho tsy manahoana firy dia mety hampisaraka.
Olana madinika no mety hiitatra ka hampisara-bazana. Manaporofo izany ny fiandohan'ny sorakanton'i ARTHONY
TOPAZE eto hoe:

"Nahoana ry tiana no niova fitempo
 Ilay fo niara-dia
 Tsy onja manafotra mety hahapempo
 F'eny am-paladia"

Rehefa ho avy ny fotoana hisarahana, tsy voasakana na voatohitra fa na zava-bitika monja aza miteraka fifandirana miafara amin'ny fisarahana. Araka izany, rehefa tsy mifandray ny tadin-dokanga, na tsy amin'ny antony aza, misara-dia.

Tsy manam-paharetana amin'ny tiana ny tiavina. Manamafy izany ny tononkalo manao hoe:

"Ry tsiriry vorona misidintsidina
 tia setrasetra
 Mbola eo amorona dia miaka-midina
 tsy mba mitoetra."

Raha tsorina dia miovaova hevitra isan'andro, mbetika manaiky, mbetika mandà. Hafa ny ataony androany, hafa ny rahampitso, tsy manana fitiavana marindrano fa vao misy sedra kely dia mora mivadika. Tsy latsa-paka ny fitia mora malazo.

Raha atao indray mitopy, rehefa mbola tsy eo ny fahamatorana ara-pitiavana dia mora mivaha ny fatoram-po. Haseho manaraka indray ary fa miteraka fisarahana ihany koa ny fiovam-panekena

*

Minia mikimpy tamin'ny dina nifanaovana ny olon-droa. Hoy indrindra ny fanombohan'ny andininy faharoa ao amin'ny tononkalo:

"Nahoana ry tiana ilay toky nomena
 no niova sahady
 Vao miana-manidina tsy mahazaka tena
 Fa mbola mandady."

Vao fotoana vitsy monja no niarahana nisambatra tao anaty fitiavana dia niova fo ny andaniny. Nentanim-po mafana fotsiny ka nifanaiky hiara-dalana nefa tsy nahatanteraka ny toky nomena akory. Araka izany, tsy maharitra ny fitia aorina ambony voady an-tendro-molotra.

Manao fihetsika mitory fankahalana ny olon-tiana. Manamafy izany ny famaranan'ny mpanoratra ny sanganasany:

"Ny ravi-nihinana akory tsy maina
 Dia hiova toetra
 Fitia vao mivelatra mbola maraina
 Ka asiana fetra."

Mbola tsaroana ho mamy ireo tandindon'ny niarahana hatrizay nefa nivadika tampoka ilay olo-malala. Ao anatin'ny fara tampon'ny hafaliana sy hasambarana vao nokoloina iny indrindra no teraka tsy ampoizina ny fisarahana. Tsy araka ilay niheverana azy tany am-boalohany ny fitodiky ny tantara. Fitaka ny afon'ampombo eo amin'ny olon-droa, mampiova saina an'ilay tiavina ny andro vitsy niombonana.

*
*  *

Raha fehezina, mitondra fahadisoam-panantenana lalina ny faharavam-pitiavana. Ny tsy fahamatorana loatra no miteraka izany ka indraindray sakana kely tsy dia mankaiza no mampivadika tamin'ny ilay nifanekena ao anatin'ny andro vitsy. Hain'ny pôeta ery ny mandahatra ity aingampanahiny ity. Ny fipaikan'ny rima sy ny fonjan-kevitra dia mandresy lahatra avy hatrany. Moa tsy hamitrana indray ny fitiavana efa tapaka ny fipakan'izao kalo izao any am-pon'ny mpamaky?


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 26/04/2021

×