Pôetawebs
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
27 Jona 2021
Soraty

Miteraka fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana ara-tsosialin’ny Malagasy ny maha firenena mahantra indrindra an’i Madagasikara, faharoa avy any amin’ny farany amin’ny filaharana eran-tany. Miresaka momba ny fahantrana sy ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka indrindra eto ity ampahan-tononkalo nosoratan-dRado ity, nampitondrainy ny lohateny hoe “SORATY” nalaina tao amin’ny boky DINITRA, takila 138 – 140, tamin’ny 22 Jolay 1971. Asongadiny amin’izany fa miaina anaty fahantrana lalina sy fahaverezan-jo tanteraka ny vahoaka Malagasy. Ahafahana mandalina izany, ahariharin’ny mpanoratra eto ny fahoriana mahazo ny vahoaka madinika, manampy trotraka izany ny tsy rariny mahazo azy ireo.

 *
* *

Tsy tambo isaina ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka madinika ary isan’ny olana fototra iray mahatonga izany ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampian-tsakafo izay iainana isan’andro. Tsy ny Malagasy rehetra intsony no mihinana in-telo isan’andro, zara raha mihinana indray mandeha isan’andro ny ankamaroany ary misy mihitsy aza ireo matory fotsiny amin’izao. Sakafo tsy zarizary tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana fa izay hita no harapaka, izay hahafeno kibo no tanjona.
Ifandrombahana ny dabam-pako ho an’ireo tena sahirana, tsy resahina intsony ny kere any atsimo, ankoatra ny fitafiana tsy zarizary zara raha mahatafy tena. Ary ny mampahonena dia ny zaza no tena lasibatra. Ilay zo fototra maha olona

SORATY

(...)

Eny, ‘ndeha soraty indray
Ny antsoantson’olon-dresy hitantsika mandry fotsy
Sy ny kiakan-jazakely, mosarena rotsirotsy
Tsy ninono tapak’andro
Ary ireo izay ny masoandro
No mba solom-pitafiany
Ao anaty fahoriany…
Fa mitrosa ny omaly amin’izay ho azo ampitso
Ka indreo manangan-trano amin’ny tapaka fanitso
Efa sisan’harefesina…

Soraty koa mba horenesina
    Tsy ho fandatsana akory,
Sanatria fa fo mitory
    Fiarahana miory
    Amin’ireo karama kely herim-po tsy misy vidiny
    Efa banga hateloana noho ny aretina tsy fidiny...
    Kanefa nony injay mitaky fanondrotana karama
Dia valiana boribory hoe: “manohitra lalàna”,
    Ka roahina ho fay!

Eny, ‘ndeha soraty indray
Irony rariny takiany avy ao anaty tranobongony
Sy ny hetra manamaina ny atin’ny vilany nongony
Soraty koa ny fitakiany te-hamantatra ny marina
Nefa toa verezin-dia amin-javatra namboarina...
Soraty koa ny zony very tsy mahazo misafidy!
Soraty koa ny hetahetam-pahafahany voahidy

(...)
RADO
mihitsy no tsy misy intsony. Hoy ny filazan-dRado azy ao amin’ny andalana 2, 3, 4:

“...mandry fotsy
 kiakan-jazakely mosarena rotsirotsy
 Tsy ninono tapak’andro.”

Fa tsy vitsy ihany koa ireo tsy manan-kialofana, mpatory an-dalana, mirenireny tsy mahita aleha ka dia manangan-trano gony, fanitso efa tsy misy mpampiasa etsy sy eroa, ho an’ny sasany dia mialoka ambany tonelina na ambany lavarangan’olona na ambody dabam-pako. Mariky ny fahantrana izany rehetra izany, porofon’ny fahasahiranana ary hita maso miharihary tsy hay afenina. Fa ankoatra izany, tsy ny firenena ihany no mitrosa sy mibaby trosa fa tena bokan-trosa ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy. Tsy ampy sy tsy maharaka ny eo am-pelatanana. Ara-bakiteny ny hoe: “Ny hohanina androany tadiavina rahampitso.” Ka dia ny trosa no vahaolana hita. Ny tononkalo eto dia milaza ao amin’ny andalana 8, 9, 10 manao hoe:

“Fa mitrosa ny omaly amin’izay ho azo ampitso
 Ka indreo manangan-trano amin’ny tapaka fanitso
 Efa sisan’harafesina.”

Farany nefa tsy kely indrindra ny fahambanian’ny fahefa-mividy izay tsy ahafahana mivoatra eo amin’ny fiainana. Tsy ampy ny asa, tsy misy ny asa, tsy misy ny famoronana asa, hany ka manao izay asa hita na tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana aza. Ambany ny karama noho izany ary vitsy ireo mba misitraka ny fiahiana ara-tsosialy, fa ny sisa dia tsy manan-kantenaina amin’ny ho avy rehefa tonga ny androm-pahanterana. Amin’ny maha olombelona anefa tsy maintsy mandalo tsy fahasalamana, ka eo indrindra no mipetraka ny olana amin’ny tsy fahafaha-mitsabo araka ny tokony ho izy. Vokany, na miaritra ny fangirifiriana na maty. Hamafisin’ny tononkalo izany ao amin’ny andalana 15 , 16 hoe:

 “Amin’ireo karama kely herim-po tsy misy vidiny
 Efa banga hateloana noho ny aretina tsy fidiny.”

Hita teo ary fa vahoaka resin’ny hanohanana sady tsy manan-kialofana ary ambany fahefa-mividy no resahina tao amin’ny tapany voalohany. Hohazavaina manaraka kosa fa mbola ianjadian’ny tsy rariny ihany koa izy ireo.

*

Iray amin’ireo tsy rariny mahazo ny vahoaka ny tsy fanajana ny zo arak’asa sy ny tsy fisitrahana ny zo arak’asa. Mafy loatra ny tsindry ataon’ny mpampiasa satria fantany fa tsy afa-mikofoka sy tsy afa-manoatra ny mpiasa eo ambany fahefany. Ankoatra ny hamafin’ny asa sy ny tsy fanajana ny ora iasana, tena ambany sy tsy mifanaraka amin’ny asa atao ny karama raisina. Raha mitaky fampiakarana karama anefa, valin-teny henjana sy  an’avona, miampy fampitandremana miafara amin’ny fanasaziana, eny miafara amin’ny fampiatoana sy fandroahana mihitsy aza no setriny. Hoy I Rado:

“Kanefa nony injay mitaky fanondrotana karama
 Dia valiana boribory hoe: manohitra lalàna
 Ka roahina no fay.”
 (andalana 17, 18, 19)


Faharoa amin’ny endrika isehoan’ny tsy rariny mahazo ny vahoaka ny tsy fisian’ny mangarahara, ny fanodinkodinana ny marina eo amin’ny sehatra samihafa. Na eo amin’ny fitantanana ankapobeny ny firenena io na eo amin’ny zavatra kely indrindra tokony ho fantatry ny sarambabem-bahoaka. Matroka tanteraka aminy ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Toa tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy manoloana ny tena zava-misy marina. Betsaka ny tsy mazava, tsy vitsy ny zavatra afenina, na natao tsy ho takatry ny vahoaka. Valin-teny mihodinkodina mifono fampanantenana poak’aty sy fampandriana adrisa, valin-teny politika. Izany no setrin’ny fitakiana ny marina. Hoy ny tononkalo, andalana 23, 24:

“Soraty koa ny fitakiany te hamantatra ny marina
 Nefa toa verezin-dia amin-javatra namboarina.”

Farany nefa tsy kely indrindra ny tsy fisian’ny fahafahana sy ny fahalalahana eo amin’ny lafiny samihafa. Mbola tsy manjaka eto amintsika ny demokrasia tena izy. Tsy malalaka ny fanehoan-kevitra, mbola misy sivana, mbola maro ireo samborina sy gadraina, rahonana amin’ny fanehoan-kevitra izay ataony indrindra raha mamofompofona fanoherana ny fitondrana. Vahoaka voageja, tsy afa-mikofoka, tsy manam-pidiny. Tsy misy safidy fa izay tian’ny mpitondra atao, tian-kano tsy tian-kano. Tafiditra ao anaty zo fototra tokony hananan’ny olom-pirenena anefa ny fahalalahana sy ny fahafahana. Porofoin’ny tononkalo izany ao amin’ny andalana 25, 26 manao hoe:

 “Soraty koa ny zony very tsy mahazo misafidy,
 Soraty koa ny hetahetam-pahafahany voahidy.”

*
* *

Raha fintinina izay voalaza rehetra tao amin’ny vontoatiny dia hita fa tena miaina tanteraka ao anaty fahantrana lalina sy fahaverezan-jo ny vahoaka malagasy. Manampy trotraka ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fahamaroan’ireo tsy manan-kialofana ankoatra ny fahambanian’ny fahefa-mividy. Tsy vitan’izany fa eo ihany koa ny tsy mba fisitrahana ny eo amin'ny lafiny asa sy ny tsy fisian’ny mangarahara ary ny fangejana amin’ny endriny samihafa tsy ahazoana fahafahana sy fahalalahana. Eto am-pamaranana ary no ilazana fa raha tsy misy ny fahaiza-mitantana sy ny mangarahara ary fahafantarana ny olana fototra iainan’ny vahoaka malagasy izay tokony ho hain’ny mpitondra, tsy handroso na oviana i Madagasikara fa vao mainka hihitsoka anaty fahantrana lalina.

Saint Tsiadino
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 26/06/2021

×