Créer un site internet
Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

 02 Janoary 2016

TSETSATSETSA TSY ARITRA MOMBA NY FANDIKANA TONONKALO

Ny fanontan'ny CNRS  ankehitriny ny sanganasan'i Jean-Joseph  Rabearivelo, ireo efa fantatra sy ireo vao nofongarina, dia mitarika antsika hanadihady ny momba ny fandikan-tononkalo amin'ny ankapobeny. Hoy Atoa Charles Ravoajanahary raha nanao valan-dresaka mikasika ny literatiora malagasy izy : "Mihetsiketsika ery ny saina rehefa tojo ny literatiora antonona azy. Endrey izany mamaky ny soratry ny mpanoratra toa an-dry Hugo sy Lamartine". Voafetra anefa ny olona, ankoatra ny frantsay sy ireo mahay ny teny frantsay, afaka mamaky mivantana sy mankafy ireny soratra navelan'ny kalazalahy frantsay ireny. Na dia vanin-taona voafetra aza no nifantohan'ny mpikaroka ao amin'io famakafakana nataony  io dia mahaliana tokoa ny fandaharany azy. Tsy ampy anefa ny tantaran'ny literatiora raha tsy asiana resaka momba ny fandikana.  Raha mamaky tononkalo Malagasy na vahiny dia misy indraindray fisainana-faniriana hoe : “Tiako hadika ity tononkalo ity”.

Inona  tao anatin’ilay tononkalo no nanaitra ka manentana  handika azy amin’ny teny hafa ? Nanohina  ny saina amam-panahy izay nambarany ary tonga tsy tsarotsaroana ny faniriana hizara izay tsapa teo am-pamakiana azy. Ho an'ny mpakafy tononkalo dia fihaonana sarobidy no iainany amin’io fotoana io.

Alohan'ny hifantohantsika ny fandikana tononkalo dia mety angamba raha omena valiny tsotsotra ny fanontaniana hoe : Inona no mampiavaka ny fandikana lahatsoratra tsotra amin'ny fandikana tononkalo ? Ny tanjona raha mandika lahatsoratra tsotra dia ny hampita hevitra na toro-lalana amin'ny fomba mazava mba tsy handiso fandraisana izay tian-kampitaina ny mpamaky azy. Io no fandikana azo ianarana tsara any an-tsekoly satria mionona amin'izay voasoratra. Mila fahalalana sy fahatsapana hafa ny fandikana ny tononkalo. Tsy ampy ny fahalalana ny teny monja ihany. Azo raisina ho tena tononkalo ny dikan-tononkalo ka tsy azo terena ny fifidianana azy sy ny fotoanany. Misy tononkalo vahiny toa misintona ny poeta malagasy handika azy, araka ny fomba fahatsapany sy ny traikefany avy, toy ilay tononkalon’i Paul Verlaine: “Il pleut dans mon coeur…”, izay ahitana dikany efa maromaro ihany amin’ny teny malagasy. Raha mandinika io tononkalo io isika dia hahita fa mifandraidraika amin’ny aingam-panahin’ny poety malagasy maro izay asehony. Dia ilay alahelohelo mandemy ny fo malagasy ary maha hontsa azy. Mpampita araka izany no azo ilazana ny mpandika. Raha tsy tafahoatra loatra aza ny filazanay dia toa ny tononkalo no mitady mpandika. Na eo aza izany fiontanana manokana izany dia misy fepetra sy fitsipika samihafa ny fandikana tononkalo. Tsy izay nisintona ny fo rehetra akory dia ho voadika sy ho tafita amin’ny fandikana. Ny dikan-tononkalo tafita dia izay toa voasoratra avy hatrany tamin’ny teny nandikana azy ka tsy misy mampiavaka azy amin’ny tononkalon’ny teny namindrana azy. Efa fantatsika ilay fitenenana eken’ny maro hoe fitaka ny dikan-teny. Kanefa ny rehetra dia manaiky fa ilaina izy. Tsy ho fampitana hevitra mendrika ho zaraina ihany fa ho fanatevenana ny kolontsaina sy fisokafan’ny haisoratry ny firenena ivantanany koa. 


Azo atao sa tsy azo atao ny fandikana tononkalo ?

Io fanontaniana io no efa nipetraka hatry ny ela ary mbola miteraka ady hevitra eo anivon'ny mpamakafaka samihafa. Tsy azo lavina anefa fa efa nisy hatry ny ela ny fandikana ary maro ny boky voasoratra fahiny, mendrika ho fantatra, no tsy ho tonga taty amintsika raha tsy nisy nandika. Raha fintinina anefa ireo tsy fifanarahan-kevitra ireo dia misongadina fa ny mpandinika ny fandikana no milaza fa tsy azo atao izy fa ireo mandika an-tso-po kosa no mampiseho amin'ny vokatr'izay ataony fa misy ny fandikana. Tsy hivalapatra amin'io ady hevitra io anefa isika ary tsy hifantoka amin'ny fandikana hita amin'ny endriny ankapobeny fa hionona amin'ny fandikana tononkalo ihany.

Kanefa misy fanontaniana hafa mipetraka koa, mifanohy amin'io ihany, raha ekena fa azo atao ny mandika, dia momba ny hoe : Siansa sa hairaha ny fandikana ? Raha siansa ny fandikana dia misy lalàna raikitra tsy azo ovana mamepetra ny fanatanterahana  azy. Ianarana any amin'ny sekoly ambony ankehitriny ny fandikan-teny, kanefa dia ny manodidina ny teny ihany no tena ifantohana amin'izany fa  tsy ny tena maha-tononkalo azy,  dia izay fonosiny. Kanefa mazàna ity farany ity dia tsy hita mazava ao amin'ny teny, na tsy voalazan'ny teny. Raha raisina ho hairaha kosa izy dia miankina indrindra amin'ny fientanan'ny mpandika na dia manaja ny lalàna sasany noferan'ny mpamakafaka sy mpandalina aza.


Ny tsy fahafaha-mandika tononkalo sasany.

Tsy àry ho voadika avokoa anefa ny tononkalo rehetra fa misy fahasarotana misakana ny fanatanterahana azy ho mendrika. Na azo adika aza ny sasany dia misy fahasarotana anatin'ny tononkalo tsy maintsy itadiavana fomba hisorohana azy. Ohatra, raha misy anaran'olona, na teny grika na latina ao amin'ilay tononkalo frantsay, tokony hadika ve sa avela amin'izao ? Manahoana ny fiantraikany eo amin'ny Malagasy ? Lalana telo no azo raisina : avela amin'izao kanefa dia hametra ny filanton'ny teny malagasy ny fanononana azy ary hanamaivana ny tononkalo, na gasiana nefa tsy dia fomba loatra ny manova ny fanoratana ny anaran'olona ary azo atao koa ny manova ny anarana ka ampidirana izay mitovitovy aminy hita ao amin'ny tantaran'i Madagasikara. Raha raisintsika ohatra ny tononkalo tena ahalalana an'i Gérard de Nerval mitondra ny lohateny hoe "El Desdichado" nosoratan'ny poety amin'ny teny espaniola ny lohateniny izay azontsika adika hoe "Ilay very lova" dia isan'ny teny manahirana ny hoe Pausilippe izay havoana ao andrefan'i Naples.  Azo soratana hoe Pôzilipa ve sa soloina amin'Ankaratra na Andringitra havoana mitovitovy laharana aminy ? Ohatra koa ny anarana hoe Lusignan sy Biron izay anaram-pianakaviana nisy tokoa tany Frantsa. I Lusignan dia nanjary mpanjakan'i Chypres taty aoriana. Raha ovana ireo dia tsy hazava mihitsy ny tononkalo. Ohatra farany dia Orphée poeta mpitendry lira iza no azo asolo azy amin'ny olon'ny angano malagasy ? Raha ny momba ny Acheron indray izay renirano any amin'ny helo araka ny finoan'ny olona indrindra tany Eoropa azy dia azo oharina amin'Ikopa na Betsiboka na Mangoky ? Ny tononkalo toy itony no sarotra adika na tsy azo atao mihitsy aza. Ny dikany mety ho azo dia ny mifanakaikikaiky fa tsy dikany tanteraka.

El Desdichado

Je suis le Ténébreux,- le veuf,- l'incosolé,
Le Prince d'Aquitaine à la Tour abolie :
Ma seule Etoile est morte, - et mon luth constellé
Porte le Soleil noir de la Mélancolie.

Dans la nuit du Tombeau, Toi qui m'as  consolé,
Rends-moi le Pausilippe et la mer d'Italie,
La fleur qui plaisait tant à mon coeur désolé,
Et la treille où le Pampre à la Rose d'allie.

Suis-je Amour ou Phébus ?...Lusignan ou Biron ?
Mon front est rouge encor du baiser de la Reine ;
J'ai rêvé dans la Grotte où nage la sirène...

Et j'ai deux fois vainqueur traversé l'Acheron :
Modulant  tour à tour sur la lyre d'Orphée
Les soupirs de la Sainte et les cris de la Fée.
Gérard de Nerval

Raha raisina indray ny fandikana ny tononkalo malagasy amin'ny teny frantsay dia mitovitovy amin'ireo ihany ny fahasarotana ho tojo ny mpandika. Mba hahamora ny fanazavana dia ho raisintsika ny hainteny nadikan'i Jean Paulhan sy ny Rabearivelo. I Jean Paulhan rehefa tojo teny na anaran'olona nanavia azy na heverina fa toa nahafinaritra ny fanononana azy dia tsy nadikany na nisy dikany mazava azo raisina aza. Rabearivelo kosa dia nandika ny teny, ny anarana rehetra toy ny hita ao amin'ireo nataon-dRamatoa Dominichini Ramiaramanana. Betsaka anefa ny asa soratr'i Jean-Joseph Rabearivelo no ahitana teny frantsay na dia teny mora  sy ahitan-dikany ara-dalàna aza. Inona no nanesika azy hampiasana ireny teny vahiny ireny ? Ny tsikaritra dia tsy mampitombo ny endriky ny lahatsoratra ny fampaisana azy. Hita indrindra ao amin'ny sombin-tantara "Lala roa" ny teny hoe : locomotive, train, quai, rail, secret. Angamba nisy antony manokana nanesika azy hampiasa ireny teny ireny. Mifanohitra amin'izay fanaony raha mandika tononkalo. Ny poety malagasy rehetra dia miezaka tsy hampiditra teny hafa ao amin'ny tononkalo adikany.


Ny ngadona sy ny mari-piatoana.

Akanjo isaloran'ny poezia ny endrika ivelany toy ny teny, ny rima, ny ngadona, ny mari-piatoana, ny fizarazaran'andalana na ny isany, ny fomba nandrindrana ny soneta, tsanta ny tononkalo manara-dalàna sy ny tsy manara-dalàna. Misy mpandika, indrindra amin'ireo niforona teny amin'ny sekoly ambony,  mionona amin'ny fanajana io endrika ivelany io ihany fa manadino ny votoatiny maha-poezia ny tononkalo. Ka maneho endrika manaitra ny sofina na ny maso kanefa kanto ivelany fa poak'aty. Izany akory tsy milaza fa tsy manana ny maha-izy azy sy ilana azy io endrika io. Manampy amin'ny fahazoana ny tononkalo. Tsy  voatery hisalotra  ny endrika ivelany isaloran'ny tononkalo adika  ny dikany raha tiana ho tafita ny tena pôezia ao anatiny. Ohatra ny fanenjehana rima dia manery hampiasa ny teny tsy  tena mahalaza ny hevitra fonosin'ny tononkalo.

Samy manana ny ngadony ny fitenenana rehetra, na ny mozikany na ny fomba fanononana azy. Ny ngadona no manavaka ny tononkalo amin'ny fiteny an-davanandro. Amin'ny tononkalo sasany dia mifanako ny ngadona renesina ao amin'ny tononkalo  sy ny dikany. Raha oharina amin'ny mozika dia feon-kira iray misy toniny amin'ny teny frantsay sy amin'ny teny malagasy.

Ny ngadona mety hanova ny dikany omena ny tononkalo. Miova araka ny mpandika ny dikanteny. Izany no niezahanay tamin'ny fandikana ity tononkalon'i Ronsard ity.


Quand vous serez bien vieille, au soir à la chandelle,
Assisse auprès du feu, dévidant et & filant,
Direz, chantant mes vers en vous esmerveillant,
Ronsard me celebroit du temps que j'éstois belle,

Lors vous n'aurez servante oyant telle nouvelle,
Desja sous le labeur à demy sommeillant,
Qui au bruit de Ronsard ne s'aille resveillant,
Benissant  vostre nom de louange immortelle.

Je seray sous la terre, fantaume  sans  os :
Par les ombres Myrtheux je prendray mon repos.
Vous serez au fouyer une vieille accroupie,

Regrettant mon amour,   vostre fier desdain.
Vivez, si m'en croyez, n'attendez à demain :
Cueillez dés aujourd'huy les roses de la vie.

Pierre de Ronsard
(Sonnet à Hélène)
Rehefa antitra ianao, manara-jiro fa hariva,
Ka miantsody sy mamoly mitoetra amorom-patana
Mikalo ireo an-dalan-kirako dia higaga am-peo iva,
F'hay nidera ny endriko izy tamin'ny andro fisandratana.

Rehefa ts'hisy ny mpanompo hihaino izay ambaranao
F'efa rendri-torimaso lanak'asa izay natao,
Raha mandre ny fahatongavako dia ho taitra hifoha indray
Ka ny anaranao hajainy tsy ho hadino rahatrizay.

Izaho ambany dongon-tany, avelo tsy ari-nofo ka tsy fantatra,
K'afovoan-kirihitr'aloka no matory hiala sasatra
Fa ianao no hitorovoka ho anti-bavy be fitiavana,

Hahatsiaro ny fitiavako sy ny aingitraingitrao.
K'aza miandry ny ampitso fa hararaoty dieny izao
Ka otazo anio ihany ny raozy tsaran'ny fiainana.


Mba tsy hanelingelina ny famakiana ny tononkalo dia nesorina ny anarana notononin'ny poety : Ronsard. Ny voamarika amin'io tononkalon'i Pierre de Ronsard io koa dia ny fiovan'ny teny frantsay. Ny fanoratana azy tamin'ny taon-jato faha roa ambinifolo no nasehonay eto. Mitaratra ny fomba fanoratry ny mpandika indrindra raha poety koa izy ny dika omeny ny tononkalo iray.  Na dia ny lohateniny ihany aza no jerena dia hita samy hafa ny fiantraikan'ny tononkalo ao amin'ny poety tsirairay nandika azy. Ohatra ilay tononkalon'i Paul Verlaine voalaza etsy ambony dia "Misy ranomaso ato am-poko" hoy J-J. Rabearivelo, "Mitomany ny ato am-poko" hoy Gilbert Ratsimbazafy ary "Tomany ny ao am-poko" hoy i Dox.

Maro ny tononkalo ankehitriny no tsy ahitana loatra mari-piatoana intsony. Apetraky ny poety amin'ny mpamaky ny fametrahana ny mari-piatoana. Raha mandika tononkalo anefa dia tsy maintsy hajaina ny mari-piatoana na izay heverina fa mety sy tokony hisy azy.  Ny fahazahoana ny tononkalo no manampy amin'ny famakiana azy ara-dalàna. Ny nampianarina antsika tany an-tsekoly dia ny famakiana isan'andalana. Misy anefa andalana misavily amin'ny andalana manaraka azy, koa tsy azo atao ny miato amin'ny rima sy faranan'andalana fa mandiso  ny hevitry ny fehezan-teny.


Ny teny

Ilaina ny fandalinana ny teny tsirairay ao amin'ny tononkalo sy ny toerana ametrahan'ny poety azy. Mazàna tsy eo amin'ny tokony hisy azy araka ny fitsipi-pitenena no misy azy ary tsara ny manontany hoe nahoana no eo no nametrahan'ny poety azy ? Inona no entiny eo amin'io toerana misy azy io. Ny fipetraky ny teny iray ao amin'ny andalana dia mety hanova ny hevitra tian'ny poety omena azy.

Ny tsy fahazoana  teny iray dia mety handiso ny fahazoana ny hevitry ny andalana rehetra ary ny tsy fahazoana ny andalana dia mety hanomezana hevitra diso ny teny izay mety hanadanja tokoa amin'ny fahazoana ny tononkalo manontolo.  Araka ny teny ampiasany no mamolavola ny fihetsehan-tsainan’ny olona tsirairay, ary mandoko ny fijereny ny zava-misy sy ny tontolo iainany ka mamolavola ny traikefany avy ; tsy mitovy ny fahitan’ny olona roa samy hafa  firenena zavatra iray na fandraisany toe-javatra iray. Mirakitra ny filozofian’ny olona miteny azy, nolovany tamin'ny razany, ny teny ka mazàna sarotra adika amin’ny teny hafa na voadika aza dia tsy lavorary tanteraka.

Tsy àry ho tonga avy hatrany ao an-tsaina avokoa ny dikan’ny teny rehetra hita ao amin’ny tononkalo. Misy voavinany amin’ny fitambaran’ny fehezan-teny nefa io fahazoana io indraindray tsy manome ny teny tokony ho izy, koa ilaina ny manamarina ny tena dikany ao amin’ny rakibolana izay mampisalasala. Maro ny rakibolana afaka manampy amin'ny fandikana kanefa tsy ny teny ao amin'ny  rakibolana ihany no tokony ho raisina fa misy angolan-teny mety hitarafana ny hevitra tian'ny poeta ho lazaina raha mampiasa ilay teny izy. Azo atao koa ny famoronan-teny vaovao. Mba ho azo ekena anefa ny teny vaovao foronina dia tsy maintsy manaraka ny fitsipi-pitenena ara-dàlana. Mahaliana ohatra ary mety hanampy ny toro-lalana omen’Atoa Job Rakotojaona ao amin’ilay boky keliny mitondra ny lohateny hoe “ Ireo fitsipika folon’ny fisorateny vahiny gasiana”.


Misy ve ny fandikana fanaperana ?


Azo atao ny mamaly avy hatrany fa tsy misy ny dika raikitra tsy miova intsony. Raha nanao teny fanolorana ny bokin'i Jean Joseph Rabearivelo "Vieilles chansons des pays d'Imerina" Atoa Lucien Xavier Andrianarahinjaka ka niresaka ny fomba fandikan'ny poety dia  niresaka ny hainten'dRainandriamampandry notsongainy tao dia nilaza hoe  : “ sarotra ny mihevitra fa misy dikany hafa azo omena io hainteny io ankoatr'ilay nomen-dRabearivelo”. Tsy dia mizara izany anefa izahay amin'ny fandikan-tononkalo, indrindra raha ny hainteny no resahina. Eny tsara sy mahafa-po ary mirakitra poezia ny dikany naroson-dRabearivelo, kanefa misy foana fomba hafa entin'ny mpandika hafa hahatafita ny fandikana. Raha haka ohatra iray monja isika dia azo iadian-kevitra ny fandinganan'ny mpandika ny teny sasany ary ny nandikan'dRabearivelo ny teny hoe "mahatsiahy".  Araka ny hevitray dia azo atao ny nandika io teny io amin'ny hoe  "Je m'ennuie de vous" fa tsy "Je pense à vous". Satria hita ao amin'ny teny mahatsiahy ny  hanina sy embona ilay tsy eo anoloana ka miteraka alahelohelon-tsaina sy risarisam-po ao amin'ilay miandry. Mbola ny tononkalon'i Paul Verlaine  ihany no entintsika manohana izany filazana izany. Ireo dikany nataon'ny poety samihafa dia samy manana ny maha-izy azy sy ny fahamendrehany.

Hita ao amin'ny tononkalo dikany hatrany ve ny poezia raketin'ny tononkalo nadika ? Io no tanjona irina ho tratrarina raha mandika tononkalo kanefa dia sarotra satria samy hafa ny tany niainan'ny poety, ny kolontsaina ananany ary ny fiontanam-po nolovany tamin'ny razany. Ny tsikaritra ao amin'ny dikan-tononkalo dia poezia mifanaraka amin'ny aingam-panahin'ny olona miteny ilay teny andikana, mba ho tafiditra tsara ao amin'ny haren-tsain'ny fireneny izy. 

Tsy mihambo ho nahavaly teto  avokoa ny fanontaniana rehetra mikasika ny fandikana tononkalo izahay ary na ny valiny nentinay aza dia inoana fa tsy feno na tanteraka. Irinay anefa fa mba nitondra fanazavana kely ho an'ny tia sy ireo mikasa handika tononkalo ity tsetseatsetsa tsy aritra ity. Tsy nianatra fandikana ny tenanay fa ny traikefa mba nangonina  tamin'ny fanaovana izany no nakana lesona.

François-Xavier RAZAFIMAHATRATRA

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 31/08/2023