Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

23 Desambra 2015

 

 

"Raha toa... Mbola ho sentoko hatrany", tononkalon'i Njanja, nofakafakain'i Arilala Andriamamonjy

 

  RAHA TOA… MBOLA HO SENTOKO HATRANY

Raha toa ho banga ny fitia
Mitoloko anatiko any
Noho ianao… tsy sanatria
Mbola ho sentoko hatrany

Raha toa ho foana ireo angola
Nanome tambitamby…
Fa notinerinao hidola…
K’ilay fitia no fanamby…
Mbola ho sentoko hatrany.

Raha toa ho mirana ny ny ivelany…
Ka ny endriko ho falifaly.
Nefa tsy nisy mba navelany…
Fa ny foko no mijaly
Fitiavana tsy hamololona …
Mbola ho sentoko hatrany.

Raha toa ny fanahy efa trotraka
Ny bedibedinao fitiavana
Ny fisainanao… ka potraka
Mbola sentoko rahavana…

Raha toa ireny voadintsika
Mbola misy mamarara
Ka nisy iray tsy nipika
Mbola hisentoan’ny tantara.

Fa nahoana ianao ry tiako,
no itambesaran’ahiahy…?
K’ireo fefy tsy nihoarako,
… mantsy! ireny mba tsy niriko.
No nanosehanao ahy,
Vina tsy fantatro…, olon-tsy hay…
Anerenao tsy nahy…
Nefa… tsarovy aho
Fa! raha tsy hitia ianao…
Ka! Hisampana ny dia …
Ity foko efa mahantra…
Natosikao ka naratra…
Noho ianao sy aminao…
Tsy miova hatramin’izao…
Ilay olon-tsy mandao…
Ka nijofo tsy tanako…
Ny fo nirotsa-dranomaso
Mbola ho sentoko hatrany…!

Raha toa fitia sadasada
Na koa hoe ady tena izy
Aterinao hidradradradra…
Hanjaka imason’ankizy…
Mbola ho sentoko hatrany…

Raha toa ny fo izay nomeko
Manko dina izay nekeko…
Na hotambazanao handrava…
Ny fiainantsika ts’hitavandra…
Ho jamba hipaka anaty tany
… mbola ho sentoko hatrany!

Njanja 14/12/15 tamin’ny 08:45
  Tononkalo iray maneho ny ahiahy amin’ny mety ho fisarahana any aoriana any ity tononkalon’i Njanja ity, tononkalo nosoratany tamin’ny 14 desambra 2O15 tamin’ny 9 ora latsaka fahefany ary nampitondrainy ny lohateny hoe: “RAHA TOA…MBOLA HO SENTOKO HATRANY”. Andao hojerentsika ny adin-tsaina ventesina ato anatin’ity tononkalo ity: voalohany, ny fisehony teo amin’ny firafitra, faharoa teo amin’ny voambolana ary farany teo amin’ny sarin-teny.

FIRAFITRA

Voalohany, andininy valo be izao no mandrafitra ity tononkalo ity, hita avy hatrany fa betsaka ny ahiahy voalaza ao anatiny ka tsy ampy mihitsy raha tsy natao lavabe.

Ny isan’ny andalana isaky ny andininy koa tsy mitovy fa indraindray efatra, indraindray dimy, indraindray enina. Ny eo amin’ny andininy fahenina aza moa dia valo ambin’ny folo mihitsy. Izany koa dia maneho ny fikorontanan-tsaina ao anatin’ny mpandray anjara ka tsy mifandanja tsara ny endriky ny andininy tsirairay.

Eo amin’ny rima koa dia taratra izay fikorontanana izay. Ny andininy voalohany dia ahitana rima mifaningotra abab:fitia/any/sanatria/hatrany; ny andininy fahefatra sy fahadimy koa dia ahitana rima mifaningotra. Rehefa eo amin’ny andininy faharoa, fahatelo, fahafito anefa dia ny andalana efatra voalohany no mifaningotra fa ny ambiny mandeha amin’izao. Ny eo amin’ny andininy fahenina aza moa dia mikorontana tanteraka ny rima. Ny eo amin’ny andininy fahavalo indray dia ahitana rima mifanjohy: nomeko/nekeko/handrava/hitavandra/tany/hatrany.
Hitantsika amin’ireo fiovaovana ireo ny tsy fahatomomban’ny toe-javatra iainan’ilay olona.

VOAMBOLANA:

Eo amin’ny voambolana dia ny tamberin-teny no tena mibahana. Voalohany amin’izany ny hoe “fitia” hitantsika eo amin’ny andalana voalohany, fahavalo sy faharoa amby efapolo, natamberimberiny io ho fampahatsiahivany antsika fa mbola ny tontolon’ny fitiavana no nampihira azy teto, sao isika very na manadino satria efa lava loatra ny tononkalo.

Anisan’ny mitamberina foana ihany koa ny teny hoe “sento”, isaky ny faran’andalana no ahitantsika azy io. Niniana naverina foana ho fampahafantarana ny mpamaky fa raha tanteraka tokoa ireo fanahiany be dia be ireo dia tsy ho fifaliany velively fa hiteraka alahelo lalina. Raha fifaliana mantsy tsy ho sento mihitsy fa ho tsiky.

Ankoatra ny tamberin-teny dia misy ny voambolana miavaka izay hita eo amin’ny andalana fahatelo amby telopolo: “hisampana” izay midika hoe hizara na ny marimarina kokoa “hisaraka”. Anisan’ny lafin-javatra goavana iray tena nahiany mafy io izay niteraka adin-tsaina lalina ka nahatonga azy hanoratra izao.

SARIN-TENY

Eo amin’ny sarin-teny dia misy ny filaza masaka na “hyperbole” eo amin’ny andalana faha 39: “ka nijofo tsy tanako”. Nijofo hoy izy, ny zavatra mamovoka anefa no mijofo ary mbola nampiany koa hoe “tsy tana”. Izay no sarin-teny nampiasainy ho fanehoany fa tena nisy fihetseham-po nitosaka avy ao anatiny ary dia toy ireny vovoka nitora-jofo ireny, tsy hay ferana sy tsy hay tazonina.

Misy “anaphore” ihany koa eto  na tamberin’andian-teny andohan’andalana,andohan’andininy mifanesy dia ny hoe: “Raha toa”. Io andian-teny io dia manaporofo fa misy ahiana hitranga fa mbola tsy mitranga. Ary ny fiverimberenany dia maneho fa isaky ny miteny io izy dia misy zavatra hafa ahiany indray, izany hoe ny fahamaroan’io no manamariana ny habetsaky ny tebiteby sy ahiahiny ary nahatonga azy hanohy hoe “mbola ho sentoko hatrany” raha ireo no tanteraka. Io fehezanteny io indray dia mitamberina isa-paran’andalana, napetraka ho fanehoana fa fahoriam-po no aterany raha tanteraka ny ahiahiny.

***

Raha fintinina izany dia korontan-tsaina, tebiteby sy ahiahy no resahan’ity tononkalo ity izay tena nisongadina avy hatrany teo amin’ny firafitra izay tsy nahitana fifandanjana. Nohamafisin’ny voambolana nampiasain’ny mpanoratra izay nahitana teny miavaka ary nahitana tamberina ihany koa ary indrindra fa teo amin’ny sarin-teny.
 
Arilala Andriamamonjy
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/01/2016