p

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 jona 2018

Fantaro i...
JEAN NARIVONY

(1898 – 1980)
Poety
Mpanoratra
Mpampianatra sy Mpanabe
Mpamoron-kira


————————————
(Nangonin'i Toetra Ràja)

Rajaonarivony no tena anarana diam-penin'ny Poety antsoina hoe JEAN NARIVONY. Teraka tao Andrefandrova Antananarivo izy tamin'ny 17 septambra 1898 ary maty tamin'ny 15 jona 1980. Rajaonary James avy ao Masindray Ambohimanambola, atsinanan'Antananarivo, no rainy. Rasoarivony kosa no anaran'ny reniny, mpampianatra sy mpanabe. Rasoazananoro Marie-Cécile avy ao Fenoarivo, andrefan'ny renivohitr'i Madagasikara, no anaran'ny vadiny ka nahazoan'izy mivady zanaka dimy: roa lahy sy telo vavy. Mpanjaitra no asany

Araka ny fanazavan'ny zafikeliny dia saika nanamaloka ny fizotran'ny fangataham-bady ny tsy fitovian'ny firazanana teo amin'ny roa tonta. Mbola nifikitra tamin'ny hasin'ny firazanana ny Malagasy tamin'ny fotoan'androny. Andriana mantsy Ramatoa vadiny, taranaka Jakimena. Nisinda anefa ny sakana noho ny fahitan'ny  fianakaviana ankilany ny fari-pahaizana nananan'i Jean Narivony, dia ny maha mpampianatra sy poeta azy. Niainan'izy mivady moa ny fifandeferana ary vao mainka nanamafy ny fifankatiavan'izy ireo aza izany tsy fitovian'ny firazanana izany. 

 

FAHAZAZANY
Azo lazaina ho nilomano tao amparihin'ny literatiora izy hatramin'ny fahakeliny satria mpanoratra Rajaonary James rainy, namorona ireny hira protestanta ireny, hany ka nahafahan'i Jean Narivony nifanerasera tamin'ny mpanoratra malaza tamin'ny fotoan'androny. Ny zokiny lahy, Jean Narisson, izay maty tany an-tsesitany noho ny raharaha VVS, dia poety ihany koa. Ary zovy amintsika moa no tsy mahafantatra ny mpanoratra fanta-daza Ratsimiseta Jasmina sy Rodlish izay samy dadatoany ary samy namoha ny aingam-panahiny?
 
SEKOLY NANDRANTOANY FAHALALANA  
Ankoatra ny lanjan'ny haisoratra teo anivon'ny fianakaviany dia mbola hainy nohatevenina izany tany tamin'ny sekolim-panjakana sy sekolim-pinoana nandrantoany fahalalana, ka nahafahany nifanerasera tamin'ny mpanoratra sy mpandahateny toa an-dry G. Mondain, E. Groult, Andrianaivoravelona, Ramambazafy V., Rajaonarivelo Auguste.
 
Tao Avaratra Andohalo Antananarivo no nobeazina i Jean Narivony, na izany aza dia maro ireo sekoly nandrantoany fahalalana:

  • Ecole supérieure indigène Ambohijatovo Avaratra
  • Ecole régionale Farafangana
  • Sekoly Paul Minault Ambatonakanga
  • Ecole Normale Protestante Ambavahadimitafo  

Manana ny mari-pahaizana CAE/EB i Jean Narivony.
 
ASA AMAN-DRAHARAHANY  
Mpampianatra nandritra ny 35 taona i Jean Narivony ary nanomboka izany tao Ambohijatovo Avaratra Antananarivo nandritra ny 10 taona. Tamin'ny 1930 izy no voatendry hampianatra tany amin'ny MPF (Misiona Protestanta Frantsay) Fenoarivo Atsinanana. Izy irery no mpampianatra tany Fenoarivo Atsinanana nandritra ny 25 taona ka nitazonany ny kilasy CP1, CP2, CE1 ary ny CE2. Izy rahateo araka izany no talen'ny sekoly. Raha 87 ny isan'ny mpianany tany am-piandohany dia tafakatra 252 izany tamin'ny 1955 kanefa ny efitrano fianarana dia tsy mba nihalehibe akory ary zara aza raha nahazoana mpampianatra mpanampy indraindray. Marihina fa anisan'ireo efa nampianarin'i Jean Narivony tany Fenoarivo Atsinanana ny Pôety Clarisse Ratsifandrihamanana.
 
Nikoriana tao anatin'ny rany mihitsy ny fitiavana ny fampianarana hany ka tsy nikely soroka izy, ankoatra ireo kilasy notazoniny andavanandro, nampianatra an'ireo hiatrika fifaninanana amin'ny sekoly fanofanana mpiasam-panjakana natao manerana ny Nosy ary nahazoany vokatra nahafa-po. Anisan'ny fahombiazany koa ny nahazoan'ny mpianany iray ny diplaoma CEPE. Tsy natolotry ny sekoly anefa io mpianatra io satria ny CEPE dia mbola fanadinana natokana ho an'ny sekoly eraopeanina. Io fahombiazana io izay tsy an'iza fa an'ny zanany vaviaivo, renin'ny mpanakanto Gothlieb, dia namoha varavarana ho an'ny sekoly ka nahafahany nanolotra mpiadina ho amin'io fanadianana io. Nankatoavin'ny Fanjakana mantsy nanomboka hatreo ny haavon'ny fari-pahaizana tao amin'ity sekoly ity. Tsy mahagaga izany satria nahafolaka tsara ny teny malagasy sy ny teny frantsay i Jean Narivony fa tsy arakaraka ny naha mpanohitra ny fanjanahantany azy tamin'ny raharaha 1947. Porofon'izany ny toriteny nataony tamin'ny teny frantsay tamin'ny fankalazana ny fetin'i Jeanne d'Arc sy ny fahatsiarovana ny "Armistices" natrehin'ny Administratera. Mbola izy ihany koa no nanomana ny kabarin'ny Governora tamin'ny lanonam-panjakana lehibe iray tany an-toerana. 


POETY MPAMPIANATRA
Hain'i Jean Narivony ny mampifandrindra ny tontolon'ny fampianarana sy ny fanabeazana amin'ny haisoratra satria ao amin’ireo tononkalony izy no maneho fananarana ary manainga ny ankizy sy ny tanora hanaja ny maha-olona azy ireo, mankatoa Ray aman-dReny, manaja raiamandreny, mitandro ny hasin'ny zava-boahary, ho tia tanindrazana. Mora raisina ireny tononkalo ireny ary voarakitra anaty andinin-teny tsotra sy fohy.
I Jean Narivony no anisan'ireo mpanoratra vitsy an'isa nitodika tany amin'ny ankizy sy tanora ary niarahany nitantana ny revio "Sakaizan'ny tanora" ("Sakaizan'ny ankizy" tany am-piandohany - 1860) tamin'ny Pasitera Ravelojaona sy Charles Rajoelisolo.

NY SANGANASANY
Nanomboka nanoratra izy tamin'ny 1918 ary voarakitra ao amin'ny gazety maro ireo asasorany: Ranovelona, Ny Fandrosoam-baovao, Ny Mpandinika... Taty aoriana indray dia tafiditra tamin'ny bokim-pianarana ny tononkalony toy ny Fary Mamy kilasy fahatelo ("Tebiteby" - tak 74), Lahatsoratra Voafantina ("Ny diako" - tak 4, "Ny kipikipy zato sy ny voron-tsara dia" - tak 23, "Ny tanantsika" - tak 46...), Takelaka Notsongaina I ("Iny Ankaratra iny" - tak 68, "Ampamoizamaso" - tak 97, "Hariva" - tak 99, "Ato no mandry" - tak 135), Tononkalo sy Lahatsoratra, Amboara 2, Boky 1 izay ahitana tononkalo 26.

Boky aman-gazety niarahany tamin'ny mpanoratra hafa
- 1920: "Akon'Iarivo", niarahany nanatontosa tamin'i Ny Avana Ramanantoanina sy Bolespara tamin'ny gazety .
- 1920: "Ny Mpandinika", niarahany niasa tamin'i Franco tao amin'ny gazety. Nampiasa ny anarana diam-penina J. Venus izy.
- 1926: "Amboara voafantina", bokim-poezia niarahany namoaka tamin'i Rodlish dadatoany.
- 1926: "Takariva Volafotsy", niarahany nanoratra tamin'i Lys Ber sy Ny Ando.
- 1929: "Kalokalo tatsinanana", bokin-tononkalo notsongaina, niarahany tamin'i Samuel Ratany, Ny Avana Ramanantoanina, Ignace Ratsimbazafy, J.J. Rabearivelo, Lusio B., Fredy Rajaofera, Meteora, Josefa Rajaonah, Eliza-Freda, Rafanoharana ary Rodlish.
- 1929: "Firaketana", Rakipahalalana  nifarimbonany tamin-dRajaonah.
 
Bokiny manokana
- "Ny protestantisma sy ny sekoly", nosoratan'i Jean Narivony ho an'ny jobilin'ny sekoly M.P.F. tao Fenoarivo Atsinanana 1907-1957, natontan'ny Imprimerie Volamahitsy tao Fenoarivo Atsinanana tamin'ny 1957.
- "Kofehy volamena"
- "Feom-baliha": tononkira niventesana an-dRasalama maritiora, ho fahatsiarovana ny fahazato taonany (14 aogositra 1837 - 14 aogositra 1937), nivoaka tamin'ny 1937.
- "Amboaran-tononkalo", 1966. Antananarivo: Edisiona Salohy. Boky ahitana tononkalo maromaro natao ho vavolombelona no sady tsangambaton'ny ady nataon'ny mpanoratra ho an'ny tenin-drazana, izay mirakitra ny toe-tsaina malagasy indrindra tamin'ny androny.

 

Tantara an-dampy
- "Andry boboka"
- "Navoakan'ny fasana".

KRISTIANINA MAFANA FO

Efa voalaza tetsy am-piandohana moa fa mpamoron-kiram-piangonana protestanta ny rainy. Nobeazina tamin'ny finoana tokoa izy mpiraitam-po, hany ka azo lazaina ho tafaroboka lalina tao an-tsahan'ny finoana an'Andriamanitra i Jean Narivony. Katolika avy tao Fenoarivo Antananarivo ny reniny saingy nivadika protestanta tao aorian'ny fanambadiana ary lasa dorkasy mafana fo sy mpampianatra sekoly alahady.
Mamy hoditra tao Fenoarivo Atsinanana i Jean Narivony ary nohajahajaina tokoa na teo anivon'ny fiangonana na tamin'ny tontolon'ny fampianarana eny fa na dia teo amin'ny fiainana andavanandro mihitsy aza. Ramose Be rahateo moa no fiantson'ny olona azy tany.
Katekista tao Fenoarivo Atsinanana i Jean Narivony ary azo lazaina ho nandova an-drainy tokoa izy teo amin'ny famoronan-kira kristianina. Ireny hira faneva na fankalazana tsingerintaona ireny no nahalalana azy. Izy indrindra no namorona ilay hira protestanta fantatry ny maro hoe: "Endrey izany hafaliana". Io hira ao amin'ny Fihirana FFPM faha 545 io dia nosoratany noho ny fankalazana ny faha 150 taona nidiran'ny Filazantsara teto Madagasikara (Jereo ny andinindininy etsy ambany). Mbola izy ihany koa no namorona ny hira FFPM faha 213 "Ry Fanahy mangetaheta", hira fanevan'ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM).
 Ary efa voalaza teo moa ireto boky manokana nosoratany momba ny finoana ireto: "Ny protestantisma sy ny sekoly" (hira jobily) sy ny "Feom-baliha" (fahazato taonan-dRasalama Maritiora).


TARAKEVITRY NY TONONKALONY

Mirakitra fananarana, hoy isika tetsy ambony, ny tononkalony, toy ireny fahita amin'ny sanganasan'i Jean de la Fontaine ireny, ohatra ny "Ry rarin'ny matanjaka" (La rasion du plus fort est toujours la meilleure, Jean de La Fontaine). Toy izany koa ny fahaizana maka lesona avy amin'ny hasoan'ny zavaboahary (Amboa sy Amboadia). Maro tamin'ny "Fable de la Fontaine" aza no hainy tsianjery. Ny fahafolahany ny teny frantsay moa no nahafahany nandika amin'ny teny malagasy ny sanganasan'i Molière hoe: "Le malade imaginaire". 
 
Mampiainga ny fanahin'i Jean Narivony ny tontolo jineriny sy reny, eny fa na dia hatramin'izay heverina ho bitika aza kanefa ahavitany asa kanto sy mavesa-danja. Anisan'ny lohahevitra taratra amin'ny asasorany ny alahelo noho ny fahabangana toy ny fahafatesana (Ato no mandry), embona sy hanina (Iny Ankaratra iny), hanina noho ny nahafoizana ny havana ilaozana (Ampamoizamaso), ny fihaonana (Ny tia sy ny manina), ny herim-po (Mpiasa tany), ny olombelona (Ny tanantsika ity), ny fitiavana (Firaisana mampanahy), ny fomba amam-panao (Rajakom-bazaha), ny tenindrazana (Ny Tenindrazako), ny zavaboahary (Amoron-dranomasina).

Ahafantarana azy ireny tononkalo diso hain'ny ankizy tsianjery any an-tsekoly ireny, ianarana any amin'ny ambaratonga ambany: CE1 ka hatramin'ny CM2.
—————————
Nanovozan-kevitra
* Boky
- Ranaivoson Dominique. 2004. "Dictionnaire historique de Madagascar", Antananarivo: Tsipika
- Andrianaly Rakotomahefa J. Odette M. J. L sy Rakotonirina Robinson Juliette Aimée. 2001. "Lovako T6". Antananarivo. Edisiona Ambozontany- Analamahitsy
- FFPM (Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara). 1987. "Fihirana", Antananarivo
- Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, 1975. "Tononkalo sy Lahatsoratra, Amboara 2, Boky 1", Antananarivo: Imprimerie Nationale.
- Rabemolaly Fanomezana, Ramiliarison Henri, Ravalitera Nalisoa Jean, Ravelomanana Hermann. 1973. "Fary Mamy, kilasy fahatelo", Antananarivo: Salohy, Trano Printy Loterana.
- Siméon Rajaona. 1962. "Takelaka Notsongaina I Tononkalo", Antananarivo: Imprimerie Nationale.
- Prosper Rajaobelina. 1958. "Lahatsoratra Voafantina", Antananarivo: Trano Printy Loterana.
 
* Tranonkala
http://jean-narivony.wifeo.com/ 
http://vetso.serasera.org/mpanoratra/jean-narivony
 
* Fanampiana ara-kevitra avy amin'ny zafikelin'i Jean Narivony
- Bodovoahirana Andriamasinoro
- Ndrema Andriamasinoro
- Harinaivo Randriamasinoro (Gothlieb)
- Naivotiana Ravalison Raboana

FISAORANA
Isaorana ireo rehetra nanome tanana ka nahatontosana an'ity "Fantaro i..." an'i Jean Narivony ity. Ankoatra ireo mpikambana mavitriky ny Pôetawebs dia singanina manokana ireo zafikelin'i Jean Narivony efatra izay notezain'ity andrarezin'ny poezia malagasy ity. Izy ireo mantsy dia vavolombelona ary nizara am-pitiavana sy namaly an'ireo fanontaniana tsy nahitam-baliny tao anatin'ireny tahirin-kevitra mety efa ho fantatry ny besinimaro ireny.

Toetra Ràja
————————————————
INY ANKARATRA INY

Iny Ankaratra iny mantsy,
Raha tazanina maraina,
Toa manaitra sy mihantsy
'Zany vetsovetson-tsaina.
Eny, mampamelovelo
Ka mamoha alahelo.

Iny Ankaratra iny lahy
Raha atrehina antoandro,
Mahavonto ny fanahy,
Sady mampihandrohandro;
Hanin-kavana tsy hita
No tsaroana te-hiampita.

Iny Ankaratra iny, roy,
Raha tsinjovina hariva,
Ranomaso te-hijoy
No manomotra, madiva,
Fa iarahana mijery,
Ka manohina ny fery.

Iny Ankaratra iny manko,
Raha malo-tsy misava,
Ka midona sy manako
Na mijojo eri-dava,
Misy zavatra tsaroana
Mahafenofeno foana.

O! ry ilay Ankaratra iny
'Zay fihaoana am-panahy,
Ny iriko sy iriny
Dia ny samy hahatsiahy.
Raha izany, matokia
Fa mitohy ny fitia!   

Jean Narivony
In "Kalokalo Tatsinanana", tak 35
————————————————
TAKARIVA

Tazanina iry vodilanitra mavo,
'Zay hany mba tratry ny maso voafetra.
Jerena ny lavitra manjavozavo,
Ka ory ny saina, ny vava mitsetra.

Manidina irony tsiriry mihoatra,
Mamela veloma ombieny ombieny;
Ny tany hodiany tsy fantatra loatra,
Kanefa ny saiko dia lasan'ireny!

Ny raho-madinika miara-misosa
Finaoky ny rivotra mamelovelo,
Manaitra ny fo ao anatiko kosa
Hamoaka ny sento fambara alahelo.

Ireo voronkely mamonjy fodiana
Dia samy mikalo ny hirany mamy;
Izahoko irery no be fahoriana,
Toa fendrofendroin'ity alina tamy.

Ny masoko revo mitazana ihany,
Manitsy ilay toerana mbola hodiako.
Iarivo malala tsy roa aman-tany,
'Lay tany fonenan'ny olona tiako!

Tandrifin'ireo foto-kazo maniry,
Ambanin'ilay raho-mena miloko,
Ankoatr'iry dongona iray makadiry
No misy ilay Jerosaleman'ny foko!

Iarivo nilaozana nefa tsaroana,
Ka dia mampanembona aty andakira,
No dia mampiloatra ny sentoko foana,
Dia sento mitambatra ho tonon-kira!

Jean Narivony
  ————————————————
ENDREY IZANY HAFALIANA

Raha ny marina dia ny tononkira no noforonin'i Jean Narivony araka ny hita ao amin'ny TIONA FFPM 545 izay sady hira fanevan'ny faha 150 taona nidiran'ny Filazantsara teto Madagasikara no hira fanevan'ny nitsanganan'ny FJKM tamin'ny 1968.

Ny alahady 18 Aogositra 1968 no niorina araka ny fanambaran'ny Synoda lehibe voalohany tao Manangareza Toamasina ny F.J.K.M. fa raha ara-panjakana dia ny hitsivolana 62-117 ny 1 oktobra 1962 no mifehy izany. Fotoana fahatsiarovana ny faha 150 taona nidiran'ny Misionera io fotoana io. Nanatrika tao ny solontenan'ny fitondram-panjakana. Tiana ny manamarika fa Fiangonana 3 no mivondrona ao anatin'ny F.J.K.M. dia:

- ny FFM (Fiangonana Frenjy eto Madagasikara)
- ny FPM (Fiangonana ara-Pilazantsara Malagasy)
- ny FKM (Fiangonan'i Kristy eto Madagasikara)

Nambara tao amin'ny Fiangonana Tranovato Toamasina ny faharavan'ireo Fiangonana 3 ireo ary niarahana nanambara kosa ny fijoroan'ny F.J.K.M.

Marihina fa nanatrika tao koa ny Pôety Jean Narivony. Mampiavaka an'ity hira faneva ity ny fivavahana ho an'ny fitambaran'ny fiangonana mba tsy hizarazara ka nohamafisina tao amin'ny andininy fahatelo manao hoe:

"Ny Fiangonanao angony,
Fanahy ô ho tena iray
Ka tsy hizarazara intsony
Fa ianao no mampiray.
Dia ho fanasina, fanilo,
Ho an'izao tontolo izao;
Hijoro, tsy handraraka ilo,
Hitafy toetra vaovao."

Herinandro taty aoriana, ny alahady 25 Aogositra 1968, dia nisy fanompoam-pivavahana lehibe teo amin'ny kianjan'ny Mahamasina Antananarivo. Nanatrika tao ny filoha Philibert Tsiranana. Teo ihany koa ireo masoivoho vahiny samihafa. Ny masoivoho Anglisy sy Amerikanina dia nanao kabary tamin'ny teny malagasy ary nahazo sitraka tamin'ny mpanatrika. Ny masoivoho Frantsay kosa dia nanao lahateny tamin'ny teny frantsay ary nisedra ny horakoraky ny vahoaka. Tamin'izay dia tsy nahazo taratasy fanekena fijoroana ara-panjakana ny F.J.K.M. Taty aoriana kely, tamin'ny fotoana naha minisitry ny atitany ny Kolonely Ratsimandrava indray vao azo izany.
————————————————
TEBITEBY
 
Voronkely anaty akany, taitran-javatra nandalo:
Toa hahazo fitahiana, toa ho sendra fahavalo,
Toa hiravo, toa hijaly : soa sy ratsy indray miheby.
Hoatr’izany re ny foko izay nidiran-tebiteby.

Miandry ny orana ho tamy, toa ho sandra ny andro maina
Ka mangetaheta fatratra ao an-tany karankaina.
Miandry ny andro maina kosa, toa ho orana mandriaka;
Manantena hafanana, toa ho sendra ny hatsiaka.

Eo am-piandrasana eo no ahitany fa indreny
Misy vorona "fambara",nefa samihafa teny;
Ka ny iray, milaza soa (dia ny fanirian-tontosa);
Nefa re ny faharoa dia manambara loza kosa.

Foko ilay mitady vonjy, zaza very miantso ray,
Ka mandre mirodorodo vao mitsangam-bolo indray.
Toy ny namana marary, miandry tenin-dokotera,
Ka ny tokiko mijoro no atahorako hianjera.

Eny, f’izy ihany koa ilay nahazo fiampangana,
Ka tsaraina, ary izao dia miandry didim-pitsarana,
Toy ny sambo saron-javona miezaka tsy miato:
Toa ho sendra fitodiana, toa ho tojo haram-bato.

Dia midobodobo-dava ao anaty tratrako ao,
Raha tsindriana mba hangina dia vao mainka koa manao;
Nony asaiko manatena, tsy mba mety-Asa lahy!
Fa mandroso tebiteby sy mitombo ahiahy!

Jean Narivony, 1927
In "Fary Mamy kilasy fahatelo", tak 74
————————————————
AMPAMOIZAMASO

Tsy mba afaka ao an-tsaiko ilay havoana,
'Lay fihoarana, 'lay tany fisentoana;
Eo no fara-fitsinjovana an'iarivo,
Eo ny dobon-dranomaso dia marivo.

Eo ny fo mitebitebin'alahelo,
Ny eritreritra mandeha mamelovelo;
Eo ny sento dia miloatra ka tsy tana
raha mitazana ny tany nialana.

Eny am-paravodilanitra eny, indro,
Toa havoana rakotr'ala mikirindro,
Elo rahona no eny mitatao,
Mahamalomaloka azy toy izao.

Mitampody indray ny lasa fa tsaroana,
Ka ny havana toa hita manoloana;
'Ndray miserana eo izany — toa ankaso
'Zay mitranga hampirotsa-dranomaso!

Vetivety dia atao ny fara-jery,
'Zay no fara-topimaso, hany hery;
Kanjo safotra izy mantsy ka mijoy,
Fa "hilaozana tokoa ilay tsy foy!"

O! ry vohitro malala, ry akany,
E! mamoy anao ny maso ka tomany,
fa ny foko raha sahirana handao,
Dia vao mainka koa mifatotra aminao.
 
Jean Narivony
In "Amboara voafantina", tak 143-144

  ————————————————
RAJAKOM-BAZAHA

Jereo ity Rajako fa hoe lasa ambony
Ka tsy mba miharo amin' ny namany intsony;
Niofo ka tonga Vazaha lehibe
Fa efa mandroso, na sivilize!
Nomem-pataloha sy satro-baonetra,
akanjo jaby na didy jaketra;
Ny salotra anatiny asiam-pehitenda
Sy kaolina henjana mila hahakenda.
Mahazo latabatra fisakafoana,
Mampidin-divay ho rano sotroina,
Mifoka sigara rehefa mba voky,
Mamela-gazety, manokatra boky,
Mivimbina tehina nony mamindra,
Manao solomaso ka fatratra indrindra.
Dia jenitra i Jako fa "tsara tarehy";
Ataony ho dera ny akora sy ny hehy!
Ny tompony izany dia mody mandoka
Kanefa ao anatiny dia manafoka!

Mba inona isika izay be fakan-tahaka,
Mangilatra ivelany toa voronkahaka?
Fiteny sy fomba nadika avokoa
Fa ny an' ny tena..."valalan'amboa!"
- Aleoko manandratra izay nentin-drazana
Na dia mavomavo sy vitsy mpitazana,
Toy izay kevokevoka maro mpizaha
Kanefa fosaina: Rajakom-bazaha!

Jean Narivony (1898-1980)
In "Tononkalo sy Lahatsoratra, Amboara 2, Boky 1", tak 7

————————————————
NY DIAKO
 
Ny tany ialako dia fahambaniana,
Tanin'ny sento fa be fahoriana;
Ao no manjaka ny fahadalana:
Hiainga mihitsy aho fa tsy tamana.
 
Ny lalana hombako dia lalana sarotra,
Nefa ekeko tsy misy adi-varotra;
Aoka santionany roa no hatranga:
Fo te-hiliba sy Toetra tsy manga.

Mora fantarina ireo fa mazàna,
Lala-mamiratra sy migodana
Ary ny vatsy ataoko am-babena,
Dia ny Fahaizana sy Fahendrena.

Be fahavalo ny lalako anefa,
Fantatro ihany fa ataoko milefa,
Isan'ireny fa tsy maintsy hiadiana:
Fahakamoana sy fahakiviana.

Aoka izay ho avy tsy hatao mampimalo,
Fomban'ny osa zareo ny mivalo;
Sabatra tsara no entiko miady:
Sabatry ny asa - Voatsoaka sahady.

Bala mifafy! Avela hifafy;
Maro mpialona, be koa ny rafy,
Manana ampinga aho ka tsy miraika:
Fahamarinana sahy mihaika.

Sao dia marary anie aho ka tsy tody?
- Tsia, fa voaomana ireo fanafody;
Ireo fahoriana sy izay fahantrana,
Samy voasitran'ny Fanantenana.

Roso mba ho aiza ny diako ary moa?
- Ho amin'ny toerana feno ny soa,
Toera-misandratra: Fahamboniana.
Be voninahitra tsy hotsinina.

Ao no hahitako ny Fahasambarana
Ho avy hitsena, hamoha varavarana;
Ho amin'ny lapan'ny fiadanana.
Ho any ny diako ka tsy azo sakanana.

Na ho tafita aho na tsy tafita,
Faly mihitsy rehefa mahita
Fa efa mihoatra ny toerana ambany,
"Maty mandroso", ho mamiko izany.

Jean Narivony
In "Lahatsoratra Voafantina", tak 4



Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
×