Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta
 

NY EFA NISINTSIKA - TONONKALON'I HOBIANA, NOFAKAFAKAIN'I RAVOROMBATO ONY LANTOARIMAMY

HOBIANA (Martsa 2005)

 

 

NY EFA NISINTSIKA

Efa nisy ange isika nifanena
Fa tsy nifankahalala e !
Efa nisy koa ny feo nangenahena
Namaly ny arahaba
Efa nisy izaho nitady anao
Saingy ianao tsy hita
Efa nisy isika nalaina ny hifandao
Niharitra hatsiaka
Efa nisy, eny, ianao mba tsy nandà
Nitantana ahy ka mamiko
Efa nisy ihany fantatra tsy nahy
Na ny aminao na ny amiko
Efa nisy izany izaho nihanahana
Hamboraka fitia
Efa nisy kosa ny molotro tsy tana
Dia niara-nakafy
Efa nisy hatreo nofy niampify
Nitsaitsaingoka ho vantony
Ny efa nisintsika, misy mbola hisy
Satria…..hainao ihany ny antony

HOBIANA (Martsa 2005)

  Ny tononkalo nosoratan’ny mpanoratra RAZANAJATOVO ANDRIANIMERINA Hobiana, manana ny solonanarana hoe HOBIANA, no ho fakafakaintsika eto anio. Mialoha ny handrosoana izany famakafakana izany anefa dia andeha hofantarintsika hoe iza ny mpanoratra? Ary inona avy no efa nataony?

Araka ny voalaza etsy ambony dia HOBIANA no anarana entiny rehefa hanoratra izy, teraka ny 22 febroary 1972, nandalina ny lalam-piofanana Simia tao amin’ny “Faculté des Sciences” Oniversiten’Antananarivo ny tenany ka nahazo ny diplaoma DEA, mpandraharaha sy mpitantana orinasa, efa nampianatra sy niandraikitra sekoly ary nitantana tetikasa tany Arivonimamo; nampiofana olon-dehibe sy nitantana ivon-toeram-piofanana tany Moramanga sy Toamasina.

Raha eo amin’ny asasoratra indray no jerena dia tsy Poeta fotsiny ny tenany fa mpanoratra sombintantara ihany koa, mpikambana mahefa ao amin’ny HAVATSA UPEM ary anisan’ny nanorina ny HAVATSA UPEM Sampana Arivonimamo. Nisalotra ny Filoham-boninahitry ity Sampana ity ny taona 2007 izy. Efa namoaka boky tamin’ny maha Poeta sy mpanoratra sombintantara ny tenany; efa nandalo teto amintsika fa tsara raha ampatsiahivina ihany fa efa maro ireo asasorany no nanaovana fikarohana ny taona 2005-2010-2012. Raha teo amin’ny sehatry ny fifaninana indray dia efa nahazo loka maro izy tamin’ny alalan’ireo asasorany izay maro tsy tanisaina.

Raha ny fiofanana narahiny indray, vao tsy ela farany teo, ny taona 2012, dia anisan’ireo nisolotena ireo Poeta tanora indrindra izy nanatrika ny Fihaonamben’ny Poeta tatsy amin’ny Nosy rahavavy “La Réunion Salazie” izay nokarakarain’ny Poeta mamaritra ny Oseana Indiana. Ny taona 2014 izy dia nahazo ny valisoa lehibe laharana fahatelo, fifaninana “Soratononina” izay nokarakarain’ny Akademia momba ny Teny.

Ny mampiavaka ity mpanoratra ity dia rehefa manoratra izy dia somary “kivalavala” izay avokoa ny asasorany ka nanomezany ny anarana hoe “Tononkalo miala sakana” moa tsy rehefa mamaky ny tononkalony tokoa isika dia mahita fa miala sakana tokoa izy ireo. Nefa dia maro ireo mankafy ny asasorany, tsy ny tanora ihany fa na ny lehibe aza. Izay no mahakasika ny mpanoratra, raha toa ka misy tsy feno dia iangaviako ianao hameno ka hanovona izany ho erany amin’ilay fankafizanao azy sy amin’ny alalan’ireo tononkalony tsy afaka ao am-bavanao ka vetsovetsoin’ny fonao matetika.

Raha izay ary no mahakasika ny mpanoratra dia andeha hojerena kosa ny tononkalo hofakafakaintsika eto anio, tononkalo mitondra ny lohateny hoe “NY EFA NISINTSIKA” nivoaka tamin’ny Martsa 2005, nalaina tao amin’ny Boky “Mbola hitohy” takila faha-21 navoakan’ny HAVATSA UPEM Sampana Arivonimamo ny taona 2008.

Ndeha ary hidirantsika ny tononkalo amin’ny ankapobeny. Vao mandray izany lohateny izany isika “Ny efa nisintsika” dia angamba samy hitamberina amin’ny fahiny ny saintsika ka hisento ary hanidy moramora ny masontsika ka hieritreritra sy hametra-panontaniana hoe: nanao ahoana tokoa moa ny efa “nisiko”? Nanao ahoana ny efa “nisinao”? Dia angamba samy manana ny ambarany raha mbola tsy mamaky ilay tononkalo akory ary rehefa raisintsika “Ny efa nisintsika” dia ho voavaly ilay fanontaniana teo aloha.

Ny tononkalo narindran’ny mpanoratra eto dia tsy toy ireny tononkalo mahazatra misy andininy voalohany na faharoa ireny fa tononkalo andininy iray ihany izay misy andalana roapolo, ary hain’ny mpanoratra tsara na izany aza ny nampiady ireo rima, izay rima mitsambikina AB, AB, ary dia toy izany hatramin’ny farany.

Raha izay ny firafitry ny tononkalo amin’ny ankapobeny, dia ndeha hodinihantsika kosa ny votoatin’izany tononkalo izay. Raha vakina maika ity tononkalo ity dia hilaza isika hoe: manenina ve ny mpanoratra tamin’ireo hetsika tsy efany nandritra ny fotoana nanoloana ilay olona tiany hotiaviny? Fanontaniana ihany izany, fa rehefa dinihina mateza ilay tononkalo “Ny efa nisintsika” dia tovolahy manimanina na tovovavy manimanina ilay fitia, ireo hetsika fahiny nanoloana ilay tiany hotiaviny tany am-boalohany, ary dia tsiaro ihany koa rehefa nihanoka ilay fitia teo anoloany izy ireo, ary dia mbola hihanoka ilay tena fitiavana satria ny namaranany azy dia ny hoe “Ny efa nisintsika, misy mbola hisy”… Raha ampiresahina ity tononkalo ity dia toy ny tovolahy iray manoloana ny olon-tiany izay mampahatsiaro azy ny efa nisy teo amin’izy roa mpifankatia, angamba efa mpivady mihitsy izy roa eto no mifampitafa te hamerina ilay fahiny izay toa angamba tsy ampy, mety ho nisy fahabangana, satria tao ny efa “nisy” “misy” ary mbola “hisy”, tsiaro toa tiany hohavaozina indray izany rehetra izany ary tiany hofenoina tanteraka.

Raha fintinina izany ny votoatin’ny tononkalo dia resaky ny mpifankatia manina ireo hetsika fahiny izay tian’izy ireo hohamafisina sy hankamamiana indray.
Raha toy izay ary ny votoatin’ny tononkalo “Ny efa nisintsika” dia ndeha handalovantsika kosa ny hakanton’izany tononkalo izany.

Endrey izany fampiasan’ny mpanoratra, teny tsotra nefa mahakanto tanteraka ny tononkalo, vao manomboka izy dia mampiasa ny hoe “Efa nisy”, io “efa nisy” io dia miverina intsivy (9) ao anatin’ity tononkalo ity, fa ny mpampiankina ampiarahiny aminy kosa dia miova isaky ny misy izay tiany ambara toy ny hoe: “Efa nisy ange”… ”Efa nisy koa”… ”Efa nisy izany”… “Efa nisy isika”… “Efa nisy, eny”… “Efa nisy ihany”… “Efa nisy kosa”… “Efa nisy hatreo”.

Ireny rehetra ireny dia anisan’ny mahakanto ny tononkalo avokoa. Ireo rehetra ireo dia hain’ny mpanoratra tanteraka niangaly sy nampilalao azy mba ho kanto araka ny ilany azy ary mba horaisin’ny mpankafy. Tsy vitan’ireo ihany fa mbola nampiany ilay teny izay somary mampitamby raha raisina amin’ny fiainana andavanandro: “Saingy”, eo amin’ny andalana fahadimy; “Satria” eny amin’ny andalana farany. Fa ny tena mahakanto ity tononkalo ity ary andrasantsika famakafakana dia ny fampiasan’ny mpanoratra tsy miolakolaka fa avy hatrany dia mivantana ireo fomba fanaon’ny mpifankatia raha vao mifampijerijery sy mifanena. Raha vao mifampitazana tokoa anie ny tia, mahita ilay tiany hotiaviny, na dia ilay mbola tsy mifankahalala iny ka mifanena, dia “feo nangenahena”, izany hoe feo miambakavaka, feo toa matahotra, feo toa miahotra, izany no azo ilazana azy eto. Raha tohizana ny famakafaka dia nifampitady teny izy roa kely “nitady anao, saingy ianao tsy hita”. Ary hitantsika nibaribary anaty soratra fa rehefa nifanena izy roa, samy nahita ilay tian’ny fony sy tian’ny fanahiny dia “nalaina ny hifandao”. Niaretana avokoa izay rehetra sedra, natao avokoa izay fomban’ny mpifankatia rehetra “nitantana ahy ka mamiko”…, “Efa nisy koso ny molotro tsy tana, dia niara-nankafy”…, “niampify” ireo santionany vitsy voahidy anaty farango sosona ireny dia anisan’ny namoahan’ny mpanoratra ilay hakanton’ny tononkalo nosoratany mba tsy ho sarotra takarina fa ho mora tsakoina.

Raha fintinina ny hakanton’ity tononkalo “Ny efa nisintsika” ity dia tena mateza roritina tahaka ny kitoza ampiarahina amin’ny vary aman’anana, voalohany amin’izany ny fampiasan’ny mpanoratra ilay teny tsotra mora dinihina, teny fampiasa andavanandro ihany koa.

Raha aravona ary izay voalaza rehetra mahakasika ity tononkalo naroso antsika ity dia, tononkalo tsotra nefa mahalaza hevitra maro izay nolalovantsika. Amin’ny ankapobeny dia kanto ny tononkalo noho ny fisian’ny rima ao anatiny, ny fampiasana ireo teny fandre andavanandro. Kanto ihany koa ny tononkalo noho ny fanehoana ireo hetsika fanaon’ny mpifankatia vao mifanena, efa nihanoka, efa mihanoka ary mbola hihanoka ihany koa. Tsotra dia tsotra ny tononkalo raha fehezina tanteraka, saingy hita taratra ny maha tononkalo azy fa tsy tsianjery fanao any am-pianarana sy any am-piangonana. Raha ho faranana ny famakafakana dia hoy aho hoe tena nasehon’ny mpanoratra tsara tato fa ny fiainan’ny mpifankatia dia tena fiainana mamy sarotra hadinoina fa voatahiry sy voarakitra an-tsaina sy am-po lalandava ary sarotra ny hanary izany.

RAVOROMBATO Ony Lantoarimamy
       

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021