Créer un site internet
Pôeta adala, tononkalon'i Ngaly, nohadihadian'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 aogositra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
sary nindramina Pôeta adala
Mpanoratra : Ngaly
Loharano : Ambioka, novambra 2001
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo

Ngaly
Tsikimilamina Rakotomavo
Tsy tena fantatry ny ankamaroan'ny olona ankehitriny ny fiaimpiainan'ny pôeta. Hany ka miparitaka etsy sy eroa ny filazana azy ireny ho adala. Miresaka izany indrindra i ao amin'ny tononkalony izay nampitondrainy ny lohateny hoe "pôeta adala" ary nalaina tao amin'ny gazety Ambioka ny novambra 2001. Niharihary tamin'izany fa manana ny maha izy azy eo anivon'ny haisoratra malagasy ny pôeta. Hamahavahana izany akaiky dia hodinihina mialoha ny famaritan'ny olona ny atao hoe pôeta. Hobanjinina aorian'izany ny andraikiny. Ezahina hadihadiana mifanesy etsy ambany ireo fizarana roa ireo.

Dieny ety am-piandohana dia andeha avohitra ireo famaritana samihafa ataon'ny olona amin'ny pôeta.
Voalohany indrindra dia hita fa manaratsy azy ireo ny mpiara-belona. Toa manambany sy manendrikendrika azy ireo ho tsy ampy saina mantsy ny sokajin'olona samihafa. Hoy indrindra ny andalana 1-4 :
"tsy nisalasala
Naneso ilay mpitsara
Nilaza fa adala hono
Ireo pôeta!"

Manaraka izany dia fantatra fa noho ny hakelezan-tsain'ireo manodidina no mahatonga azy hanaraby ny pôeta. Toa tsy ampy fiheverana loatra mikasika ny pôeta mantsy izy ireo hany ka miteniteny foana amin'ny alalan'ny fanaratsiana isan-karazany. Hamafisin'ny tononkalo izany manao hoe: "tsy takatry ny sainy".

Ankoatra izay voambara dia tsapa fa ny tsy fahafantaran'ny hafa na ny manodidina ny momba ny pôeta no mitarika ny fanaovana tsinontsinona azy ireny. Toa tsy hain'izy ireo angamba fa marani-tsaina ny pôeta izay heveriny fa mirediredy. Ka hoy indrindra ny lahatsoratra:
"Kanefa raha mba fantany
ny lalina efa takany!"

PÔETA ADALA

Tsy nisalasala
Naneso ilay mpitsara
Nilaza fa adala, hono
Ireo pôeta !
Kanefa raha mba fantany
Ny lalina efa takany!…
Dia angamba tsy nesoiny
Hoe: izao sy izao ireny
Tsy takatry ny sainy
Fa ny pôeta monja
Dia ampy hampanonja
Ny marindrano maty

Tsy tao an'eritreriny
Fa ny pôeta ihany
Dia ampy hampitomany
Ny fo mamatovato
Angamba koa tsy tsapany
Fa ny pôeta indrindra
No hery mampirindra
Ny fiainany mihotaka
Indrisy tsy mba fantany
Fa ny pôeta mihitsy
No vavahadin-tsiky
Mpanazava ny aliny
Ilay pôeta "adala"!
Kanefa hasambarany!

NGALY
Ambioka, novambra 2001
Maro tsy tambo isaina araka izany ireo famaritana ny pôeta ho toy ny tsy ampy fiheverana kanefa fijery ivelany ihany ireny.

Raha nojerena teo àry ny famaritan'ny olona ny atao hoe pôeta, andeha kosa hasongadina fa manana andraikitra izy ireny.

Anisan'ny sokajin'olona manana andraikitra goavana eo amin'ny tontolo manodidina azy ny pôeta.
Voalohany indrindra amin'izany ny fahaizany manova zavatra. Hain'ny pôeta ny maneho amin'ny fomba kanto izay toe-javatra tsy hain'ny saina aman'eritreritra takarina eo amin'ny fiainana. Hoy i Ngaly milaza izany :
"tsy takatry ny sainy
Fa ny pôeta monja
Dia ampy  hampanonja
Ny marindrano maty"

Manaraka izany dia hita fa manome fifaliana ny pôeta. Hainy ny mampihetsi-po ny hafa mba hisian'ny filaminana eo aminy. Havanana eo amin'ny fampialana voly sy sorisorin-tsaina izy noho izany. Hamafisin'ny tononkalo izany manao hoe :
"fa ny pôeta indrindra
no hery mampirindra
ny fiainany mihotaka"

Ary ny tena andraikitra goavana sahanin'ny pôeta dia ny fitarihan-dalana ataony amin'ireo manodidina azy. Asa sarobidy sy tsy manam-paharoa no iantsorohan'ny pôeta ary miezaka ny hisarika ny mpiara-belona aminy hatrany izy mba tsy hibirioka eo amin'ny fiainana. Hoy ny andalana 22-24 :
"fa ny pôeta mihitsy
No vavahadin-tsiky
Mpanazava ny aliny"

Ireo rehetra ireo no ahatsapana fa manana ny maha izy azy ny pôeta.

Raha aravona izay voalaza rehetra teo dia hita tokoa fa manana ny maha izy azy eo anivon'ny haisoratra malagasy ny pôeta. Tsikaritra tamin'izany fa maro ireo famaritana ataon'ny olona mikasika ny pôeta toy ny fanambaniana atao aminy. Eo anatrehan'izany dia manana andraikitra lehibe izy. Anisan'ireny ny fitarihan-dalana ataony. Raha ny tononkalon'i Ngaly no asian-teny dia hita tokoa fa kanto noho ny fampiasany tamberinteny amin'ny toerana tsy voafetra : "pôeta". Manasongadina hatrany ny pôeta amin'ny tontolo misy azy izany.
Mpandalina : Tsikimilamina Rakotomavo
Nandrintra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 23/08/2019