Sorapiainan'i Joseph Andrianaivoravelona, fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 nôvambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja

Fantaro i

Joseph ANDRIANAIVORAVELONA

(1877 - 1961)
Pôeta
Mpitandrina
Mpamoron-kira
Mpandika teny

— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo —

Hoy ny nambaran'i  Joseph  Andrianaivoravelona  izay voarakitra tao amin'ny fahatsiarovana tak 8 :

"Tsy mba toy ny lamba ny tenantsika olombelona, ka raha tenaina mihatonta ; fa toy ny lalana kosa ka raha diavina isan'andro vao mainka aza mihavao".

Ambentinteniny mandrakariva ny hoe :

"ataovy re izay hampanjaka ny fitiavana ao amin'ny olona tsirairay sy eo amin'ny Fiangonana e! Fa rehefa ny fitiavana no miasa, dia vita mora foana ny zavatra rehetra na dia izay atao sarotra sy manahirana aza".

Teraka ny 11 ôktôbra 1877 tamin'ny 7 ora sy sasany maraina tao atsinanan'Andohalo i Joseph Andrianaivoravelona ary nodimandry ny sabotsy 1 avrily 1961 tamin'ny 6 ora maraina tany Toamasina. Tao Ambohitromby no nanafenana azy. Zanak'i Josefa Andrianaivoravelona - Mpitandrina tao Anatirova, Ambonin'Ampamarinana - sy Nery Ravelonanahary zanak'Andriantsimangidy sy Rahasinina izay mpivavaka maintimolaly mafana fo izy. Enina ambin'ny folo mianadahy no zanak'izy mivady : 7 ny lahy ary 9 ny vavy. "Zanaka mahavelomaso anaran-dray soa" no nilazan-dRavelojaona azy. Maro amin'izy ireo no Mpitandrina toa an-drainy, isan'ireny i Josefa Raveloson, Josefa N. Rarinavalona, Joseph Rabetafika.

Toy izao manaraka izao ireo loharano nipoirany :
Andrianavalonatomponiloharano no razambeny, Razakandriantsilavo no raiben'ny rainy. Rabodonavalona no Reniben'ny rainy. Andrianavalona no raibeny ary Razafimalala kosa no Renibeny. Andriatseheno no anaran-drainy ary niova ho Josefa Andrianaivoravelona taty aoriana. Nery Ravelonanahary izay  zanak'Andriantsimangidy sy Rafotsy Ratoa no reniny.

Nampakatra an’i Mary Ramihamina ho vady i Joseph Andrianaivoravelona  ny 14 septambra  1899 ary ireto avy no naterany : Raveloarisoa Josephine, Dr Felix Andrianaivoravelona, Razanamihamina, Razafindranivo Rose, Ludwig Andrianaivoravelona, Razanadraketaka Josette.
Tsara  ihany ny mampahafantatra ny loharano nipoiran'i Mary Ramihamina vadiny. Teraka ny 2 marsa 1885 ary nodimandry ny 9 Marsa 1961 izy. Andriamihamina, 12 voninahitra, mpampianatra an-dRanavalona III tao amin'ny Girls Central school Ambodin'Andohalo, kômandy tany Ambatondrazaka no rainy, mpitoriteny sy raiamandrenim-piangonana tao Analakely. Raketaka, teraka ny 31 aogositra 1862, isan'ny nanorina ny Fikambanam-behivavy Kristiana Malagasy Mpifady Toaka (FVKMMT) niara-niasa tamin'ny Misonera LMS vavy maromaro ny reniny. Rafaralahimanahana kômandy tany Anindrantany no raibeny. Tompokovavy Rasoamiarana, kristiana maintimolaly no Renibeny.

Nampakarin'i  Joseph Andrianaivoravelona  ho vady i Mary Ramihamina ny 14 septambra  1899 ary ireto avy no naterany : Raveloarisoa Josephine, Dr Felix Andrianaivoravelona, Razanamihamina, Razafindranivo Rose, Ludwig Andrianaivoravelona, Razanadraketaka Josette.

Joseph Andrianaivoravelona  sy ny vadiny Mary Ramihamina

Joseph Andrianaivoravelona  sy ny ankohonany

JOSEPH ANDRIANAIVORAVELONA MANOVO
Tao Ambohijatovo Atsimo no nisantarany ny  fidirana an-tsekoly ary nampianarin-dRajafetra azy. Ity farany no Mpitandrina tao Isotry Fitiavana izay nodiasany taty aoriana.

Diakona  sy mpitoriteny tao amin'ny fiangonana Anatirova izy teo amin'ny faha 18 taonany (1895-1896). Na izany aza anefa dia mpampianatra sahady tao Ambohijatovo, F.F.M.A.  High school izy. Ny 1896 dia  nentin'ny mpitandrina vahiny Lauga nianatra tany Frantsa  ka nahazo ny mari-pahaizana "brevet élémentaire".

Nandranto fianarana tany ivelan'i Madagasikara izy. Tamin'ny taona 1896-1898 no nianarany tao amin'ny sekoly fampianarana Evanjelistra Felix Neff tao Montpellier. Niara-dalana tamin'izany ny sekoly fianarana zavakanto sy ny sekoly Ambony protestanta. Marihina fa nampianarin'i Isewell ny pôema sy ny fihirana anglisy izy.

Azo lazaina fa taizan'ny Anglisy i Joseph Andrianaivoravelona ary nifanerasera tamin-dry zareo Misionera Anglisy fony fahakeliny. Fa nanatombo kokoa izy teo amin'ny teny frantsay satria tany am-potony mihitsy no nandalinany izany.

JOSEPH ANDRIANAIVORAVELONA MISAHANA
Nony tafaverina avy tany Frantsa izy dia nampianatra tao amin'ny sekoly Benjamin Escande Ambositra MPF (1899- 1900). Noho ny fahaizany teny Frantsay no niantsoan'i Gaignaire azy hiara-hiasa aminy tao. Filohan'io sekoly io izy ny taona 1899-1901. Mpampianatra tao amin'ny sekoly ambony Ambatonakanga LMS izy ary nampianatra ireo mpitandrina tahaka azy  (1909-1918). Talen'ny sekoly izy  ny  1917-1918. Ny 1939- 1946 dia Talen'ny sekoly  fototra ambony Miara-mirindra Ambohimanarina. Namarana izany ny maha talen'ny sekolim-paritra Mahitsy, Isotry -Vangaina azy ny 1949-1953. Filohan'ny vaomieran-tsekoly  LMS ihany koa izy.

Teo amin'ny naha mpitandrina azy kosa dia naharitra 52 taona no nitondrany ny Fiangonana Isotry (1909-1961). Teo anivon'ny isan'enimbolan'Imerina dia filoha nitarika izany izy ny  1921-1922; maro ihany koa ny adidy vitany teo amin'ny isan-kerintaonan'ny LMS.

Teo anivon'ny fikambanana dia filoha lefitry ny Vokovoko manga Malagasy nandritra ny 25 taona (1936-1958); ho mari-panajana azy dia napetraka ho filoha lefitry ny Vokovoko Manga Malagasy izy ny 1958- 1961.

Mpandika teny tamin'ny vokovoko manga izy fony nitsidika an'i Madagasikara ireo Misionera vahiny H.Roser, Kretchzmar, Vizinand.
Isan'ny mpanitsy  ny fandikana Baiboly vita printy voalohany teto Antananarivo ny 21 Jona 1835 izy.
 
Mari-boninahitra azony
- 10 febroary 1923 : nahazo ny 9 voninahitra teo amin'ny literatiora
- 15 Desambra 1954 : "Officier de l'Académie" teo amin'ny fampianarana
- 10 Aogositra 1956 nahazo "Chevalier du Merite social" teo amin'ny Vokovoko Manga malagasy

JOSEPH ANDRIANAIVORAVELONA MIAVAKA

Ranjanana bikana sy manga feo i Joseph Andrianaivoravelona, hita teny aminy ny fahavaran-tena amin'ny fiakanjoana. Antony telo no  nahatonga an'i Josefa Andrianaivoravelona rainy hampandova  ny zanany ny anarany dia noho ny fitiavany azy manokana. Tsy tian-drainy hijanona ny lazan'ny fianakaviana fa hitohy hatrany. Tiany hampahafantarina amin'ny mpiray tanindrazana fa ilaina ny fameloma-maso ny anaran-dray satria voalaza fa ny anaran-tsy lo izany.




Joseph Andrianaivoravelona taratra amin'ny fahavarantenany Nanana  ny Mpaka sariny manokana izy : Raphaaël Royer avy any Nimes Frantsa

Tao amin'ny gazety Vaovao avy any Afrika ny 15 febroary 1919 no nahitana fa manana hevitra mafonja ny anarana hoe Andrianaivoravelona. Maneho ny mampiavaka azy izany.

- Tompokolahy izay teny ambony mari-panajana teo amin'ny Malagasy  ny Andria.
- Ny Ivo na naivo kosa dia  zazalahy na zazavavy izay izay mbola manana rahalahy na rahavavy zokiny sy zandriny.  Raha hazavaina bebe kokoa dia anivo na eo afovoan'ny mpiray tampo aminy.
- Ny Velona indray dia midika hoe miaina sy miriaria. Faniriana ho ela velona izany. Ny olona marary  tsy ampoizina ho velona intsony no omena anarana hoe Ravelona. Ankoatra ireo, ny olona ampiampy fivelomana na mitombo harena dia antsoina hoe velona na efa velona.

Araka ireo famaritana samihafa ireo dia anarana maneho fahamboniana, famirapiratana, fahavelomana ny Andrianaivoravelona.
Olona vonona amin'ny asa tsara rehetra ka niezaka nitady fahendrena araka ny voalazany ao amin'ny fihirana protestanta 472 "Iriko e ry Jeso!"

Niredaredam-pitiavana ny lehilahy ka noporofoiny tamin'ny fitiavana an'Andriamanitra, fitiavana ny Ray aman-dReny, fitiavan-tanindrazana ny fiainany. Porofon'izany ny nametrahany ny anaran'ny Fiangonana hoe  ISOTRY FITIAVANA izay mampiharihary ny fitiavany sy ny fifankatiavan'ny mpiara-mivavaka tao. Fiteniny mandrakariva ny hoe :

"ataovy re izay hampanjaka ny fitiavana ao amin'ny olona tsirairay sy eo amin'ny Fiangonana e! fa rehefa ny fitiavana no miasa, dia vita mora foana ny zavatra rehetra na dia izay atao sarotra sy manahirana aza".

Teo anivon'ny fiangonana Isotry Fitiavana dia niharihary ny fitiavany ny ankizy sy ny fitiavany ireo fiangonana 38 tafo zanak'Isotry Fitiavana, Distrikan'Isotry Vangaina.

Mpanompon'ny fireneny ihany koa izy, tso-po, be finoana, manam-panahy, miran-tava, vitsy teny nefa be asa asesiky ny fo. Koa izany no nanehoany ny hira malaza hoe : "aina no fetra"

JOSEPH ANDRIANAIVORAVELONA LIANA
Fony izy nipetraka  tany Ambositra dia nandre tantara maro avy amin'ireo zokiolona mikasika an'Ambondrombe izay voalaza ho  toerana fitobian'ny fanahy rehefa maty ny olona. Teo anatrehan'izany no naniriany hitsidika izany  saingy tsy nety tanteraka.

JOSEPH ANDRIANAIVORAVELONA MANORATRA

Ny 21 Mey 1914 dia nahazo loka voalohany tamin'ny fifaninanana tononkira i Joseph Andrianaivoravelona.


Ankafiziny manokana ny asa soratr'i Alphonse de Lamartine sy Victor Hugo. Tsy nahagaga raha nifototra teo amin'ny famoronana tononkira sy tononkalo izy ka nahazo ny loka voalohany momba ny fifaninanana nanoratra tononkira  nampanaovin'ny "Fiangonana sy sekoly".


Andrianaivoravelona  izay isehoan'ny tena anarany no tsikaritra matetika eo ambanin'ny asa sorany. Indraindray anefa  dia nisalotra solon'anarana hafa izy toy ny Andrianavalonatomponiloharano izay anaran'ny razambeny. Efa nisalorany koa ny J.A. sy ny sonia J.A.S de Narvel. Na miovaova aza ireny sonia ireny dia fantatry ny mpankafy azy hatrany ny fomba fanoratra.



18

Isan'ny hirany ao amin'ny fihirana Protestanta







1721

Isan'ny tononkalo voasorany
Voatahiry ao anatin'ny kahie lehibe 11 ankehitriny


Ankoatra ireo anefa dia maro ireo tsy voarakitra anaty amboara fa natolotra ireo sokajin'olona manokana tiany hiantefan'izany. Raha ampitahaina dia efa mihoatra lavitra ny isan'ny tononkiran'i Solomona izay 1005 izany. Tononkalo nosoratany farany ilay mitondra ny lohateny hoe "izy telo lahy".

Raha ny tantaran'ny literatiora no ambara dia voasokajy ho anisan'ny mpanoratra zokiny i Joseph Andrianaivoravelona. Manamarina izany ny fanajany ny fingadona amin'ny isan'ny vaninteny mandrafitra ny tononkalo noforoniny. Nandray anjara tamin'ny fampandrosoana ny literatiora malagasy i Joseph Andrianaivoravelona. Maro ireo lahatsoratra navoakany tamin'ny gazetim-piangonana, ireo lahateny feno aim-panahy izay nandona fo amam-panahin'olona maro. Nankafiziny fatratra ny mpanoratra romantika noho ny fifandraisan'ny asa sorany amin'ny fiantorahana amin'Andriamanitra.

Ny 30 jolay 1927 izy dia nanoratra pôezia momba ny Baiboly :

"Boky malaza tsy roa aman-tany
Tsy tontan'ny ela fa vaovao hatrany
Bokin'ny boky tokoa noho izany,
Tovozin-tsy ritra tsy mety ho lany
 
Anisan'ny mpanoratra nanapariaka  asa soratra tamin'ny gazety samihafa i Joseph Andrianaivoravelona. Ireto avy izany :
* Gazetin'ny Misiona sy ny fikambanana miankina amin'ny fivavahana : Teny Soa, Fiangonana sy Sekoly, Sakaizan'ny tanora, Mpamangy, Ranovelona, Vokovoko manga,
* Gazetim-bahoaka: Antananarivo, Fandrosoam-baovao, Grande Ile, Kintan'ny maraina, Fahasambarana, Ny Fanala.

Ankoatra ireo dia nisy Epistily Pastoraly izay naeliny ho an'ny zanaky ny fiangonana Isotry any am-pielezana sy eto an-toerana.
Fony izy tany an-dafy dia nanoratra tamin'ny gazety vahiny : toriteny, tantaran'i Josefa Andrianaivoravelona rainy ary hafatra fanaovam-beloma ho an'ireo fiangonana notsidihina no voarakitra tamin'izany. Fanampin'ireo dia nandray anjara ihany koa izy tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Sakaizan'ny Baiboly sy ny Diksionera amin'ny Baiboly.

JOSEPH ANDRINAIVORAVELONA SY NY FAMORONANA PÔEZIA
Ny pôezia nosoratany dia fihetseham-po teraky ny zava-misy sendra ny masony, toerana manan-tantara, toe-javatra manaitra sendra niseho toy ny fahafatesan'ireo olo-manga heveriny fa akaiky azy toa an’itompokolahy Rajaona avy any Antsirabe, Razafindrakoto Mpitandrina Soamanandrariny, J.F. Radley, ilay nantsoiny hoe Misionera vazaha malagasy. Tamin’ny kongresin’ny Vokovoko Manga dia namorona pôezia nanaitra ny maro ihany koa izy ary nahatonga azy hampiely trakta ho fanairana ireo voagadran’ny fahazaran-dratsy teo amin’ny fisotroana sy fimamoana. Isan’ireny ny "Abidian’ny Toaka vaovao"

"Diniho ny vokany mahasorena
Domboiny ny saina ka tonga jambena
Darofany koa ka malemy ny tena
Dia vy ny voina tsy laitra fefena"

Manaporofo ny fikaloana ny toerana manan-tantara ny nahavitany pôezia raha nandalo tany amin'ny farihy nampalaza an'Antsirabe dia i Tritriva izy. Hoy indrindra  ny nambarany :

 

"Tsy tsarotsaroana izay andro hariva
Rehefa mby eo anoloan'ny Tritriva
Ny saina misidina sady sondriana
Dia ampanofisin'ny zava-mangina
Ny akon'ny onja mahalam-pidona
Dia mbola hafatrafa-dRabe sy Ravola
Hoe : mahareta sakaiza fa mbola
Hitafa fitiavan-tsy manam-piofoana"

Eo ankavanana
Sora-tanan'i
Joseph Andrianaivoravelona, tononkalo nosoratana teo amin'ny faha 50 taonany

Ny fihetsehan-tsaina ihany koa dia azo heverina ho loharanon'ny famoronana ny tononkalo satria ambara eo avokoa izay vokatry ny fandinihana ny fiainan'ny olombelona. Hoy indrindra izy :
 
"Ny fiainana tsy tia fandrosoana
Dia haetrin'ny fahadontoana
Harafesina sy halotoana
No ho solon'ny faharavoana"


Fihetseham-panahy ihany koa ny pôezia amin'i Joseph Andrianaivoravelona ka hanakarana izay ambony indrindra tsy takatry ny hita maso. Hoy indrindra ny resaky ny fanahy amin'Andriamanitra :

"Ray ô tsy lahateny kanto
No tena vavaka aminao
Tsy feo amboarina hilanto
Fa vetsovetso anaty ao
Ny zavatry ny fo 'njany
Toa mifanotorahona
Mipololotra tsotra hatrany
Tsy misy fiomanana
Fanatitra tahaka izany
Ny vavaka izay sitrakao
Ny fo miboraka ihany
No feo tokana renao"

J.Andrianaivoravelona, Août 1909


Ireny fihetsehana samihafa ireny dia miako avy hatrany any amin'ny mpamaky. Porofon'izany ny fananan'ny sokajin'olona samihafa fanantenana eo am-pandrenesana ny hira 298 ao amin'ny fihirana FFPM "Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka" izay noforoniny.

Tsy mba Pôeta manenjika ady rima i Joseph Andrianaivoravelona fa manoratra pôezia manaitra ny fo, manazava ny saina, manondrotra ny fanahy.

Maro  ireo karazana asa soratra hafa noforoniny toy ny praozy izay soratra nalahatra mitohy tsy misy fiandalanana ary feno hevitra lalina tena pôetika ka mahaliana ny saina ny famakiana azy. Iray amin'izany ny hoe : "Ambony toetra sy mahalala fomba".
 
Mamorona tantara ihany koa izy ka nanehoany ny fahatsiarovana an-drainy, ny fiainana andavanandro. Santionany amin'izany ny hoe : "Andranoambo".

Nanoratra lahatsoratra Teôlôjika i Joseph Andrianaivoravelona izay nampahafantatra ny ventin-kevitra eo amin'ny finoana. "Azo inoana ve fa misy ny fahagagana?" no lahatsoratra manamarina izany.

JOSEPH ANDRIANAIVORAVELONA MANAMBARA
Ireto avy ireo tara-kevitry ny asa soratr'i J. Andrianaivoravelona :

Fivetsoana ny zava-boahary, fiderana an'Andriamanitra, fiventesana ny lasa, fikaloana ny hatsaran-tarehy, aloky ny fasana, fanabeazana. Feno anatra sy torohevitra izy ireny. Iray amin’ireny ny hafany mikasika ny Politika

"Ny politika dia tavany roa
 Lainga sy marina miaraka koa
 Eny anio, zary tsia rahampitso
 Nefa deraina f’izany tsy diso
    (…)
 Ny politika dia toy ny hareza
 Eny an-tanan’ny olona ngeza
 Mety handratra ny tompony aza
 Raha tompo fatra-panenjika laza !"

Anisan'ny nandray anjara tamin'ny fifaninanana namorona hiram-pirenena i Joseph Andrianaivoravelona. "Sambatra ny
Firenena" no lohatenin'izany. Tiana ny manamarika fa mbola voatahiry ny solfa miaraka amin'izany.




 
Sambatra ny firenena
Manana an'i Jehovah
Andriamanitra izay tena
Ray sy Tompo tsy miova
Sambatra ny olona
manana olom-boafidy
Tsy voavidy ho jambena
Fa manaja ny safidy
Sambatra ny firenena
Manana solofo soa
'zay mandala fahendrena
Ka misandratra tokoa
Ry Kristy mpiandry tsara !
Indro Madagasikara
Mba tahio ho tsara fara


"Sambatra ny Firenena", hira noforonin'i Joseph Andrianaivoravelona
nentina nifaninana tamin'ny hiram-pirenena

Olona tia mampahery sy mirary soa ny hafa hatrany i Joseph Andrianaivoravelona ka miavaka mihitsy ny fampitany hafatra. Hoy indrindra izy rehefa taombaovao
 
"Ny fo miarahaba fa tratry ny taona
Rariko ho feno fiadanan-tsy foana
Hangina, fa ho voafolaka tsara
Anie 'zany onja nisamboaravoara
Fitiavana rano madio sady mamy
Anie no hanafotra eto an-tany !
Ho hita mazàna anie ny andro tony
Fa ny ranomasina tsy hisy intsony !
 
Hafatry ny akaiky an’i Joseph Andrianaivoravelona :

Ravelojaona
"Zanaka mahavelo-maso anaran-dray soa... ny asan’itompokolahy Joseph Andrianaivoravelona sy ny fiainany manontolo anie hampirehitra ny afo-anaty ao am-pon’ny Malagasy tsirairay avy."

"Mila solika ny saina, mitady balisama ny fon’ny mpiara-belona, koa inoana, mihoatra noho ny tononkalo amanatonombetsovetso toy itony"

Dr P.Radaody Ralarosy 
"Tsiriry ahitra hipetraka ny asa aman-tsoratra navelan’itompokolahy Joseph Andrianaivoravelona zanany, rakitra mipetraka ho lovan’ny taranaka aoriana"

Felix Andrianaivoravelona
"ho tsaroana tsy tontan’ny ela
 ny asanareo izay navela
 hitatra sy hipariaka hatrany
 hamonto hatramin’ny faran’ny tany !"

Michel Raharison
"Ny mpanoratra dia manan-talenta manokana momba ny famoronana pôezia. Mahagaga ny nanaovany ny azy. Na ireo lava na ireo fohifohy dia samy misy hevitra ambony, lalina no misy fampianarana mahasoa sy sakafom-panahy"

Hita tamin'ny fampahafantarana teo fa pôeta nanana ny mampiavaka azy tokoa i Joseph Andrianaivoravelona. Tanteraka taminy mihitsy ny voambara hoe : "Mpanompo tsara sady mahatoky" ary "Na dia maty aza izy dia mbola miteny ihany noho ny asa, toetra, soratra napetrany".

LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA
- Felix Andrianaivoravelona, 1966, Fahatsiarovana an'Itompokolahy Joseph Andrianaivoravelona sy itompokovavy Ramihamina Mary. Tamatave, Imprimerie Tamatavienne
- F.F.P.M., 1987, Fihirana. Antananarivo, F.F.P.M. edisiona fahefatra.
- Joseph Andrianaivoravelona, 1950, Akon'ny fo. Antananarivo, Imprimerie Ny Antsiva Ambanidia
- Rasoanaivo Fils Edmond, 1997, Ny Romantisma tarafina ao amin'ny Akon'ny Fo. Asa soratr'i Joseph Andrianaivoravelona. Antananarivo, ENS
- Mpanolo-tsaina lah. 174, Ôktôbra 1945
- Teny Soa lah. 768, tak 194, Desambra 1934
- Teny Soa, tak 15, janvie 1928


KALON'I JOSEPH ANDRIANAIVORAVELONA
IRIKO E RY JESO

Iriko e ry Jeso !
Hitovy aminao
Izay tsy manan-keloka
Fa masina tokoa
Iriko e ry Jeso !
Ho tonga toa Anao
Namonjy sy nanafaka
Fanahy aina koa

Iriko ry Mpamonjy !
Mba ho sakaizanao
Hiaraka ory aminao
Ka tsy handao Anao
Iriko ry Mpamonjy !
Hanara-dia Anao
Ny hazofijaliana
Hoentiko izao

Iriko ry Mpandresy !
Hiaraka aminao
Ho eo an-toby lehibe
Ho miaramilanao
Iriko ry Mpandresy !
Hanaraka anao
Mitondra ny faneva ao
Handray ny herinao

Iriko ry Mpanjaka !
Ho ao an-dapanao
Hiara-paly aminao
Fa tonga zanakao
Iriko ry Mpanjaka !
Ho eo anilanao
Handray ny lova atolotrao
Mpanjaka be fitia !

Joseph Andrianaivoravelona
Fihirana FFPM 472
NY EO AKAIKINAO RY RAY

Ny eo akaikinao ry Ray
No mamiko izao
Hanjary tena tafaray
Ny foko sy ny Anao
Soa re, ry Raiko ô
Raha eo anilanao
Ny hazo fijaliana
Ho tonga maivana

Ny eo akaikinao ry Ray
No herin-janakao
Hianao irery no mahay
Manampy ahy izao
Soa re, ry Raiko ô
Raha eo anilanao
Ny ota tsy hanapaka
Ny olona afaka

Ny eo akaikinao ry Ray
No mandako tokoa
Ny ratsy dia tsy hahay
Handrombaka ahy koa
Soa re, ry Raiko ô
Raha eo anilanao
Ny ora izay manjombona
Ho fiadanana

Ny eo akaikinao ry Ray
No fifaliako izao
Ny tanako dia hifandray
Amin’ny tananao
Soa re ry Raiko ô
Raha eo anilanao
Fenoinao fanambinana
Ilay kapoakako

Joseph Andrianaivoravelona
Fihirana FFPM 476

AINA NO FETRA RY TOMPO MPANJAKA

Aina no fetra ry Tompo Mpanjaka
Aina no fetra anarahana anao
Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka
Ny fanompoana tsy maintsy atao
Indreto izahay, hilanja faneva
Ilay hazo izay nanavotana anay
An-tsitrapo no anoloranay tena
Ka tano mba ho Anao izahay.

Aina no fetra ho enti-manoa
Ilay zanak’ondry nisolo anay
Fandavan-tena sy fanaovan-tsoa
No fianarana atolotra anay.

Aina no fetra ry Tompo malala
Aina no fetran’ny fitiavanay
Ka sanatria izay handao na hiala
Mandrakariva, ho Anao izahay.

Aina no fetra ny nofo anefa
Mora mirona ho lavo indray
Ka manampia, ry Mpandresy mahefa
O ! mba tantano hazony izahay.

Aina no fetra ka ampio ry Fanahy
Aina no fetra, vonjeo e ry Ray
Aina no fetra, izahay re no sahy
Aina no fetra, handresy izahay.

Joseph Andrianaivoravelona
Fihirana FFPM 298

_______________________
SITRAKA
Isaorana manokana Andrianaivoravelona  Razakandriatsilavo, Mpahaitantara tamin'ny fanampim-panazavana samihafa.

Fandalinana sy sary : Tsiky Rakotomavo
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 23/05/2020