Créer un site internet
Tononkalo, tononkalon'i Toetra Ràja, nohadihadian'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
sary nindramina
TONONKALO
Mpanoratra : Toetra Ràja
Loharano : Tiako tiako foana!, tak. 12
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo
Toetra Ràja Tsikimilamina Rakotomavo
TONONKALO

Tiako hohiraina
avokoa
izay miaina
sy mamoa,
ny androntsika
eto an-tany,
ny hatsiaka
androany,
ireo malaza
an-gazety,
vazavaza
sy ny fety,
fo maloton-
jiolahy,
rotoroto
mampanahy.

Ny mariazy
a-sabotsy?
… Vazivazy
fa etsy Anosy
ny tantara
indraindray
no miafara
... Adray!

Tantaraiko
anao ireny;
antenaiko
fa tsy teny
re mandalo
mampanoaka,
fa ho kalo
mahafaoka
izay misy
rehetra rehetra.

Nefa indrisy
voafetra
re ny saiko
hamolavola,
ny tsy haiko
mahatola!

Tsy hifezaka
aho rey olona,
ary hiezaka
hitolona,
hanambara
teny soa,
rima tsara
amin'ny fo,
andinin-teny
maty paika
fa tsy ireny
maikamaika,
zava-kanton'
ireo fara:
tsangambaton'
ny tantara.

Fa pôeta
no miteny,
ny talenta
mbola ireny
tsy mba maty,
tsy miala
any anaty
tranonkala.

Toetra Ràja
19 jolay 2004

Anisan'ny singa tsy afa-misaraka eo amin'ny sehatry ny haisoratra malagasy ny tononkalo sy ny Pôeta izay mamorona azy. Mifamatotra hatrany ary mifanjohy eo amin'ny fanabeazam-boho ny teny malagasy izy ireo. Miresaka momba izany indrindra ny "TONONKALO" nosoratan'i Toetra Ràja tao amin'ny boky "TIAKO-TIAKO FOANA!", tak 12. Hamafisiny fa manana anjara toerana eo amin'ny sehatry ny literatiora ny tononkalo sy ny Pôeta. Hamahavahana izany akaiky dia asongadina mialoha  ireo tranga samihafa ahariharin'ny tononkalo. Avohitra manaraka izany kosa ny fanamby apetraky ny Pôeta mba hanomezan-kasina ny haisoratra malagasy. Ezahina hoandalanina ireo voalaza teo ireo.

Maro tsy tambo isaina ireo tranga lalovan'ny mpiara-belona ahariharin'ny tononkalon'ireny Pôeta ireny. Tarihin'ny mpanoratra amin'ny fehezanteny tokana ny mpamaky mialoha ny hamakiana ny tononkalo. Eo anatrehan'izany no hisarihana ny sain'izy ireo fa mifamahofaho an-tsoratra avokoa na ny toe-javatra iainan'ny isambatan'olona na ny fihantraikan'ny asa ataony  eo amin'ny tontolo misy azy. Hoy indrindra ny voalaza ao amin'ny andalana 1-4 :

"Tiako hohiraina
avokoa
izay miaina
sy mamoa" 

Voarakitra an-tononkalo ny zava-misy eo amin'ny andavanandron'ny mpiara-belona araka ny sokajin-taonany sy ny fari-piainany izay ahitana taratra ireo fihetseham-po samihafa toy ny toloko sy sento. Tsikaritra ireo fitondran-tena mila hivoaka ny valan'ny fiarahamonina izay mampikorontana sy tsy mampandry fahalemana ny tontolo. Izany no ambaran'ny tononkalo amin'ny hoe:

...
"fo maloton-

jiolahy,
rotoroto
mampanahy."

Mateti-pitranga amin'izao vanimpotoana izao ny tsy fahombiazana vokatry ny fiaraha-miaina ao anatin'ny fihatsaram-belatsihy. Eo amin'ny  tontolon'ny fitiavana ohatra dia tsy tena mifanojo amin'ny tena anjarany ny ankamaroan'ny miaina ao anatin'izany, hany ka maro an'isa ireo misara-toerana sy tsy miombom-po akory. Manamarina izany ny voalaza manao hoe:

...
"fa etsy Anosy

ny tantara
indraindray
no miafara
... Adray!"

Hita araka izany fa toy ny sary velona eo amin'ny fiarahamonina izay ambaran'ny tononkalo. Na izany aza anefa dia misy ny adidy tsy tokony hotsinontsinoavina miandry ny Pôeta.

Azo heverina fa fanamby apetraky ny Pôeta eo anoloan'ny mpamaky ny fanehoana ny zava-misy marina amin'ny mpanjifa ny asa soratra. Ezaka lehibe tsy azo hamaivanina ny filazana tsy am-pisalasalana ny mety sy ny tsy mety eo anivon'ny firahamonina. Ny fahasahiana maneho izany no fomba hanitsiana izay lesoka eo amin'ny sehatra rehetra. Manaporofo izany ny voalaza:

...
"antenaiko

fa tsy teny
re mandalo
mampanoaka
fa ho kalo
mahafaoka
izay misy
rehetra rehetra" 

Ankoatra izay voambara dia tsy azo odian-tsy hita ny fikatsahan'ny Pôeta ny fomba fanoratra mendrika mba hampaharitra ny famoronany eo anoloan'ny mpikira ny tononkalo. Miankina indrindra amin'ny hatsaran'ny teny voafantin'ny mpanoratra no mahalavorary ny kantony. Manamafy izany ny hoe:
...
"ary hiezaka

hitolona
hanambara
teny soa
rima tsara" 

Ilaina araka izany ny fandanjalanjana izay voambolana ampiasaina eo am-pamoronana tononkalo.

Mahadiso hevitra ny mpamorona sasany ny fahafantarana fa ny aingam-panahy ihany no fototry ny fanaovana ny zavakanto. Tsy ampy hahatonga fatra ny kalo anefa izany raha tsy misy ny fandalinana sy fifotorana amin'izay nataon'ny teo aloha. Koa raha tiana hipariaka sy hateza eo anoloan'ny mason'ny sokajin'olona rehetra  ny tononkalo dia zava-dehibe  ny fampiarahan-dalana ny talenta amin'ny aingam-panahy izay mifaka amin'ny fandinihana izay mety ho vokany tsara eo amin'ny mpiara-belona. Hoy indrindra ny andininy farany amin'ny tononkalo :

...
"fa pôeta

no miteny
ny talenta
mbola ireny
tsy mba maty
tsy miala
any anaty
tranonkala"

Raha  aravona izay rehetra nambara teo dia tsapa fa manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny haisoratra ny tononkalo sy ny Pôeta. Hita taratra tamin'izany fa misongadina anaty asa soratra avokoa ireo toe-javatra hita sy re eny anivon'ny fiarahamonina. Mba hampaharitra ny fomba fanehoana izany anefa dia tokony hahay handanjalanja ireo teny tokony hateza eo anolon'ny mason'ny mpamaky ny Pôeta. Raha ny tononkalon'i Toetra Ràja kosa no asian-teny dia hita tokoa fa kanto noho ny fampiasany ny teny fohy isan'andalana izay mandrafitra ny tononkalo ho 64 andalana. Miovaova araka izany ny isan'andalana mamaritra ny andininy tsirairay. Tsikaritra ihany koa ny fampiasan'ity Pôeta ity ny mari-piatoana maneho fihetseham-po izay ahatarafana fiontanana eo am-pamakiana mivantana izany.

Tiana ny manamarika fa ireo tononkalo ao anatin'ny boky "Tiako - tiako foana!" dia ialohavan'ny tari-dalana sy tohizan'ny teteza-mita hiampitana amin'ny hevitra hafa tiany hozaraina amin'ny mpamaky.

Antenaina ny hitohizan'ny famoronana tahaka izao hampiroborobo ny literatiora malagasy.


Mpandalina : Tsikimilamina Rakotomavo

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 29/09/2019