Tandremo, tononkalon-dRafanoharana nohadihadian'i Faniry Ezeckiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 septambra 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
sary nindramina TANDREMO NY ATAO

Mpanoratra :
Rafanoharana
Loharano : Fandrosoam-baovao, 1932
Nanadihady : Faniry Ezeckiel


Rafanoharana
Faniry Ezeckiel

Ilazana ny fiverenan'ny natao ny tody, raha tsara ny natao  dia ny soa no hanarangarana fa raha ny mifanohitra amin’izay kosa dia hijinja ny atambo. Miresaka momba izany indrindra ity tononkalo iray nosoratan-dRafanoharana ity, nalaina tao amin’ny gazety “Fandrosoam-baovao” ny taona 1932, mitondra ny lohateny hoe : “Tandremo ny atao”. Misongadina indrindra ao ny finoan’ny Malagasy ny tody. Hovoaboasana ny tononkalo ka eny am-piandohana dia hovelabelarina fa maivan-danja amin’ny olona sasany ny tody, avy eo dia haseho fa mbola misy  ireo olona manome lanja ny tody ary farany dia hohazavaina ireo endrika isehoan’ny tody.

*
*  *

Maivan-danja amin’ireo olona sasany ny tody. Tsy manisy hajany ny hafa intsony ireo nasondrotry ny vintana. Porofoin-dRafanoharana eny am-panombohana ny asa sorany indrindra izany manao hoe:

“Mahita anay lavi-kavana,
 Ka miady mena-masoandro,
 Mahita anay sarak-olona,
 Ka manati-kabary vao maraina”.

Mazava ny tiany hambara eto fa manao filana ady fotsiny an’ireo tsy manan-kianteherana ireo manan-katao, manao tsinontsinona ny hafa sy mila kisa andro aman’alina. Araka izany, manararaotra ny fahavoazan’ireo vahiny sary monina  tsy manan-kianteherana ny mpiara-belona sasany.


Tsy vitan’izay fa mbola mamono hasina an’ireo madinika ihany koa ireo olona manandran-tena ireo.  Hoy indrindra ny tohin’ny tononkalo eto:

TANDREMO NY ATAO !

Mahita anay lavi-kavana
Ka miady mena masoandro
Mahita anay sarak-olona
Ka manati-kabary vao maraina
Mahita anay votsa vava
Ka mitoha ady fahavaratra
Mahita anay vitsy teny
Ka mihehy vory vahoaka!

Izahay no tsy mamaly anefa ry lahy,
Mahatsiahy ny ela niraisana
Izahay no tsy manohitra zareo
Mahatsiaro ny valala nifanapahana
Fa vero taingenam-pody izahay
Tsy folaka fa mandefitra
Tsimbotry voasambo-jaza
Ka manaraka ambokony tsy fidiny !

Koa lazao an-dRabekabary
Ambarao an-dRalavavava
Ny sotro no tsy tapahina hoe
Ny vary no tsy azo haronina
Ny lovia no tsy vakiana hoe
Ny kibo anie ka tsy mba lamosina
Ny kianja no tsy Asian-dratsy
Ny lalao mbola ho ela
Ny loharano no tsy lotoina
Ny hetaheta raha maina andro!

Fa na tsy misy aza ny tody
Ny atao tsy maintsy miverina
Andriamanitra tsy andrinareo, andrinay ihany!

RAFANOHARANA
(Fandrosoam-baovao, 1932)

“Mahita anay votsa vava
 ka mitoha ady fahavaratra,
 Mahita anay vitsy teny
 ka mihehy vory vahoaka”

Iararaha-mahalala fa vaninandro mafy ho an’ny Malagasy izany fahavaratra izany kanefa mbola manao tsindrio fa lavo amin’ireo sahirana ireo  mahitahita ary tsy izay ihany fa manala baraka sy mifosa  ihany koa amin’ny hafa. Tsapa tokoa eto fa manararaotra  ny kileman’ny hafa ireo tsy mataho-tody.

Niaraha-namantatra teo fa  manao tsinontsinona ny hafa ireo zatra mpanao ny kely tsy mba mamindro kanefa ‘ndeha hojerena manaraka eto fa misy ihany koa ny olona manana toetra mifanipaka amin’izany.

*

Tsy manana toetra tia mamaly faty ireo mino ny fiverenan’ny natao. Hoy indrindra ity sora-kanto ity eo am-panombohan’ny andininy faharoa:

“Izahay no tsy mamaly anefa ry lahy,
 Mahatsiahy ny ela niraisana,
 Izahay no tsy manohitra zareo
 mahatsiaro ny valala nifanapahana”.

Taratra eo amin’ireo andalana efatra ireo fa  na nampizakaina ny tsy eran’ny aina aza ireo olon-kendry sasany dia manana toe-tsaina madio  tsy mamaly ratsy ny ratsy natao taminy. Mandala hatrany ny fihavanana  tokoa ireo valalatsimandadiharona voaresaka ireo.

Tsy vitan’izany fa be fandeferana  ireo iharan’ny tsindry hazo lena. Mipetrapetraka tsara aoka izany ny sarin-teny omban’ny hainteny ampiasain’ny mpanoratra enti-manamafy izany hevitra izany :

“Fa very notaingenam-pody izahay,
 Tsy folaka fa mandefitra,
 Tsimbotry voasambo-jaza,
 Ka manaraka ambokony tsy fidiny!”

Abaribarin’ny tononkalo eto ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo nahazo toerana kely amin’ny madinika kanefa na eo aza izany dia manaiky ny hietry tena izy ireo manoloana ny taingim-bozona atao aminy. Izany no manaporofo fa manome lanja ny maha olona hatrany ireo mino ny tody ka mijoro ho olo-mendrika.

Miantehitra amin’Andriamanitra ireo mizaka ny ataon’ny tsy mataho-tody. “Andriamanitra tsy andrinareo, andrinay ihany!” hoy Rafanoharana mamarana ny soratanany amin’ny tsoraka, mariky ny fiotanam-pon’ireo mafy ady. Hita tokoa eto fa manam-pinoana ireo Malagasy nandala ny fananam-panahy sy fatahorana ny tody ka niankim-po tamin’ilay nahary na mafy taminy aza ny  zioga natambesatr’ireo manao an’Andriamanitra ho tsy misy. Araka izany dia niantoraka tanteraka tamin’ny Tompony  ireo Malagasy madinika ireo.

Fantatra indray teto fa mbola misy ireo olona manam-panahy nanome lanja ny finoana ny tody ka tsy folaky ny hakiviana nanoloana ireo maty eritreritra. Fa mba ahoana kosa ary ny endrika isehoan’izany tody ninoan’ny sarababen’ny Malagasy izany?

*

Mety hivaly vetivety amin’ireo manao ny tsy rariny ny tody. Hoy indrindra mantsy ny pôeta eto hoe:

“Ny sotro no tsy tapahina hoe,
 Ny vary no tsy azo haronina,
 Ny lovia no tsy vakiana hoe,
 Ny kibo anie ka tsy lamosina”.

Fanoharana fotsiny ihany no anehoan’ny asa soratra azy eto. Ny lovia aman-tsotro tokoa mantsy miasa isan’andro  ary intelo mihitsy aza raha kely indrindra teo amin’ny Malagasy, izany hoe ilaina matetika ka raha manimba azy dia vetivety ihany dia mihatra ny vokany ary miafara amin’ny mosary, dia toy izany koa, mety hiverina vetivety amin’ny nanao azy ny nataony. Mandrora mitsilany ihany izany  ireo minia misompatra sy mampanjaka ny tsy rariny  amin’ny fiarahamonina.

Mety ho ela ihany koa anefa vao tonga ny todin’ny natao. Arantin’ity sanganasa ity eto mihitsy izany izay milaza fa:

”Ny kianja no tsy asian-dratsy,
 Ny lalao mbola  ela,
 Ny loharano no tsy lotoina,
 Ny hetaheta raha maina andro!”

Mazava ny hafatra ampitain’ny tononkalo fa fitsinjovana ny hoavy no antony tsy hisotasotana ireo nahitana soa, izany hoe ilaina ny mitsinjo ny ampitso fa tsy miantehitra fotsiny amin'ny ankehitriny. Finoana tokoa izany fa mety any afara mihitsy vao mijinja ny nafafy ny tsirairay ary raha tsy aminy aza dia mbola eo ny taranaka hiantefan’izany.

Fehezin’ny mpanoratra amin’ny andalana roa  eto ny tiany holazaina:

"Na tsy misy aza ny tody,
 Ny atao tsy maintsy miverina“

Manamafy izany fa na ho haingana na ho ela dia mbola hilanja ny valin’asany ny tsirairay.

*
*  *

Eto am-pamaranana dia fantatra tokoa fa misy amin’ireo nasondrotry ny vintana no manamaivana ny lanjan’ny tody ka manararaotra ny fahalemen’ny hafa. Na eo aza anefa izany dia mbola maro amin’ireo Malagasy  no mino ny fisian’ny tody ka  mitandrina hatrany amin’izay rehetra ataony ary manaja ny mpiara-belona aminy. Ny tody moa dia tsy maintsy mivaly foana na vetivety na mbola ho ela ka izany no itandreman’ny maro fatratra ny ataony. Ilaina tokoa ny famohazana indray ny tononkalo tahaka itony amin’izao vanim-potoana hahatarafana ny fitiavan-tena diso tafahoatra eo amin’ny tany ama-monina izao ka isehoan’ny herisetra maro isan-karazany. Mety hamerina indray ny fifampitsimbinana eo amin’ny samy Malagasy ve ny fampidirana anaty fanabeazana fototra ny finoana indray ny tody izay arahina fampiharana fa tsy an-tsoratra fotsiny ihany ?

FANIRY EZECKIEL


Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 26/09/2020