Créer un site internet

Sambatra ny firenena

Fandalinana 09/10/2023

Sambatra ny firenena

Joseph Andrianaivoravelona
Samy mihazakazaka te hibata fandresena ho filoham-pirenena ireo milaza tena fa vonona hampandroso haingana an’i Madagasikara. Milaza ny hafa fa itoeran-karena ny nosintsika; miventy ny sasany fa maro olo-manga afaka hampisongadina an’i Madagasikara amin’ny sehatra maneran-tany ity firenena ity. Moa ve tsy efa sambatra ny Malagasy raha ireo no tsara tantana?

Miantefa indrindra amin’ny mpitondra fanjakana ity asasoratr’i Joseph Andrianaivoravelona ity izay nosoratany ny 24-10-1958 ary mitondra ny lohateny hoe : "Sambatra ny firenena" ity. Anisan’ny kalo nifaninana ho tononkiram-pirenena izany ary manambara faniriana lalina tiana hanjaka sy hitoetra eto amin’ny firenena. Ireo vinam-pampandrosoana tokony hampiharin’ny mpitondra sy ny vokatra aterak’izany eto amin’ny firenena no fototra ifaharan’ny hafatra ampitainy amin’izany.

Raha vao fampandrosoana ny firenena no ambara dia tsy azo hamaivanina ireo vina samihafa entina hampivoarana ny fiainam-piarahamonina. Manana andraikitra goavana amin’ny fampanjariana izany ny mpitondra izay tompon-kevitra amin’ny famolavolana fandaharanasa ho fanatsarana ny fari-piainan’ny mpiray tanindrazana. Ny fiorenana amin’ny toe-tsaina mijoro amin’ny mangarahara izay manda ny tsolotra, ny totohondry vola, ny kejokejo no manamarika izany.

Hoy indrindra i Joseph Andrianaivoravelona:


“Ho mpitondra tsy mba jamban-kolikoly na voavidy
 Mahatoky sady marina, mampiasa ny safidy”

Ny fandalana ny fahamarinana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana no manefy ny rehetra isan’ambaratonga tsy hibirioka amin’ny tandrevaka samihafa izay mamarina ny toe-tsaina. Manamafy ny fanarahan-dalàna ny fifikirana amin’ny rariny itompoana. Koa izay mivily amin’izany no menatra eo anatrehan’ny tany ama-monina.

Toe-tsaina efa nolalain’ny mpialoha lalana hatrizay ny fandalana ny marina, koa misy akony tsara ny fiainana izany.

Maro tokoa ireo fiantraika tsara ateraky ny fanaovana ny marina. Ny mpitondra eto anivon’ny firenena no tokony ho fitaratra tsy mandainga amin’ny fampiharana izany. Koa rehefa miezaka manasongadina ny fomba fisaina feno fahitsiana ny mpitarika dia azo antoka ny fitonian’ny fiarahamonina. Tsy misy ny fitanilana, mandao ny rehetra ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola ary manjaka ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-belona.

Hamafisin’ny voalaza izany amin’ny hoe :

"Hampanjaka ny fandriam-pahaleman-tsarobidy"

Miankina tanteraka amin’ny tari-dalana feno fahendrena avy amin’ny mpitondra araka izany ny fandaminana ny tontolo iaraha-mivelona.

Raha tiana hiaina sy hianoka ny fiadanan-tsaina ny mpiara-belona eto amin’ny firenena dia zava-dehibe ny fandalana ny marina. Tsy kobaka am-bava na volana hatenda fotsiny no ambara fa tena iainana eo anivon’ny rafitra rehetra misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny fametrahana ny didy aman-dalàna sy ny fampiharana izany dia mahomby raha toa ka mipaka amin’ny sokajin’olona tsy fidian-tsy avahana. Koa manaitra ny rehetra, indrindra ireo mieritreritra ny hitondra firenena ny tononkalo mba hampanjaka ny marina, ny rariny ahafahana manao ny hitsiny.

Date de dernière mise à jour : 09/10/2023