Créer un site internet

Tsaroako

Rado

Tsaroako

________________________________

Fandalinan'i Felana Radoniaina - 01/10/2023

 

Isan'ireo nanandratra avo ny literatiora malagasy i Rado na Georges Andriamanantena. Amin'ity fandalinana ny tononkalo izay nosoratany nampitondrainy ny lohateny hoe Tsaroako ity, dia hiezaka hamantatra ny halalin'ny fifandraisan'olon-droa isika. Ho hitantsika aloha ny endriny manoloana ny fisarahana noho ny elanelan-toerana. Ahoana kosa ny fisehony raha mifanakaiky izy ireo? Hofantarintsika ato koa ny namoahan'ireo mpanakanto an'ilay tononkalo ho lasa hira. Andao hiara-hamakivaky ny onjan-tononkalon'i Rado isika.

Sara-tiana


Raha ny andininy voalohany sy faharoa amin‘ity tononkalo Tsaroako ity no dinihintsika dia manasongadina ny fihetseham-po tsapa rehefa sara-tiana.

"Tsaroako toa manonja
 Raha tsy mahita anao
 'Ty androko misaona

 Ny iray minitra monja
 Tsy eo anilanao
 Dia toy ny zato taona"

Manonja hoy i Rado 'ty androko misaona. Mahery ny fitopan'ny onja, mafy loatra izany ka sarin-teny toy izany no nanehoan'i Rado ny vokatry ny tsy fahitana ilay olon-tiana.
Mariho ange ilay fampiasany voambolana mampitombo toy ny hoe "iray minitra monja"... "toy ny zato taona" e! Kanto ery ny fomba nilazany ny hasarobidin'ilay hoe  tsiaro na hanina eo amin’ny tia sy tiana rehefa sara-tiana.

Fahatsiarovana lalina re izany! Zovy no tsy hahatsiaro an’ilay olon-tiany amin‘ny fotoana izay maha-irery azy?

Anilan'ny tiana


Eo amin’ny andininy fahatelo indray i Rado dia mampiseho izay tsapa rehefa anilan'ilay olon-tiana.

"Ny alina ao am-ponja
 Raha eo anilanao
 Manjary lohataona"

  Iza moa no tia fonja? Kanefa jereo ange fa na ny alina any am-ponja maizina dia maizina aza manjary lohataona hoy Rado rehefa eo anilan'ny tiana. Tsapa avy amin'izany "fanitarana" na "filazana masaka" izany ny hasarobidin'ny fiarahana amin‘ny tiana ao anatin'ny sarotra. Afaka mifanampy sy mifanohana izy ireo amin‘ny fotoana toy izany.

Kanto


Nakan'i Naly Rakotofiringa ampahany io tononkalo io ka noravahany mozika milanto. Ilay hira izay haintsika tsara iny hoe "Iray minitra monja, tsy eo anilanao toy ny zato taona". Efa nihira azy io koa i Oscar Randria sy i Salomon. Inoako fa mbola tsy afaka am-bavantsika izany hira izany hatramin'izao.


Olon'ny fitiavana, olon'ny fo i Rado ka hainy tsara ny manome angolan-teny sy manome aina ilay tononkalo hanasongadinana izay tsapantsika olombelona manana fihetseham-po marolafy. Mamela fahatsiarovana mamy tsy hay hadinoina tokoa ny fitiavana.

Date de dernière mise à jour : 14/10/2023