Dian'ny poeta tao amin'ny Akademia

Lahatsoratra - 03/02/2023

Dian'ny pôeta tao amin'ny Akademia
Toetra Ràja -  03/02/2023

Dian'ny pôeta tao amin'ny Akademia

Toy ny boky Sorapiainana andiany voalohany dia nahaliana ny Akademisianina sy ny olon'ny literatiora ireo andiany faharoa sy fahatelo mirakitra ny dian'ny pôeta. Nandresy lahatra azy ireo i Tsikimilamina Rakotomavo tamin'ny alakamisy 2 Febroary 2023 teo raha namelabelatra izany tamin'ny an-tsipiriany tao amin'ny lapan'ny Akademia Malagasy. Nohazavainy aloha ny tsy fahampian'ny fampahafantarana ireo pôeta ireo amin'ny boky sy fafana ho an'ny daholobe toy izay voarakitra ao amin'ny Takelaka Notsongaina, Diksioneran'ny olona sy toerana malaza, bokin'ny mpanoratra sns.

Ny tanjona anefa dia ny fanomezan-danja ny tantara, fampahafantarana ny tantaram-piainana sy ny fanasongadinana ny anjara toeran’ny pôeta. Notohiziny tamin'ny tolotra mampiavaka ny sorapiainana izany izay voambolana noforonin'ny Pôetawebs nandikana ny biografia. Miainga avy amin'ny aterineto ny sorapiainana, fametrahana ireo angon'ny Pôetawebs sy izay vokatry ny fihaonana amin'ireo taranaka pôeta efa nodimandry. Ny fandrindrana sy fandalinana azy ireo no apariaka amin'ny tranonkala, tambazotra, boky, fahitalavitra ary velakevitra.


Matevina kokoa ny Sorapiainana 2 sy 3 raha ampitahaina amin'ny andiany voalohany ary nivoatra kokoa ny endriny ivelany. Hita taratra amin’ny fiandohan’ny boky ny kisary maneho ny dian’ireo pôeta voasoratra anaty amboara izay niaina teo anelanelan’ny taona 1901-2018 ho an’ny Sorapiainana 2 ary 1835-2018 ho an’ny Sorapiainana 3. Nomena mpamari-toetra mifandray mivantana amin’ny maha izy azy ireo pôeta tsirairay. Misokajy telo miavaka tsara araka ny toetra iombonany àry ireo pôetan'ny sorapiainana 2 dia ny pôeta mamboraka, pôeta misehatra, pôeta misahana. Maty tanora ny sasany amin'izy ireo toa an'i Samuël Ratany, Haingo, Jean-Pierre Haga, Jean-Joseph Rabearivelo. Pôeta manabe, pôeta mitantana ary pôeta mitandrina kosa no nanavahana ireo ao amin'ny Sorapiainana 3 ary tsy vitsy amin'izy ireo no mpitandrina toa an-dry Gilbert Rakotomavo, Rabary, Rajaonary, Josefa sy Joseph Andrianaivoravelona.



Teo amin'ny latabatry ny Akademisianina no nahitana ny filohany François Rajaoson, ny filohan'ny sokajy voalohany Nalisoa Ravalitera, ny biraon'ny sokajy haikanto sy hailaza (Irène Rabenoro, Serge Rodin, Ranjatohery), Ratrema William, Rakotonaivo Julien, Laza Andrianirina niampy mpikambana hafa. Singaina tamin'ireo hita teny amin'ny sezan'ny mpanatrika ny Pasitera Randrianalidera Rado, Razakandrintsilavo taranak'i Josefa Andrianaivoravelona, Nirhy-Lanto (Mpikambana Poetawebs), Mompera Édouard, Emerson Andrianetrazafy, Andriamihaja Solonavalona, Dr Nombana, Rakotojaona Andrianaina, Ariry (Company Rary), mpiara-miasa ao amin'ny Fitaleavana misahana ny maha izy ara-kolontsaina, Mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, Mpiara-miasa Madagate izay nandray an-tsary ny fotoana manontolo.

































Nampiavaka ity fotoana ity ny fahamaroan'ireo fanontaniana avy amin'ny Akademisianina sy ny mpanatrika izay notohanam-potsiny tamin'ny farany noho ny fihoaran'ny fotoana. Anisany ny maha mpitandrina marina an'ireo nosokajina ho izany ao amin'ny Sorapiainana 3. Voalaza ho mipirimpirina ny pôeta koa nahoana no hindrahindraina? Inona no mason-tsivana nifantenqna ny Sorapiainana? Inona ny olana natrehana tamin'ny loharano nanovozan-kevitra? Modelim-piainana teo amin'ny inona ireo pôeta ireo?

Marihina fa nanolotra  ireo andiana boky Sorapiainana anankitelo ho an'ny Akademia Malagasy ny tranonkala Pôetawebs.





Date de dernière mise à jour : 02/12/2023