Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 Mey 2016

Loabary an-dasin'ny Zon'ny mpamorona - 22 aprily 2016

Akata milobo tokoa iray lohasaha, vero mizahozaho iray vodivona, ny faka samy manana ny azy, ny taho samy mitondra ny anjarany... Fa toy izany koa ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Asatanana, mitondra ny anjarany tamin'ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny boky sy ny zon'ny mpamorona ho fampiroboroboana ny asa soratra, niarahany tamin'ny FMTS (Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra), notontosaina tamin'ny zoma 22 aprily 2016 tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy - Efitrano Gisèle Rabesahala. Loabary andasy nanasana mpanoratra sy mpikabary maro no notanterahina ary nanasana ihany koa vahiny maromaro. Nandray fitenenana ny solontenan'ny mpanoratra sy ny mpanamboatra boky ary ny mpivarotra sy ny OMDA
(Office Malgache des Droits d'Auteur).

Nanomboka ny fotoana andriamatoa Lalao Rabenandrasana tamin'ny 10 ora sy sasany izay sady mpanentana rahateo.
Tamin'ny vahiny nasaina dia nandray fitenenana voalohany i Rado Ramaherison, solontenan'ny mpanoratra. Nangataka izy ny hametrahana ny lanjan'ny mpanoratra eo amin'ny fiaraha-monina fa tsy ny mpanakanto mpihira ihany. Nangataka koa izy ny hijeren'ny ministera ny ho fampiroboroboana ny asa soratra.

Ny Pasitera Ramanantsoa Haja avy ao amin'ny TPFLM (Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy) kosa dia nanazava ny tsy mahamora ny manoratra nefa mampandroso firenena ary ny tsy mahamora ny fanoratana boky manoloana ny fanabeazana maro entiny. Nasiana fanazavana ny lalan-kodiavin'ny famoaham-boky: ny edisiona mitsara ny asa, ny printy manatonta, ny mpivaro-boky manaparitaka, ny mpanjifa mampiasa.


Ramatoa Ramalajaona Voahirana, filohan'ny ALM (Association des libraires de Madagasacar), no nampahalala sy nanazava ny fisian'ny boky ary ny antony tsara tokony ananana azy.
Misy koa ny ezaka atao hisian'ny fifanakalozana avy any ivelany mampahalala ny hetahetan'ny mpanjifa eto an-toerana.

Ramatoa Razafintsalama Michelle, tompona trano famoaham-boky sady mpanao ny fanapariahana, no nisolo tena ny AEDIM (Association des Editeurs de Madagascar). Trano famoaham-boky 9 no mivondrona ao. Maro hoy izy ny fomba anapariahana boky satria misy fihenambidy ny boky raha afarana amin'ny Paositra. Misy ihany koa ny fanapariahana "flayers" sy ny boky nalefa any amin'ny fanabeazam-pirenena izay miisa 26. Mampahazoto ny ankizy hamaky boky ny fikambanana ary miara-miasa amin'ny Fivarotam-boky sy Trano Famakiam-boky mba hamantarana ny filan'ny mponina.

Andriamatoa Rasolonirina Zo Mihary avy ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy dia nanamarika fa maro ny olana eo amin'ny resaka boky satria lafo ny boky eto amintsika ary maro ny olona sahirana mamaky teny. Noho izany no nananganana ny trano hamakiana boky sy fitahirizana izany. Manamboatra ireo simba koa ny
Tranombokim-pirenena ary manao lafika mba tsy hahavery ny boky taloha. Ny olona ao anatin'ny Tranomboky dia tsy mpiambina sy mpikarakara boky fotsiny fa mpanelanelana sy mpitahiry ary mpikaroka koa. Ankehitriny dia vitsy ny boky ary vitsy mpahalala ny asany.

Andriamatoa Nalisoa Ravalitera, filohan'ny sendikan'ny mpanoratra, kosa dia nanazava ny zon'ny mpamorona eto an-toerana sy any ivelany.

Atoa Rarison Manitra, solontena avy tao amin'ny OMDA indray no nanambara ny zava-tsoa azo raha miditra ao aminy. Ny fidirana ho mpikambana dia misy sarany 2 alina ariary ary manan-jo maro ny tafiditra ao satria andraikitry ny OMDA ny manaparitaka ny asa soratra eo amin'ny fiaraha-monina.


Namarana ny anjara fitenenana ny solontenan'ny Ministera, ramatoa Tsiky Rakotomavo, izay nisaotra ny vahiny sy nankasitraka ny mpihaino. Nofaranany tamin'ny fanomezana tsakitsaky sy fanomezana fitenenana ny olona rehetra tao an'efitrano ny fotoana.

Maro ny fangatahana.
Nambara tamin'izany ny olana ianjadian'ny mpanoratra ankehitriny satria maivan-danja ny asa soratra ataony eo amin'ny fiaraha-monina. Anisan'ny olana ny eo amin'ny fanapariahana ny asa soratra sy ny famoahana boky noho ny fisian'ny hosoka. Nataon'ny mpanoratra zava-dehibe tamin'izany ny famerenana ny trano ahafahana manatanteraka seho, ny fanomezan-danja ny asa soratra, ny fanampiana amin'ny fanatanterahana ny boky...

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Ikaloyna Vony

 

   
   

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/05/2016