Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


13 avrily 2012
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


RESADRESAKA MOMBA NY POEZIA
Lahatsoratry RAKOTONDRAMANANA Alfred

Tsy hamaritra ny teny hoe : Poezia, akory aho fa resadresaka fohy fonosiny no tiako aseho eto.
Efa maromaro ihany ny lahatsoratra nikasika azy ity ary samy nanambara fa zava-manan’aina ny Poezia. Ary rehefa zava-manan’aina izy dia mety ho faty ihany koa. Ho fanampin’izay efa vita izy ity.
Fa, raha vao teraka kosa izy dia tsy afaka ny hiharihary vatana avy hatrany fa mbola manan-trano, sarin-kibo ifonosany niara-teraka taminy ary niara-nitombo aminy, sahala amin’ny àry kambana aminy.
Saingy raha mandalo trano iray isika dia ny aloha no hita voalohany, izay vao ny zavatra eny ala-trano-na ny avy ao anatiny.-Ny olona rehetra dia samy manana ny fotoany ifohazany amin’ny torimasony avy. Ao ny mifoha rehefa maneno akoho tokana-ao koa ny taitra amin’ny torimasony amin’ny mifoha olo-mazoto-ao koa anefa ny mifoha amin’ny mahatsara vahiny, ka izay izy vao handeha hiasa, mandritra ny alina-Araka izany àry, dia samy manana ny ora ivoahany amin’ny tranony ny olona rehetra.

Ny poezia kosa dia tahaka izany-saingy rehefa zohina dia manana trano roa izy-ary teraka indroa koa.
Ny tranony voalohany dia tranon’ny tranony-izany hoe, ny tranony izay iarahany mivoaka amin’ny tranony-

Ny tranony faharoa dia ny tranony miara-mitombo aminy.
Io trano faharoa io no trano mbola atoriany ka hifohazany amin’ny torimasony, satria efa teraka tao amin’ny trano voalohany izy-Ary ny trano tahaka izany no antsoina hoe: Poety na Olon’ny Nofinofy rehetra.

Mazàna anefa ireny olon’ny nofinofy ireny-tsy fantatra raha tsy teraka indray ilay efa teraka kambana monina ao aminy-dia ilay tena poezia.

Aoka anefa isika tsy ho diso fa raha teraka ny poezia eo dia tsy vao teraka izy akory fa taitra amin’ny torimasony ary poezia miseho masoandro no filaza izany.

Manana vahiny anefa ny poezia alohan’ny hifohazany ka hivoahany amin’ny tranony-dia ilay antsoina hoe : "Andriamanibavin’ny Fieritreretana" na Muse. Vahiny honina mandra-pirodan’ilay trano izy ka hitaiza io trano io mihitsy aza, ary amin’ny alalany no ahaterahan’ny poezia fanindroany indray-ary amin’izay vao hiseho masoandro ny poezia-dia tonga eo amin’ny fiainany.

Hamakivaky lembalemba izy-hananika ny havoana-hitopatopa eny anivon’ny onja ary hisidina eny anivon’ny habakabaka ambony. Hitety fisainana maro sy fahendrena isan-karazany. Ho vahinin’ny lapa tsara indrindra-ho vahinin’ny tranobongo maimbolao ihany koa. Efa natory tao amin’ny torimasonao lalina izy ka tsy hatory intsony.Tsy tongatonga foana akory ny poezia.

Noho izany àry dia azo heverina tsy ho àry mihitsy izy raha tsy àry miaraka aminy ilay tranony. Saino tokoa anie fa raha tsy nisy an’izany "Lamartine" izany-moa azo inoana fa nety ho nisy ny "Méditations poétiques"? - Raha tsy àry izany "Ny avana" izany, moa ve nety àry koa izany "Vazon’ny lavitra" izany?

Kanefa, raha tsy manolikoly ny tany ny mpamboly voninkazo dia tsy hisy vokany izay nisasarany...

Miankina amin’ny zavatra iray loha anefa ny fahaveloman’ny poezia-dia ny fiteny-Mba hahazoan’ny poezia miaina tsara dia ny fiteny izay ipoirany no voakolikoly tsara-no velona-no miaina ihany koa-fa raha izany dia ho faty tanora izy ho faty alohan’ny efa nisy-na maty. Ary ny Firenena manana izany Fiteny tsy miteny ananany, tsy voakolikoly,tsy hiteny izany, no Firenena mbola tsy manana ny Zony-ny zon’ny Fireneny. Ary na teraka aza ny poezia dia tsinontsinona fa efa maty rahateo… Ny resaka eto anefa dia tsy mikasika ny Fiteny,na koa mikasika ny na fiteny loatra aza izay miteny amin’ny fitenenako-fa araka ny fiteny dia:

"Ny vivy no tompon’ny rano.
Ny hitsikitsika no tompon’ny dihy
Ny ray aman-dreny no tompon’ny teny-
Solika miangona an-tsena,hono, ka ny tompony no avy manarina "

Ary ho famaranana dia : hianao izay mamaky poezia-raha sendra tsy fantatrao ny nihaviany na nipoirany dia averimbereno vakio ilay eo anoloanao fa miafina koa ny endrik’ilay kambana aminy. Ary raha sendra tafasaraka indray amin’ny iray amin’ireny olon’ny nofinofy ireny hianao, dia aza mitady ilay efa teraka ao aminy intsony fa izy izay miaraka aminao dia efa izy rahateo satria kambana izy.

RAKOTONDRAMANANA Alfred (Vatolahin’Andraimbe)

 

poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 29/12/2018