Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

11 marsa 2018

 

Ny Lokon'ny fitiavana ao amin'ny tononkalon'i Toetra Ràja
- Akademiam-Pirenena Malagasy -

Izany lohahevitra izany no nanakoako tao amin’ny  Akademiam-pirenena Malagasy ny alakamisy 1 marsa 2018 lasa teo. Nony nigadona ny tamin'ny telo ora tsy diso dia nifantoka teny amin'ny efijery avokoa ny mason'ny rehetra namaky ny lohatenin'ny velakevitra izay notanterahin’Andrianasolo Hajaina Naomy, filohan’ny Fikambanana Havatsa-UPEM.
Andeha hanjohy an’eritreritra ny  fizotry ny fotoana isika ka hanopy ireo nahafoy fotoana nanotrona izany.

 

Teo amin'ny latabatra afovoan'ny efitrano no nahitana ireo Akademisianina Mpikambana mahefa notarihin'ny filohany Atoa Ranjeva Raymond sy ny filohan'ny sokajy "Haikanto sy Hailaza" Rtoa Randriamamonjy Esther, Rtoa Ramavonirina Oliva, Atoa Ranjatohery Harilala, Atoa Nalisoa Ravalitera, Rtoa Hicklign Ginette.
Nanampy azy ireo ny mpanao velakevitra roa izay tsy iza fa Atoa Ranjivason Jean Théodore, velakevitra faharoa, sy Rtoa Andrianasolo Hajaina Naomy tompon’izao velakevitra anaovantsika tatitra izao.
Teo ihany koa Atoa Rakotondrandria Gasstsar. Fa anisan'ny zava-dehibe koa ny nahatongavan-dRtoa Senatera Razafitombo Alibena Elisa (efa Ministry ny Kolontsaina teo aloha) izay nisolo tena ny filohan’ny Antenimierandoholona.

 
Ireo mpanao velakevitra: Atoa Ranjivason Jean Téodore (ankavia) sy Rtoa Andrianasolo Hajaina Naomy (ankavanana)   Esther Randriamamonjy
nitarika ny fivoriana

 

 
Ireo teo amin'ny ivon'ny efitrano, indray mitopy maso

 

Teny amin'ny toeran'ny mpanatrika kosa no nahitana ihany koa Mpikambana Mahefan'ny Akademia dia Atoa Andrianasolo Benoit (Mpikambana Mahefa) sy Rtoa Rabetafika Yvette, ny Talen'ny Arsiva Nasionaly Rtoa Sahondra Andriamihamina sy ny vadiny, Rtoa Rakotomavo Tsikimilamina lehiben'ny Sampandraharaha misahana ny Kolontsaina ao amin’ny Ministeran'ny Kolontsaina sy Fampiroboroboana ny Asa Tanana ary Fiarovana ny Vakoka, ireo mpanoratry ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra tonga am-polony maro. Tazana teny koa ny mpikabary Rtoa Rasoazananiharisoa Voniniaina Bakoly (Vony), ny mpanao gazetin'ny Lakroan'i Madagasikara Atoa Jacques Ranaivo, mpampianatra sy mpianatra, ny fianakavian'i Toetra Ràja ary ireo namana mpankafy ny asa soratr’i Toetra Ràja.   

 
 

 
Ao aoriana mandray an-tsoratra Rtoa Ranjeva Rabetafika Yvette.
Eo aloha Rtoa Rakotomavo Tsikimilamina sy ireo Mpanoratry ny Faribolana Sandratra
  Rtoa Sahondra Andriamihamina eo afovoany sy ireo mpiara-miasa aminy (ankaviany) ary ny fianakavian'i Toetra Ràja (ankavanany)   Mpampianatra eny Ankatso
Aoriana ankavanana: Atoa Jacques Ranaivo
 


Teo am-piandohana dia nambaran’i Hajaina ny antony nifidianana an’i Toetra Ràja hanaovana velakevitra ka nanehoany fa lehilahy mahafolaka tsara ny teny malagasy sy ny fomba fanoratra poezia malagasy manara-drafitra sy malala-drafitra ity Poeta ity na dia monina sy miasa any am-pitandranomasina an-taonany maro aza. Nasongadiny ihany koa fa amin’ny maha  mpikambana ao amin’ny Havàtsa-Upem azy dia rariny raha ampahafantarina ny tsanganasan’ity namana mpiara-manavàtsa ankehitriny ity.

Ankoatra izany dia nohazavaina ny antony nifidianan’i Hajaina ny lohateny noho ny fahitany lokon-tsary mahafinaritra samihafa eo am-pitetezana sy famakiana ireo tononkalo hany ka satrin’ity mpikaroka ity hianoka mandrakariva. Tsikaritra ao tokoa mantsy  ny tokam-bolo, ao ny miava-bolo fa ny iraisan’ireo dia ny fitiavana mangarahara avokoa, izay tena aloaky ny fo sy ny saina tsy misy haratsiam-panahy.
Teo anatrehan’izany indrindra no nametrahany ny ahiahy fa toa mihavery hasina ny fomba fanoratra tononkalo ataon’ireo Poety ankehitriny.  Hita taratra izany eo amin’ny teny alahatra, eo amin’ny hevitra fonosina, eo amin’ny tsipelinteny, eo amin’ny haifanoratra sy ny sisa.

Nitsonga izay nambaran’i Toetra Ràja tao amin’ny bokiny TIAKO-TIAKO FOANA (tak 15) moa ny mpanao velakevitra manao hoe:

"Eny antsefatsefaky ny fehezantenin’ny fiaraha-monina anefa no mazàna paradisan’ny voambolana vahiny sy ny fahadisoan-tsipelina. Ny teny hono anefa manan-jiny. Sarotiny ny pôetanao raha mbola ny tenin-dreny no asiana resaka”.

Koa ny asa soratr’i Toetra Ràja no antenaina  hoy ihany izy fa ho fitarikandro fitaratra hanitsy ny dian’ireo mpanoratra ankehitriny.
Nosoritsoritan’i Hajaina avy eo ny Lalantsaina  nandritra ny karoka izay natao araka ny fijerin’i Randja Zanamihoatra izay mampiseho ny vokatry ny asan’ny sain’ny Mpanoratra. Toy izao indrindra mantsy no nambarany:

« Ny fijoroan’ny teny sy fitenin’ny firenena iray dia fijoroan’ny sainy enti-manao, ary ny tombontsoany rehetra eo amin’ny fiainana ara-batana dia miankina indrindra amin’io saina entiny manao io – saina izay volavolain’ny hery samihafa koa avy aty ivelany. »

Ny  haitsikera ara-tantaram-piainana moa no tena nifotorana nandritra izany. SAINTE-BEUVE sy TAINE, izay mpikaroka anisan’ny nalaza amin’ity haitsikera ity dia naneho fa lafin-javatra telo no mamolavola ny mpanoratra eo am-panoratana. Ireto avy izany: ny karazany, ny toerana iainany, ny ny vanim-potoana iainany. Ireo lafin-javatra telo ireo no miako any amin’ny asa soratry ny mpanoratra iray.

 

Haitsikera ara-tantaram-piainana

 

Niroso tamin’ny famoaboasana isam-pizarana ity mpikaroka ity, koa tao amin’ny fizarana voalohany  no nanehoany ny mombamomba an’i Toetra Ràja araka ilay haitsikera ara-tantaram-piainana ampiasaina. Voafaritra tao anatin’izany ny niandohany izay nilazana  ireo loharano nipoirany sy ny ankohonany,  teo ihany koa ny fahazazany  izay nilazana ireo toerana nianarany, ary indrindra ny asa sahaniny ankehitriny. Tsy nohadinoin’ny mpandahatra fa ny ny fahazazan’i Toetra Ràja no namolavola azy ho mpanoratra. Nankamamy ny famakiana ny bokin-dry Dox sy Rabearivelo ary ny Fary mamy sy ny Takelaka notsongaina mantsy izy ary naverimberiny sy nohalalininy tsara ny fomba fanoratr’izy ireny. Resy lahatra izy tato aoriana fa hahavita poezia tsy mba fanaon’ny « daholobe » ka anisan’ny voalohany tamin’izany ilay nitondra ny lohateny hoe « Vavaka » tamin’ny taona 1983.

Anisan’ny nanamarika ity fizarana ity ihany koa i Toetra Ràja sy ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa. Izy mantsy no anisan’ireo folo mianadahy mpanorina ny Sampana Frantsa ny 30 avrily 2005. Ankehitriny izy dia tafiditra ao amin’ny komity mamolavola ny boky faha 15 taonan’io sampana Havàtsa-Upem io izay atao amin’ny teny malagasy sy teny frantsay.

Fanampin’ireo ny fikambanana samihafa ahitana an’i Toetra Ràja. Mpampianatra teny malagasy ao amin’ny fiangonana misy azy izy. Mahasarotiny azy tokoa ny tsy fanajana ny tsipelinteny ankehitriny ka nahatonga azy nanangana ny vondrona antsoina hoe TSIPELINTSIKA ao amin’ny tambazotra Facebook miaraka amin’i Heriarilala Andriamamonjy izay sady Pôetawebs rahateo no mpikambana Havàtsa-Upem.

Izay POETAWEBS izay indrindra koa no ahafantarana an’i Toetra Ràja. Ny mampiavaka an’ity tranonkala tarihin’i Toetra Ràja ity dia noho izy entina anandratana ny Poeta sy ny poezia malagasy. Ao amin’ny Pôetawebs mantsy no itafatafana amin’ny Poety sy ireo olona fantatra fa manan-kolazaina momba ny Poety sy ny poezia ao an’efitry ny « Tapatapakahitra ». Anjatony ireo efa nivahiny tao toa an’i Ampamoha (Wilson Razafiarivony), AéRa (André Rakotondranaivo), Om-Gui (iray andro talohan’ny nahafatesany), Niry-Solosoa, F.-X. Mahah, Antsiva, Hajaina, Ranoe Eugène, Tsiky Rakotomavo sns. Ny Pôetawebs koa dia mamakafaka tononkalo, mampiely biografia isam-bolana, mitatitra ny hetsika ara-tononkalo sy vaovao samihafa. Na samy Pôety avokoa aza izy valo mianadahy mpiara-misalahy ao dia mivelatra amin’ny lafiny maro samihafa eo amin’ny fiainana andavanandro : Akademisianina, Mpiandraikitra ao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina, Mpanao gazety, Mpampianatra teny malagasy sns. Loharanom-baovao matotra ny Pôetawebs ary izay voasoratra ao dia mora zahana ho an’ny mpianatra, mpampianatra sy mpikaroka, mpankafy tononkalo ary antenaina hitoetra ho an’ny taranaka mifandimby.

Fahaizan’i Toetra Ràja mandrafitra tononkalo

Ny fizarana faharoa no  nanehoana ny fahaizan’i Toetra Ràja mandrafitra tononkalo. Saika tononkalo manara-drafitra ny tononkalony. Nampiasainy ny gadona Taralila izay mitsaikona indroa arahina gadona iray sy mitsaikona iray (Ny Pôeta raha miteny, tak 3). Ao koa ny gadontsaika (Misy fefy, tak 62), ny Tsaigandotsaika (Fiainana mandrakizay, tak 134).

Eo amin’ny andalana indray dia ahitana andalana enina (06) na efatra (04) ny andininy iray ao amin’ny tononkalon’i Toetra Ràja. Indraindray koa anefa tsy ampanarahany an’izany fa misy andalana roa aza ny andininy iray, dia mitohy andalana valo na folo avy indray avy eo.

Teo amin’ny rima na oina, araka ny dikatenin-dRanjatohery Harilala, fampiasan’i Toetra Ràja ny oina mifaningotra (ab/ab) sy ny oina mifanjohy (aa/bb). Fa miavaka ny oina mifaningotra mifanjohy (ab/ab/aa):

 

Tsy tara fotoana
kanefa izy iny
misongona foana...
izay no mba tiany
tsy ahoan-tsy ahoana
mandavan-taona

Raha vao miserana:
lohalaharana,
maka toerana
tsy nisasarana!
Izany ka tena
fitiavan-tena!
(MISONGONA FOANA, tak 60)

Mampiavaka ity Poety ity  ihany koa ny fahaizany mifantina voambolana. Voambolana tsy vao saingy rehefa aretsidretsiny ao an-tononkalony dia toa tsy fahita na fandre na faheno, hany ka manaitra mandrakariva. Mariky ny mahakanto hatrany izany toy ny hoe: « Tiako - Tiako foana », « misongona foana », « koropaka foana », « fako...foko...foka...faka... »

Anisan’ny maha Toetra Ràja azy ny Haifanorany. Tononkalo fohy dia fohy isan’andalana, teny mora raisina, tsotra faneho, haingam-pisosa nefa miteraka onja mandona izay iantefany.

Teo amin’ny Haifiangaly dia nisy ny sarinteny vitsivitsy nofantenan’ny mpikaroka  nanaporofoana fa manana ny haifiangaliny mampiavaka azy i Toetra Ràja eo amin’ny fanoratana tononkalo. Anarana sarinteny avy tamin’ny voka-pikarohana nataon’i Herizo Ramilisoa Mpampianatra no nampiasaina ka iray amin’ireny ny Lango Malefaka izay Sarinteny hanatsarana fomba filazan-javatra mba tsy handratra na hampangirifiry loatra ilay itenenana. Havanana amin’io i Toetra Ràja ary maro amin’ireo tononkalony no ahitana izany.

Andeha hotanisaina etoana ireo anarana sarinteny hafa taratra ao amin’ny tononkalon’i Toetra Ràja.

 
- Ny Atri-tohitra na Euphémisme: sarinteny ampifanatrehana toe-javatra 2 mifangarika na mifanipaka na misy ifandraisany na tsia
- Ny Kiantohatra na Antiphrase: fomba filazan-javatra enti-maneso na enti-mampihomehy, ka mifanohitra amin’izay tian-kambara no lazaina
- Ny fintin-dresaka na Brachyologie: Sarinteny hamintina ny zavatra lazaina sy ny fomba enti-milaza
- Ny Kisafy kalo na Rédondonce Poétique: Sarinteny ahitana famaritan-javatra manantitrantitra hevitra na koa zavatra efa voalazan’ny teny faritana ka manome endrika ny filazan-javatra
- Ny Akorenifeo na Allitération: Sarinteny azo avy amin’ny tamberin-drenifeo tokana na farafaharatsiny mifanakaiky.

Fihetseham-po raiketin’ireo loko samy hafa

Ny fizarana fahatelo no namosahana ny fihetseham-po raiketin’ireo loko samy hafa ao amin’ny tononkalon’i Toetra Ràja. Tsikaritra teo ireo lokom-pitiavana samihafa. Voalohany tamin’izany ny mainty sy fotsy izay  manambara fa manan-javatra tiana holazaina tsy ankihafihafy dia ny fitiavana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny haisoratra. Porofoiny amin’ny alalan’ny haisoratra ny lokom-pitiavany ny teny malagasy izay midika ho fitiavan-tanindrazana ary na amin’ny fomba masiaka, na amin’ny fomba hentitra, na amin’ny fomba manambitamby dia abaribariny izany.
 
Tsy hifezaka
aho rey olona,
ary hiezaka
hitolona,
hanambara
teny soa,
rima tsara
amin’ny fo,
andinin-teny
maty paika
(TONONKALO, tak 12)

Ny lokom-pitiavana asehon’i Toetra Ràja manaraka dia toa mangamanga, mangan’ny lalan-ko avy eo anilan-janaka, mangan’ny fitiavana ilay olon-tiana, manga madio manganohano.
 
Ny zanako
no hany
fananako
eto an-tany!
(ZANAKO, tak 19)

Mbola ventesin’i Toetra Ràja ato anatin’ity lokom-pitiavana ity ihany koa ny mena midorehitra. Fitiavana te hisisika ho tiana ka mitady hevitra mafy hahazoam-baliny. Ny fitiavana efa mivaivay rahateo, toy ny afo ka sady mena no mafana, miandrandra fifanatonana, na amin’ny fomba mahatsikaiky, na amin’ny fomba mampalahelo, na amin’ny fomba mivantambantana.
 
Raha ekeny
aho hanonona
ireo teny
nokobonina
ankiroa
mipololotra
ao am-po,
dia hizotra
tsy hiambatra
aho hankany:
sambatsambatra
aok’izany!
(RAHA EKENY, tak 30)

Ahitana loko fanairana matroka toa manambana fahadisoam-panantenana ao amin’ny tononkalon’i sToetra Ràja. Mety ho fahadisoam-panantenana noho ny fitiavana tsy araka izay iheverany azy, na fahadisoam-panantenana noho ny fiainana tsy ho amin’ny tokony ho zotrany.
 
‘Lay pi-maso
faharoa
no ankaso
hahavoa;
hay ka bala
fikendrena
ilay malala
tsy an’ny tena!
(PI-MASO, tak 47)

Misy loko tokana aroson’i Toetra Ràja ametrahany ny maha POETY azy ao anatin’ireo tononkalo nosoratany. Loko tokana toa zary manome fanantenana indray, manome vahaolana amina lafin-javatra maro. Anankiray àry dia ny loko FINOANA izay manjarano, mamirapiratra. Manana finoana azo dinihina ho hentitra mankany amin’ilay Mpahary inoany i Toetra Ràja, asandrany amin’ny alalan’ny fandrafetan-teny izany ary itaomany ny rehetra hiara-hitolona hahazoam-pandresena.
 
Ry Tompoiko
sy tsy foiko:
...
Ianao izay,
tena RAY!
Amen!
(VAVAKA, tak 104)

Teo am-pamaranana dia nilaza i Hajaina fa anisan’ny mampiavaka ny tononkalon’i Toetra Ràja ny fananany voambolana maro mora raisina satria mitsoriaka any anaty fo avy hatrany: tanjaka sy harenany izany. Teny tsotra, tsy mitarazoka, hentitra kanefa mandòna any amin’ny atifanahy: izay ireo tononkalon’i Toetra Ràja. Tombokavàtsany izay, tsy nalainy tahaka tamin’olona ary tsy azon’olona alaina tahaka.


FIFANAKALOZANA

Tao aorian’ny velakevitra faharoa notanterahin’Atoa Ranjivason Jean Théodore nanadihady ny "Tenim-pirenena sy ny fanabeazana eto Madagasikara" dia nisy ny fifanakalozana tao amin’ny efitrano.
Raha ny momba ny velakevitr’i Hajaina dia nisy fanamarihana sy fanontanina samihafa  izay nifandimbiasan’ i Nalisoa Ravalitera, Ranjatohery Harilala, Ramavonirina Oliva, Ranjeva Raymond, Tsikimilamina Rakotomavo, Riambola Mitia, Gasstsar Rakotondrandria.

Singanina manokana eto ny voalazan’ny filohan’ny Akademia, ny Profesora Ranjeva Raymond:

Tsy nijanona fotsiny tamin’ny fanolorana ny hamamin'ny poezia ny mpanao velakevitra, fa naneho fandalinana, ela mihitsy no niandrasanay teto amin'ny Akademia momba izany ka dia misaotra indrindra”.

Nanohy ny fisaorana koa ny Profesora Ramavonirina Oliva nanao hoe: “Misaotra indrindra an'i Hajaina nampahafantatra zava-baovao lalina sy avo lenta eo amin'ny fanoratana ho anay”. Lalina tokoa araka izany ny velakevitra araka ny fanamarihan’ny filohan’ny Akademia hoe:

Hita fa manana anjara lehibe amin'ny famakafakana sy famolavolana teny ny tononkalo. Rehefa nanaraka ny famakafakana nataon'i Hajaina teo dia hita fa zava-dehibe no voiziny. Ho anay tsy mahay manoratra tononkalo dia mipitrapitra fotsiny”.

Nisesisesy koa ny fiderana am-pahibemaso nandritra ny fifanakalozana toy ny nambaran’i Esther Randriamamonjy hoe “Zava-dehibe loatra ny tahaka an'izao, mendrika ianareo” na ny an’ny Senatera Razafitombo Alibena Elisa hoe: "Zava-baovao mahafinaritra sy mahaliana ahy ity, hay misy loko koa ny fitiavana".

Raha ny momba ireo fanamarihana ara-tekinika nivoitra tao kosa dia singanina ny an’i Nalisoa Ravalitera izay nindrana ny famaritan’i Louis Rafringa ny karazana poezia toa ny fanaon’i Toetra Ràja: “mirindra toy ny manao  LAHA-MATSO, milahatra toy ny miaramila hono”. Nanontany tena izy araka izany hoe “niverina andoharano mihitsy ve i Toetra Ràja, tany amin'ny 100 taona lasa?”. Nanamafy izany Ranjatohery Harilala raha naneho sahady fa ny sanganasan’i Toetra Ràja izay ho hitantsika ao amin'ilay boky vaovaon’ny faha 65 taonan’ny Havàtsa-Upem hivoaka tsy ho ela dia ahitana io haifanoratra io avokoa. “Ahitako Randja Zanamihoatra sy Le Myositis betsaka koa ao aminy” hoy ihany izy nanohy.

Mankasitraka ny fampiasan'i Hajaina ireo anaran-tsarinteny nilazany ny tononkalo nosoratan'i Toetra Ràja i Nalisoa Ravalitera. Misy tamin'ireo ny an'i Ramilisoa Herizo izay mpamorona ireny voambolana anaran-tsarinteny ireny fa misy koa ny an'ny mpanao velakevitra.

Tsy nianina tamin’ny fihainoana ny velakevitra sy ny takalo akory ireo mpanatrika fa nirotsaka an-tsehatra. Anisan’izany ny vahaolana nangatahan’i Riambola Mitia manoloana ny fahaverezan’ny hasin’ny poezia ankehitriny, olana narangarangan’i Hajaina tao amin’ny petrakolan’ny velakevitra. Anisan’ny vahaolana, hoy i Hajaina namaly, ity boky “TIAKO – TIAKO FOANA!” ity izay azo apetraka ho lasitra. “Fa ilaina foana koa ny Atrikasa, fampianarana, vaky boky”, hoy ihany izy nanohy.
Nanamarika koa i Tsikimilamina Rakotomavo fa tsy amboaran-tononkalo toy ny fahita mahazatra ity bokin'i Toetra Ràja ity fa bokim-panadihadiana ny lohahevitra fitiavana ary narahina tononkalo. Marina izany, hoy i Hajaina, “saingy tsy ireo fanadihadiana ao anatiny no nifotoran’ny velakevitra fa ireo tononkalony, ary tsy ny ato amin’ny “TIAKO – TIAKO FOANA!” ihany fa izay napariaka tany amin’ny boky hafa koa”. “Niainany ve ny asa sorany?”, hoy ihany i Tsikimilamina Rakotomavo. “Inoako” hoy i Hajaina, “satria milona ao amin'ilay tontolo mihitsy ny fo sy ny sainao vao mahavoaka ny asa soratra toy izao”.

Fanontaniana mahafaoka be kosa no napetrak'i Gasstsar Rakotondrandria hoe: "Aiza ho aiza ny kolontsaina sy ny haisoratra malagasy manoloana ireo heverina ho kolontsaina, inona no tena tokony hisongadina?" Mitodika any amin'ny tsirairay izay mikirakira ny kolontsainy heveriny fa manandrify azy ny mampiroborobo izany hoy i Hajaina ary anjaran'ny Malagasy manana ny talenta sy ny manandrify azy ny manao izay mampitraka sy mampisandratra ny eo anoloany, fa efa anjara biriky lehibe ho an'ny kolontsaina sy ny fampandrosoana izay. Ary raha toa ka tsy maintsy hifaninana dia hoy i Hajaina hoe: 'aoka ho amin'ny fifaninanana tsy mifanintsana fa mifanondrotra, ho fifaninanana masina".

Ialana tsiny ireo fanontaniana sy fanamarihana tsy voatsonganay fa ny hamaranana an’ity tatitra ity dia ny hoe zava-baovao, kanto, mahafa-po, mendrika no azo amehezana ny vela-kevitra nataon’i Hajaina. Ambonin’izany dia nahalina ny maro tokoa ity velakevitra ity noho ny fandrenesana teny malagasy TSY misy fangaro nandritra ny fotoana.

 
Manaraka akaiky ny fanamarihan'ny Profesora Ranjeva Raymond, eto amin'ny sary, Rtoa Esther Randriamamonjy, Rtoa Andrianasolo Hajaina ary Atoa Ranjivason Jean Théodore   Atoa Ranjatohery Harilala manao fanamarihana,
eo ankavananan'ny Profesora Ramavonirina Oliva
     
 
Ny Pôety Riambola Mitia manontany vahaolana   Atoa Rakotondrandria Gasstsar
     
 
Nanao fanamarihana i Tsikimilamina Rakotomavo   Rtoa Hajaina sy ny namany Vony Mpikabary,
miaraka amin'Atoa Ranjivason Jean Théodore
     
 
Rtoa Andrianasolo Hajaina sy Rtoa Esther Randriamamonjy  

Nametraka sary fahatsiarovana teo am-pamaranana ireo mpanao velakevitra


Tatitra: Tsikimilamina Rakotomavo
Sary: Rasoazananiharisoa Voniniaina Bakoly (Vony Mpikabary)

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 11/03/2018