Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

27 Jona 2016

TSIPELAMANJA - 25 jona 2016

Izy efatra mirahavavy, tsy iza izany fa i Nirindra Rafalimanana, Laingotsiky, Elinivo ary Elodie Rakotovao, no niombona tao amin'ny hetsika tononkalo antsoina hoe TSIPELAMANJA.

Ny tsipelana, hoy izy ireo, dia voninkazo kely maniry, mandady eny an-tampon-tanety eny, mamelana mangamanga kely. Na dia mitafy ny hatsarana rehetra anefa izy ireny dia feno fanetren-tena. Izany no naseho antsika tamin'ny endriny "tena izy", tetsy amin'ny CGM Analakely ny Sabotsy 25 Jona lasa teo, tao anatin’ny fandaharam-potoana raikitry ny Faribolana Sandratra.

Tovovavy Malagasy mahafatifaty efatra toy ny tsipelana no nampihanoka tanteraka ary nizara tamin'ny fo ireo talenta maro nananan’izy ireo tsirairay avy. Tsy poeta fe poeta tokoa mantsy izy ireo fa tena mpanakanto feno afaka naneho izany tamin'ny dihy, hira, mozika, poezia. Andriniela sy Tsy Avahana no nanentana. Azo lazaina ho nanenina tokoa izay tsy afaka tamin'io andro io.

Tsipelamanga - Tsipelamangana - Tsipelamanja, ireo no lohateny nentina nizaràna ny hetsika ka nohazavaina tamin'ny alalan’ireo kanto nantsaina sy ny dinidinika fanao ao aorian’ny seho.

 

  • Tsipelamanga, fizarana voalohany no manambara ny voninkazo "manga", tovovavy manetri-tena, olomangan'ny firenena, reharehan'ny taranaka ao aoriana.
  • Tsipelamangana satria ny fisedrana eo amin'ny fitiavana dia miteraka ny olona ho mangana sy ho kivy amin'ny fiainana. Izy efatra mirahavavy anefa tsy kivy fa nitraka ary mitady vahaolana hatrany.
  • Izany indrindra no nahatongavana tamin'ny tapany farany, "Tsipelamanja", nanehoana tovovavy manana fahazotoana hatrany hiatrika ny fiainana.


Nisy ihany koa ny fampahafatarana ny tantaram-piainan'izy efatra mirahavavy teny anelanelan'ny fizarana ka samy nanana ny mpanolotra azy avy izy ireo.

  - Elodie natolotr'i Meva
 - Elinivo natolotr'i Rado Ramaherison
 - Laingontsiky natolotr'i Andriniela
 - Nirindra Rafalimanana natolotry Riambola Mitia

Namaky ny teny fanolorana i Niry-Solosoa.

Nanana ny nampiavaka azy tanteraka iny seho iray iny. Ny mpandray anjara dia ao anatin'ny fahatanorana tanteraka, ka azo antoka fa hitombo traikefa sy fahaiza-manao ary hanana ny tsara kokoa hozaraina amintsika amin'ny ho avy.

Nahazo fahafaham-po tokoa ny mpijery satria nahita tovovavy tsara tarehy naneho zava-kanto miaraka amin'ny haingon-tsehatra manintona tokoa dia ny fitafy. Ara-teknika dia nampiasaina tao ny "ecran geant" misy ny sarin'ny mpiantsa sy ny lohatenin'ny antsa.

Nahazoana fahafaham-po tanteraka koa ireo valim-panontaniana. Fifanakalozana nahafinaritra no azo amehezana azy hatramin'ny 5 ora hariva, niravan'ny lanonana.

Ny tranonkala Poetawebs dia mirary soa ho azy ireo hitombo hasina hatrany.

Tatitra: Isabelle Razanatsara
Nanampy : Léa Fandresena sy Narilala Ravakinoro
Sary: Narilala Ravakinoro

   
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/06/2016