Créer un site internet
Sorapiainan'i Le Myosotis
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
16 Janoary 2022
Hoy indrindra Le Myosotis teo am-pamaranana ny boky "Aloka sy Tsiky":

"Dia tapitra ny hirako e, tapitra sahady
 Tsy nampitony akory izato hetahetanao,
 anefa aoka izay fa mandrindrim-bavahady
 Iry volana baliaka sy mpiambina ao ho ao”

Andinin-teny nosoratany 28 taona mialoha ny nahafatesany ity ampahan-kalo maneho alahelo ity. Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa manamafy ny fifamenoan'ny haizina sy hazavana eo amin'ny fiainana izay manavaka ny mpanoratra amin’ny hafa. Raha dinihina koa dia fomba nentiny hisarihana ny mpamaky hampiorim-paka ao anatiny ny asasorany izao fanehoana izao, rehefa avy nampiteteziny ny ankoatrany, ary novokisany rotsirotsy feno fatra. Pôeta nandova sy nanovo no mahavita izany, miavaka amin'ny endrika famborahany hevitra, ampahatsiahiviny ary tsiahivin'ny maro.


1. LE MYOSOTIS NANDOVA SY NANOVO
Misy tokoa ny olona teraka sy notefen'ny fiainana ho pôeta. Iray amin'ireny i Charles Ratsaraoelina antsoina hoe Le Myosotis, teraka ny 5 Aogositra 1910 tao Ambohimalaza ary nodimandry ny 7 Jolay 1997. Tsapa tao anatin'ny 87 taona nahavelomany ny fiavahan'ny fiainan'ity pôetan'ny aloka sy tsiky ity, izay nokolokoloin'ny fiarahamonina nilomanosany ary nirobohany tamin'ny seha-pitiavana.

    1.1. Pôetan'ny aloka sy tsiky

Lahimatoa tamin’ireo efatra mianadahy naterak’Andriamitsara sy Razafy ray aman-dreniny ny lehilahy. Dimy taona ihany ny faharetan’ny fotoana nitoeran’izy ireo tao Ambohimalaza. Nifindra monina tany Toamasina noho ny asa aman-draharaha mantsy ireo nahitany masoandro, mpivady nifototra tamin’ny fambolena sy fiompiana ary varotra. Taratra tamin'io fifindra-monina io sahady ny harefon'ilay fo ngolingolin'ny alahelo sy embona noho ny fisarahan-toerana tamin’ireo namana aman-tsakaiza tany an-drenivohitra. Nanomboka teo no niaina izany embona sy hanina izany i Charles Ratsaraoelina.

Teo amin’ny fahasivy taonany anefa dia efa kamboty ray i Le Myosotis ary niverina tany Ambohimalaza izy. Niteraka tsiaro ho azy indray anefa izany fitodihana ny tanàna nahabe sy nahitany fahasambarana tanilan-dray izany kanefa toa tsy hitany intsony. Tsapany sahady ny fahabangana vokatry ny tsy fisian’ny olona afaka hisolo izay fikoloana nataon-drainy taminy. Tsy nisy azony natao anefa ankoatra ny fiononana tamin'ny anjara ratsy ho azy.

Lehilahy lava manifinify sy marirana endrika ary mitsiky hatrany Le Myosotis na dia hita fa fanakonana ny aloky ny tsiaro nangidy taminy aza izany indraindray. Na izany aza dia misoritra eny amin’ny tavany ihany ny endrika aloka. Ireo nifanerasera taminy anefa nahatsikaritra fa mora ifandraisana izy rehefa hatonina.

    1.2. Pôeta voakolo

- Fianarana nirona tamin'ny literatiora

Nanovo fahalalana tao amin’ny Ecole Superieure Flacourt i Charles Ratsaraoelina mandra-pivoakany ho mpiasam-panjakana tamin'ny 1931. Maro ireo mpampianatra nanefy azy ary nampirisika azy hamaky bokin’ireo mpanoratra frantsay malahelohelo lava. Nikolo ny fiheverany ny loko matroka teo amin’ny fiainana ny fifantohany tamin’ny bokin’ireo mpanoratra vahiny toa an’i Charles Baudelaire, H.Régnier, Marcelline Desbordes-Valmore, Victor Hugo, Alphonse de Lamartine, Alfred de Musset, Alfred de Vigny, Guillaume Appolinaire. Na dia tanaty fotoam-pialan-tsasatra aza izy dia nivimbina ny bokin’ny iray amin’ireo ary nandaniany fotoana mihitsy izany. Tsy ambakan’ireo ny fifandraisany tamin’ireo mpanoratra malagasy; nifanerasera akaiky taminy mantsy Ny Avana, Dox, Charles Rajoelisolo ary Rivo Romuald.

Singanina manokana Rajohary na Charles Rajoelisolo (1896-1968) izay nanolokolo an’i Le Myosotis teo amin’ny fomba fanoratra. Ankoatra ny tsipy hevitra famakiny tan-gazety mantsy dia nifanerasera mivantana izy ireo teo amin’ny fifampizarana fihetseham-po sy fampiroboroboana ny literatiora. Rivo Romuald  (1906-1941) na Romuald Ramananarivo indray dia tena sakaizany tsy nifankafoy taminy saingy tsy tena naharitra loatra ny  finamanany.

- Fibeazana misandrahaka

Efa ra mikoriana tao amin’ity pôeta ity ny fanoratana satria zanak’olom-pianadahy aminy i Harinety na Jeannette Raveloarielitsoa sy Zuissy-Phare na Justine Razanapara-Rakotovahoaka, mpanoratra vehivavy izay samy havanana amin’ny tononkalo sy sombintantara.

Mpikambana tao amin'ny UPEM (Union des Poètes et Ecrivains de Madagascar) sy ny Akademian’ Andrianampoinimerina i Le Myosotis. Anisan'ireo nanaraka an-dry Bolespara, Ny Avana,  Charles Rajoelisolo, J.-J. Rabearivelo izy tamin'ny fironana "Mitady ny very".

Maro ireo gazety nahitana ny tononkalo noforoniny: Ny Sakaizan’ny Tanora, Mpandinika, Fandrosoam- baovao, Hehy, Maraina Vaovao, Takariva-Ankehitriny, Madagasikara Sambatra, Vaovao Frantsay-Malagasy, Fanasina.

Nahatsiaro nahita fahasambarana tao anatin’ny fibeazana ara-kolontsaina Le Myosotis satria nilalao niaraka tamin’ny zaza indray nihira taminy. Nankafy ny fihainoana angano sy tantara hisintonana lesona teo amorom-patana izy satria tena nahaliana azy avokoa. Niara-dalana tamin’ireny ny fitendrena zavamaneno.

- Finoana miorim-paka

Ankoatra ireo voambara dia notezaina tamin’ny fivavahana kristiana izy ka niezaka nionona sy nitraka ary nahatoky an’Andriamanitra izay mpandahatra ny fiainany. Zava-dehibe ho an’ity pôeta ity ny fahanginana ho mariky ny fanoavana ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainan-janak’olombelona.

Mpitandrina am-polo taonany maro tao Ambohimalaza Raseheno raibeny avy amin’ny reniny. Nikolo ny fiainany ara-pinoana ny fifandraisany akaiky tamin’ireny loharano nipoirana ireny. Le Myosotis mihitsy no mampitraka ny reniny mba hanaiky ny fitondran’Andriamanitra. Hafa mihitsy mantsy ny fanehoan'i Le Myosotis amin'ny andalan-teniny ny hasambarana any ankoatrahoatra any:

"Fa eto ivohon'ny aramaso mbola hisy fitsaharana
 eny an-dasin'ireo kintana, any ankoatrahoatra any,
 any ankoatrahoatra any,
 any isika no hisambatra..."
 Rian-dranomasina

Tsara ihany koa ny manasongadina fa anisan’ny nahazo loka tamin’ny fampianarana Soratra Masina tao amin’ny fiangonana voalaza teo Razay reniny. Ny 28 Nôvambra 1948 no nandao azy ny reniny. Nilofosany fatratra ny fanabeazana ny taranany hametraka fanantenana amin’Andriamanitra.

- Le Myosotis sy ny aza manadino

Mialoha ny naha Le Myosotis azy dia Charles Ratsaraoelina izy aloha, ilay niantsoana azy teo am-pahaterahana. Avy amin'ny anarana latina "Carolus" ny Charles (Notrefamille), olona miabo, mahita hatrany ny lafy tsaran'ny fiainana ary manao izay tratrany hahatogavana amin'ny tanjony. Ny olona antsoina hoe Charles hono dia miseho ho tony sy matoky tena, hany ka alaviriny fatratra tokoa izay mety ho kizon'ny fifandirana. Mifanerasera aman'olona anefa izy kanefa tia fiainana mandry fahizay. Betsaka ireo andriamanjaka nitondra io anarana io ary azo tanisaina eto koa ireo pôeta toa an-dry Charles d'Orléans (1394-1465). Ao ihany koa ry Charles Baudelaire (1821-1867) sy Charles Rajoelisolo (1896-1968) taty aoriana ary i Charles Aznavour maty vao haingana (1924-2018).

Toy izao indray no azo lazaina momba ny Ratsaraoelina. Ankoatra ny mpanoritra anarana "Ra", dia toa milaza zavatra iray ihany ny "tsara" sy ny "well" dikany amin'ny teny anglisy; "mahafinaritra jerena" hoy Rajemisa Raolison (1985) ao amin'ny Rakibolana. Ny olona mitondra ny anarana Well koa anefa dia voalaza ao amin'ny namekun.com fa olona tony, toa ny Charles ihany, maharitra, mamindra araka ny ngadony manokana fa tsy miraharaha ny tsikeran'ny olona na ny fironan'ny daholobe. Misaina sy manam-pinoana ary mivelatra amin'ny sehatra maro koa ny Well.

Fanampin’ireo dia voafaritra fa anaram-boninkazo midika hoe "aza manadino ahy" ny Myosotis. Araka ny voalaza tamin’ny angano vahiny dia nisy mpifamofo nitsangantsangana teny amoron’ny renirano Danube (Eraopa). Tampoka teo anefa dia nahita voninkazo miloko manga teny ambony rano razazavavy ka naniry fatratra ny hahazo izany. Ho fanomezana fahafaham-po azy dia niezaka nilomano haka izany razazalahy. Kinanjo noho ny herin’ny onja dia tsy tody teny amorony izy saingy nanipy mafy ilay voninkazo ho an-drazazavavy ka niteny mafy hoe "aza manadino ahy". Nanomboka teo dia nilentika tanaty rano tao izy sy ny fitiavan’izy ireo. Izany sary voalazan’ny angano izany no nanjary fiainana nikolo an’i Le Myosotis indrindra teo amin’ny tontolon’ny fitiavana.

    1.3. Pôeta mitia

Toy ny olona nanam-pitiavana rehetra dia nifamatotra am-po tamin-jazavavy i Le Myosotis saingy tsy mba nolazainy ny anarany. Miresaka fitiavana miredareda izy ka anehoany fa mahatonga fiadanam-po sy saina ny fahitana ny endrik’ilay olon-tiana rehefa eo anilan’ny tena. Tsikaritra tamin’ny asasorany ny fanoratany ny vetsovetsony.

"O ! voatahiriny ao ny tsikitsikinao
 Ianao mitsiky lava mandresy izany foko
 Ny foko tia anao"
 Eo anoloan’ny sarinao, tak 109

Tsy naharitra anefa izany fa ravan’ny ankasomparan’ny tany izay zary loharanon’aingam-panahiny.

"Iny anaranao iny eo am-param-pofonaiko
 Ry zazavavy, tsy hitanao ve ny toera-nandevenana
 Ilay FITIA nijalijaly ka nitady fiafenana...?
 Ato anaty foko ato, eny, ATO NO MILEVINA"
 Ato no milevina, tak 129

"Dia tiako haverina mangina fa hany heriko sy mamy
 Ny anaranao ry tiako
 No hany kintana hanazava, fa toy ny endrikao lalaiko
 Ito lohasaha vakiko, ka hiampitako any ho any
 "Ary hitantana ny diako""
 Ilay anaranao, tak 112

Taty aoriana dia tojo vehivavy nanana anarana voninkazo iray hafa antsoina amin’ny hoe Raharisoa Fleur i Le Myosotis  izay noheveriny ho balisama nanasitrana ny ratram-pitiavany. Hoy indrindra mantsy ny kalony:

"Tiako ianao ka nofidiako mba hiara-dalana amiko
 Hiombon-tsiky sy tomany eny an-andro izay indramiko
 Tiako ireto masonao renodrenoka fijery
 Mba hanoroka ny tavako, ho hasambarako irery"
 Tiako, tak 107

Voambaran’ity pôeta ity fa tononkalom-pitiavana vao nitsiry no nanombohany nanoratra satria tojo ny fitiavana nampiredareda ny fony izy kanefa tsy naharitra ela. Taty aoriana dia nanorina tokantrano izy saingy rava izany ny 3 jona 1934 raha vao fito taona monja niombonana. Na izany aza anefa dia niteraka roalahy mbola niara-dalana taminy izy ho tsangambaton’ilay fitiavany voatoro.

2. LE MYOSOTIS MAMBORAKA

       2.1. Pôeta mikanto


Ankoatra ny tantara indray miseho dia manoratra tononkalo i Le Myosotis. Namoaka ny boky "Aloka sy Tsiky" izy ny 1969. Tsikaritra amin’ireo kalony ny fahaizany mandrindra ny tononkalony hitovy firafitra eo amin’ny andininy. Mitovy hatrany mantsy ny isan’andalana mamorona ny andininy mifanaraka anaty tononkalo.

 "Ry Raiko ô, ilaina sorona ankehitriny
 Ho vato fanorenana ny didinao fahiny
 Kanefa, nefa kosa aza akatonao sahady"
 Ny bokin’ny fiainako, raha tsy efa tapitra ady

"Endrey ny fihotakotak’ilay olon-tiako
 Hirary ny handaozako anao ilay nofidiko
 Kanefa Raiko ô ! mba hahasaraka ahy
 Hitady Paradisa ilay lapan’ny fanahy"
 Ora farany, tak 189

Miharihary ny isam-baninteny izay toa mifamaly rafitra ao anatin’ny tononkalony ka manamarika ny faharetany eo am-pihainoana ny isan’andalana.

"Asandratro ny hirako dia hiran’olona ory" (vanin-teny 17)
"Mitovana alahelo sy sento aman-tomany" (vanin-teny 16)
"Zay hatsarany, indrisy tsy ho hitanao akory" (vanin-teny 17)
"Fa nofy moa ka nofy sy vetsovetso ihany" (vanin-teny 16)   
Tak 21

Misongadina  ny rima izay manome feo mirindra ny tononkalo ka nanehoany fa mahakanto izay ventesiny izany fitovian’ny feo am-paran’andalana izany.

"Eny, fantatro fa misy ny adim-piainana mafonja
 Mampiraparapa ery sy manafotra ny onja"
 Fantatro, tak  203

Tsikaritra ao amin’ny tononkalo ihany koa ny rima tsy feno izay itovian’ny zana-peo misy ny tsindrim-peo na feo mitovy eo am-piafaran’ny andalana na dia tsy mitovy aza ny fomba fanoratra.

"Ilay mahantranao no tonga ity mahantra ory fo
 E, voatombatombako eto irony andro taloha"
 Ry ambanivohitro iny, tak 35

Manaitra ihany ny mahita ireo tononkalony ialohavana hafatra kely ho an’olona iray na maneho tranga iray. Manamarina izany ny tononkalo milohateny hoe "Tananam-boninkazo" izay ahitana soratra hoe "hovakin’i DOX ao amin’ny "Jardin d’amour"" eo ambonin’ny tononkalo. Ankoatra ireo lohateny misorabaventy sy maneho ny votoatin’ny kalo dia hita taratra ny lohateny izay miendrika mari-piatoana maneho fihetseham-po fotsiny toy ny tsoraka sy teboka telo. Tsoraka telo arahin’ny "..." no hita ao amin’ny tak 55 amin’ny boky "Aloka sy Tsiky".


     2.2. Pôeta milaza


Miavaka ireo kalon’i Le Myosotis amin’ny voambolana ampiasainy; miresaka ny nofy izay saro-takarina kanefa mateti-piseho eo amin’ny fiainana. Mety ho vinavina sy tombatombana ihany ny hevitry ny nofy ary mety tsy ho tanteraka aza izany.

"Harendriko eo ny nofy ho toy ny tena izany
 Ho toy ny tena tao"
 Ry hariva, Aloka sy Tsiky, tak 61

Pôetan'ny nofy izy ary pôetan'ny any ankoatra itosahan'ny aingam-panahiny ka itondrany ny mpamakiny any amin'ny lafatra indrindra.  Any amin'izany toerana ambony izany no mampitraka ka ibanjinan'ny maso amin'ny maha olona miabo an'i Charles. "Lafatra" hoy izy, izany hoe tsara na ilay "mahafinaritra jerena". Any koa no ahazoana fitoniana, araka ny maha "Well" azy, izay ikorianan'ny ony fialana sasatra, izany hoe fiantsampazana rehefa tojon'ny sarotra. Ireo singa roa ireo izay voarakitra ao amin'ny anarana Ratsaraoelina no tsikaritra eto:

"Atsory ny elatrao
 Fa hiaraka any isika hitady tonga lafatra
 Hitady ony mamy hialan'ny foko sasatra"
 Ry elatry ny nofy

Ahariharin’ny pôeta fa maneho ny fihetseham-po sy ny aingam-panahy ny tononkalo ka ilazany fa ny tranga mety mahonena izay nodiavina dia voasoratra tsy nahy anaty kalo ary ilazany hoe:

"Injao ny sentoko mahaory
 Fa mandona indray ity fo mbola mangana toloko
 Ka mandraparapa indrindra ito nofy resy loatra
 Njao ny tsiahy mahery loatra fa mandrotika ny foko
 Njao ny hirany nofisiko fa toa hira avy any an-koatra   
 mahadoroka amin-tory"
 Ny sentonay sy ny sentoko, tak 207

Mahatalanjona ny tononkalon’i Le Myosotis fa manjombon-dava kanefa olona mirana endrika mandrakariva ny lehilahy. Miharihary amin’ny tononkalon’ny pôeta ny fivetsoana ny alina izay mitahiry ny sento sy alahelo ary ny fahoriana mianjady ka mampanjombona ny tava.

Mpiambina o
 Izao moa ry aiko, no roa fahafiry
 No toa mangina ery ity alina etoana ...?
 Fa ny ao am-poko indrisy! Dia alin-girifiry
 Alin’alahelo sy alim-pisentoana
 Toy inona alina moa izao, tak 39

Miventy mandrakariva ny voahary manodidina izay maka ny endriky ny fiainan’ny olona eo anivon’ny fiarahamonina ny pôeta.  Voambarany avokoa na ny vanimpotoana samihafa eo amin’ny tontolo iainana na ny zava-manana aina sy tsy manana aina ifaneraserana ka tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny olombelona.

Ririnina ny andro... injany tsioka oriory
 Toa te hamboraka aminao izato sentony tomefy
 Eto an-alim-pahasambarana
 Hirahiran’ny ririnina, tak 45

Tsy hadinony ny mikalo ny voninkazo izay imatimatesany loatra ka itarafany ireo hatsarana maroloko eny aminy. Ny solon’anarany mantsy voninkazo; ny anaran’ny olon-tiany ihany koa dia toy izany ka namborahany ny atifony lalina.

"Fa nofisiko amin-tory hanitrao mamerovero
 Sy ny endrikao bakora izay efa tiako loatra
 Izato ngidin’ny kalisy, izato fatran’ny afero
 Dia efa taminao ihany no tsaroako fa voavoatra
 Ho matsora sy ho lefy, azoko mba nihafiana
 Hatreny an-tongom-pahoriana"
 Voninkazo, tak 29

Pôeta mpamboraka i Le Myosotis, eny, mamboraka ny tontolon'ny aloka, navohitrany tamin'ny alalan'ny alina, afero, ngidy sy hirifiry, ny soratra aman-tsoraka, ny nofy omban-tsento... Saingy tsy izy koa va no pôetan'ny tsiky eo amin'ny andavanandrony ka mahatonga azy ho sehatry ny tsiahy?




3. LE MYOSOTIS PÔETAN'NY TSIAHY
Nifanerasera tamin'ny olona maro i Le Myosotis ary anisany mazava ho azy ireo pôeta. Voarakitra an-tononkalo ireny fifandraisana ireny ary voakasik'izany koa ireo akaikiny na olona hafa nanamarika ny fiainany. Nanamarika ny fiainan'ny maro koa, ankoatra izany, i Le Myosotis tamin'ny alalan'ny asasorany ka nahatonga ny tsiahy hiantoraka any aminy.

    3.1. Ho an'ny namany pôeta 

Maro ireo asasoratr’i Le Myosotis izay mamaly ny kalon’ireo pôeta namany ka nanokanana ny takila maromaro hoe fiombonam-betso amin’ny mpanoratra sy sakaiza tiana. Voalohany amin’ireny i Rivo Romuald izay tena akaiky azy ka ilazany mandrakariva hoe pôeta sy sakaiza tiana na sakaiza malala.

“E ! tarangana tokoa ilay valiha izay nifaliako
 Ka hangina indray ny kalo eny an-tokotanim-bolana
 Fiaraha-misariaka
 Indrisy! Rakotra alin-kely izato soritry ny diako
 Ary sento sy alahelo no injany mitambolina
 Eto an-dalako mangiaka”
 Rian-dranomasina, tak 199

Hoy indrindra izy ho an’i Rado nampitondra ”hafatra” tao amin’ny gazety Hehy ny 28 avrily 1966:

"Tsy nisy izay nateliko
 ny hafatrao rehetra
 sao mba hanindrotsindrona izato aty fony;
 tsy nisy izay nateliko
 sao mba hisy tsetra
 hanonja eo imolony- tsetra tsy hitony ?
 Sao mba hanorika eny an-tavany
 Singan-dranomaso, raha omena anao havany”
 Ny hafatrao tak 205

Tsikaritra ihany koa ny tononkalo hafa natolony an'ity pôeta ity, pôeta nantsoiny tamin’ny anarany hoe Georges Andriamanantena, manao hoe:

"Hatraiza
 Mahareta ry sakaiza, amin’ny hazakaza-dava
 Eto an-dalam-pivahiny feno voina tsy misava
 Izato lanin-kirantsika, ndeha tohizo hamelovelo
 Mba hanatsara kely indray izato sento sy alahelo”
 Fantatro, tak 203

Hoy izy namaly ny tononkalon-dRandja Zanamihoatra ka nilazany hoe "valin-kira ho an-dRandja Zanamihoatra" tao anatin'ny nikaloany ny "Aiza ianao":

"hofohaziko eo ny lasa sy ny tsikiko nandalo
 Mba handranto nofy mamy eny an-dohasaham-bintana”
 Inty aho, tak 227

Toy izao kosa ny endriky ny setrin’ny tononkalon’i Dox “Lasa ery ny eritreriny” nosoratan'i Le Myosotis:

“eritreritra miserana, ilay takola-janak’olona
 Mahalasa ny vinaniny sy niriny mba homeny
 Oroka sy tambitamby, toy ny efa nanorohany
 Itsy felam-boninkazo izay niraika teo an-dohany”
 Eritreritra ihany iny, tak 223

Tsy valin-kafatra ihany anefa no dikan’ny kalo ampitaina ho an’ny namana fa fampaherezana ihany koa noho ny voina izay nitranga tahaka ity nosoratany ho an’i Dox izay namoy ny vadiny ity:

“mangirifry ianao... nefa misy ankoatr’ireo voalazanao
 Balsama hafa, hafa noho izao aramaso izao;
 Any an-dapan’ny mpivavaka, any ankoatrahoatry ny any”
 Ataovy fiononanao, tak 221

Iray vanimpotoana i Le Myosotis sy i Dox, teraka tamin'ny 1910 sy 1913, ilay voalazan'i J.I. Ramiandrisoa hoe "pôeta taranaka fahatelo", nandimby ireo nosokajin'ny tantara hoe mpanoratra zokiny sy mpanoratra zandriny. Tsy tena nifanalavitra an-jato taonany anefa ireo sokajy ireo ka maro tamin'izy ireo no nifanerasera. 30 taona i Le Myosotis tamin'ny andro nahafatesan'Ny Avana mpanoratra zokiny. Hafa mihitsy ny fomba fanehoany ny alahelony niverimberina tamin'ireto andalan-teniny ireto izay notohizany tamin'ny hasaforana noho ny sentom-po tsy tana:

“Indrisy izato alahelo
 Izato alahelonay
 Izato alahelon’ny foko
 Izato alahelon’ny nosintsika
 Ry NY AVANA malala
 Injany ny fanonjanonjany
 Injany ny fanafotsafony
 Eny, manafotsafotra …”
 Ny sentonay sy ny sentoko, tak 207

Anarana pôeta notsongaina tamin'ny fotoan'androny ireo namana nifampahatsiahy taminy ireo: Rivo Romuald, Rado, Randja Zanamihoatra, Dox, Ny Avana. Mbola mitoetra ho fitaratra sy fakan-tahaka izy ireo ankehitriny ary namelan'i Le Myosotis "tsiahy" voarakitry ny literatiora malagasy. Tsy ny pôeta namany ihany akory no nanoratan’ity pôeta mahatsiahy ity fa misy sokajin’olona nanamarika ny fiainany manokana izay nandona ny fony loatra ny fahalasanany.


Mitsangana miankavanana : Jeannot Ratsimbazafy, Rado, G.R.G., Le Myosotis, RHA Nary, Célestin Andriamanantena sy ny vadiny, Ralison Jean, Abeline Eléonore, Ranaivo Julien, Mamy Zézé.
Mipetraka miankavanana : Jean Rossinah, Ramy, Randy

    3.2. Ho an'ireo akaikiny

Anisan’izany ny iray kibo aminy Madeleine Razaiaritsara izay nandao azy tsy fidiny ny Paska 1964 ka namosahany ny hoe:

“tsaroako loatra izany isika namakafaka ny fiainana
 Izay feno dinitra sy voina mampilofika fisainana
 Tsaroako izato hery feno izay natolotrao ny foko
 Mitondra izato ratra lalina, mangamangana toloko"
 Toy ny vao omaly tak 213

Tsy nohadinoin’ity pôeta mahatsiahy ity ny andrarezin’ny literatiora toa an-dRabary Mpitandrina. 37 taona i Le Myosotis tamin'ny andro nahafatesan-dRabary teo amin'ny faha 83 taonany. Azo lazaina ho very loharanom-pahalalana izy tamin'izany araka izao vetsony izao:

kanefa hoy aho,
 Mbola amin’ny ora ilako azy loatra
 Ity fanahy salaina, endrey! tsy tsara voatra
 Ny foko…
 Ho entiko izy tak 212

Ny fodiamandrin’i Dr Richard Rajaonera tamin'ny 5 Febroary 1969, anisan’ny Mpampianatra mpikaroka teny amin’ny Oniversite, no nahateraka ity kalony ity:

 “aiza moa no tsy hahatsiarovako ny maha-ianao rehetra
 Aiza moa no tsy halahelovako, ity ianao izay tsy nitoetra;
 Aminay mantsy ianao dia ilay kintan’ny fikirizana
 Nireharehanay am-po nihafy mba hisy fitoviana”
 Ny velomako tak 217

    3.3. Avy amin'ny tinefiny

Nanefy olona maro i Le Myosotis toa ny nanefen'i Charles Rajoelisolo azy tamin'ny fomba fanoratra. Tsy fantany akory aza angamba ny akon'ireny asasoratra napariaka ireny kanefa dia nisy tokoa ny tahaka an'i F.-X. Mahah. Mavesa-danja tokoa mantsy ny gazety ary anisany ny gazety Hehy araka ny nambaran'i F.-X. Mahah tao amin'ny Tapatapakahitra nifanaovany tamin'ny Pôetawebs:
 
"Ny gazety Hehy no tena nanoratako nanomboka tamin’ny taona 1966. Tamin’io fotoana io no nahitako  ny tononkalon’ny poety toa an-dRajaonarimanana Narivelo (na ny Malodohasaha), Jean Nalisoa Ravalitera, Rabenja Salomon, Razafiarivony Wilson, Land-el, Ratsaraoelina Charles (Le Myosotis), Esther Andriamasivelo (Essy-Lala), Ranaivo Julien sy ny maro hafa izay samy nahaliana ahy tamin’ny asa-sorany. Tsaroako fa tena liam-pahalalana ny momba ny fanoratana tononkalo aho tamin’izany fotoana izany."

Nanana fahatsiarovana lehibe tamin'i Le Myosotis tokoa i F.-X. Mahah. Tao amin'io gazety Hehy io no nahitany voalohany ny tononkalony ary nanombohany nankafy azy. Tsy nijanona hatreo anefa ny tantaran'ireto pôeta roa ireto araka izao fanazavan'i F.-X. Mahah izao:

"Niara-nianatra tamin'ny zanak'i Le Myosotis aho ary mpinamana izahay. Tao amin'ny Route Circulaire Ampandrana ry zareo no nipetraka. Anisan'ny pôeta tena nankafiziko i Le Myosotis; nisy fotoana mihitsy nitondran'ny zanany ahy nankao an-tranony ary niresaka be izahay. Momba ny gazety Hehy sy ireo tononkalony tao no tena niompanan'ny resaka".

Araka izany dia misy fifanakaikezana eo amin'i Le Myosotis sy  F.-X. Mahah eo amin'ny lafiny fomba fiaina sy fanoratana:

"Nahafinaritra ahy tokoa ny tononkalony rômantika ary anisan'ny namefy ny fomba fanoratro. Tsara ny manamarika fa olona tsotsotra i Le Myosotis teo amin'ny fiainana. Tao anatin'ny vinako mihitsy aza ny handika ny asasorany amin'ny teny frantsay saingy tsy tanteraka".

Raha mbola loharanon'ny tsiahy ihany koa no roritina dia manana toerana makadiry ny boky, eny fa na dia ambonimbony kokoa noho ny gazety aza ny sarany. Tsy toy ny santionana tononkalo mivoaka tsindraindray an-gazety mantsy no ianohanan'ny mpamaky fa amboara mihitsy toy ny "Aloka sy tsiky" resahin-dRaoily Ranaivo tao amin'ny Facebook ity:

"Namaky an'io bokiny io aho. Mpanakanto ngezalahy izy eo amin'ny fanaovana andalan-tononkalo: ny figadony, ny fanonjanonjany, misarika sy mambabo anao izany; moa tsy toy ny eo ambony lakana entin'ny alon-dranomasina mandroso sy miverina hatrany, ka mandrotsirotsy anao hatrany hatrany. Ary hadino ilay naoty kely ho an'ny olona, anton'ilay tononkalo"

Fehiny

Tsy tongatonga ho azy teto an-tany ity pôetan'ny aloka sy tsiky ity fa nandova sady nanovo. Tao aloha ny fianakaviana nipoirany izay niaina tao an-tsahan'ny literatiora. Nandray fahalalana sy fanabeazana mirona tamin'izany izy tany an-tsekoly. Notezain'ny tontolo marolafy izy noho ireo hotakota-piainana nosedrainy toy ny fifindra-monina, fahakambotiana fahakely, fahadiforan'ny dinam-pitiavany. Noharoiny tsiky hatrany anefa izany ka nahatonga ny "aloka sy tsiky" ho filamatry ny fiainany manontolo. Izy no pôeta ary elatra nitondra ny mpamaky hitety ny ankoatra mba hiaina ny lafatra sy hitraka manoloana ny sarotra. Nahay nifandray aman'olona izy ary voamarina ny maha pôetan'ny "aza manadino" azy tamin'ny alalan'ny takalon-tsiahy voarakitra ara-literatiora ary mbola mitohy ankehitriny. Tsikaritra amin'ny andinin-teniny kanto izany ary isongadinan'ny refy sy feo manara-drafitra, endrika mahasarotiny azy tokoa.

"Dia tapitra ny hirako e, tapitra sahady" hoy izy taona maro talohan'ny nitsaharan'ny peniny. Mety ho midika izany fa efa tratrany sahady mialoha ny fotoana ny tanjony, dia ny fampitana amin'ny mpamaky ny hafany sy ny angaliny. Amin'ny maha Charles azy mantsy dia mahita hatrany ny lafy tsaran'ny fiainana izy ary manao izay tratrany hahatongavana amin'ny tanjony. Kanefa mbola nanohy nihira hatrany izy satria maro tanjona misandrahaka amin'ny sehatra samihafa ilay pôetan'ny aloka sy tsiky.

Loharanon-kevitra

- Le Myosotis, (1969), Aloka sy Tsiky, Antananarivo
- Rakotonirina Michel Martin, 2002 , Voninkazo aza manadino : tandindon’ny fifandonan’ny Aloka sy Tsiky ao amin’i Le Myosotis sy ny asa sorany, Maitrise  Es Lettres, Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba malagasy
- Ramiandrisoa J.I., La Bible, source d'inspioration poétique, Quelques exemples: thèmes eschatologiques.
- Ratelolahy,1989, Ny Poezia tarafina ao amin’ny asasoratr’i - Charles Ratsaraoelina :Aloka sy Tsiky, mini-mémoire de poésie malgache moderne, ENIII, Antananarivo

Takila aterineto

- Literatiora Malagasy. Iza moa no iza? Charles Ratsaraoelina.  Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.facebook.com/1741648092718091/posts/izy-moa-no-izacharles-ratsaraoelina-na-le-myosotis-teraka-taminny-10-aogositra-1/1743501902532710/
- NameKun. Signification Du Prénom Well. Tsikaritra ao amin'ny:
http://www.namekun.com/fr/prenom-signification/well
- Notrefamille. Le prénom Charles. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.prenoms.com/prenom-garcon/charles-6809

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 15/04/2022