Créer un site internet
poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
08 ôktôbra 2018

KORANINA IARAHANA AMIN'I EZRA S.

Ny Pôetawebs dia miezaka mizara fahalalana samihafa eo amin’ny tontolon’ny tononkalo. Koa mitapatapakahitra mikasika ny tononkalo sy asa soratra terak’izany amin’ny fiteny Betsimisaraka indrindra i EZRA. S. Toy izao ny tafa niarahan’i Tsikimilamina taminy.

Tsikimilamina Rakotomavo (T.R.)
Miarahaba anao Ezra, eleaela isika mianadahy tsy nitafa, misaotra anao indrindra manaiky ho vahin'ny Pôetawebs.

EZRA.S. (E.S.)
“Mañantitry mböla tsara sy akory lahaly” aminö ny tenako. Tamin’ny 13-14 Volana Septambra 2013 no nihaonantsika farany tao Ambohimanga Rova Antananarivo.

T.R.
Mahatadidy kosa ianao! Mety ho maro no mbola tsy mahalala anao nefa tsy vitsy ihany koa no te hahafantatra; koa azonao ambara ve ny mombamomba anao?

E.S.
Ezra S. no anarana maha mpanoratra ary EZRA Samuel Seth no anarana ao anatin’ny kara-panondro. Zanak’i SETH Samuel sy BERTHINE. Dimy mianadahy izahay kibo raiky ary izaho no faralahy. Manambady an-dRAZARANABOLOLONIRINA Henriette Juliussa hatramin’izay ka ho mandrakizay. Manan-janaka roa vavy: RAMANANTSIHOARANA Ezrinah sy RAMANAMPITAHINA Seth Archa.

T.R.
Inona àry no dikan'izany anaranao izany, sa olomasina?

E.S.
Dadilahiko TIDA Samuel izay Mpitondra fivavahana Anglikana tany Mahambo no nametraka io anarana io satria saika nalaina anaty Baiboly daholo ny anaran-janany sy ny zafiny. Mpinamana tamin’ny JEMS SETH izy dia izany no nanaovany ny anarako misy SETH.

T.R.
Ny anton-draharahanao andavanandro? Fialambolinao?...

E.S.
"Investigateur" ao amin’ny orinasa G4S - Toamasina no asa amelomako vady aman-janako. Manao velakevitra amin’ireny sekoly ireny ary mamaky boky any amin’ny mangingina no fialamboly tena tiako. Miala ny tanàna mihitsy.

T.R.
Ahoana ny fandrindranao ny fandaharam-potoananao eo anatrehan’izany rehetra izany?

E.S.
Alatsako amin’ny andro sabotsy tsy fiasako ny fandaharam-potoana rehetra. Rehefa lavidavitra ny toerana alehako dia mangataka fahazoan-dalana amin’ny toeram-piasako aho.

T.R.
Hono, ho'aho Ezra, manaiky ny maha mpikanto anao ve ny ankohonanao sa manakana?

E.S.
Araka ny fahitako azy aloha dia manaiky ny maha mpikanto ny ankohonako, satria ny fanirian’ny Raiko dia ho lasa mpanoratra aho ary efa nanomanany boky maro be na mbola tsy namaky teny tamin’izany.

T.R.
Ny fahitako an'i Ezra dia tena maresaka, inona no toetra mampiavaka anao?

E.S.
Anisan’ny mampiavaka ahy ny toetra azoko tamin’ny fitaizana TILY dia ny fahasahiana amin’ny zavatra hatao. Sarotiny amin’ny zavatra tiako aho.

T.R.
Inona no toetran'olona tena manahirana anao indrindra?

E.S.
Ny toetran’olona tena manahirana ny saiko dia olona "mizahozaho" na manambony tena eo amin’ny fiainana.


G4S Toamasina

T.R.
Hivadika eo amin'ny tontolon'ny Kanto isika EZRA. S., iza no anarana isaloranao eo amin'ny sehatry ny soratra? Inona no antony?

E.S.
EZRA S. no anarana maha mpanoratra izay nalaiko avy amin’ny anarako EZRA Samuel Seth ihany. Lyolis Samuel kosa no entiko raha soratra masiaka, na manakiana fitondrana na masira no soratako.

T.R.
Mandeha irery ve i Ezra sa anaty fikambanana?

E.S.
Ao anatin’ny Mpiraifaribolana Sandratra Sampana Toamasina ny tenako ary mandrindra ny Faribolana Sandratra any Fenorivo-Atsinanana ihany koa.

T.R.
Ahoana ny fiaraha-miasan'ny sampana misy anareo amin'ny Faribolana Sandratra Foibe?

E.S.
Amin’ny maha faribolana azy moa dia mirindra satria misy hetsika ho an’ny sampana manokana, dia misy solontenan’ny mpandrindra Nasionaly manotrona na manome hevitra hanatsarana ny asa.

T.R.
Efa namoaka boky ve i Ezra? Inona avy ny lohateniny?

E.S.
Efa namoaka boky ny tenako, tsy hilaza afa-tsy izay navoakako farany angamba: Vola tsy vaky - Poeta sy Fahitany – Vazon-driaka – Lango – Sangy sa Kaikitra – Sakoàña sns.

T.R.
Iza no mpanoratra tena ankafizinao?

E.S.
Raha Malagasy izy dia i Randja Zanamihoatra ary raha vahiny izy dia i Charles Baudelaire.

T.R.
Iza no mpanakanto tena mahaliana anao?

E.S.
JEAN FREDY – TIANJAMA – MAHALEO – NY AINGA

T.R.
Miavaka tokoa ianao eo amin'ny famoronana karazana asa soratra vaovao ary tsy fandre matetika. Ianao mihitsy no mivoy ny tönkalo sy tökandriaña isaky ny mitety vohitra. Tononkalo ihany ve izany tönkalo sy tökandriaña izany, azonao hazavaina ve?

E.S.
Raha ny tönkalo dia fitambaran’ny tökatöka sy tononkalo. Tsara ihany ny manazava ny atao hoe tökatöka ho an’ny tsy mahalala:
Voasokajy an’isan’ny Literatiora am-bava ny tökatöka. Izany no iantsoana azy amin’ny faritra Betsimisaraka. Hoenti-manentana ny tökatöka ary mipetraka ihany koa ny maha fampitan-kafatra azy. Ampiasaina ny tökatöka na an-kasoavana na an-karatsiana izay avy amin’ny hoe “tokàviña”: midika ho ozona.
Raha ny endriky ny tökatöka ivelany izay voarakitra an-tsoratra dia mitovy amin’ny endriky ny tononkalo malala-drafitra izy. Raha araka ny hevitra kosa dia milaza zavatra tsy mitombina indraindray kanefa mandresy lahatra ka mety hampihomehy ny vahoaka. Eo indrindra no mahatonga azy ho fialamboly ihany koa. Mitanisa zava-marina sy zava-misy koa ny tôkatôka.

Ny tökandriàña kosa dia fitambaran’ny Tökatöka sy Riankalo. Hazavaiko ihany aloha ny riankalo.
Ny Riankalo dia azo faritana tahaka izao ankoatra ny namaritan’ny mpamorona azy (Ranöe). Tononkalo izy saingy misy riany. Ny endriny ivelany dia ampy hahafantarana ny Riankalo. Toy ireny fanonjan-dranomasina ny filantony sy ny famakiana azy. Mazana dia ao anatin’ny tontolon’ny fitiavana no ilalaovan’ny mpanoratra azy. Ny zava-kanto vita amin’ny teny dia anisan’ny mandoko ny Riankalo. Fitambaran’ny tononkalo sy Sombintantara ny Riankalo.
Raha teraka ny zaza dia mahazo anarana ary raha teraka ity karazan-tsoratra ity dia natao hoe Tökandriàñany no anarany. Fitambaran’ny tökatöka sy riankalo no nahazoana ny Tökandriàña izay niorina tamin’ny 17 fébroary 2007 tao anatin’ny alimbetso. Izaho no namorona azy. Milaza toreo ny Tökandriàña ary ahitana tsiro mampiavaka azy izay hiangaliana amin’ny tenim-paritra Betsimisaraka. Noho ny maha fampitan-kafatra azy ihany koa no mahatonga azy ahitana teny Malagasy ofisialy mba hahamora ny fandraisana ireo voambolana sarotra takarina. Mety ahitana ohabolana na oha-pitenenana ny Tökandriàña ary natao hantsaina izy hatreto fa mbola tsy dinihina tahaka ireny fanadihadiana lahatsoratra amin’ny laza adina ireny. Endriky ny literatiora ankehitriny ny Tökandriàña satria mivoy fitiavana, tontolo iainana, mitanisa ny fahantran’ny Malagasy, sy miresaka ny fiaraha-monina mivantana sns.

T.R.
Afaka manome santionany amin'ireo karazana asa soratra ve ianao?

E.S.
Ireto misy santionany

Tönkalo

“HAVAN-DAVITRA”

O àda!
‘Sy havan-davitra ma ‘ ziñy a...
Mmmnnhh... Gasy miña araha,
Gasy alilahy.
Ilözaña tsy tody
añy ambany rangolahy
tsy vangiaña mahatsiaro
vö tönga zaza itàny
fö hañatero karakara
hiambèsako tanàña
k’ambilè asiàko alöha ñy veloño
na manjoàña ñy fitreroña!
‘Zaho ‘zañy...
Mmmnnhh...Gasy miña araha,
Gasy alilahy.

O àda!
‘Sy havan-davitra ma ‘ ziñy a...
Mmmnnhh... Gasy miña araha,
Gasy alilahy.
Ñy sôron-tsy variaña
aminè añy amôron-tsiraka
‘lay tandrôndro mañià-baratra
mañala ñy tsy lilahy
kô vahiny tsara söra
ambilè hilakalaka
‘zèy vö anö mizàka
tsy fady anè rö ranamaña iñy è !
‘Zaho ‘zagny...
Mmmnnhh...Gasy miña araha,
Gasy alilahy.

O àda!
‘Sy havan-davitra ma ‘ ziñy a...
Mmmnnhh... Gasy miña araha,
Gasy alilahy.
Ñy tèña Malagasy
efa sasatra avahizo
zare mbô avara-pi
mameno vazan-tany
amin-toétry tsy manjary
mamosiàña môlobeny
kô mbô miteny Gasy
añy an-taniñ’ôloño añy...
Zaho ‘zagny...
Mmmnnhh... Gasy miña araha,
Gasy alilahy.

O àda!
‘Sy havan-davitra ma ‘ ziñy a...
Mmmnnhh... Gasy miña araha,
Gasy alilahy.

Ñy fasan-tsy mitôvy
nöha sômby ambödi-tràño
tsy vangiàña mahatsiaro
na ñy naleviña an-kijany
tsy ‘zèñy föña mandöza
mbô misy koà mandöva
fanañan’ôlon-kafa
nèfa sômby Razan-drèky
nandoro Rova ma ‘sy loza a?
‘Zaho ‘zagny...
Mmmnnhh...Gasy miña araha,
Gasy alilahy.

O àda!
‘Sy havan-davitra ma ‘ ziñy a...
Mmmnnhh... Gasy miña araha,
Gasy alilahy.

EZRA S
Vatomandry 2006

Tökandriàña

“ ZAHO ALESY MANAÑA ÑY TIAKO”

E ! Tiàko anö Baià, ...Fa
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
Baï...Baià...Fa
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
De izaho màka sary anö an-tsaina, toa tsy mana-terotero-po hisongeriña intsony intsony hitafy ny fisiako mively bingy am-poto-tsofin’ñy mareñina andavanandro, ka henemaña ñy tàfô té-hihàino dibodibok’hafatra mampadiva ho deboka ñy ambim-peo botsiaka, sisa mba mikobaña añatinao é !...
Baï...Baià...Fa
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
Atoroy vôhony izy, fö andö hotohizaña foàña ñy mômbamômba antsika roa rahavako. Hañomé tsiñy anö añ’izaho raha sèndra misy vôñony ñy fitiàvanö ahy malala...Satria efa napariàkanö mare añ’aiñy ilay feom-baliha fiantsoako torimaso lalina, de nafoiko tsy ho an’olona no sady tsy ho anao ihany koa ñy anjara tonon-kirako é !...
Baï...Baià...Fa
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
Nifañandimbandimbaña ñy èlañèlantsika, de nañano moraingy tao an-dohako aho mba tsy hañanövanö ‘zèñy amin’ny maha eo ahy ary efa nahivako ihany koa ireo efa latsaka ambony amin’ny fikasantsika roa, f’aleo ho eo ho eo izy é !...
Baï...Baià...Fa
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.

E ! Tiàko anö Baià, ...Fa
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.
‘zaho alésy manaña ñy tiàko.

EZRA S
Toamasina
17/02/2007


Lycée Vohilengo Fenoarivo Atsinanana

T.R.
Mahafinaritra sady mahaliana na ny fomba famakiana azy aza, amin'ny fiteny Betsimisaraka avokoa ireo asa soratrao ireo?

E.S.
Amin’ny fiteny Betsimisaraka no ahazoako aina rehefa manoratra aho ary te haneho amin’ny Malagasy rehetra fa manana ny maha izy azy ny fiteny isam-paritra.

T.R.
Marina ny voalazanao EZRA.S. Inona no tena hevitra voizinao amin'ny tononkalonao?

E.S.
Fitiavan’olon-droa – Fitiavan-Tanindrazana

T.R.
Ahoana ny fiheveranao ny atao hoe fitiavan-tanindrazana?

E.S.
Araka ny fiheverako ny fitiavan-tanindrazana dia miainga amin’ny hambom-po sy fahalalana ny tantara.

T.R.
Poeta lava tongotra i Ezra S., mankaiza foana ianao tsy mahatombina io?

E.S.
Mararirary mihitsy ny aiko raha tsy mitory ny filazantsaran’ny literatiora. Mazava ho azy fa manao velakevitra sy miantsa tononkalo ary miala voly. Manatanteraka ilay tononkalo mitety vazantany.

T.R.
Ahoana ny fahitanao ny lesoka sy mety ho avin'ny tononkalo malagasy?

E.S.
Tsy maintsy sorakanto sy manaitra ny mpamaky no hosoratan’ny mpanoratra raha hijery ny ho avin’ny tononkalo Malagasy. Ho liana kokoa ny olona amin’ny famakiam-boky.

T.R.
Hamaramparana ny tafa isika, inona no hetsika ketrehinao atsy ho atsy Ezra. S.?

E.S.
Ny akaiky indrindra aloha dia ny fandraisako anjara amin’ny fihaonamben’ny soratra ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra ny sabotsy 13 oktobra 2018 amin'ny 10 ora ao amin’ny Tranombokimpirenena Ampefiloha Antananarivo. Hisy velakevitra milohateny hoe: ”Literatiora Betsimisaraka tarafina amin’ny asa soratry ny Faribolana Sandratra” hotontosaiko. Hivoaka amin’io fotoana io ihany koa ny boky ANGIRA izay nosorotako. Tsy ho ela kosa ny famoahana ilay boky MARIBONINAHITRA iarahana amin’ny Faribolana Sandratra Toamasina.

T.R.
Vaovao tsara ho fantatra avokoa izany ry EZRA.S. ary misaotra anao nanaiky nitapatapakahitra teto amin’ny Pôetawebs izay maniry ny fisandratanao ho avo eo amin'ity sehatry ny kanton'ny teny ity. Manantena vokatra vaovao amin’ny manaraka.

E.S.
Mankasitraka anao Tsikimilamina mampahafantatra ny tontolon’ny tononkalo sy ny mpanoratra azy amin’ny lafivalo. Eto aho dia manentana hatrany antsika izay liana amin’ny literatiora mba hanotrona ny velakevitra izay hanasongadinako ny literatiora amin’ny fiteny Betsimisaraka ny sabotsy 13 Oktobra ho avy izao. Tongava fa harena be ho antsika izany.

T.R.
Amin’ny Sabotsy mifankahita EZRA.S.

E.S.
Veloma, Tsikimilamina, andro hafa indraiky mitrötrö.

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 07/10/2018