Tapatapakahitra nifanaovan'i Santatra tamin'i Léa Fandresena
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

05 janoary 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

SANTATRA RAFENOMANANTSOA
MANOLOTRA NY BOKY "TONTOLO FAHATELO"
Pôetawebs Pôeta tanora indray no vahinintsika eto amin'ity efitry ny tapatapakahitra ity, tsy iza izany fa i Santatra Rafenomanantsoa, manolotra ny boky :

"Tontolo fahatelo"

Mamaly ireo fanontanian'i Léa Fandresena, mpikamban'ny tranonkala Pôetawebs, izy, momba ny bokiny, ny lalana nodiaviny ary ny tontolo maha pôeta azy.
Santatra Rafenomanantsoa
Léa Fandresena

Léa Fandresena
Faly miarahaba an'ireo mpiseran'ny Pôetawebs ary faly miarahaba anao koa Santatra Rafenomanantsoa tonga soa. Omena anao ny fitenenana.

Santatra Rafenomanantsoa
Faly miarahaba anao Léa Fandresena, ianao sy ireo namana mpiara-miasa aminao eto amin'ny tranonkala Pôetawebs. Faly miarahaba ihany koa anareo namana mpanoratra sy pôeta ary isika mpiara-mankafy ny literatiora malagasy.

Léa Fandresena
Iza marina moa i Santatra Rafenomanantsoa?

Santatra Rafenomanantsoa
Rafenomanantsoa Santatra Ny Aina Alfa eo anivon'ny fiarahamonina, Santatra Rafenomanantsoa kosa eo amin'ny sehatry ny fanoratana. Zanaky Rafenomanantsoa sy i Vololonirina Simone aho.
Ilay anarako eo anivon'ny fiarahamonina dia teraka tamin'ny 01 jolay 1993 tao Merinavaratra-Anjanadoria ary ny anarana nahafantarana ahy teo amin'ny sehatry ny literatiora kosa dia teraka tamin'ny taona 2015 tao Fianarantsoa.
Ankoatra ny maha mpanoratra tononkalo ahy dia efa nisy fotoana aho nilalao tantara fandefa an'onjam-peo, mitsoka farara ihany koa no mba fialamboliko.


Léa Fandresena
Faly mahafantatra anao izahay. Misy zavatra novolavolainao nandritra ny fotoana efa elaela ihany. Masaka ny nahandro ankehitriny ka azonao aroso ho anay mpankafy anao ve ny zava-baovao?

Santatra Rafenomanantsoa
Marina tokoa izany fa misy zavatra novolavolaiko. Efa ela tokoa no nandrahoana azy ity fa izay vao azo lazaina ho masaka, izay vao azo lazaina hoe teraka tongatonga volana fa mba mangataka rom-patsa avy amintsika hono ny vatsy e!

Arosoko tokoa izy ity ka dia mazotoa homana : boky mitondra ny lohateny hoe "Tontolo fahatelo", amboaran-tononkalo manana pejy 66 isa. Misy ny sariko eo amin'ny fonony anoloana sary fasana marobe alokalofan'ny tontolo maitso eo amin'ny fonony ivoho.

Izany ka tontolo azo lazaina ho lafatra satria Zanahary tsy ampiampy kely, zanahary sembana, zara fa zanahary no nanorina azy. Izany no tontolo itoeran'ny fo sy saina ary iombonany amin'ny fanahy, izany no tontolo fahatelo izany no atao hoe "AINGA". Marihiko eto koa fa misy sary manana ny pejiny mifanaraka amin'ilay tononkalo ao anaty boky.




Léa Fandresena
Mahaliana tokoa izy izany. Azonao ambara anay ve ny tarakevitra voizina ao anaty amboara ao?

Santatra Rafenomanantsoa
Mivelatra amin'ny endriny maro ny tarakevitra voiziko ao anaty amboara :

- ao ny momba ny ranomaso sy alahelo
- ny fahafatesana indrindra indrindra (nisy fotoana aza ny aingam-panahy nanatona ny fasana mihitsy nanontany ny efa lasana hoe : "mbola miaina ve ianareo efa maty any?"
- na dia eo aza ny alahelo sy ranomaso dia mba manana tarakevitra momba ny fifaliana koa ny aingam-panahy.

Léa Fandresena
Mivelatra tokoa izany. Misy namana manampy ve ianao ao anatin'io boky io, ary ahoana no atao raha maniry hitazona ilay boky? 

Santatra Rafenomanantsoa
Atero ka alao moa ny fiainana e! Noho izany, tsy vitako izaho samirery ny ao anaty boky fa misy dia misy tokoa ireo namana nanampy, koa eto aho dia maneho fisaorana azy ireo satria toy ny kanda ity harena ity raha tsy teo izy ireo nanampy.

- isaorana i Monja Sidoana Fleubert nanao ny fonom-boky
- isaorana i AniAntra nanao ny teny fanolorana
- isaorana i Sandratra Andriamampionona nanao ny sary ao anatiny
- isaorana ny "Creation 9/CP9 production" nanonta ny boky

Léa Fandresena
Inona ilay kanda raha tsy mahadiso dia aiza no ahitana boky? 

Santatra Rafenomanantsoa
Ny kanda moa izany dia tsara ihany ny mamboraka ny heviny fa mitovy hevitra amin'ny tsy miteraka.

Tsy hadino ihany koa ianareo pôeta sy mpanoratra namana toa an-dry Ny Iraka Rambolamanana, ry Fredy Jaofera, ry Ankoay fa tena nanampy tamin'ny fanitsiana.

Raha maniry hitazona ilay boky moa izany ianareo dia azonareo atao ny manatona ny tranombarotra Santatra Fianarantsoa eo ampitan'ny fonja raha ny any Fianarantsoa. Ny any amin'ny faritra kosa raha mila dia afaka mandefa ho anareo izahay. Azo ifampiresahana tsara koa aho eto amin'ny tambajotran-tserasera ho anareo namana maniry hitazona ilay boky. Ny boky moa izany dia jifaina amin'ny sarany 10000 AR ka dia mazotoa mamaky daholo tompoko ho anareo izay hanjifa.

Léa Fandresena
Misaotra anao amin'izany fanazavana izany. Manam-paniriana hanao hetsika hamantarana io boky io ve ianao?


Santatra Rafenomanantsoa

Eny, tena manam-paniriana tokoa fa hatreto aloha dia hetsika an-dalambe no efa natao, izany hoe eny am-pifohana sigara ka sady miantsa no mivarotra fa mbola ho avy ny hetsika manaraka mba hampahafantarana bebe kokoa momba ny boky. Holazaiko eto ihany moa ny daty sy ny toerana hanaovana ny hetsika amin'ny manaraka.

Léa Fandresena
Mankasitraka anao. Havadika kely ny tafa. Ahoana ny fahitanao ny firoborobon'ny famokarana boky sy ny fankafizan'ny olona azy ireny?
Santatra Rafenomanantsoa
Efa manomboka miroborobo tokoa ny famokarana boky ary raha mandinika aza isika dia toa hita matetika etsy sy eroa izany hetsika famoaham-boky izany. Efa maro ihany koa ireo pôeta sy mpanoratra no manentana ny olona mba hamaky boky. Efa manomboka mihamitombo ihany koa ny toerana famakiam-boky any amin'ny faritra maro samihafa.

Tena tsara ny tolona sy ny fihazakazahana fa raha hihazakazaka ihany dia aleo mihazakazaka tsara. Raha hitolona ihany dia aleo maty ho an'ny teny. Raha hamoaka ihany dia aleo mamoaka mipoapoaka fa tsy atao peta-toko fotsiny. Mba ampandalovy dingana maro ny boky havoaka mba ho tonga tena boky. Mba ataovy "dépot legal" ny boky havoaka mba hiarovana ny asa soratra fa efa be ny mpanani-bohitra.

Ekena fa mihinam-bary aza hono misy latsaka nefa tsimpony ny vary masaka dia avereno ao anaty vilia fa ny akotry sy ampombo no alatsaho. Ny teny malagasy aza disoina, izay no tiako hotenenina.

Raha ny momba ny fankafizana ny boky indray no asiana resaka dia hita taratra fa mbola maro ny olona mankafy mamaky boky ankehitriny ary tokony mbola ho maro kanefa lafo be ny boky nefa ny olona efa sahirana amin'ny fiainana.

Misy koa nefa ny sasany na dia omena boky maimaim-poana aza dia tsy hamaky an'io izany fa lazainy fa marary ny masony.

Eo ihany koa ny fanaparitahan'ny pôeta sy mpanoratra ny asa soratra any anaty Facebook sy aterineto izay ataony be loatra dia variana any ny olona. Ny tokony hatao izany raha te hampiroborobo ny vaky boky dia tokony hahena ny fanaparitahana asa soratra any anaty aterineto sy Facebook. Atao toy ny laoka ihany io e, indray mandeha isan-kerinandro vao mba mihinan-kena dia mahazo tsirony tsara.

Léa Fandresena
Mankasitraka anao nivahiny teto amin'ny tranonkala Pôetawebs nitapatapakahitra. Dia mirary soa anao hatrany ary hiroborobo hatrany anie ny talentanao!

Santatra Rafenomanantsoa
Misaotra an'i Léa Fandresena sy ny Pôetawebs tamin'ny fandraisana ary mirary soa ho an'ny literatiora malagasy, samy tahian'Andriamanitra, veloma tompoko!


Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 11/01/2020