RaSoa

poeta_malagasy

ikopa


RASOA MPANTSAKA RANO
15 Oktobra 2014

Fotoana naharitratraritra no tsy nandraisan'ny Poetawebs vahiny tao an'efitry ny tapatapak'ahitra. Ho setriny, raha sitrakareo, dia vahiny miavaka no mitsidika anio. Raha ny marimarina kokoa dia mpandray vahiny mpizahantany izy eo amin'ny fiainana andavanandro. Nifanarahanay tany ampiandohana anefa fa tsy asiana resaka ny momba io. Ny anarany? Holy Sambatra ANDRIANTSIRESY. RaSoa Mpantsaka Rano sy/na RaSoa Madagasikara no ahalalana azy ao amin'ny Facebook, tambajotram-piaraha-monina. Ny azo lazaina avy hatrany aloha dia olon'ny kanto izy satria mpikirakira sary hosodoko, taozavatra, fampihaingoana trano sy sehatra. Ankoatra izay dia mpifanerasera amin'ny poeta maro izy. Noho ireo antony ireo no nahasarika ny Poetawebs hanasa azy eto amorom-patana. Sadaikatra ihany ny Poetawebs mampandroso azy eto amin'ity akalana ampototry ny molaly ity satria diso fantatra loatra ny haavon'ny kalitaon'ny asa kantony. I Toetra RAJA no mitafatafafa aminy.


RaSoa Mpantsaka Rano, miarahaba anao ny Poetawebs ary misaotra anao nahafoy fotoana mizara ho an'ny mpisera ny momba anao. Misy tokony hanampiana ve ireo teny fanolorana ireo?

Faly miara-mitafa aminao eto ambony akalana eto i... Holy. Mahafinaritra foana ny mamantatra sy mamaky ny fahitan'ny olona ny tena. Indrindra hoe: olona mbola tsy nifankahita mivantana tamiko ohatra anao izao. Somary lasa "avo" loatra ny fanolorana, saika tsy takatro. Nefa eo no nametrahanao ahy ka dia hajaiko.

Azonao hazavaina ary ve aloha ny maha RaSoa Mpantsaka Rano anao?

Efa maro ny reko mikasika ahy sy ny mpantsaka rano. Mbola maro koa anefa ireo tsy henoko ka aleo aloha atao hoe: anarana tiako ohatran'ny anarana rehetra dia nosafidiko. Nisy sary nampihetsi-po ahy izay indray taona, sary fanomezana avy tamin'ny namana mpanao asa-tanana iray, izay tena nanampy be dia be anay tokoa. Ary raha mandre antsika izy amin'izao ora izao dia mbola manantitra ny fankasitrahana azy ny tenako... Sary feno fahatsorana sy hatsaràna... Dia nanomboka teo no nihamatotra ny fitiavako ny "tsara", ny "meva", ny "soa", ny "kanto"... Tsy manampahataperana! Marihako fa marobe ny mpanao asa-tanana miaraka miasa aminay.

Be mpakafy tokoa io sary mpantsaka rano io.

Fantatro sy fantatrao fa maro dia maro ny mpanankanto na mpamorona, na mpihira, na mpanoratra no manatsofoka hatrany ny "mpantsaka rano" - sy ny manodidina azy - anaty asa kantony. Hatry ny fahagola efa ela izy io.

Ny hitako sy voaporofoko aloha hatreto dia misy malagasy sangan'ny literatiora anankiray izay, vao tsy ela akory ny taranany sy ny mpankafy soratra no nankalaza ny faha-zato taonany, no efa nivoy azy io tamin'ny fahatanorany.

Ny vazaha koa aza?

Raha ny vahiny indray, misy mpihira vehivavy iray izay koa: "la porteuse d'eau" no lohatenin'ny hirany, hitako ao amin'ny Youtube ao, hira tranainy be ihany koa sady tsara be ny tonony. Nadikako tamin'ny teny malagasy io tononkira io, fa mba tiako. Ilay dikany nataoko indray avy eo no vao mainka nahafinaritra ahy. Nataoko anatin'ilay boky "SINY TANY" nosoratako izy io. Entiko ilazana hoe: efa ela no tao anaty kolontsaina ny mpantsaka rano, ary hatramin'izao, hatramin'izay nivoizako azy izay, dia tsy mihambo aho fa mpanakanto maro dia maro tokoa no mankafy azy.

Mahavatra tokoa ianao nandalina!

Ny mpantsaka rano no resaka. Be no mamoaka soratra ambadika any... Kanto malagasy avokoa izy ireny ary ankasitrahako fa harena mitombo ho an'ny literatiora malagasy tokoa.

Mpifanerasera amin'ny poeta maro ianao, hoy isika teny ampiandohana, ary tazana matetika eny amin'ireo hetsiky ny Faribolana Sandratra aza. Misy antony manokana ve?

Tena tia mifanerasera amin'ny mpanakanto aho satria miavaka izy ireny: olon'ny tany, hafa fomba fijery, mahita "zoro" miavaka foana izy ireny... Tiako e!

Betsaka koa ny manontany raha isan'ireo mpiray faribolana aza ianao?


Tsy mpikambana n'aiza n'aiza aho fa... eny rehetra eny.

Marina izany satria teny amin'ny CGM Analakely tokoa ianao tazana niantsa tononkalo. Eny amin'ny Facebook koa dia misy tononkalonao miely. Moa poeta va ianao?

Ao an-dohako ao misy famaritako ny hoe: Poeta. Famaritana nobitsihana ahy fony kely ka tafaraikitra hatramin'izao. Tiako somary hirona any aby ny olona.

Izay angaha ilay hoe...

Fohazina moramora ilay Poeta matory ao anatiny ao. Izay no faniriako sy ezahako hatao. Hafa kokoa angamba ny endriky ny fiaraha-monina amin'izay fotoana izay!

Enga anie! Ankoatra izay, RaSoa Madagasikara dia mampiely ny feomangany ao amin'ny Youtube? Mpamoronkira ve ianao?


Eny, manana hira noforoniko ranoray aho, na ny tonony na ny feony. Dia hiraiko mafy amin'ny fo isaky ny manasa lovia aho ao an-tokantranoko...

Sy rehefa manam-bahiny?

Na eny rehetra eny... Rehefa feno 60 taona aho - farafahatarany - mba faniriako ny hamoaka kapila mangirana - na tsy mangirana - anankiray raha sitraky ny Avo Fitiavana. Ny lohateniny? Efa noeritreretiko. "HIRAN-DIAVOLANA: kalo fito anaty Siny Tany".

60 taona ve? Aloha ben'izay angamba! Fa misy kantonao iray mbola tsy noresahantsika hatreto: ny hosodoko.

Tena tia milalao loko aho. Mampiverina ho "zaza" ilay izy. Manala sorisory, fahafinaretana be tsy misy ohatr'izany!

Izany an?

Mila faharetana be izy io! Enga anie aho hanana an'izay handalinako azy!

Tsy efa nandalina angaha moa ianao?

Tsy nianatra nandoko aho fa nisy mpandoko kalaza lahy iray izay tany Afrika tany. Izy no namporisika ahy tsy hijanona handoko nony nahita ny hosotro sy ny sary nofidiko atao voalohany. Efa lasana any ankoatra izy. Mahatsiaro azy matetika aho.



Mety ho misy ve andinin-tononkalo efa nampiarahanao tamin'ny hosotrao?


Izy no namoha
Izay rehetra tao am-po
Aleo izy irery ihany
No hanaisotra an'izany...
Izay sitrany no atao
Izay bitsihany... ankalazao...

Holy


Na ny siny na ny sary dia samy zava-tsarobidy aminao.

Marina tokoa ny voalazanao. Tsy ny efitrano fandraisako vahiny ihany fa izay misy ahy dia misy azy, ny sariny, ny alony, ny fanahiny. Ny efitra fanaovam-pety dia iantsoana ahy matetika toy ny sehatra, fetim-pianakaviana sns. Anisany mazava ho azy ny sehatry ny antsan-tononkalo.

Sehatry ny Poeta!

Mamelà ahy ianao hilazako fa manampy
mangina ara-pitaovana na ara-moraly... ireo Poeta zandriny namana sy ireo maniry hamoaka boky ihany koa aho.

Ankasitrahako!

Manampy ireo zandry maro mpanao asa-tanana ihany koa mba hiparitaka any ivelany ny asa-tanany. Miara-miasa amin'ny mpanakanto maro mpihira na mpandihy (vako-drazana izay iangaliako matetika) koa aho. Farany, manampy ara-pitaovana sy ara-kolontsaina Sekoly Fanabeazana Fototra ao Vakinankaratra (fifaninanana sary, dihy gasy, sns) any ambanivohitra.


Roritiko ihany ny resaka serasera amin'ny Poeta. Azo fantarina ve izy ireo sy izay tena ankafizinao?

Mpanakanto maro no mifanerasera amiko. Ankafiziko aby, ary ny loza aza? Izay olona rehetra jereko dia hitako manakanto aby.

Nanotrona an' i Fredy Jaofera ohatra ianao tamin'ny nanolorana azy mariboninahitra. Teo amin'ny haisoratra ve no nifankahalalanareo?


Tao angaha ianao tamin'iny?

Raki-tsary no hitako.

Misy tsiaro nampihomehy kely izay tamin'iny andro iny an! Andro iray nahalalako zavatra maro teo amin'ny resaka "soratra" ankapobeny. Nahafinaritra e! Tiako ny mihaino ireny Poeta sy mpanoratra ireny mivantana. Mbola vitsy kely ny tononkalon'izy ireny no voavakiko.


Araka ny fahatsapanao azy, inona no tokony ho herin'ny poeta ankehitriny?

(...) Enga anie izy ireo hijanona ho Poeta amin'ilay famaritako azy. Olombelona toy ny olombelona rehetra izy ireny. Manana ny hasiny toy ny olombelona tsirairay napetraky ny Avo eto amin'ity tany fandalovana ity. Manana ny kilemany ihany koa.


Mpitety tany koa ianao. Anisan'ny mampivelatra ny aingam-panahinao ve izany?

Mankafy izay tany tsidihako aho, misosa ny peniko, mitantara kanto izay hitako aho. Kanefa ny any amiko ihany no manja amaranako azy sy tena tiako voizina anatiny ao. Midoboka kely foana ny foko rehefa zoky raiamandreny Malagasy no mankasitraka izay ataoko, indrindra moa ka mpanakanto.

Ary ireo vahiny manoratra momba an'i Madagasikara?

Ny vahiny mantsy anie, mazava ho azy raha hankasitraka e! Ny tsy misy intsony any aminy mantsy no mbola hitany sy tsapany eto amintsika. Manerana ny Nosy no tiako lazaina fa tsy ny ahy ihany. Ireny boky vahiny ireny raha tena mandalina isika, tsy eo amin'ny sehatry ny asa kanto ihany fa eo amin'ny sehatra rehetra. Mazàna izy ireny no miresaka antsika sy izay firenena hafa tiany resahana. Fa ambadik'izany dia aza adinoina fa tsy manao ambanin-javatra ny fireneny izy ireny.

Satria zava-dehibe...

Toa antsika rehefa any an-tanin'olona, mino aho fa tsy izaho ihany. Tsy ambanin'ireny velively izao "asa kanto" kezahanao izao ary ankasitrahako be dia be.

Tsapa tamin'ny resaka hatreto ny fahavitrihanao amin'ny adidy aman'andraikitra. Azo fantarina ve ny karazana fandaharampotoanao ao anatin'ny andro iray, na herinandro iray?

Miovaova be, hafa ny omaly, hafa ny androany... Ny mampitovy azy rehetra? Misy "angovo" manosika foana. Ny fahasalamana no voalohany amin'ireny. Raha farofy, mihena ny kanto voizina...

Mihena koa ny adidy mavesatra iantsorohanao!

Eny, mazava ho azy fa miezaka hatrany manatratra izay vita.

Satria eo koa ny ankohonana?

Ny zanako no mibahana ny orako, avy eo ny asako izay isaorako ny Avo fa tiako dia tiako tokoa. Tia mandeha tongotra aho ary mahavita kilaometatra maro anatin'ny herinandro. Tsy azoko ny aiko raha vao tsy mahafeno an'izay aho. Nitety tany maro aho, eny. Ary izany koa no anisan'ny nahitako hoe: Madagasikara no kanto indrindra ary loharano ho an'izao tontolo izao! Indraindray aho tena mahatsiaro niangaran'ny Avo tokoa.


Fahombiazana no andeha handravonako azy. Inona re no mety ho tsiambaratelony?

Ny tsiambaratelon'ny fahombiazako?!??... I dadanay, lavabe izay izy! Ha! Ha! Ha! Ankoatr'izay, ny tsiambarateloko? Aza ambarambara an... Iray maka bahana, roa fiomanana,... telo dia lasa !

... dia voatety avokoa i Gasikara... izao tontolo izao koa. Anisan'ny anarana isaloranao aza ny RaSoa Madagasikara. Toa maneho avy hatrany ny fitiavan-tanindrazana ao amponao izany, satria tsy menatra mitafy azy ianao manoloana ny fitotonganan'ny firenena amin'izao fotoana izao. Azonao hamarinina ve?

Tiako ny taniko. Tiako e! Tena tiako! Ary n'aiza n'aiza misy ahy. Ary na eto aho na any ivelany, mandrongatra sy ao foana ny fanandratako azy. Ny ahy io efa fiainako andavanandro e! Vao mifoha aho dia mitady izay hasandratro eto amin'ny taniko. Efa ao anatiko ao e! Iriko ho tahaka izay ny Malagasy tsirairay dia tsy ho very izany isika e! Samby manatitra izay anjara birikiny isan'andro izay tratra.

Fa mila famonjena!

Ny toe-karena no tena mitotongana. Ny toe-tsaina sy ny toe-panahy an'ny tsirairay no manavotra azy. Mbola hitako maro ny toe-panahy mahafinaritra, toe-tsaina mendrika an'i Madagasikara. Mahabe fanantenana! Dia enga anie izy ireny ho fitaratra hatrany! Ilay hoe RaSoa Madagasikara, tiako ery ny mitafy azy, reharehako tokoa.

Hono ho'aho Ramatoa RaSoa Mpantsaka Rano, efa eto am-pamaranana isika mianadahy kanefa... niandry ihany aho,... nisaintsaina ihany aho hoe "taiza ianao no nantsaka, taiza ianao no nandray siny?"

(Torak'hehy lavabe saika tsy tapitra)...
Fony kely, tany ambanivohitry Vakinankaratra, tany an-tanindrazana, fony kely isan-taona, any no fandaniana ny fotoam-pialan-tsasatra.... Isan-kariva mody masoandro, mantsaka tokoa, mamonjy loharano,... mameno sinibe tany...

Sarobidy aminao, hoy isika, io siny io. Mbola ao ve ilay loharano?

Mbola ao mazava ho azy! Hamoaka sary aho ato ho ato an! Sary "mahalaza" azy mihitsy re! (tsiky)... ho tody soa any an-doharano indray ary aho an!

Ny masoandro maty no mampalahelo; satry hitafatafa eto foana. Tsy ho tazonina ela intsony ianao fa eto ampamaranana moa àry e, raha sitrakao, afaka manonona andinin-tononkalo iray tsy afaka eo imolotra ve ianao?


Ny resaka tononkalo indray? Mira aby ny fitiavako izay manaitra ahy eny...

"...Kotsan'ny fitiavana aho, kotsakotsa mahonena..." (tokelaka kely) An'iza ary io?

"Ho dify ihany ilay malala... toa dia vatranao jerena..." Tononkalon'i Dox izay - Atataovy. Mifanaraka amin'ny toe-panahinao tokoa io tononkalo io an!

Toetra RAJA, tia mandinika soratra aho. Tsinjoko hoe tena mankafy ahy ianao! Manasa anao sahady aho hanatrika ny fetikely karakarainay nohon'ny tsingerin-taona fahafolon'ny trano fandraisam-bahiny izay toerana iray natokako ary hatokako rahatrizay hanasongadinana ny taozavatra sy ny maha-malagasy. Hisy fanokananana "tranom-bakoka" kely momban'ny mpantsaka rano sy ny manodidina azy. Aty aminay aty Vakinankaratra. Ho hitanao ao ny tena kantoko, izaho RaSoa Mpantsaka Rano, izaho RaSoa Madagasikara.

Ankasitrahako! Ahoana ny fandehany?

Hisy kalokalo iarahako amin'ny mpanakanto nitondra avo an'i Madagasikara eran-tany, hisy vakodrazana iarahako amin'ny tarika kely izay misy ahy, hisy dihy manokana ataoko izaho irery, hisy boky "tonon-kantoko" nosoratako hozaraiko am-pitiavana, hisy antsan-tononkaloko mazava ho azy, hisy haingo sy ravaka loko maro samihafa mifangaro... Mifangaro ny "hadalako" rehetra e! Saika nadinoiko, hisy mofo, mamy tahaka anao mpankafy sy mpanaraka anay hatrizay na tao anatin'ny mora, na tao anatin'ny sarotra. Eo foana aho an!

Farany kanefa tsy ny kely indrindra dia sitrako raha hanatrika an'izany fety izany ny reniko. Rasoaniavo no anarany, ilay nanome aina ahy fa "ny rano moa dia aina", takatrao?

Voaray tompoko, adin'ny iray katroka no nitafatafantsika teto ka nizaranao ny traikefa sy ny mombamomba anao ho an'ny mpisera. Misaotra anao RaSoa Mpantsaka Rano tamin'ny hamoram-po sy fahatsorana nasehonao. Misy fahatsiarovana hitoetra izao mamy sy mahafinaritra nozarainao izao. Tohizo ny dianao fa tsara! Mankasitraka ary mirary fitohizan'ny fahombiazanao ny Poetawebs.

Toetra RAJA, hitoetra ho fahatsiarovana mamy tokoa ny fotoana niarahako nitafa taminao. Ankasitrahako manokana ny "zoro" miavaka nosafidinao nitondrana ity tapatapak'ahitra indray mitoraka ity. Poeta ianao, fa ankoatra izay... nitsirika rakibolana aho fa tsy misy voambolana mahalaza azy. Enga anie hisy izay rehefa mihamaro ny tahaka anao sy ny "asa kantonao". Mandrapihaona voalohany Toetra RAJA. Mankasitraka be anao sy ny Poetawebs ary ny mpamaky antsika hatramin'ny farany. Miankina amin'izy ireo ny ho avin'i Madagasikara. Izaho mino.

Izaho koa mino RaSoa Mpantsaka Rano. Etsy 'zato izy ho atataoviko! Veloma finaritra, Soava dia!

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×