varavarana

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

01 Septambra 2009

Zo-Maminirina

zo-maminirina
  • Miarahaba anao Zo-Maminirina manaiky mitapatapak'ahitra aminay eny fa na dia fotoana fiatoan'ny asa aman'andraikitra aza amin'izao takariva mena masoandro izao. Azonao atao ve ny milaza fohifohy ny lalana nodiavinao teo amin'ny haisoratra indrindra fa ny poezia ?

Mankasitraka anareo koa nampiantrano! Ialan-tsiny fa izao vao manam-potoana kely itsidihana ny tranonkala. I Zo-Maminirina dia tary kely be fihetseham-po izay!Tany amin'ny taona 1985 na 1987 tany ho any izy no nanomboka nanoratra rehefa nankafy an-dry Rado, Ny Avana R, Randja Z,Jean Narivony, Clarisse R, sy izay tsy ho àry ho voatanisa eto. Izay Ranöe izay no nampianatra azy rehefa tonga teo amin'ny kilasy famaranana izy ary nisy fifaninanana nanoratra tononkalo fahatsiarovana an'i Dox tamin'izany. Niroso lalindalina kokoa i Zo-Maminirina taorian'izay ary niditra ho mpiray faribolana tao amin'ny Sandratra, izay iarahana amin-dRanöe tamin'ny taona 1989 rehefa nahazo ny mari-pahaizana bakalôrea. Dia ato anatin'ny Faribolana izy hatramin'izao. Lava ny dia raha hotanisaina fa sombiny ihany ireo.


  • Zo-Maminirina no anarana entinao eo amin'ny diam-penina. Anarana nindramina ve izy io sa anaranao mihitsy ?

Eny, anarana indrana ny Zo-Maminirina.Randrianindrina Sandiarivony Zoelson no anarana nomen'ny ray aman-dreniny azy, izay any anatin'ny karapanondro maha Malagasy azy.

  • Henim-boninahitra ny tontolon'ny poezia malagasy satria nampiasaina ny "nofinofinao" tamin'ny asam-pikarohana teny amin'ny Anjerimanontolo Malagasy mba ahazoan-dRandriampeno Hery Zo ny mari-pahaizana "Maîtrise-ès-Lettre". Inona no lesona azo tsoahina amin'io fahombiazana io?

Fahombiazana ve? Tsy haiko loatra ny mamaritra azy satria tsy dia havanana amin'ny fisoratan-tena toa voatango ny tenanay! Mety ho fahombiazana tokoa angamba? Randriampeno Hery Zo, izay nanao ny fikarohana no heveriko ho tsara toerana kokoa amin'ny famaliana ity fanontaniana ity. Ny antony, tsy mbola manana boky manokana nosoratako aho nefa voaangony daholo ny ankamaroan'ireo raki-nofy teo am-pelatanako! Nanonofy sy be nofinofy tokoa aho angamba. Raha mendrika sy naha henim-boninahitra ny kanto sy ny poezia malagasy izay kely vitako dia heveriko fa mba anjara biriky kely amin'ny fanandratana sy fiarovana ny teny malagasy sy ny Malagasy miteny azy. Tsy fiarovana bontolo anefa fa mivoatra sy miaina ny teny, arakaraka ny vanim-potoana lalovany sy ny iainan'ny fiarahamonina. Harenany izany fa tsy fahasimbany akory sanatria.

  • Nahitana lahatsoratra iray nosoniavinao tao tao amin'ny gazety Taratra momba ny "tafi-tapaka". Azonao hazavaina ve ny fandraisanao anjara ao amin'ny gazety Taratra ?

Marina tokoa izany. Nanoratra lahatsoratra famakafakana kely momba ny hasin'ny lamba eo amin'ny Malagasy aho tato amin'ny Gazety Taratra, ao anatin'ilay tsanganana hoe "Fakafaka". Tsy dia manoratra azy io loatra aho fa i Hary Razafindrakoto no tena tompon'ny toerana. Lahatsoratra navoakako tamin'ny gazetin'ny Faribolana Sandratra "Ambioka" izy iny ary nangatahan'i Hary mba hatolotra ny mpamaky ny Taratra. Ato rahateo aho no miasa, miandraikitra ny tsanganana politika. Tsy nampaninona ahy ny namoahana azy tato satria mba mitatra amin'ny tsy mankafy haisoratra koa ny hevitra sy fomba fijery. Ny votoatiny, amin'ny ankapobeny dia mampahatsiahy fa tsy fanao rapa-dango ny lamaody vahiny saingy tsy azo atao koa ny mamikitra be fahatany amin'ny nenti-drazana fa lanjalanjaina. Inoako fa iombonantsika izay hevitra izay.

  • Ho fahatsiarovana ny faha 10 taona nahafatesan'i Randza Zanamihoatra dia nisy tolakandron'antsan-tononkalo nifandrimbonan'ireo mpikambana ao amin'ny Faribolana Sandratra natao ny 11 jolay 2007. Misy antony manokana ve ny nandraisanao anjara tao ?

Ny tena marina, tsy nandray anjara mivantana aho fa nampandray anjara ny namana angamba! Nanana tononkalo niainga avy tamin'ny aingan-dRandja tokoa aho, izay nifamatotra tamin'ny fotoana nahalasanany ny iray ary efa tany amin'ny nifaneraserana taminy fahavelony ny iray. Voaraben'ny kanto Razoky iny, na tsy dia fantatry ny ambanilanitra loatra aza. Mba tiako homarihina kely eto ihany izay satria saiky ireo mandalina sy manao fikarohana eny amin'ny Anjerimanontolo no tena mahafantatra azy. Ny hany mba fantatry ny ankizy" dia ilay "Malagasy mankany", izay raha nanontaniana dia tsy fantany akory ilay Randja Zanamihoatra fa ilay hoe "Eny ho'aho Ramalagasy, Malagasy be fivoarana..." no hay tsianjery. Mpankafy Randja Zanamihoatra ny tena amin'ny ankapobeny. "Mpiondana" araka ny filaza azy ankehitrio koa e!

  • Tamin'ny nahafatesan'i Rado indray dia nahazendana ny fahaizanao misalotra ny fomba fanoratry Rado tao anatin'ny tononkalonao "Hovitra". "Ho any ianao kanefa..." hoy ianao eny ampiandohana (tononkalon'i Rado malaza no miatomboka amin'io). Voatonona ao koa ny lohatenin'ireo boky navoakan'i Rado. Nivoaka gazety na nantsaina teny Mahamasina ve io tononkalo io tamin'ireny fotoana ireny ?

"Hafatra" no lohateny nasalotr'i Rado iny tononkalo hain'ny rehetra tsianjery iny. Angamba tsy dia noho ny fahaizana loatra no nampitovy ny fomba fanoratra fa ny rohy nateraky ny fiondanana ny bokiny hatry ny fahakely. Anisan'ny nankafizinay fony tany amin'ny kilasy faha-5 izy iny, tao anatin'ny Dinitr'i Dada. Dada satria izay rahateo no fiantsonay azy nandritra ny fifaneraserana an-taonany maro, nanomboka tamin'ny taona 1990. Heveriko fa fiakon'ny fiondanana Rado koa ireny. Marihiko etoana fa tsy i Zo-Maminirina irery no nahavita tononkalo tsy manara-drafitra toy ireny, indrindra ny mitovy figadona amin'iny "Hafatra" iny fa maro izahay mpiray Faribolana no toy izany. Misy karazany somary mahatsikaiky izay aza fanaonay rehefa "manalazy" amin'ny alim-betso, toy hoe "Ho any ianao kanefa ny lalana mankany aza tsy hitanao akory"(Tsiky be).
Tsy nantsaina teny Mahamasina akory izy iny fa nivoaka tato amin'ny gazety Taratra fotsiny dia izay. Mbola maro ny mitovy rindra sy gadona aminy, voatahirin'ny Tonian'ny gazety ato am-piasana fa miandry fotoana angamba ny hahafaha-mamoaka azy ireny.

  • Mahaliana ny mpisera ny hahafantatra ny fomba fampielezana ny tononkalonao.

Ankoatra ireo amboara navoakan'ny mpiray faribolana dia maro koa ireo nivoaka an-gazety sy an'onjam-peo. Ankavitsiana no hita aty anatin'ny tranonkala aty. Ny antony, variana loatra amin'ny fampahafantarana sy fivoizana ny mpanakanto namana ny tena, ka indraindray, ny tena indray no hadino. Tsy mamono antoka anefa izany, raha ny fahitako azy satria inoako fa mbola ho avy ny fotoana hahafahako mba manely ny eo am-pelatanako sy ny any anaty vatasarihana. Tsy ho gaga isika raha nosokirin-dRandriampeno Hery Zo tany an-trano ny tahiry sasany.

  • Vao tsy ela akory dia nandao antsika i Levelo. Nilaza ianao fa "Iray amin’ireo zoky akama nitaiza an-kira anay Ra-Bri, eo amin’ny fandrafetany sy fiangolàny ny teny malagasy". Hazavao.

Mbola vao hanala ny fanadinana Bepc tany ho any izahay no fantatra voalohany teo an-kijanan'ny kanto ry Levelo, Tselonina, Ifanihy sy ny sisa. Voasintona avy hatrany tamin'ireo rafi-tononkiran'ireo indray nihira ireo izahay, na nankafy Mahaleo sy Lôlô sy ny tariny mbamin-dry Raberanto aza tamin'izany. Tsy dia nanavanana anay loatra koa ny mianoka mpamorona na mpihira iray fotsiny fa efa nisokatra tamin'ny endriky ny kanto rehetra izahay hatry ny fahakely. Tsy atao mahagaga loatra raha tsy dia manavia loatra ny fifaneraserana amin'ireo karazana zavakanto rehetra. Tany amin'ny taona 1987 tany ho any dia nanjary mpiara-monina sy nanomboka nifanerasera taminy teny Itaosy teny izahay, na tsy dia mbola nisy fifampierasahana akaiky aza. Rehefa tao anatin'ny Faribolana Sandratra vao tena nisokatra ny fiarahana ary iray amin'ireo zoky tsy nahasaraka ny  Sandratra Ra-Bri sy i Lolona vadiny. Ho ahy manokana, teny malagasy tsy mitapoka, na dia misy teny indrana kely ihany aza indraindray, ny nandrafetan'i Levelo ny hirany. Tendry gasy koa no nifehezany ny gadona vahiny taratra any anaty angolany any. Ireny rehetra ireny no anisan'ny nahatonga ahy niteny fa iray amin'ireo zoky akama nitaiza an-kira anay Ra-Bri.

  • Tsy nahafoy ny Faribolana Sandratra Levelo tamin'ny fahavelony. Nisy ve ny fiaraha-miasa azo tsapain-tanana ?

Araka ny voalazako teo aloha dia vary sy rano ny roa tonta, eny fa na dia efa lasa aza izy, tsy misy loatra ny elanelana satria vao mainka dity nanamafy ny fifankatiavan'ny Sandratra sy ny fianakavian'i Levelo izany. Tsy sanatria maty vao ramalala akory ny fiarahana. Ho lava ny resaka raha momba ny fiaraha-miasa hatramin'izay no resahina. Ny tena rahateo, miasa amin'ny fitaovan-tserasera sy mpampiely vaovao ka nifampiankina hatrany ny raharaha natao.

  • Toy ny mahazatra eto amin'ny tapatapak'ahitra dia mangataka andinin-teny iray ankafizinao ny mpisera.

Tsy andinin-teny tokana angamba fa andalam-betso niserana arahina eritreritra sendra nandalo? Mankafiza finaritra e!

mitara-mazava ny volana ambony
fa ny eto dia alina maizina ihany,
manina anao, mangitsy ny fony,
ka toa mila anao fa tsy te hitomany,
tongava nofy !
Raha manam-pitia, mbà mizara, raha manan-katolotra, mbà manome, raha manana ny ampy, mbà onena.
Aoka tsy ho fanginana sy fonja no ho valisoa sy ho setrin’ny soa nataon’olona taminao.

  • Eto ampamaranana dia tsy hay ny tsy hanantitra ny fisaorana anao tamin'ny namoizanao fotoana ka nitondranao fanazavana momba ireo fanontaniana nanitikitika ny maro. Mirary soa anao izahay eto amin'ny Poetawebs hahavita be eo amin'ny haisoratra. Mandra-pihaona.

Mirary antsika ho lava velona koa hiara-kizara ny manta sy ny masaka mbamin'ny marikivy eto. Ilaina ihany mantsy ny makirana, indraindray, laroina tantely hanafaka ny manentsina ny orona sy ny tenda amin'izao ririnina miovaova volo izao. Indrindra ho anay sarotiny.

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety


Date de dernière mise à jour : 05/07/2021