poetawebs

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny

amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta (T. Ràja)

10 oktobra 2015

TAPATAPAK'AHITRA NIARAHANA TAMIN'I ANDRE RAKOTONDRANAIVO

Ny tranonkala Pôetawebs dia manasa Pôeta na olon-kafa manan-ko lazaina momba ny Pôeta sy ny pôezia malagasy. Manana efitra fandraisam-bahiny izy, fanaovana "Tapatapak'ahitra". Ka androany dia zokiolona hajaina an-tampon'ny loha satria nahavita be teto amin'ny firenena raha ny soratra no resahana no atolotra ho antsika.
Tsy zoviana ny anarany na ho an'ny tanora na zokinjokiny satria maro no efa nampiasa ny bokiny izay tafiditra ao amin'ny fandaharam-pianarana. Tsy ho ampy ny takelaka raha hotanisaina eto avokoa ny traikefany sy ny lalana nizorany fa andeha isika hiompana bebe kokoa amin'ny fomba fahitany ny pôeta sy ny pôezia ankehitriny. Toetra Ràja no nanomana ny dinidinika.


Toetra Ràja. Miarahaba anao André Rakotondranaivo, anarana misoratra amin'ny bokim-pianarana io. Sadaikatra ihany izahay mampandroso anao ato anatin'ny tranonkalanay izay tsy ahitana afa-tsy tanora maitso volo eo amin'ny soratra. Kanefa dia nekenao am-pahatsorana ny fanasanay ka faly izahay ary fisaorana aloha no voalohan-teny.

André Rakotondranaivo. "Ny voalohan-teny aloha dia fiarahabana avy ato am-poko tsy ambahambana!" Miarahaba ny Malagasy rehetra aty an-tanin'olona ny tenako, indrindra ianareo ato anatin'ny tranonkala "Pôetawebs"! Manaraka izany amim-pitiavana sy amim-panajana no amaliako ny fanontaniana apetrakareo amiko.

Toetra Ràja. Eto am-piandohana, dia inona no mba hevitrao momba ny anarana nofidinay hoe "Tapatapak'ahitra" ho an'ity efitra "Pôetawebs" ity?

André Rakotondranaivo.
- Ny fahendrena nananan'ny Ntaolo razantsika dia ny fandinihana ny zava-misy manodidina azy, ka nampiasa izany hatao ohatra hilazany hevitra tiany hasongadina. Koa ny "ahitra" dia bozaka maniry ho azy eny rehetra eny, mazàna aza dia eny amin'ny toerana tsy tokony haniriany, eny amin'ny fambolena ka tsy ananan'ny mpamboly fo antra, fa notapatapahany na nongotany mihitsy aza.

- Toy izany no nampiasan'ny Ntaolo ny fomba fitenenana hoe "Mitapatapak'ahitra" na mifampidinidinika izay mahasoa sy mahatsara ny zavatra kasaina hatao. Koa heveriko fa tena tsara tokoa ny nifidiananareo ny fandaharana hoe "Tapatapak'ahitra", satria ato no hifandinidinihina ny "TENIN-DRAZANTSIKA": hanatsarana ny efa misy ary anesorana ny ahi-dratsy mety hanimba azy, indrindra eo amin'ny pôezia.

Toetra Ràja. Azo ampahatsiahivina eto ve ny nahatonga anao hanoratra boky?

André Rakotondranaivo.
- Tsoriko fa tena fitiavana ary adidiko amin'ny fireneko ny nahatonga ahy hanoratra boky, indrindra ho amin'ny fampianarana. Rehefa nitaky ny fanagasiana ny fampianarana eto Madagasikara mantsy ny Mpianatra, notarihin'ireo zokiny teny amin'ny Anjerimanontolo, tamin'ny taona 1972, dia neken'ny fitondram-panjakana tamin'izay ny maha-rariny izany ka dia notanterahina. Izao anefa no olana: ny Mpampianatra nilaza fa tsy nofanina hampianatra teny malagasy, ary marina tokoa izany. Ny boky hoenti-mampianatra koa tsy nisy rahateo.

- Koa ny tenako izay nampianatra tany Antsirabe tamin'izay fotoana izay no anisan'ny voaantso ho aty Antananarivo hamolavola ny fandaharam-pianarana. "BEP-OTEP" na "Bureaux d'Etudes de Programme" no anarana nomena anay tao amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazana tamin'ny taona 1973.

- Na dia navesatra sy sarotra aza ny adidy, dia izaho no nanana fahasahiana hamoaka boky voalohany indrindra ho amin'ny fampianarana ny teny malagasy. Ataoko fa nisy taminareo no nampiasa ny boky natao hoe "Kajy Fototra" sy ny "Fiarahamonina" ary ny "Fahalalana Tsotsotra".


Toetra Ràja. Azonao lazaina anay àry ve ireo karazam-boky navoakanao hatramin'izay?

André Rakotondranaivo.
Marobe izy ireo afa-tsy ireo efa voalazako teo ireo ka tsy ary ho voalazako eto daholo. Nanomboka tamin'ny Taona 1973 no namoahako boky, ka tsy mbola mitsahatra manoratra aho mandraka androany 2015 izao. Andeha angaha hosokajiantsika telo izy ireo:

Sokajy I
Boky fianarana amin'ny teny malagasy (misy pôezia) -> 30
Boky fianarana amin'ny teny frantsay -> 18

Sokajy II
Boky ho an'ny besinimaro (vazaha na malagasy misy pôezia) -> 32

Sokajy III : Bokim-pivavahana
a)-Nadikako avy amin'ny teny frantsay: "Prophètes et Rois, nosoratan'i Ellen Gould White - sy ny "Révolution au Vatican", nosoratan'i Dr Martin H. Kobialka" -> 2
b)-Boky nosoratako misy tantara sy pôezia marobe -> 8
TONTALINY 90

Fanamarihana : - Ireto boky manaraka ireto dia efa voasoratro koa fa miandry izay tsara sitrapo hanampy ahy amin'ny famoahana azy:
- "Torolalana ho an' ny Ray aman-dreny sy ny Mpianatra hanala fanadinana" (misy pôezia maro ho an'ny ankizy)
- "Fifandonana mahery vaika" (zava-misy ankehitriny izay atrehintsika amin'ny tontolo hita maso sy tsy hita maso)
- "Andro farany araka ilay mpaminany fanta-daza atao hoe  Daniela".

Toetra Ràja. Azonao hazavaina aminay ve ny anarana hoe "AéRa" izay ampiasainao amin'ny bokinao, indrindra amin'ny haisoratra?

André Rakotondranaivo.
- Ny anarana hoe "AéRa" ampiasaiko, dia tsy inona akory fa noho ny antony anankiroa:
- Te hiantso ahy matetika ny namana ato amin'ny Fikambanan'ny Mpanoratra sy Pôeta, ka niangavy ahy ny hanafohezana izany raha azo atao. Ny fanonona ny fiandohan-teny hoe "A.R." ihany no noraisiko ara-panononana hoe "AéRa" fa tsy "AéRà" akory.
- Misy hevi-dalina koa anefa ny "AéRa", ka dia noheveriko fa izany hevitry ny "AéRa" izany no mifanahantsahana amin'ny fisiako sy ny tanjoko. Vakio ity tononkaIo ity dia ho azonareo ny tiako hambara.

 

NY AERA

Moa fantatrao ny teny hoe "aera"?
Avo toerana izy saingy tsy mianjera,
mahasahana ny "atimôsifera",
nefa tsy mba tia hoe mideradera!

Ny "aera" mantsy eny anabakabaka,
manasoa sady tsy manavakavaka,
na jentilisa izany na ireo mpivavaka,
na ny biby izay miaina any an-davaka !

Raha tsy misy ny "aera" tsy afa-miaina,
ny voary manontolo ho karakaina,
tsy hisy endrika mihitsy fa ho maina,
tsy hisy fofonaina azo antenaina !

Ho sempotra izao rehetra izao,
ho jingy avokoa izaho sy ianao,
hitsahatra ny asa izay fanao,
satria tsy misy ny "aera" hanavao!

Isaorantsika eto ny any ambony,
manome ny "aera" mampitony,
sy mamelona itony nofo itony
ary koa mampisava ny lonjony!

Marobe ny mbola azo tantaraina,
nefa misy izay tsy takatry ny saina,
fa io "aera" io no tena fototr'aina
manatanjaka ny osa sy kalaina

Betsaka ny soa tsy voatanisa,
ny fanampian'i "aera" tsy voavisa,
voasindany avokoa ny disadisa
ary koa mitaona ho any am-Paradisa !

AeRa


Toetra Ràja. Amin'ny maha-zokiolona anao, dia mety ho efa nifanerasera tamin'ny Pôeta fanta-daza toa an-dry Dox ve ianao?

André Rakotondranaivo.
- Vitsy ihany ny Pôeta fanta-daza tratrako toa an-dry Dox Razakandraina raha Talen-tsekoly teny amin'ny Annexe Lycée Galliéni Ankadinandriana Atsimon'ny Rova Manjakamiadana aho fa teny angamba no nipetrahan-dry zareo na nanana havana teny izy. Nifankahita matetika izahay, saingy tsy nanam-potoana hiresahana taminy momba ny tononkalo aho, fa samy nizotra tamin'ny lalany toy ny olon-drehetra ihany izahay.
 
- Randza Zanamihoatra indray dia fotoana fohy talohan'ny nahafatesany no nifankahitanay teny Ambohipo, satria fianakavian'ny vadiko izy. Nidera azy tamin'ny asa sorany aho dia izay.

- Nanomboka tamin'ny taona 1973 namindran'ny Fanjakana ahy taty
Antananarivo, fa Talen-tsekoly tany Antsirabe an-tampon-tanàna aho, vao nanomboka nifanerasera tamin'ireo mpanorata fanta-daza. Régis Rajemisa-Raolison, Filohan'ny U.P.E.M no fantatro voalohany ary izy no nitarika ahy ho anisan'ny fikambanana notarihiny. Azo lazaina fa ireo boky nosoratany no nampitsiry sy nampitombo indray ny fitiavako hanoratra hatry ny fahazaza.

- Lehilahy nanampanahy handalàna tokoa Régis Rajemisa-Raolison ary nanana sain-dalina tia karokaroka. Mpampianatra sady Mpanoratra izy. Nanampy be dia be tokoa tamin'ny fanagasiana ny fampianarana ny boky nosoratany. Izy no nanao ny fanolorana ny boky nosoratako mitondra ny lohateny hoe "Fianarana manoratra teny malagasy" tamin'ny 28 Aogositra 1973. Misy pôezia maro io bokiko io ary misy fitarihan-teny toy izao :

 

"Ny teny mamiko indrindra
hikaloako na harindra,
na hatao an-taratasy
dia ny "TENY MALAGASY"!

Raha atao ny fampitaha
ny teny gasy sy vazaha
ka izaho no hanambara :
ny an'ny razako no tsara"
AéRa

"Ahoana indray no hambarako?
Izay dimby amam-parako,
Ny zanaky ny fireneko
Dia irariako ka omeko
Tsodrano hiarovany
Ny TENY MALAGASY lovany."
Dox


- Tamin'ny  22 Martsa 1985, dia notoloran'ny Fanjakana mari-pankasitrahana sy "Plume d'or" izahay, niampy ny Prôfesora Rakotozanany Émile. Azo ambara tsotra izao fa tsy hisy hahadimby ny hafanam-pon'izany lehilahy izany intsony : mpivavaka, mpampianatra, mpikaroka, ray aman-dreny tena nahafatra-po ary namela izao tononkalo izao ho an'ny taranaka malagasy rehetra :
 

"Idada sy Ineny

"Ny tiako sy mamiko indrindra
Eto an-tany dia Idada sy Ineny;
Fitiavana miara-mirindra
No samy andalàko azy ireny.

Ny lanjam-pitian'izy roa,
Mitovy ka ataoko sahala,
F'ireo sinibe manga roa
ka tsisy izay tombo sy hala.

Noho Ineny no ary ny tena
Noho Idada no velon-tsy ory;
Ineny nitondra am-babena,
Idada nilanja antsangory.

K'ianao velon-dray, eo reny,
Tsarovy ny soa be noraisina;
Ianao eto iharan'ny teny
Dia aza misehatra haizina.

Tohano 'reo rah'sendra reraka,
Ampio raha sendra ka ory,
F'izany no manatanteraka
Ny sitraka enti-matory.

R. Rajemisa-Raolison


Ny Pôeta nanana ny maha-izy azy koa dia i Georges Andriamanantena izay nantsoina tamin'ny solon'anarana hoe "Rado". Izy no Pôeta mba nifanerasera tamiko indraindray. Indraindray, hoy aho, satria tsy nihaona izahay raha tsy tamin'ny fivoriam-pianakaviana ihany. Ny azoko lazaina dia hoe nikoriana tao amin'ny rany ny fitiavan-tanindrazana, ny fanajana ny maha-olona, ny fitiavan-janaka, ny fitiavan-java-kanto nasehony tamin'ny alalan'ny asa tanana sy asa soratra. Mendrika ho fankasitrahana azy tokoa ny nanokanana efitrano iray tetsy an-dohan'Analakely mitondra ny anarany (efa nafindra eny Ampefiloha amin'ny Tranom-bokim-pirenena). Pôetan'ny fahafahana izy, ka hoy indrindra izy :
 

"Ry Fahafahana !

"Matokia, ry Fahafahana
Rahavavim-pivavahana
Fa tsy ho moana
na ho foana
ao anatiko ao ianao.
Holalaiko
Sy hohajaiko.
Ka harovako
ho lovako.
Fa raha ny peniko no alaina
an-terin'aina,
ka didiana
Sy tsindrina
Tsy hanoratra anao
d'henoy izao :
Io ny molotro
atolotro,
hivazavaza
Sy hanazava
ka hiteny
ombieny ombieny,
ny hasaro-bidinao
Sy ny anara-masinao...
ka matokia
doria doria!...

Fa na rahonana aho, na tairina,
ka ny molotro hozairina
raha miteny
anao ka reny !
Lazaiko anao
fa mbola ao
hanaram-po
tokoa tokoa
ny hohon-tanako
ankavanako,
hivikiviky
ka hikiky
rindrin-tany
sy handrin-tany,
vatan-kazo
sy izay azo
ametahana
ny anaranao ry Fahafahana !
satria tsy maintsy ampanjakaina hatramin'ny fara-fofonaina
ny herinao ry Fahafahana !

RADO



Toetra Ràja. Nampiasainay tany amin'ny T4 sy T5 tokoa izy ireo fa misaotra. Araka ny hevitrao, inona no mety ho fomba mahomby hanohizan'ny mpikaroka ankehitriny an'io fanagasiana io?

André Rakotondranaivo.
Inona no atao hoe "mpikaroka ny fanagasiana" ? Moa tsy ny mpikambana ao amin'ny Fizarana "Haikanto sy Hailaza" amin'ny Akademia Malagasy" sy ny mpikambana amin'ny "Havatsa/UPEM" ve ? Ary ampiako koa ny Mpampianatra teny malagasy rehetra, na amin'ny Ambaratonga Faharoa, na amin'ny Ambaratonga Ambony, tsy mpikarama fa mpankafy ny Tenindrazana malagasy.

Matoa mikororosy fahana ny Teny malagasy ankehitriny dia noho ireto antony telo ireto:

- tsy miray hina ny Mpampianatra teny malagasy amin'ny Ambaratonga rehetra hanohy ny fanagasiana ny fampianarana.
- noho ny fibosesehan'ny teny vahiny be loatra eto amintsika, dia mahery vaika ny an'ny mpanam-bola ka imatimatesan'ny Tanora ny fianarana azy. Tsara izany saingy ny an'ny tena no tokony ho andrianina ary ny an'ny hafa tokony hofehezina tsara satria Nosy ny Tanintsika ka be vahiny, izay tsy tokony hanambaka antsika!
- ny mampalahelo dia ataon'ny Tanora vao misondrotra "valalan'amboa, ka ny tompony aza tsy tia" ny Teny malagasy.

Koa araka ny hevitro dia tokony hiray hina, samy hankafy ny Tenindrazana ny Mpanabe rehetra. Tokony hampianarina ny Tanora ho tia Tanindrazana (fanabeazana izany) fa efa Firenena lehibe anie izany misy mponina 20 tapitrisa mahery izany e, ary ny Firenena mandroso rehetra dia samy mampiasa ny tenin-drazany avokoa, (ny Arabo, ny Àngilisy, ny Frantsay, ny Sinoa sy ny sisa) ary ireo vahiny dia tokony hahay miteny malagasy vao azo ekena hipetraka eto (Misionera, Diplômaty, Mpandraharaha...). Ary farany tokony hatao teny malagasy daholo ny fifanekena amin'ny vahiny, ny lalàna eny amin'ny Tribonaly sy ny lalàm-panjakana misy rehetra amin'izay dia hirehareha amin'ny maha-Malagasy azy ny Tanora! Izany no hisian' ny tena fiandrianam-pirenena marina mba tsy hotsabatsabahan'ny firenen-kafa ny atao eto Madagasikara. Tokony ho sarotiny koa ny Fanjakana amin'ny fampiasana ity "SMS" ity, fa ao no tena ahitana ireo fanimbana ny teny malagasy, ka tokony harovana sy hosazina izay manao izany. Manahy aho fa aoriana kely ao dia hanjary hisy "créole-gasy" koa eto Madagasikara: ho levona tanteraka ny Teny malagasy. Enga anie tsy ho tonga amin'izany ity Nosy malalantsika ity!

 

Toetra Ràja. Ahoana ny fahitanao  ny famehezan'ny Pôeta ankehitriny ny tsipelin-teny izay mahasarotiny anao?

André Rakotondranaivo.
Lehibe sy manan-danja tokoa izany fanontanianao izany. Tsy tokony ho izaho irery mantsy no ho sarotiny amin'ny fanoratana ny teny malagasy, fa ny mpandala ny literatiora rehetra, indrindra ny Pôeta. Ny pôezia mantsy dia tsy natao hahafinaritra ny sofina fotsiny fa ny maso koa. Koa dia mampalahelo raha tsy mahatsapa izany ny Pôeta ankehitriny, fa maika hivetso ny aingam-panahiny fotsiny ka tsy hiraharaha ny tsipelin-teny. Tsarovy anefa fa ny feo na dia mambabo toy inona aza dia mandalo ihany, fa ny soratra mitoetra, indrindra amin'izao andro fandrosoan'ny teknôlôjia izao izay andraisana ny feo mba hosoratana na amin'ny taratasy na amin'ny boky. Ka ny zava-doza dia ny hahitan'ny olona, indrindra ny tanora sy ankizy, ireny soratra diso tsipelina ireny raha misy!

Ireto pôezia manaraka ireto dia ohatra ahitana tsipelina diso araka ny fahitako azy, fa anjaran'ny Pôeta ny manamarina na mandiso ny eritreritro :

-Tononkalo natao hianaran'ny mpianatra tsianjery any an-tsekoly:
 

"Hatsiaka mamanala; re mamirifiry
Ririnina no tonga, sy mandona varavarana,
Ngoly, mia-maina, ireo zavatra maniry,
Miendaka aman-taho, tsy mahita hifaharana

Ringitra ny bozaka, ka mia-ratsy volo,
Ny andro matromatroka, ny rivotra mifafy,
Toa hita malahelo ireo natiora manontolo,
Hatsiaka no mianjady, ka vonona ihafy.

Maraina, mifoha ireo akoho amam-borona,
Mangina tsy re, fa rakotr'hatsiaka
Jerena mahonena, fa tsy mitangorona,
Donafan'ny erika tsy ho afa-mihiaka

Patrakala mitaika, mively tafo-trno
Mandrotsy ireo biby, toa mitamby firaisana,
Matahotra ihany fa tsy maintsy hilomano,
Anaty ririnina, mampitondra faisana.

S.D.


Izao no fanamarihako :

1) Tsy mbola nandre tovona "mia" aho fa "miha" izay akambana amin'ny mpamaritra anarana milaza toetra, ka tonga tsikelikely no heviny. Ohatra :"mihamaina" = manjary maina no heviny. Ao koa ny hoe : mia-ratsy, rakotr'hatsiaka, tafo-trno.

2) Tokony hajaina ny mari-piatoana, fa fitsipi-panoratana eran-tany izany, ka litera lehibe (majuscule) no soratana rehefa manomboka ny fehezanteny, na rehefa manaraka ny teboka, fa litera madinika (minuscule) kosa rehefa mbola tsy tapaka ny fehezanteny ka asiana mari-piatoana faingo (,) na teboka amam-paingo (;) na teboka roa (:). Tokony hohajaina izany na dia amin'ny pôezia aza ary marihiko eto fa betsaka ny Pôeta no tsy manaja izany fitsipika izany, na dia ireo tranainy aza, hany ka mampihen-danja azy izany.
Jereo koa ange itony pôezia na tononkalo na tononkira tranainy, na fahita mandraka androany itony e :

 

"Mahita anay lavi-kavana,
Ka miady mena masoandro;
Mahita anay sarak'olona,
Ka manati-bary vao maraina;

Koa lazao an-dRabekabary,
Ambarao an-dRalavavava :
Ny sotro no tsy tapahina, hoe,
Ny vary no tsy azo haronina;

Ny kianja no tsy asian-dratsy
Ny lalao mbola ho ela;
Fa na tsy misy aza ny tody,
Ny atao tsy maintsy miverina;
Andriamanitra tsy andrinareo, andrinay ihany.

Rafanoharana


Inona no mahatonga izany tsy fanajana fitsipi-panoratana na fanarahana ny marina izany? Fahalainana hanova litera ao amin'ny solosaina ve sa efa fomba fanao taloha ka tsy azo ovana intsony? Raha fahalainana dia "tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra olona", satria tsy mendrika ny Pôeta izany. Ny Pôeta dia mazava fa mpanoratra ka tsy tokony handiso tsipelina ary tsy ho tratra aoriana amin'ny fanaraham-pitsipika ka hanara-drian-drano amin'ny tsy mety na diso fanoratra teo aloha, na koa hoe efa fomba fanoratra pôezia ataon'ny firenen-kafa ka tsy mampaninona fa mba alain-tahaka. Ilaina ny fanavaozana (revôlisiona) satria zava-kanto ny literatiora, ka sady mahaliana ny sofina no mahafinaritra ny maso!


Toetra Ràja. Ahoana no azo andikana ny hoe "licence poétique" amin’ny teny Malagasy? Amin’izao fotoan’ny fitsinontsinoavana ny fitsipika sy tsipelina izao, azo avela halalaka ve ny fampiasan’ny Pôeta ankehitriny ny "licence poétique"?

André Rakotondranaivo.
Ny atao hoe “licence poétique”, dia tsy inona akory fa ny tsy fanarahan-dalàna mifehy ny pôezia. Ny tanjona kendren’ny pôezia mantsy dia ny hanome fahafinaretana ny sofina sy ny maso ary ny hanohina ny fon’ny mpamaky sy mpihaino azy. Koa raha misy tsy tomombana ny iray amin’ireo telo ireo, dia fahasorenana no vokany ka fotoam-bery maina ho an’ny Pôeta sy ny mpakafy izany, mametra-panontaniana hoe: “Izany ve no atao hoe Pôeta ankehitriny?”
- Toy izany ny mamerina teny ho rima: “ao am-po… mambabo fo”
- Noho izany, araka ny hevitro dia tsy tokony hatao fomba mahazatra loatra ny “licence poétique” fa mahamonamonaina, eny, tena mankaleo ny olona mihitsy aza, ka tsy mahate hamaky mihitsy ny atao hoe “pôezia”. “Trafon-kena ome-mahery, ny ahy, ka am-bava homana am-po mieritra!”

Ireto misy santionany.

 

“ALINA”
Gina, toy ny tontolo
Tapi-tory maka aina.
Izaho irery mipitrapitra an-kaizina
Kotrehin’ny adin-tsaina
Zary monina tsy te hiala;
Mitady hirika nefa tsy lazaina.

Mazava alina
Mitohy vakana ao
Ireo zava-mikiky ny saiko :
Ao ny manolatra, toy ny fery vao…
Te hanosika hivarina amin’ny alina.
Misento mangina. Asa lahy? Tsy haiko.

“hanaiky ho resy?”
“Tsia!”… Na olana saro-bahana
Na an-kolaka na mivantana,
Ho resin’ny Ezaka sy ny Fanantenana.

R.B (T-132)

“ANY”
Ry sakaiza tsy foiko, any lavitra any
Tsy eo anilako fa kosa mitoetra ao am-po
Ny eritreritro, saiko, tsy mitsahatra mankany
Aminao ry tanteliko, mahababo ny fo

Ny ho aviko nozaraiko aminao ry Malala
Afoiko ho anao tsy ho asiana hambom-po
Fa Jehovah manendry, ka tsy hanan-tsahala
Ny fitiavako anao, r’ilay mamin’ny fo

Lalatiana
(T-270)

 

Fehiny : Tokony hankasitraka ny feo henoin'ny sofina sy ny teny hitan'ny maso voasoratra ny mpandala pôezia. Koa noho izany dia mila mitandrina ny Pôeta !

 

 

Toetra Ràja. Mbola betsaka ve ireo asa maika miandry ireo mpikaroka bokim-pianarana amin'izao fotoana izao?

André Rakotondranaivo.
- Raha tena maika ny fampandrosoana ny toe-karen'ny Malagasy, dia tsy latsa-danja amin'izany ny asa miandry ireo mpikaroka sy mpanoratra bokim-pianarana amin'izao fotoana izao!

Mibosesika eto amin'ny Nosintsika mantsy ny teny vahiny ankehitriny ka ifanotofana ny fianarana azy ireny, ary mila ho hadino na tena ilaozana mihitsy aza ny "Teny malagasy" ka tonga amin'ny fitenenana hoe : "Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia"! Ny an'ny tena tsy hay, ny an'ny hafa tsy voafehy, satria mihinam-bary amin'akotry amin'izay. Raha mihinana "vary amin'anana" mantsy dia mety ihany fa mbola andrenesana tsiro izany, fa ny "amin'akotry" dia tena mankarary vavony mihitsy.

Noho izany dia maika tokoa ny asa, betsaka ny mbola hatao, mba tsy amin'ny alalan'ny fitenenana no anasan'ny vahiny ny atidohan'ny tanorantsika, eny, ny Malagasy manontolo mihitsy aza.

Koa ireto araka ny hevitro no azoko omena ny mpikaroka sy ny mpanoratra bokim-pianarana ankehitriny hisorohana izany loza mitatao izany:

1)- Tokony homena lanja ny fampianarana ny "Teny malagasy" any am-pianarana. Tsy midika akory izany fa hatao an-tsirambina ny teny vahiny, fa toy izay ataon'ny Firenena hafa rehetra : Arabo, Sinoa, Anglisy, amin'ny fanabeazana ny taranany amin'ny "tenin-dreny" koa.

2)- Tokony hogasiana tsotra izao araka ny fanononana efa mahazatra ny olona ireo teny vahiny fampiasa andavanandro :

Ohatra:
 
- la table (fr.) = latabatra
- chaise (fr.) = seza
- moteur (fr.) = môtera
- fête (fr.) = fety
- total (fr.) = tontaly
- volcan (fr.) = volkano
- tar (angl.) = tara (godrao)
- geese (angl.) = gisa
- cement (angl.) = simenitra
- cigar (angl.) = sigara
- slate (angl.) = solaitra
- carpet (angl.) = karipetra

 


3)- Ny teny frantsay miafara amin'ny "ie" raha gasiana dia tokony ho "ia" no hanoratana azy, na anarana io, na siansa io, na matematika io, mba tsy hanahirana ny mpianatra na ny olona ny fitadidiana azy na ny fampiasana azy, saingy ilain'ny mpanoratra bokim-pianarana, na ny mpikaroka, na ny mpampianatra ny manazava ny hevitr'ilay teny, fa tsy omena anarana vaovao.
Ohatra : - Géographie =  Jeografia; - Philosophie = Filôzôfia; - Géométrie = Jeometria; - Trigonométrie = Trigônômetria

 

 

Toetra Ràja. Momba ny fanagasiana ny fampianarana ve nety ho nisy paik'ady tsy nifandraika tamin'ny fiaraha-monina tamin'ny fotoan'androny?
 
André Rakotondranaivo.
Azo lazaina ho kihon-dalana teo amin'ny fiainam-pirenena malagasy tokoa ny taona 1972, izay nitakian'ny mpianatra ny hanagasiana ny fampianarana. Tsy ny fomba fampianarana amin'ny teny malagasy ihany anefa izany, fa ny fampianarana ny fomban-drazana, ny kolontsaina, ny tenin-dreny, ny lalàna eny amin'ny tribonaly, ny asa aman-draharaha, ny fitaovana, fa leon'ny fandaharam-pianarana ataon'ny frantsay ny olona, mbamin'ny kolontsaina vahiny.

Faly ny ankabeazan'ny olona satria maneho ny fiandrianam-pirenena ny fanajana ny tenin-drazan'ny tena. Nahoana tokoa moa ireo firenena hafa toy ny Arabo na Sinoa na Frantsay sy ny hafa no tsy mindrana ny tenin'ny firenena hafa hampianarana ny zanany? "Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha!" hoy ny fahendrena Malagasy.

Nisy koa anefa ireo vitsivitsy no tsy faly tamin'ny fanagasiana ny fampianarana. Tsy azo entina mianatra na miasa any ivelany hoy izy ireo ny teny malagasy fa firenena kely ny Malagasy.

Tsy nahakivy ny fitondram-panjakana tamin'izany fotoana izany anefa izany dia ny Repoblika II, ka nanangana ny "B.E.P." (Bureau d'Etudes de Programme" na koa ny "OTEP" (Organe Technique d'Elaboration de Programme" izy hanatanterahana ny fanagasiana ny fampianarana. Tamin'izay dia nisy taratasy voarain'ny "BEP-OTEP" nanao hoe : "Malgachisation veut dire Mernisation!"

Nandefa iraka tany amin'ny Faritany rehetra teto Madagasikara ny "BEP-OTEP" hanazava sy hanentana fa hahasoa antsika ny fanagasiana amin'ny lafim-piainana rehetra. Nitsangana ny mpiofana iray nilaza fa izy no nanoratra ilay taratasy. Nanambara izy fa "tsy fankahalana foko akory no nataony, fa tsy misy boky azo ampiasaina amin'izany satria nofanina hampianatra amin'ny teny frantsay ny mpampianatra malagasy ary tsy fisakanana ny fanagasiana izany. Ary tsy antony pôlitika koa akory no nanaovany izany taratasy izany". Noho izany no antony nampalaina azy amin'ny fanagasiana ny fampianarana.

Koa rehefa tafavory ny mpanofana rehetra tao amin'ny "BEP-OTEP", dia nanapa-kevitra fa hamoaka boky fianarana amin'ny teny malagasy, ka izay afaka hanao izany  dia amporisihana tokoa. Ny tenako no lohalaharana amin'ny famoahana boky fianarana ho an'ny S.F.F. (Sekoly Fanabeazana Fototra), toy ny "Fianarana manoratra teny malagasy" -ny "Kajy Fototra" - ny famakian-teny atao hoe "Malagasy tokana" - ny "Fahalalana tsotsotra" sy ny sisa, izay nankasitrahan'ny Mpampianatra sy ny Ray aman-drenin'ny mpianatra tokoa. Voambolana niarahan'ny mpampianatra mpikambana notsongaina avy tamin'ny Faritany rehetra eto amin'ny Nosy no nampiasaina fa tsy hevitr'olon-tokana.

Nony nivoaka ny boky dia nisy ny fanakianana mivaivay nilazana fa tsy mety ny fanagasiana satria misy voambolana tsy fampiasa, fa teny ratsy amin'ny faritra sasany eto amin'ny Nosy. Ho vahaolana dia navoaka ny boky natao hoe "Malagasy iombonana", niarahan'ny mpikambana amin'ny "BEP-OTEP" nandinika.

Nampalahelo fa na dia nanezakezaka aza ny tao amin'ny Ambaratonga voalohany, dia nikatso tao amin'ny Ambaratonga faharoa satria tsy nisy ny boky hampiasaina. Na dia tsy nofoanana aza ny fianarana teny frantsay, dia variana nianatra teny malagasy ny mpampianatra, ka zary toa natao an-tsirambina ny fampianarana ny teny vahiny. Ankoatr'izany koa dia lasa Minisitry ny fampianarana ny lehilahy iray nanambady vazaha frantsay, izay namporisika ny vadiny hanafoana io fanagasiana io, ka dia naverina indray ny fampianarana amin'ny teny frantsay. Ny S.F.F. naverina ho E.P.P. (Ecole Primaire Publique). Nomena fanampiana (subvention) ny Sekoly tsy miankina mampianatra amin'ny teny frantsay, ka nifandrombahana tokoa ny hampiana-janaka tamin'ireny!

Izany no paik'ady nampiasain'ny mpanjanatany sy ny mpanaraka azy hanafoanana ny fanagasiana ny fampianarana. Tsy mbola tafarina izany hatramin'izao andro izao, ka lasa vary amin'anana ny tenin'ny zatovontsika. Ny vary amin'anana aza mbola misy tsirony ihany, fa lasa "vary amin'akotry" mankarary vavony mihitsy.

Ho tafaverina ary ho ela velona anie ny Tenindrazantsika!

 

Toetra Ràja. Manana famaritana ny antsoina hoe Tononkalo amin'ny fijerinao manokana ve ianao?

André Rakotondranaivo.
- Mety tsy hitovy amin'ny fijerin'ny Pôeta hafa angamba ny fijeriko, kanefa dia hasehoko eto ihany ny tokony ho endriky ny atao hoe "tononkalo" :

Ny atao hoe "kalo" mantsy dia hira madinidinika fanao raha manimanina, na raha mahatsiarotsiaro ny ela. Noho izany dia vokatry ny fihetseham-po ny tonony (na ny teny tononina). Izany no atao hoe "tononkalo", saingy narindra hambabo ny mpihaino na mpamaky azy.

Efa noresahantsika teo aloha ihany fa tokony ho tafapaka amin'izay mihaino na mamaky azy ny tononkalo, ka tsy tokony hanao fahadisoana ny mpiangaly azy na ny Pôeta. Ireto àry misy fanamarihana vitsivitsy araka ny fahitako azy manokana :

Momba ny mari-piatoana :

Tsy tokony hotsinontsinoavina toy ny tsipelinteny koa ny mari-piatoana, tsy amin'ny fanononana ihany, fa amin'ny fanoratana indrindra koa. Ny fitsipika ara-panononana mantsy dia hoe : miakatra ny feo rehefa misy faingo, fa midina kosa ny feo rehefa mifarana ny fehezanteny, miakatra koa amin'ny (? sy !).

Amin'ny fanoratana koa toy izany : atao renisoratra (na litera kapitaly, na koa atao "majuscule", hoy ny teny frantsay) ny fiatombohan'ny fehezanteny, izany hoe, aorian'ny teboka (.) na teboka roa (:). Tokony hampiasaina ireny mari-piatoana ireny ary hajaina ny fitsipi-panononana sy fanoratana. Ireto ohatra heveriko ho tsy manaja izany, ka ialako tsiny amin'ny mpanoratra azy :

a)- tsy nampiasa mari-piatoana mihitsy :

 

 

SIA SY....
Mivezivezy ny ahy ny vatana
avaratra
atsinanana andrefana
atsimo
nisy ahy
fa noana ny fanahy
noana
silaka
ZOLL
SOMBI-KO
Ny amiko ry Aiko
Raha lazaiko anao
Tsy finidy fa tsy haiko
No nahitako anao
Tsy lala-nantenaina
No nihaonantsika roa
Fa ianao ry Sombin'aina
.....................
Mi-Rija


b)- Tena mandratra ny masoko mihitsy ny mahita tononkalo na tononkira tsy manaja fitsipi-panoratana, izany hoe tokony hatao renisoratra ny aorian'ny teboka (.) na dia amin'ny tononkira aza :

 

Ohatra :

Aza manadino ahy,
Ry mpihaino vavaka!
Aza mba manary ahy
Hanalavitra Anao;
Mitodiha ry Mpanjaka!
Ka jereo ny olonao!
Aza manadino ahy,
Ry mpihaino vavaka!
(Hira N°617 FFPM)
Tokony ho izao :

Aza manadino ahy,
ry mpihaino vavaka!
Aza mba manary ahy
hanalavitra Anao;
mitodiha ry Mpanjaka,
ka jereo ny olonao!
Aza manadino ahy,
ry mpihaino vavaka!

 

- Tokony hekena ny andron'ny fanitsiana (Réforme) raha mitombina ny fanehoana izany, fa tsy ho mpanara-drian-drano fotsiny ny mpanoratra amin'izao taonjato faha-21 izao.

- Ny Baiboly malagasy natonta voalohany tamin'ny 21 Jona 1835 izay nadikan'i David Jones sy David Griffiths, dia nanoratra hoe "Tamy ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. ...Ary Andriamanitra nanao hoe : Misia habakabaka... ary aoka hampisaraka ny rano amy ny rano izy." (Gen. 1 : 1,6)

- Nekena ny fanitsiana izany tamin'ny famoahana ny Baiboly nadikan'ny Firaisam-pinoana (DIEM) voalohany tamin'ny taona 1909, ka nahitsy ny hoe : "Tamy ny"... sy ny hoe "amy ny...", ny hoe "hianao" ka nanjary "Tamin'ny" sy "amin'ny" ary "ianao"!

FARANY

Ny tsy fetezana hanaja izany rehetra izany, dia mahavelom-panontaniana hoe :
1)- Be loatra ve ny fihetseham-pon'ilay Pôeta ka tsy voafehiny intsony ny hitandrina ny lalàna mifehy ny fanoratana?

2)- Tsy mba nianatra fitsipi-panoratana ny teny malagasy ve izy kanefa mba te hanoratra sa tsy niraharaha afa-tsy ny fanomezana fahafaham-po ny sofina fotsiny?

3)- Ny fahamaizana hahazo dera sy laza ary vola sy voninahitra ve no mahamaika ilay Pôeta ka tsy niraharaha fitsipika intsony?

Raha izany no zava-misy dia mila hotsaraina ny tononkalo nataony fa manimba ny lazan'ny literatioran'ny Malagasy izany!
"Trafon-kena ome-mahery izany, ka am-bava homana fa am-po mieritreritra!"


 

Toetra Ràja. Andriamatoa AéRa, fisaorana lehibe no atolotray Pôetawebs anao nahafoy fotoana ho fanandratana ny pôezia malagasy. Misaotra indrindra tompoko fa tsy nisalasala tokoa ianao nizara ny traikefanao sy namelabelatra taminay ny lalana nodiavinao teo amin'ny soratra. Voaray ny hafatrao ka ho kajiana toy ny anakandriamaso. Mirary soa, mandra-pihaona!

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 05/01/2022