Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

01 Novambra 2015

TAPATAPAK'AHITRA NIARAHAN'NY PÔETAWEBS TAMIN'I BOTSAIKY VKN

Pôeta sady mpanakanto misandrahaka amin'ny lafiiny maro no atolotra antsika etoana. Botsaiky Vkn no anarana maha mpanakanto azy. Tanora dia tanora ary tonga mitapatapak'ahitra mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja.

Miarahaba anao Botsaiky Vkn ary misaotra anao nanaiky mitapatapak'ahitra amin'ny Poetawebs izao. Voalohany indrindra, inona no zava-ponosin'izany anaranao "Botsaiky Vkn"?

Miarahaba anareo mpandrindra ny tranonkala mpanaparitaka ny soratra sy ny haikanto ihany koa. Ny anarana tsy dia misy antony loatra fa anara-petaka izy io ka notazoniko. Ny Vkn indray dia anaran’ny zanako voalohany. Ivakana no fiantso azy, IZY no ravaka mampiaina ahy dia izay no antony fa tsy hoe Vakinankaratra akory. Njara-randria koa fiantso ahy matetika ary hampiasaiko amin’izay ato ho ato.


Ambarao fohifohy aminay, iza tokoa moa i Botsaiky Vkn?

Lehilahy aho, manan-janaka mianadahy, Ivakana sy Fiary no anarany, manambady tokana an-dRazanajoa Pierre Yolande Ninà mpanao lakozia. Nianatra “communication protection et valorization du patrimoine”. Manao infographiste ho anton’asa. Mamorona tononkalo sy tantara ary sombintantara. Eo ihany koa ny rian-kalo sy ny haintenin’ny tanora, izany hoe hain-teny amin’izao vanim-potoana izao fa tsy ilay be filirony be tsy fantatra ireny ny heviny. Ny Tono Ngah mikalo tao amin’ny gazety Ngah no tena nahafantarana ahy. Ny sombintantara amin’io gazety io ihany koa intelo isan-kerinandro. Tsy ahy irery no mivoaka ao fa misy namana hafa. Folo taona izay no nanaovako izany tao. Tia mamaky boky hatramin’ny fony kely aho ary tia mijery fahitalavitra. Mandalina manokana ny sinema aho ankehitriny satria tiako izany. Taranaka mpihira gasy aho satria ny raiko Randriamananjara Pierre dia mpihira tao amin’izany tarika Razafinanosy izany ary ny reniko Razaiarilala Charlotte Arline kosa mpanao amponga vilany taloha (hiragasy tsy misy langoroana fa ampogabe fotsiny io). Rahalahiko sy rahalahin’ny raiko ny ekipa Rateloson Andohavary mpihira gasy. Any rahateo no tanindrazako. Tia mikabary aho ary tsy maintsy hianatra izany fa tsy mbola izao aloha. Izay angamba no azoko lazaina fa ritra ny rorako.


Betsaka tokoa araka izany ny azo ambara ny momba anao. Misandrahaka amin'ny lafiny maro ny talentanao. Fa andeha aloha ny tononkalo no anombohana ny resaka. Inona no nahatonga anao ho Pôeta?

Endrika iray azo izarana ny olana sy ny hafaliana ny soratra sy ny haikanto. Manome loko hafa ny fiainana izy. Tsara e! Tsy Pôeta aho fa mpamerina ny hita maso sy ny tsy hita amin’ny endrika kanto dia izay fotsiny. Izany kanto izany amiko tsy misy famaritana fa misandrahaka be ary samy manana ny fiheverany azy.


Inona no lohahevitra mahavantana anao?

Ny fiainana amin’ny lafiny mahatsikaiky nefa mifono anatra. Ny endrika tsy hitan’ny sarababembahoaka amin’ny fiainany andavanandro ary mazava ho azy ny ray aman-dreny sy zanaka ary ny tanindrazana sy ny fitiavana.


Ahoana ny fomba fampielezanao ny tononkalo nosoratanao?

Ny gazety aloha hatreto ary inoako fa ny kapila rehefa atsy aoriana atsy. Mino izany aho satria hiezaka fa ny aina no matezà e!


Tsy mba notanisainao teo ireo tambajotra sosialy sy ny aterineto. Nahoana?

Satria tsy mamoaka ron-doha any aho! Tsotra ny antony, misy maka ny zavatrao dia ovany kely dia lasany! Aoka aloha hoy ilay karatra mena izay. Tsy mbola nazoto ny hiditra OMDA rahateo koa aho saingy efa mieritreritra izany. Ao an-trano no voalohan’adidin’ny Antily. Skoto koa mantsy aho ary manana fiofanana maromaro momba izany.


Folo taona izay no nifaneraseranao tamin'ny gazety ngah. Azonao asiana resaka kely ve ny momba ny gazety? Ary ny anton'ny nisafidiananao azy?

Gazety tsy mifidy taona izy io amiko ary mahafinaritra. Misy kolontsaina maro lafy ao aminy na ankehitriny na taloha. Mahavariana e! Ny Malagasy no isan’ny tena hasandratra ao. Izy irery hatreto no hitako mahasarika olona isan-karazany fa raha ny boky toa ohatran’ny vitsy satria efa tery ny fotoanan’ny olona, moa eo koa ny fahamaizana ka tsy hahafahana mandinika ireny boky ireny intsony. Ny gazety Ngah dia TSY METY LANY DATY NA OVIANA NA OVIANA. Mampitsiky foana izy ary mahafaly. Tanjon’ny kanto izany dia ny FIALAMBOLY.


Ny tononkalo sy sombintantara noforoninao ve ravahanao sariitatra?

TSIA a ! Tsy mahay sary aho fa scénariste fotsiny ihany.


Efa namoaka boky? Ao anaty fikambanana? Efa niaka-tsehatra?

Tsy mbola namoaka boky ary tsy anaty fikambanana, tsy mbola vonona aho aloha. Ny sehatra indray dia ny tranompokonolona Isotry sy Analakely ary ny fetim-pianakaviana sy namana no efa nanehoako talenta. Ny sekoly misy ny zanako ihany koa satria filohan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao aho (FRAM).


Azonao hazavaina ve ny momba ireo fiofanana nataonao tao amin'ny Tahala Rarihasina? Iza no tompon'antoka?

Tiako avokoa na ny teny na ny soratra na ny dihy. Valiha sy dihy no nataoko tao nanomboka tamin’ny Angaredona 2004 niarahana tamin-dRajery. Tao amin’ny Rarihasina indray aho mbola nanao indroa niaraka tamin-dry Ariry Andriamoratsiresy. 2007 sy 2008 angamba izy izay.


Inona no nahatonga anao hiofana amin'ny sarimihetsika ankehitriny?

Hanampy ahy amin’ny soratra ny sary indrindra hamoahana ny KANTO ao aminy. Tsy ny mpanoratra mantsy no mahay fa mandeha ila izy raha tsy havanana ny mpilalao azy ireny. Mino izany aho.


Mety ho fitaovana azo ivelaran'ny tononkalo malagasy ve ny sarimihetsika?

Mazava ho azy satria ny sarimihetsika tsy mila fanazavana. Sary dia miteny araka izany anarany izany. Andramo anie e! I Rado isan’ny efa nanao saingy mbola feo fotsiny ny azy. Mino aho fa ho maro ireo zandry zoky aty aoriana no ho liana amin’izay.


Ahoana ny fahatsapanao ny tononkalo malagasy ankehitriny?

Mahavelombolo raha miray hina ny rehetra. Simba kosa izy amin’ilay tsy misy SIVANA intsony ny haino aman-jery. Izay be vola no manjaka ka mahavita mamoaka boky matetika. Eo koa anefa ireo tanora te halaza fotsiny na tsy mba mikaroka hevitra hivoarana.

Kanto kely ho fanandraman-tsira :

Manonja mierona tanaty
ilay fihetsim-ponao tonta
Zary mainka misamonta
Mitominjaka tsy tanty !
Hay ilay afo tao tsy maty
Na dia antitra sy konka
Hay ilay afo tao niranty
Fa nodianao jomoka !

Botsaiky_vkn


Tsiky kely ho an’ireo mpankafy :

Vao nahita anao aho ry aiko
Dia saika latsaka ny t…anako
Raha ianao no eo anilako
Dia ny tananao no hifi…kirako !

Botsaiky_vkn


Indro misy sombintantara kely atolotra ho anareo :

TOMPON-TRANO MIHONO

Amberivatry dia tanàna somary ambanivohitra ihany na dia tongan’ny taksibe aza. Tao no nalahatsahan’ny tavoniko. Zaza 10 taona aho tamin’izay ary mipetraka ato amin-dry dadatoa. Avy nianatra izaho sy Rado ary Mely zanany tamin’izay.
- Rondro a! Tokony hijanona amin’ity fianarana ity amin’izay indry rehefa afaka CEPE eo! Tsy arakay intsony mantsy raha sady hiantoka an’indry no hanosika azy dahy!
- Andray kosa ry dadatoa! Izaho ange mbola te hianatra mafy e!
- Ka hoe tsy vita intsony fa ity ve marenina e! hoy i nenitoa nitrerona mafy.
Tsy niteny intsony i dadatoa, niondrika izy dia lasa. Izaho kosa nametraka kitapo dia any anaty fisoko mamaham-borona fa izany no enti-modiko voalohany.

Afaka tokoa ny fanadinana. Tena afaka aho ary nitana ny laharana ambony ihany. Tsy laitra nakisoka izy mivady ka dia nijanona aho. Lasa mpiasa tao an-trano aho nanomboka teo. I dadatoa mba azoazo ihany fa i nenitoa no tena mandevilevy foana isak’izay misy zavatra tsy tiany. Indray mandeha vaky ny atody iray tamin’ireo 15 isa ka sady voavely aho no voalatsa.
- Indry efa velomim-potsiny ato tsy miantoka na ny ariary zakan’ny lalitra aza nefa zava-doza raha hanimba zavatra! Ataovy ihany fa tsy omeko hanina indry!
Mangasihasy fotsiny aho rehefa sendra ireny zavatra ireny. Tsy misy atao fanahy iniana anefa fa vokatry ny hanoanana na noho ny tsy ampoizina avokoa. Indray hariva ihany koa, may ny vary teo am-patana ka na reniny na zanany samy namango daholo.
- Olona kamovavy be tenda io no asain’i mama mahandro vary ka aiza no tsy ho kila! hoy i Rado.
- Tonga dia aza isaina anjara lovia fa ny ampango nodorany omena azy e! hoy i Mely.

Dia tahaka izany foana isan’andro. Taolana mifono hoditra sisa aho taty aoriana.

Feno 16 taona aho tamin’izay. Tsy dia ratsy tarehy loatra fa noho ny hahiazana dia tsy nisy ho jerena firy. Mitsiriritra fotsiny mahita ny vehivavy mitovy amin’ny tena mihaingo sy mamonjy tsena rehefa fotoana saingy mba ho aiza moa.

Nanatona ahy i dadatoa indray andro. Naka toerana mangina izahay mianaka. Nirotsaka mora ny ranomasony :
- Ireto anaka misy vola kely omeko anao dia mialà eto fa ho fatifaty foana eto ianao!
- Inona no antony tsy hitiavan’i nenitoa ahy ry dadatoa ? hoy aho nandray ny vola.
- Tantara lavabe izany anaka! Ory loatra aho rehefa mahita anao tevatevainy sy alikalikainy! Tsy hitako anefa izay fomba hiarovana anao! Manjary izaho indray no mahazo raha vao miteny! Efa hitanao ihany ny toetran’izy telo mianaka!
Dia nanomana ny enta-keliko aho. Inona moa no entana eo fa vorokitsay hany miaro amin’ny ando vao maraina no mba nasisiko tao anaty gony maty zaitra. Rehefa nikasa hitondra ny kahieko fony mbola nianatra aho sitrany atao fahatsiarovana dia nisy taratasy nilatsaka avy tany. Indro taratasy misy ny anarako no misoratra ao. Hitako tao fa hay tsy i nenitoa sy dadatoa no tompon’ny trano sy saha eto fa i dada sy neny avokoa ary izaho irery no hany mpandova raha ny voasoratra tao. Nasehoko ny lehiben’ny tanana izany ary dia nampanantsoina izy mivady. Taitra i nenitoa ka nangina tahaka ny gisa voafato-tenda. Rehefa noterena anefa izy dia nibaradaka ihany. Tsy nitana alahelo tamin’i dadatoa aho satria tsy fidiny ho azy no nanambady akohovavy maneno. Niverina tamiko ny anjara fananan’i dada sy neny raha ‘’Tompon-trano mihono’’ aho hatramin’izay nahatsiarovako saina. Rehefa vita ny fifandaminana dia nilamina ny raharaha. Tsy vonona ny hianatra intsony aho fa ny hiofana araka asa no masaka tato amiko.

Fianarana daholo izany saingy tsy any an-dakilasy fotsiny.
- Inona no ataonao ry Rondro ? hoy ny lehiben’ny tanana
- Ho zaraiko roa na trano na tany dia tazoniko ny antsasany ary omeko an’i dadatoa mianakavy ny antsasany.
- Izay izany fa ho vitainay ny taratasy dia aza atao tompon-trano mihono intsony ny fianakaviana nahitana soa e! hoy ny lehiben’ny tanana tamin’i nenitoa.
- Eny tompoko! hoy izy niondrikondrika. Misaotra kay Rondro a!

Nanoratra : Botsaiky_vkn

Misaotra ny Pôetawebs nanasa ary mankasitraka tompoko, Mino aho fa mbola hihaona eto ihany amin’ny fotoana mahamety izany.

Ianao no isaoranay Pôetawebs nitantara  ny traikefanao sy ny mombamomba anao ary ny santionany amin'ny kantonao. Mirary anao hahavita be amin'ny haisoratra malagasy izahay. Veloma tompoko!

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021