Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

05 Mey 2016

Saholimalala, vahinin'ny Pôetawebs

Fantatrao Saholimalala. Efa ho telopolo taona izao no nandrenesanao ny feony tao amin'ny Radio. Maro lafy koa ny talentany satria mpihira izy, mpanao gazety, mpamorona sy mpilalao tantara an'onjampeo. Manan-ko lazaina koa anefa izy momba ny pôeta sy ny pôezia. Mahaliana ny maro ny tantarany sy ny vinam-piainany ka anisany ianao mpiseran'ny pôetawebs. Nitafatafa taminy i Toetra Raja.


Toetra Raja
Miarahaba anao Saholimalala ary misaotra indrindra nanaiky ny fanasanay. Famintinana ireo mombamombanao voalaza ireo fa misy azonao anampiana ve?

Saholimalala Raharimanjato
Tsy anampiana tsy analana fa feno.


Toetra Raja
Azonao lazaina àry ve ny lalana nizoranao teo amin'ny sehatry ny Radio?

Saholimalala Raharimanjato
Fony vao 10 taona teo aho no nanao ny TALENTAKO, fandaharan'ny ankizy tao amin'ny RTM (Radio Televiziona Malagasy) tamin'izany fotoana. Dia ny taona 1987 no nanomboka niasa amin'ny maha mpiasa an-tselika, niasa tao hatramin'ny 1991 izay nisian'ny krizy teto Madagasikara. Nisy ny radio RFV izay radio tsy miankina voalohany teto Madagasikara, teraka tao anatin'ny tolom-bahoaka, dia niasa tao aho, ary tsy tafaverina tao amin'ny RNM intsony amin'ny maha mpiasa an-tselika ahy, fa mbola antsoina milalao tantara ihany koa hatramin'izao. Ny radio KORAIL FM 90, tamin'izany fotoana no nanaovako fandaharana sy tantara ihany koa sady niasa tao amin'ny TVM ihany koa ny tenako. Ny 1997 dia tsy maintsy nisafidy indray aho na RTA na TVM satria tsy nanaiky ny TVM fa samy fahitalavitra tsinona, dia nisafidy ny RTA aho. Niverina nanao fandaharana BARAINGO tao amin'ny TVM indray anefa taty amin'ny taona 2000. Nisy indray ny krizy 2002 dia niato ny TVM. Izaho rahateo niteraka ny zanako faralahy. Dia nanomboka ny 2003 aho no niasa tao amin'ny MBS izay mbola tratry ny krizin'ny 2009 ihany koa. Miandry ny hiverenany daholo ny mpiasa rehetra ao ary anisan'izany ny tenako. Tsy mahay mipetraka intsony anefa fa efa rà mikoriana ato anaty ilay fitiavana ny haino amanjery dia manao BARAINGO ao amin'ny SPACE RADIO 104.6 FM ny tenako amin'izao fotoana izao. Miaraka ny radio sy tele amin'ireo voalazako ireo.


Toetra Raja
Lava tokoa ny lalana nodiavinao teo amin'ny haino amanjery. Anisan'izany, hoy ianao, ny filalaovana tantara anonjampeo. Namorona sady nilalao an'ilay hoe "Ilay vadin'ny raiko" ianao. Nisy antony manokana ve nahatonga ny aingam-panahinao tamin'io?

Saholimalala Raharimanjato
"Ilay vadin'ny raiko", tantara farany nosoratako nalefa tao amin'ny RNM. Ny tontolon'ny vehivavy GASY manoloana izany atao hoe tokantrano izany no votoatiny. Ho alefako manontolo ao amin'ny "chaine youtube Saholimalala" izy ato ho ato. Tantara marina dia nosoratako satria azo hakana lesona iatrehan'ny vehivavy izany tokantrano izany; indrindra ho an'ny tovovavy GASY rehetra.

 

"vao nanitsaka ny tokotaniben'ny RTM ny tongotro dia tsapako fa ho tokotany hilalaovako ny tontolo rehetra tao"

Toetra Ràja
Tamin'ny ianao vao niditra voalohany tao amin'ny RNM, mety ho nisy zavatra nanaitra anao manokana ve?

Saholimalala Raharimanjato
Mbola vao 10 taona aho no niditra voalohany tao amin'ny RTM (RNM ankehitriny). Tiako be ilay baraingo satria, vao nanitsaka ny tokotaniben'ny RTM ny tongotro dia tsapako fa ho tokotany hilalaovako ny tontolo rehetra tao. Dia izao maso miaraka mijery izao isika rehetra. Mankasitraka amin'ny foko manontolo ireo zoky raiamandreny rehetra niaraka tamiko tao aho, tsy misy anavahako fa izy rehetra, satria nandrafitra ny akanin'ny fiainako tamin'ny fomba samihafa izy ireo. Anisan'ny fiainako ny asan'ny haino amanjery satria efa nanandrana indray maka nanao asa hafa aho fa tsy navelan'ny haino amanjery fa dia nantsoiny hiverina ato aminy ihany. Tiako ny asako, ary tsy asa intsony izy amiko fa fiainako mihitsy izay mahafinaritra tokoa!


Toetra Ràja
Mety ho anisan'ny nahasarika anao nihira ve ny fifaneraserana tamin'ny mpanakanto mpihira tao amin'ny radio?

Saholimalala Raharimanjato
Nifanerasera tamin'ny mpihira marobe tokoa nandritra ny niasana tao amin'ny RTM aho, fa ny tontolon'ny hira indray dia tena hafa izay fiainako iray ihany koa! Vao 6 taona aho no efa nandrafitra feonkira ny tao anatiko tao, mbola tsy misy tonony io feonkira io hatramin'izao isika miteny izao. Nanomboka teo amin'ny faha 12 taonako no tena niainga ny famoronana tato amiko satria nampianatra hira ny sekoly alahady mpihira tao amin'ny fiangonana nitandreman'ny dadako aho tany amin'ny taona 1981 tany, niaraka tamin'i Nali Rabarison, izahay dahy irery no zanak'i Dada sy i Neny.


Toetra Ràja
Maro amin'ireo hiranao no mirona any amin'ny fivavahana. Misy antony manokana ve?

Saholimalala Raharimanjato
Noho ilay tontolo nilomanosana tao anatin'ny famoronana angamba no mahatonga ny olona hanao hoe maro ny hira mitantara fiainam-panahy noforoniko, 70% eo. Fa mamorona hira mitantara ny fiainantsika isanandro koa aho. Moa ny zavamisy iainako ihany koa dia ny efa fifandraisako matotra dia matotra amin'ny ILAY TOMPON'NY AINA, nametraka ny SOMBINY ato anatiko, dia tena mamaritra be dia be ny fiainako manontolo sy ny ataoko rehetra ety amin'ity tany fandalovana ity izany.


Toetra Ràja
Mety ho efa nisy tononkalo ve noeritreretinao hiraina?

Saholimalala Raharimanjato
Ny hirako rehetra afa-tsy ny "Misaotra Anao zahay" sy ny "Fahasoavana tsy lany", izay noforonin'i Nali Rabarison, dia izaho daholo no namorona azy. Tononkalo nosoratako daholo ihany noho izany no notafiako feony dia tonga hira.


Toetra Ràja
Tia pôezia ve aloha i Saholimalala e!


Saholimalala Raharimanjato
Tia pôezia ve??? Eto no tena resaka!... Raha hiteny ianao hoe tononkalo dia sady misy AINA no mazava tsara satria teny GASY. Fa rehefa hiteny ianao hoe pôezia, tena ifonako tanteraka fa tsy hanana ambara aho satria teny vahiny nogasiana nefa izay tena AINA entiny tsy tonga aty amiko fa amin'izay tena tompony ihany no afaka manazava azy tsara. Dia raha sitrakao! Aleo amin'ny ilay teny GASY manana HASINA tsy hay hazavaina no iainako azy amin'ny ny fanazavana rehetra!

 

"Tena tiako ny tononkalo! Fiainako iray hafa ihany koa ny tononkalo!"

Toetra Ràja
Ankasitrahako!

Saholimalala Raharimanjato
Ny tononkalo dia tena tiako satria, teny narafitra hirindra, ka ny fanononanao eo am-pamakiana azy dia efa handrenesanao kalo sahady noho ilay filanton'ny feonao manonona ilay teny voatonona mifankatia sy mahay mifampitantana loatra! Tontolo feno mampiaina ny fanahin'AINA ny tononkalo! Nahoana ny tononkalo no mahalatsaka ranomaso? Nahoana ny mpanoratra tononkalo no manana fiainana hafa noho ny olona hafa? Ny teny izay avoakan'ny vataTENA no miaraka aminy, ny TENY izay fitaovana ho an'ny FANAHY ifandraisany amin'ny vataTENA no arindrany sy arafitra hanana fanononana miavaka izay hankafizanao kalo avy hatrany! Tena tiako ny tononkalo! Fiainako iray hafa ihany koa ny tononkalo!


Toetra Ràja
Anisan'ireo sodoka tamin'ny pôezia tamin'ny andron-dry Dox sy Rabearivelo ve ianao tany an-tsekoly na amin'izao fotoana izao?

Saholimalala Raharimanjato
Nianatra tany am-pianarana dia nanao ny fanadihadiana lahatsoratra tamin'ny alalan'ireo mpanoratra toa an'i DOX, Rabearivelo sns...! Satria fandratoana fahaizana no natao dia nankafizina sy niainana ary natao. Fa tsy haiko hoe noho izay efa ao anatiko ve dia nanaja ny an'ny hafa aho fa tsy dia voasarika loatra hoe hifantoka amin'ireo tononkalo nosoratany? Amiko ny olona rehetra izay mitondra AINA mandalo eto an-tany dia manana ny iraka ampanaovina azy daholo, ka ny hanao fampitahana tsy haiko loatra ao anatin'izay tontolo misy izay!


Toetra Ràja
Ary ny pôezia ankehitriny?

Saholimalala Raharimanjato
Ny pôezia ankehitriny, lazaiko amin'ny ilay ankehitriny amin'izay satria izay no iarahana miaina sy mahita. Ny pôezia amin'ny maha pôezia azy dia tsy pôezia amin'ny ankapobeny raha tsy miady rima, izany hoe ny faran'ny teny alahatra dia tsy maintsy mianjera tsara rehefa vakiana. Tsy manana ambara firy aho ny amin'ny pôezia misy ankehitriny satria mety ny rima no enjehin'ny mpanoratra fa tsy ilay AINA tahaka ilay any amin'ny tononkalo amin'ny teny GASY;  Ilay AINA izay mampiasa ny fanahin'AINA ka ny TENY no fitaovana hanehoany ny fiainany!

 

"Tsy azo terena ny fanoratana tononkalo fa AINA miainga amin'ny TENY ao anatinao io!"

 

Toetra Ràja
Inona no heverinao fa lesoka amin'ny tononkalo ankehitriny?

Saholimalala Raharimanjato
Ny lesoka amin'ny Tononkalo ankehitriny ve? Tononkalo mihitsy ilay anontaniana ahy eto an!


Toetra Ràja
Hihi! Eny ho'aho!

Saholimalala Raharimanjato
Tsy manana ambara aho fa tsotra fotsiny, miainga amin'ny fanazavana efa nataoko teny ambony hoe: rehefa fantatry ny mpivahiny rehetra ety hoe iza izy, dia inona no ataony ety, dia manaraka daholo ny ambiny. Tsy azo terena ny fanoratana tononkalo fa AINA miainga amin'ny TENY ao anatinao io! Rehefa izay AINA izay no avelanao hivelatra sy hiasa amin'ny atao rehetra dia milamina sy mirindra ho azy daholo ny atao! Satria ny teny arafitra ho tononina amin-kalo no resahana, ka raha avelan'ny mpanoratra haka bahana tokoa ilay AINA dia hiavaka tanteraka ny tononkalo voasoratra ao anatin'izany!


Toetra Ràja
Kanto ery izany famaritana ataonao izany. Afaka manonona andalana tononkalo iray tsy afaka ao ambavanao ary ve ianao?

Saholimalala Raharimanjato

Satriko ry AIKO,
ho feno Anao ny saiko!
Ny amiko rehetra
ho ANAO tsy misy fetra.


Toetra Ràja
Misaotra tompoko! Renim-pianakaviana ianao kanefa mavitrika amin'ny andraikitrao. Azo lazaina eto ve ny tsiambaratelon'ny fandaminana ny fandaharam-potoananao amin'ny tontolon'andro na ny herinandro?

Saholimalala Raharimanjato
Ny fitiavana mitoetra, tsy mba manam-petra! Io no entiko manaraka ahy amin'ny ataoko rehetra ao anatin'ny fo madio, saina milamina, dia manampy daholo ny zavatra rehetra. SombinAINA an'ILAY MPAHARY aho, dia anjarako no maneho ny asany amin'ny alalan'izay SombinAINA avy Aminy ato amiko izay. Dia IZY no mamita ny ambiny, izay no entiko miatrika ny fivahinianako ety!



Toetra Ràja
Saholimalala!...

Saholimalala Raharimanjato
Neny, ho nenibe atsy ho atsy, artista, mpanao gazety, mpamokatra sy mpanatontosa fandaharana amin'ny haino amanjery, mpanoratra tononkalo, mpanoratra tantara sy mpilalao tantara, mpanoro hevitra ny manana olana hiatrehana ny fivahinianana ety.


Toetra Ràja
Izay àry ilay natao teny amboalohany hoe: "
misy azonao anampiana ve?" Manana vinavina àry ve ianao ato ho ato amin'ny radio na serasera na hira sns.?

Saholimalala Raharimanjato
Izay no maha adala sitrana ahy hoy ilay fiteniko izay. Olona tsy mba manana vina fa miaina ny ankehitriny dia mamela ny ampitso hilaza izay lazainy! Manankafy ny fiainana amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny toerana rehetra! Ny baraingo ataoko amin'ny radio izao aloha - 104.6 FM, efa manao fandraisam-peo aho, hira 2 no efa vita ho an'ny raki-kira "Fitiavana mahery", iarahana amin'i Tiana Rakotonanahary, hira 3 no efa vita ho an'ny raki-kira TO iarahana amin'i Nali Rabarison, efa vonona koa ny ato anatiko rehetra rehefa miainga ny MBS. Dia ankafizina daholo izay misy fa izay no fiainana ety!

 

"dia ataoko am-pifaliana amin'ny foko madio sy ny saiko milamina, dia manampy ahy eo daholo ny zavatra rehetra"

 

Toetra Ràja
Ahoana ny fahitanao ny olan'ny fiaraha-monina ankehitriny amin'ny ankapobeny? Ary ny alaolana?

Saholimalala Raharimanjato
Olana eo anivon'ny fiaraha-monina ve? Very teboka iaingana ny olona. Tsy fantany intsony hoe aiza ny miaingany sy ny tongany. Tsy fantany intsony ny mamaritra izay tena tiany atao. Izaho no mahita izay aretina mikiky izay, dia tsy andrasako ho ny hafa no hitondra ny fanafody fa izaho ihany no mitondra izany. Izay io anaovako an-tsitrapo ny fandaharana BARAINGO io satria izay efa nomena ahy ihany no ampiasaiko dia ataoko am-pifaliana amin'ny foko madio sy ny saiko milamina, dia manampy ahy eo daholo ny zavatra rehetra.


Toetra Ràja
Misy zavatra faran'izay tianao azonao lazaina angamba eo amin'ny fiainana?

Saholimalala Raharimanjato
Izaho tsy mba manana zavatra tsy tiana. Tiako daholo isika!
Mankasitraka indrindra re ô! Tsarà daholo isika dia mirary soa è!


Toetra Ràja
Misaotra indrindra Saholimalala!

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/05/2016