Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

18 Mey 2016

Felana, vahinin'ny Pôetawebs

FITAFY ANATINY no entin'ny tanora vehivavy telo avy ao amin'ny Sandratra eny an-tsehatra amin'ny sabotsy 28 mey izao. Tsy iza izany fa i Malalatiana-Hasina, Tolotra Arinandriana ary i Felana. Sambany i Felana no mivahiny eto amin'ny Pôetawebs. Léa Fandresena sy Toetra Ràja no nandray azy teo amorom-patana.

 

Léa Fandresena
Miarahaba anao ary misaotra indrindra manaiky mitapatapakahitra aminay
mianadahy. Iza moa i Felana?

 

Felana
Faly miarahaba anareo mianadahy sy ireo mpiseran'ny Pôetawebs aho ary misaotra mampiantrano. Raveloarison Felaniaina no tena anarako.

 

Léa Fandresena
Manana anarana amin'ny maha mpanoratra ve?

 

Felana
Felana no solon'anarana entiko amin'ny maha mpanoratra ahy.

Léa Fandresena
Azonao ampatsiahivina ve ireo kanto voizinao?

Felana
Manoratra tononkalo - Manentana lanonana - Mikabary


Toetra Ràja
Efa ela ve ianao no nanoratra tononkalo ary misy antony manokana?

Felana
Efa ela tokoa satria fony kilasy faha 6, sivy taona monja, mpianatry
ny CEG Antanimbarinandriana. Fifaninanana momba ny tontolo iainana no nandraisako anjara ary nanombohako nanoratra. Tsy nahazo loka aho tamin'izay fa faly tamin'ny fandraisako anjara. Nanomboka teo aho no nanoratsoratra. Tao amin'ny kilasy faha 8 aho vao tena nahatsapa izany manoratra izany. Ankoatra izay dia nobeazina tamin'ny famakiam-boky aho hatramin'ny fony kely ary tia vakiboky hatrizay. Heveriko koa anefa fa ra mikoriana ao anaty izany satria ny raibeko avy amin'ny reniko dia mpanoratra tononkalo amin'ny teny malagasy sy frantsay ary namoaka boky mihitsy na dia tsy fanta-daza aza (Rahetsimanalina).

 

Toetra Ràja
Ahoana ny fomba fampielezanao ny tononkalonao?

Felana
Ny fampielezana ny tononkaloko dia amin'ny alalan'ny haino aman-jery,
famoahana valonana (dépliant), fiantsana amin'ny sehatra maro, famoahana boky...


Fanamariahana:
Nahazo mari-pankasitrahana avy amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny
Fizahantany tamin'ny fampiroboroboana ny kolontsaina teto Antananarivo aho tamin'ny 2005

Mariboninahitra: Chevalier de l'Ordre des Arts, de la Culture et des Lettres, avy amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Vakoka, 2013


Toetra Ràja
Mpiray faribolan'ny Sandratra ianao. Nanomboka oviana ary inona no
nahasarika anao tao?

Felana
Mpiray Faribolana Sandratra tokoa aho ary hireharehako izany, nanomboka ny
taona 2001. Efa an-taona maro talohan'izay aho no mpanaraka ny hetsika fanaon'ny Faribolana Sandratra nanomboka ny taona 1994. Ny mpampianatra taranja malagasy no nampitia anay ny kanto sy ny haisoratra satria izy no nitarika anay hanatrika ny hetsika.

 

Léa Fandresena
Seho maro no efa nataonao, azonao fintinina?

Felana
Azo lazaina
ho efa maromaro hoy ilay tsy mahay manisa:

  • Hetsika niarahana tamin'ny Faribolana Sandratra (fanentanana sy famelabelaran-kevitra teny anivon'ny sekoly maro
  • antsan-tononkalo tao amin'ny CGM, ...)
  • fanentanana fandaharana tamin'ny onjam-peo teto an-drenivohitra, ohatra tao amin'ny Radio Plus, Radio Fahazavana)
  • Fanehoana sangan'asa tamin'ny Fahitalavitra MBS ho fankalazana ny andron'ny mpifankatia
  • Fiaraha-miasa tamin'ny TV Plus Madagascar momba izany ihany koa
  • Fiantsana tononkalo niaraka tamin'ny Soroptimist International sy ireo Fikambanam-behivavy hafa
  • Fanentanana fampisehoana miaraka amin'ny tarika Narisoa (Fetinao androany...)
  • Hetsika ara-kolontsaina ho fitadiavam-bola namoahana ny boky Mankatia Mey 2005, antsantononkalo sy sakafo tao amin'ny CEMES Soanierana
  • Fanentanana ny fankalazana ny faha 48 taonan'ny Tafika Malagasy tao amin'ny CEMES Soanierana, 2008
  • Famoahana ny boky MANKATIA fanamarihana ny faha-10 taona ny nanoratako...


Léa Fandresena
Maresaka tato ho ato fa hisy seho ho tanterahinareo. Ahoana ny amin'io?

Felana
Antsantononkalo ny Sabotsy 28 mey 2016 ao amin'ny CGM
Analakely manomboka amin'ny 3ora tolakandro iarahako amin'i Tolotra Arinandriana sy Malalatiana-Hasina. FITAFY ANATINY no lohateny ary famoahana ny boky mitondra io lohateny io ihany, mirakitra ny asasoratray telo mirahavavy.


Toetra Ràja

Efa niaraka niasa matetika ve ianareo telo mirahavavy?

 

Felana
Sambany aloha izahay telo mirahavavy no tafaraka anaty hetsika iray
manokana toy izao fa mpinamana tsy mifankafoy izahay na dia mety nisy aza ny fisarahana noho ny elanelan-tany teo aloha fa ampiraisin'ny soratra indray ankehitriny.


Toetra Ràja
Hisy lehilahy hanampy anareo ve amin'ny fiantsana?

 

Felana

Hisy tokoa ny fiaraha-mientana eo amin'ny Mpiray Faribolana rehefa misy hetsika toy izao, azo inoana sy antenaina fa hisy lehilahy hanampy anay ao.


Toetra Ràja
Ary amin'ny fikarakarana hafa?

 

Felana
Tsy afa-misaraka amin'ny lehilahy ny vehivavy rehefa mikarakara hetsika toy
izao na dia eo aza ny miralenta. Maro ireo lehilahy manampy anay ka!


Toetra Ràja
Manintona tokoa ny lokon'ny boky. Andeha atao hoe manga kanefa manopy
volomparasy tanora. Misy antony manokana ve?

 

Felana

Sary fanentanana iny sary naparitaka ho famantarana ny hetsika iny, izay maneho koa ny mety ho endriky ny boky mirakitra ny FITAFY ANATINY; Tsy dia nisy safidy be manao ahoana fa izay hahakanto azy no noheverinay telo mirahavavy indrindra fa ny hahatafita ny hafatra tianay hampitaina.


Toetra Ràja

Efa andro vitsivitsy tokoa no nahitana ny petadrindrina tetsy sy teroa. Azonao hazavaina ve ny maha zava-dehibe ny serasera amin'ny lanonana toa izao?

Felana
Efa ho iray volana teo no nanapariahana sy nampahafantarana ny hetsika
satria mitana anjara toerana lehibe ny serasera amin'ny hetsika toy izao. Tsy afaka mionona fotsiny amin'ireo efa mpanaraka ny hetsiky ny Faribolana Sandratra izay mpanjifa ny haisoratra izahay, nefa koa tsy manao ambanin-javatra azy ireo sanatria! fa ilaina ny fampahafantarana azy ho fantatry ny besinimaro na dia ho an'ireo tsy mpankafy haisoratra aza.


Toetra Ràja
Hisy alaim-panahy hanontany angamba ny fomba fisehon'izany fitafy anatiny
an-tsehatra izany. Sa hijanona ho nofinofy atopatopan-teny ihany?

Felana
Tahaka ny fantsakana io lohateny io ka anjaran'ny tsirairay no manovo izay
anjara tandrify azy. Tsy dia hanazava loatra momba io Fitafy Anatiny io aho fa aleo ataontsika zavatra tsy hampoizina no hiarahantsika mianoka amin'io fotoana io. Tsy hilaza aho hoe hahita na tsia hahita ara-bakiteny ny voalazan'ny boky isika fa any mahita azy e! (mitsikitsiky). Mampanantena kosa izahay fa hanolotra ny kanto sy ny soa ho anareo.


Toetra Ràja
Misy tononkalo firy ao amin'ny boky amidy? Misy takelaka firy?

 

Felana
Ahitana tononkalo sy riankalo telo ao anatin'ny boky izay voarakitra ao
anatin'ny takila dimampolo (50) eo ho eo. Ary ahitana ny mombamomba ny mpanoratra tsirairay izay ilain'ny mpikaroka indrindra indrindra ary ravahan'ny sarinay telo mirahavavy.


Toetra Ràja
Azo fantarina ve ny nanatontosa ny teny mialoha na ny famaranana?

Felana
Iriana Mpisorona no nanao ny teny fanolorana ary izahay telo mirahavavy
ihany no maneho ny teny famaranana.


Toetra Ràja

Malaza ho paradisan'ny fandikam-pitsipika ny tononkalo ankehitriny. Nindrana manampahaizana amin'ny tsipelina ve ianareo hanitsy ny diso?


Felana
Azo lazaina ho diso izany fa misy kosa ireo teny izay ny mpanoratra ihany
no afaka mampiasa azy na manana fahalalahana hampiasa azy. Niezaka izahay ny hanaraka ny fenitry ny fitsipika saingy araka izany dia tsy ilaozan'ireo teny fampiasan'ny mpanoratra voalaza eo aloha ireo izahay.

 

Toetra Ràja

Azonao asiana teny indraimbava ve ny andraikitrao ao amin'ny MKFAFV?

 

Felana
Mpiasa ato amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny
Asatanana ary ny Fiarovana ny Vakoka tokoa aho.
Miasa ao amin'ny
Sampandraharaha misahana ny Teny sy ny Soratra. Misahana ihany koa ny serasera ao amin'ny Foibe misahana ny Kolontsaina izay misy io sampandraharaha io.

 

Toetra Ràja

Amin'ny maha poeta anao ao amin'ny Ministera, manana tombony ve ny poeta malagasy?

 

Felana
Mahazo tombony ve? Tsy misy tombo sy hala fa mitovy daholo ireo mpikirakira
ny teny sy ny soratra fa ny fahalalana ny vaovao sy ny zava-misy mialoha no mety heverina ho haingana kokoa mihoatra ny sasany?


Toetra Ràja

Fa azo lazaina ho ambohipihaonan'ny asa fitadiavana sy ny fitiavana asasoratra ny toeranao ao?

 

Felana
Izany tokoa, satria mifanerasera amin'ireo olona sy vondron'olona amin'ireo
sehatry ny teny sy soratra ireo tokoa ny tena ary tombony lehibe izany, indrindra amin'ny fifanakalozana asasoratra sy hetsika maro mahakasika izany.

 

Toetra Ràja

Betsaka poeta miasa ve ao amin'ny Ministera?

Felana
Tsy azo lazaina ho maro aloha e!


Toetra Ràja

Mety ho misy zavatra tena ankafizinao eo amin'ny fiainana angamba azonao zaraina amin'ny mpiseran'ny Poetawebs.

Felana

Ny tena ankafiziko indrindra dia ny mifanerasera amin'olona ary mianatra sy manovo fahalalana hatrany amin'ny zavatra rehetra hatao sy hatrehina na dia heverina ho efa mahazatra sy mandeha ho azy aza.

Toetra Ràja

Olon'ny fo ianao satria Poeta. Mety ho misy zavatra manafintohina anao tsy tianao hiverina?

Felana
Olon'ny fo ny poeta, tsy laviko izany saingy ny mety ho fahadisoana na
faharesena na tsy fahombiazana amin'ny zavatra iray dia azo hakana lesona. Tsy hitako loatra ny hoe zavatra tsy tiako hiverina fa mametraka arofanina kosa aho ny tsy hiverenan'izany raha toa ka nisy tokoa! (mitsiky kely).

 

Toetra Ràja

Renim-pianakaviana ianao kanefa be adidy aman'andraikitra. Azonao ambara ve ny tsiambaratelon'ny fahaizanao mamatra ny fiainan-tokantrano sy ny anjara adidy any ivelany?


Felana
Renim-pianakaviana, mpiasam-panjakana, poeta... alamina tsara ny
fandaharam-potoana satria ny fahaizanao mandanjalanja sy mandrindra ny adidy sy andraikitra dia zava-dehibe mba tsy hisian'ny fifanitsahana na fanenjehana tsy ara-potoana izay manandrify. Amin'ny maha-olombelona anefa dia misy hatrany ny tsy ampoizina eo amin'ny fiainana fa anjaranao ny manana saina tselatra hiatrika izany araka ny zava-misy ao anaty fitoniana ary maka fanapahan-kevitra hentitra manoloana izany.

 

Toetra Ràja

Misaotra anao Felana ny Poetawebs nahafoy fotoana nitafatafana teto. Misy hafatra farany angamba azonao apetraka ho an'ny mpisera.

Felana
Mankasitraka sy mankatelina anareo eto amin'ny Poetawebs nampiantrano an'i
Felana. Ny hafatra dia mirary soa anareo amin'ny adidy sy andraikitra sahaninareo amin'ny fampiroboroboana ny tontolon'ny kanto sy ny haisoratra. Misaotra anareo mpankafy hamakivaky an-tsoratra ny momba an'i Felana indray miserana. Tongava maro amin'ny Sabotsy 28 mey 2016 amin'ny 3ora tolakandro ao amin'ny CGM Analakely fa any ianareo hahita ahy mivantana e!

Léa Fandresena
Mirary fahombiazana ho anareo telo mirahavavy!

  FETINAO RY NENY

Tsy misy mahalaza
ny hasarobidinao
Tsy misy teny maro
ahafaha-manambara
Izay tena lanjanao
Tsy misy koa fihetsika
Hanaporofoana
Fa hafa mihitsy ianao.

Iainana isan’andro
Ny fitiavanao.

Ankalazaina foana
Ny fetinao ry neny
Kanefa angamba tsy ampy
Ny teninay ombieny
Fa ianao dia neny tiana
Sy tena maminay.

Ny tambitambinao,
Ny teny maminao,
Ny anatranatrao,
Ny  bedibedinao,
Ny jaly niaretana,
Ny hirifiry koa,
Ny adin-tsaina lalina…
Fitiavana avokoa.

Koa fetinao androany
Ho fiarahabana
Manolotra anao
‘Zao amboaran-teny izao
Tsy mendrika anao
Sy ny fitiavanao
Fa vokatry ny fo
Ka raiso an-tanan-droa
Manoroka ihany koa.
Ho lava andro iainana
Ho ampoky ny soa!

Neny maminay
Tsy manam-paharoa!

Felana (18/04/11)

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/05/2016