Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 Jona 2016

R JASMIN DARMOND, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Manam-bahiny indray ny Poetawebs androany. R Jasmin Darmond no anarany. I Anyah no manoloana ary mitapatapakahitra aminy.

 

Anyah
Jasmin, fifaliana ho anay eto amin'ny Poetawebs no mandray anao. Hono
ho'aho, azonao homena anay ve ny momba anao?

R Jasmin Darmond
Eny tompoko, faly mitafatafa aminareo koa ny tenako.
RANDRIAMANDAMINTSOA Jasmin Darmond no tena anarako, mpanoratra avy aty
amin'ny renivohitry Betsileo ny tenako.

Fa koa R Jasmin Darmond no anarana entiko manoratra.

 

Anyah
Maro izao ireo te hahalala ny momba anao hoe mpianatra sa miasa sa
manambady sns. Be tovovavy manaraka ny Poetawebs ary angamba liana sy mametraka io anontaniana io raha vao mahita lehilahy manan-talenta iray miseho amin'ny alalan'ny takelaka na tranonkala toa izao.

 

R Jasmin Darmond
Hihi! Eny tompoko, efa mba niasa ihany (nampianatra) saingy mbola tsy ampy
traikefa e! Hany ka voatery niverina nanohy nianatra indray eny amin'ny ENS.
Efa mba nanambady ihany taloha e, saingy ny toetra nitaizana moa tsy
mitovy ka tsy nifanaraka izahay ary nifampitsodrano.

 

Anyah

Araka ny ahafantaran'ny maro anao dia mpanoratra tononkalo sy tantara ianao. Afaka lazainao anay ve hoe, inona avy ireo tantara efa voasoratra ary efa namoaka boky ve?

R Jasmin Darmond

Raha ny marina aloha, marihiko eto, dia tsy poeta aho fa mpirediredy. Mpanoratra tantara tokoa aho, ary efa 54 izay ny tantara nosoratako nandeha an'onjampeo. Fa tsy mbola namoaka boky kosa aho fa mikasa hanao izany ato ho ato.
Ny tononkalo indray dia fialamboliko tokoa ny mamorona azy.


Anyah
Hay! Ary afaka omenao santionany kely amin'ny lohateny ve izahay amin'ilay
tantara noforoninao? Tokony mba ho fantatra mantsy ny anaran'ny mpamorona rehefa miverimberina ao an-tsaina ilay tantara.

R Jasmin Darmond

Tsy olana ka, misy lohateny vitsivitsy ireto: "Tsia, tsy valifaty velively"; "Dia ho fongoriko"; "Zaza natsangana"; "Teknikan'i Zisy"; "Hitako ihany"; "Kambana samy hafa reny" sy ny sisa e!


Anyah

Tena kanto tokoa raha ny fahitako ny lohateny. Ary mino aho fa ho kanto araka izany koa ilay tantara. Ary hono ho aho, azonao lazaina anay ve hoe nanomboka tamin'ny taona firy ianao no nanoratra tantara?


R Jasmin Darmond

Raha ny hakantony aloha dia tsy haiko ny hilaza azy satria samy manana ny tsara aminy ny tsirairay.
Ny amin'ny tantara indray, tiako tokoa ny mampahafantatra anareo fa efa
feno folo taona tamin'ny volana mey teo no nanoratako tantara.

 

Anyah

Efa tena lasa lavitra be ianao izany! Araka ny hevitrao manokana, ny famoronana tantara ve mitovy ihany amin'ny fanoratana tononkalo izay miankina betsaka amin'ny aingam-panahy?

R Jasmin Darmond

Tsia dia tsia avy hatrany no valiny. Ny tononkalo, araka ny voalazanao, dia miainga amin'ny fiaingan'ny fanahy. Fa ny tantara kosa dia miankina amin'ny fandinihana ny fiaraha-monina sy ny famoronana tanteraka. Tsy haiko ny an'ny mpanoratra hafa, fa raha ny ahy manokana dia toy izany.


Anyah

Hay... Arakaraka ny mpanoratra izany raha ny fahazoako azy. Ianao monina sy mipetraka any amin'ny faritra Betsileo hoy ianao teo aloha. Ahoana ny fandraisan'ny olona any ny literatiora malagasy? Amin'i Jasmin manokana ahoana ny fahitanao ny fandraisan'ny vahoaka Malagasy sy ny fahitan'izy ireo ny atao hoe: "literatiora"?

R Jasmin Darmond

Mba miroborobo ihany ve?


1- Raha ny marina dia azoko lazaina fa tia ny resaka literatiora ary mibanjina indrindra ny mpikirakira izany ny olona aty, ary isaorako azy

ireo be dia be tokoa.

2- Ny vahoaka malagasy, eny fa na dia mbola tsy nahay mamaky teny sy manoratra aza, dia manana ny literatiorany manokana izay nampiavaka azy, toy ny angano, ankamantatra, isagasy...
Ka raha ny fahitako azy manokana dia mponina mpakafy literatiora ny
Malagasy ary manao azy ho fitaovana enti-mitaiza mihitsy ary fa tsy hoe fialamboly fotsiny ihany.

3- Miroborobo tokoa ny literatiora eto amintsika, indrindra fa hatrin'ny nisian'ny tambajotra "Facebook " izay. Ato no sehatra iray voalohany anehoan'ireo mpanan-talenta ny sanganasany. Izany hoe miroborobo manaraka ny toetr'andro e!

 

Anyah

Marina ny voalazanao. Fa ho anareo mpanan-talenta ve rehefa mivoaka eny ivelany dia tsy maintsy manana vatsy foana ny fanahy sy saina? Izany hoe, misy zavatra raisinareo foana amin'ny fiainana andavanandro ka miteraka ainga-panahy na asasoratra hivadika ho tantara?

R Jasmin Darmond

Hihi! Tsy azoko lavina izany ary izany indrindra no mahatonga ahy ho tia mandeha irery fa tsy zakan'ny olona loatra ny mahita ny fomba fandiniko. Aho mantsy somary ilay ataon'ny vazaha hoe "pointiste" ireny ka matetika dia mahita ny tsy ampoizin'olona be izay ihany.

 

Anyah

Jasmin Hihi! Fanontaniana adaladala miaro vazivazy re ny ahy iny ah! Nefa kosa tsara ho fantatry ny mpankafia anao. Hiverenako ilay resatsika tany amboalohany dia ilay resaka tononkalo. Ianao sady manoratra ihany hoy ianao teo aloha nefa azonao omena santionana tononkalo ve ny mpanaraka ny Poetawebs?

R Jasmin Darmond

Aho afaka mizara sy manome foana raha araky ny saiko ka. Hihi! Indreto ary misy santionany e.   

Tsara izy e?
Kanto loatra
Tafahoatra
Ka tianao aok'izany!!
Nefa raha izany
Aok'ihany aza mitia
Fa tsy tia azy ianao!!

Manana izy e??
Ananany ny vola
Ananany ny akanjo
Sy ny hiakam-pandrosoana
Ananany ny fiara
Sy ny sisa sy ny sisa
Ka tia azy ianao!
Nefa aoka ihany
Fa tsy tia azy ianao!!

Tsotra izy e?
Leferiny daholo
leferiny avokoa
Ny gidragidranao
Sy fampirafesana
Mbamin'ny hadalana
Ka tia azy ianao
Nefa aok'ihany
Fa tsy tia azy ianao!!!

Raha ny vola izay ananany?
Io akia mbola ho lany!

Raha ny endrika ananany??
Io akia mbola hiketrona a!

Raha ny fahatsora-pony???
Io akia mbola hiova a!

Fa raha tia azy ianao
Aza mitady akory
Aza mamantatra ny antony
Fa tiava amin'ny fo
Tsy fata-piaviana!!

R Jasmin Darmond


Anyah

Misaotra tompoko! Hita taratra be fa olona manan-talenta be ianao eo amin'ny lafiny "famoronana". Efa hamaramparana ny tapatapakahitra niarahana teto isika fa mialoha an'izay, inona no teny kely hoentinao ho an'ny mpanaraka ny Poetawebs sy ireo mpikaroka manokana momba ny "literatiora" eto amintsika?

R Jasmin Darmond

Hafatra fohy dia fohy no apetrako ho an'ny vahoaka Malagasy.

1- Mahaiza re ry havako mankasitraka izay vokatry ny tanintsika.
Ho an'ny Akademia mpandinika ny teny manokana koa, mba am-panetren-tena re
no iangaviako anareo mba hametraka sy hamoaka ireo teny malagasy vaovao amin'ny vahoaka mba hahafahana mampiasa azy araka ny tokony ho izy.
 
2- Toy izany koa ireo voambolana vaovao tany amin'ny faha ntaolo, mba afaka
avoaka ho boky iray manokana ve ireo hampahatsara kokoa ny vokatr'asasoratra ataon'ny mpanakanto.


Anyah

Ahoana ny fihetseham-ponao amin'izao nandaozan'i Om-Gui antsika izao?

 

R Jasmin Darmond

Eeee! Lakalaka ny fiainana a!
Mahatsapa tena ho tena kamboty tanteraka aho satria izy no mba namana
mpampahery ahy indrindra tato amin'ny Facebook. Rehefa kivy aho dia mitaraina aminy ary mananatra ahy mafy izy. Omaly hariva tamin'ny 7:09 aho no naheno fa maty izy, teo ampisakafoana aho tamin'io. Valaketraka aho ka napetrako mbamin'ny sotroko.
Indrisy ry zoky!!!

 

Anyah

Dia hisaorako indrindra ianao nanaiky nivahiny teto amin'ny Pôetawebs. Mino isika fa tafita ny hafatra tianao hiampita. Dia mankasitraka anao indrindra ny tenako tsy nisalasala fa nanaiky nitafatafa tamiko. Dia misaotra indrindra tompoko ary mirary soa ho anao Jasmin Darmond.
Mandra-pitafa aminao ho amin'ny manaraka indray!

R Jasmin Darmond

Mankatelina namana a! Misaotra antsika mianakavy e!

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 07/06/2016