Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Mey 2016

OM-GUI, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Tsy zoviana amintsika intsony izany anarana OM-GUI izany fa andrarezin'ny tontolon'ny hira sy mozika eto Madagasikara, ary efa elaela ihany no nahafatarana ny lazany. Pôeta koa anefa izy, pôetan'ny Sandratra. Anio kosa dia namaly ny fanasan'ny Pôetawebs izy ary namaly ireo fanontanian'i Doda Razafindravelo.

Doda Razafindravelo
Miarahaba anao tongasoa eto amin'ny Poetawebs hitapatapakahitra! Misaotra sy mankasitraka re! Eto ampiandohana, azonao ampatsiahivina ve hoe iza marina moa i Om-Gui ?

Om-Gui
RABESAIKY Guillaume Marie no tena anarako. Om-Gui no solon'anarako tena ahalalan'ny malagasy ahy sady isalorako amin'ny maha-Artista ahy, fa sady Mpihira aho no mpamorona, mpanoratra tantara sy tononkalo koa, mpikambana ao amin'ny Faribolana SANDRATRA.


Doda Razafindravelo
Raha vao miresaka hoe Om-Gui dia mby ao an-tsaina ny "TARIKA NY AINGA", ahoana ny niforonan'ny tarika? Mba tantarao kely e!

Om-Gui
Lavabe ny tantaran'Ny Ainga fa azo fintinina dingana 3.

Sady Mpanabe ny rainay 10 mianadahy no Artista feno, mpanao teatra, mpanoratra sady mpihira sy mpamorona. Notezainy tanatin'ny kanto izahay zanany ka ankoatran'ny fihainoana hira amin'ny Grafophone isak'Alahady tolakandro, dia nasainy nanao hira na tononkalo rehefa misy tonga Aniversera tao an-trano. Lasa tia zavakanto izahay mpiray tam-po, ka tamin'ny 1972 dia nividianany gitara tao an-trano, dia samy nianatra nitendritendry azy io. Tamin'ny 1975 dia nanomboka nifaninana namoron-kira izahay mirahalahy avy ka noraisim-peo tamin'ny "magnétophone Philips...

Tato afara dia nianatra taty Antananarivo ny tenako (1980) ka rehefa tafakatra tao amin'ny Oniversite de nandray anjara tamin'ny Fifaninanana nampanaovin'ny Sampana LETTRE ho Fankalazana ny faha-50 taona fahatsiarovana an'i JJ RABEARIVELO. Nahazo loka faha-2 tamin'ny famorononana hoso-doko ary faha-3 tamin'ny lafiny Hira "Tanala Very Sampy" (1987). Nanomboka teo Ny AINGA no nivondrona namoaka hira voalohany tamin'ny Radio Madagasikara...

Tamin'ny 1991 ny tenako dia nisidina tany Ampita hanohy Fianarana, ka i LUC zandriko no nikofoka nitady "elements" ka nahatafajoro ny Tarika Ny Ainga rehefa nahazo tsodrano tamiko. Nanomboka tamin'ny 1994 io Ny Ainga no lasa Tarika feno, afaka nihira sy nanao Fampisehoana... Rehefa tafaverina teto an-Tanindrazana ny tenako  ny taona 1995 dia nitondra ny Tarika mandrak'ity ny androany. Nankalaza ny faha-10 taona Ny Ainga tamin'ny 2004. Nankalaza ny Fampisehoana faha-1000 sy ny faha-15 taonany tamin'ny 2009, ary ny faha-20 taonany tamin'ny 2014.


Doda Razafindravelo
Nanao ahoana izany niseho sehatra voalohany ?

Om-Gui
Tamin'izaho tany Ampita no nanao seho voalohany tany Morondava Ny Ainga tamin'ny 1994 fa teratany avy any ilay "Manager". Kinanjo loza fa mpijery 300 no mba nijery ny fampisehoana teo amin'ny Kianjabe monisipaly. Nitodi-doha nody ny tarika ka nandalo an'i Betafo, dia nikarakara seho tao koa hamenoana ny fatiantoka. Fa dia mbola tsy tafa ihany. Nandalo tao Antsirabe dia nanao tao amin'ny FOFIKRI fa mbola tsy tafa ihany. Farany dia nitodi-doha niverina teto Iarivo tamim-pahanginana. Nivarotra kisoa tao am-balany mihitsy ilay "Manager" hanarenana ny fatiantoka... Ny volana Aogositra 1995 no nigadona teto an-Tanindrazana i Om-Gui, ka nanatontosa ny seho maimaimpoana teo amin'ny tokotanin'ny Fokontany Ambohipo. Nahazo hery sy hafaliana ny Tarika, ary voasolo haravoana sy faherezana ilay faharesena teo aloha.


Doda Razafindravelo
Inona no tena voizinao anatin'ny hira soratanao?

Om-Gui
Ny FITIAVANA, ny TSY FAHAKIVIANA ary ny FAHAMARINANA. Ireo no foto-kevi-dehibe voizin'Ny Ainga. Tsy mihira hira mandrisika fisaraham-pitiavana Ny Ainga, satria ho an'Ny Ainga dia ny fahaiza-miaraka tsy misaraka hatramin'ny farany no atao hoe FITIAVANA.


Doda Razafindravelo
Rehefa amin'ny fotoana inona no tena mitosaka ny aingampanahinao?

Om-Gui
Ny Alahady tapak'andro maraina sy ny ali-mangina no tena miboiboika ny aingampanahiko mamorona.


Doda Razafindravelo
Amin'ny maha-mpiray faribolana anao, firy ny asasoratra efa navoakanao?

Om-Gui
Eo amin'ny 130 eo ny Asasoratro, ny efa nivoaka ary ny mbola tsy nivoaka.


Doda Razafindravelo
Manao ahoana ny fahitanao ny tontolon'ny literatiora?

Om-Gui
Ny Literatiora malagasy dia mivoatra, fa mampanahy fatratra ny tafiotry ny INTERNET mety manafoana ny tsirim-pientanan'ny tanora hitia haisoratra sy hankafy ny soratra malagasy amin'ny ankapobeny.


Doda Razafindravelo
Indrindra amin'ny hita eto anaty tambajotra serasera "Facebook". Ary ny olan'ny boky?

Om-Gui
Tsy dia misy toy ny taloha koa ny mpanoratra boky malagasy hovakin'ny mpianatra satria mihalafo izaitsizy ny saram-panontana boky amin'izao.


Doda Razafindravelo
Misy hafatra tianao ho lazaina amin'ny mpanaraka ny poetawebs ve?

Om-Gui
Hoy Om-Gui: "Fitaovam-pananahana ny FO sy ny zavakanto avoakany", mba hilazana fa na talenta voajanahary aza ny manoratra sy ny zavakanto dia ilaina indrindra hahatonga ny aingampanahy hanoratra ny fifampikasohana amin'ny asasoratry ny mpanoratra malaza. Zary miteraka aingam-pamoronana ao anaty ny famakiana ny kanton'ny hafa. Koa zava-dehibe ny finiavana sy ny fitiavana mamaky haisoratra sy asasoratry ny mpanoratra.


Doda Razafindravelo
Mankasitraka anao nanaiky nitapatapakahitra taminay.

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com