Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

20 Jona 2016

NY IRAKA RAMBOLAMANANA, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Lehilahy indray no vahinin'ny Poetawebs izao. Poeta izy ary fantatra amin'ny asa kanto hafa. Manan-kambara momba ny olan'ny firenena koa anefa izy, tontolo tsy maha-vahiny azy. Ary mazava ho azy fa hivalampatra amin'ny resaka tononkalo ny tapatapakahitra nifanaovany tamin'i Anyah.


Anyah
Miarahaba anao Ny Iraka Rambolamanana ary misaotra nanaiky ny fanasanay anao.

Ny Iraka Rambolamanana
Miarahaba anao Anyah ary faly miarahaba ny mpisera koa.
Mankasitraka indrindra re amin'ny fandraisana.


Anyah
Ety ampiandohana dia te hahalala anao manokana ny mpanaraka ny Poetawebs. Iza tokoa moa Ny Iraka Rambolamanana? Afaka lazalazainao anay ve ny momba anao?

Ny Iraka Rambolamanana
RAMBOLAMANANA Fenosoa Jean Chrysostophe no tena anarako. Teraka tamin'ny 13 Martsa  1980 tao Ambatomanoina - Anjozorobe. RAMBOLAMANANA  Celestin no anaran'ny Raiko ary RAMINOARISOA Mariette no anaran'ny Reniko.
Efa nisahana andraikitra maromaro ihany aho teto amin'ny Firenena. Nanomboka tamin'ny asa fanaovan-gazety, nitohy tamin'ny naha -Talen'ny C.E.G Beronono. Lasa Mpitantsoratry ny Kaominina sady Mpanolontsaina tao aho avy eo nandritra ny efa-taona. Efa Ben'ny Tanàna tao amin'io Kaominina io ihany koa aho.


Anyah
Tena mahafinaritra izany!  Hono ho'aho Ny Iraka Rambolamanana, ianao izany mifanakaiky bebe kokoa amin'ny vahoaka? Ahoana ny fahitanao manokana ny fiainampiainan'ny vahoaka eto amintsika?

Ny Iraka Rambolamanana
Miforitra anaty ny vahoaka eto amintsika amin'ny ankapobeny. Mangetaheta ambony lakana. Tsy afaka tena misitraka tanteraka ny zony ary saika amin'ny endriny rehetra. Etsy andanin'izany, tena sempotra anaty fahantrana lalina. Misy olona tsy misakafo raha tsy isan-kariva ihany.
Noho ny antony maro samihafa dia matahotra manatona biraom-panjakana ny sasantsasany na ny ankamaroany mihitsy azy, izay ny toetra asehon'ireo antsoina hoe "tompon'andraikitra" no mavesa-danja miteraka izany; indrindra fa any amin'ny tany alavitra andriana.


Anyah
Eo amin'izay indrindra Ny iraka Rambolamanana dia hono ho'aho, aminao manokana, mety mbola ahitana fanafany ve ity tanindrazantsika ity amin'izao aretiny izao?  Ny aretina lazaiko dia ny fitiavan-tena, ny fanaovana tsindrio fa lavo, ny fanambaniana ankolaka ary ny fametsena vahoaka?

Ny Iraka Rambolamanana
Resaka Toe-tsaina io, na ny vahoaka na ny Mpitondra. Ny olona tsy manam-bola tsy mba mety ho lany amin'ny fifidianana, nefa ny vola sy ny fanahy tsy voatery hiaraka.
Misy olona tena mahavita any anaty vahoaka any: tena vonona hampandroso sady tia tanindrazana. Fa raha tsy miova fomba fijery mihitsy ny mpitondra sy ny hoentina dia vao mainka hiharatsy aza ny zava-hiseho eto. Miantehitra amin'ny resa-bola fa tsy miankina amin'ny fitiavan-tanindrazana.


 

Anyah
Hono ho'aho Ny Iraka Rambolamanana, ianao efa Ben'ny tanàna teo aloha. Manao ahoana ny fahitanao ny vahoaka teo ambany fiadidianao?  Misy mantsy no miteny fa tsy mahantra ny Malagasy. Tsy mahantra marina ve ny vahoaka?

Ny Iraka Rambolamanana
Tena mahantra ary mahantra tanteraka. Mbola maro anie no tsy mba afaka mampianatra ny zanany akory na dia any amin'ny Sekoly ambaratonga fototra fotsiny aza e!Ny vahoaka nentiko, nikarama roarivo ariary isan'andro ny olona iray tamin'izany. Inona no vitan'izany amin'ny fiainan-tokantrano. Zara raha mihinana, zara raha mitafy. Isaky ny fety vao mba miezaka manao metimety araka izay misy eo am-pelatanana ihany koa anefa. Tena mahantra ny vahoaka fa resa-be daholo izay ankoatra izay. Olom-bitsy no manan-karena eto sady mbola mitavana ny hatsembohan'ny sasany.


Anyah
Mampalahelo tokoa isika Malagasy. Fa hajanontsika eo aloha ny resaka politika. Ny Iraka Rambolamanana, fantatry ny maro amin'ny fanoratana tononkalo ianao. Afaka lazainao anay ve hoe aiza ka hatraiza ny dingana efa vitanao manoloana an'izay? Tamin'ny taona firy no nanaitra ny fanahinao hanoratra? Ary raha efa namoaka boky, inona avy izy ireo?

Ny Iraka Rambolamanana
Tamin'ny taona 1995 aho no nanomboka nanoratra, mbola nianatra tany amin'ny ESCA Ambatomanoina - Anjozorobe aho tamin'izany, kilasy famaranana tao amin'ny Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina aho ny taona 1999 no niditra ho mpikambana tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA sy ny OMDA.
Efa namoaka boky karazany telo aho, izay marihiko etoana fa niarahako tamina mpanoratra iray tao amin'ny Faribolana SANDRATRA hatrany hatrany.

- 2001: TANAN-DAVA, niarahako tamin'i NAINA NIRINA ARTHUR, nanao teny fanolorana ny Zokibe Georges ANDRIAMANANTENA na i RADO
- 2003: SALAMANGA, niarahako tamin'i NY ANDY, nanao teny fanolorana ny Zokibe SOLOFO Jose
- 2009: HIAKA MIRITSOKA, niarahako tamin'i Antsa RANDRIANASOLO, ILAY no nanolotra io Boky io.

Ankoatra izay, manoratra zavatra hafa ivelan'ny tononkalo ihany koa aho: sombin-tantara, tantara foronina, tantara tsangana ary efa saika nandeha tamin'ireo karazana onjam-peo teto an-drenivohitra avokoa izy ireo."RIVO-DOZA TAHAKA IZAO", "ANKASOMPARANA", "MANGINA I TANANA". Santionany ihany ireo.
Ny tantara tsangana moa matetika dia ireo SKOTO no tena mpilalao azy. Ohatra: "DINA FAHATELO", "LALANA NANDRATRA SA TEVANA TSY TRATRA?"


Anyah
Tena efa lasa alavitra raha jerena tsara ny lalana nodiavinao. Fa hono ho'aho Ny Iraka Rambolamanana, ianao  sady mpamorona tantara sy sombitantara hoy ianao teo. Manoloana an'izay ve misy tantara efa niainanao na olona akaiky anao sa hoe saina mba lasa fotsiny na koa tranga miseho eny anivon'ny fiaraha-monina no novolaina hivadika ho tantara?

Ny Iraka Rambolamanana
Tantara marina ny "MANGINA I TANANA."


Anyah
Hay! Afaka mba lazaina tsotsotra ve ny fizotran'io tantara io?


Ny Iraka Rambolamanana
Karazana tranga maro be mifameno no mandrafitra ny "MANGINA I TANANA", na ny fiainako manokana na ny fiainan'ny Kaominina BERONONO sy ny resa-pitondrana amin'ny ankapobeny, na ny fanjakazakan'ny Zandary mpampandry tany tamin'izany andro izany. Mino aho fa rehefa tafavoaka io Boky io dia ho toy ny niaina ilay vanim-potoana mihitsy ny mpianoka.


 

Anyah
Toa hitako sahady ny hakantony... Fa hono tokoa ho'aho Ny Iraka Rambolamanana, ianao milomano betsaka amin'ny literatiora, afaka lazainao ny mpamaky ny Poetawebs ve hoe ahoana ny fahasambarana rehefa tena mianoka ao anatin'ny literatiora ny olona iray?  Satria mantsy raisintsika ohatra ireo mpifoka zava-mahadomelina rehefa mifoka hono izy ireo dia mahatsiaro sambatra fa ity indray zava-mahadomelin'ny poezia. Inoako fa misy koa ny fahasambarana ao anatiny.


Ny Iraka Rambolamanana
Tena misy fahasambarana, fa anatin'ny saina sy ny fo. Tafiditra anatina tontolo hafa mihitsy ianao ao anaty famoronana, tontolo tena miala amin'ny andavanandro mahazatra anao. Ary ny tena fifaliana sy fahasambarana raha mahavita asa soratra iray dia mihevi-tena ho mitombo harena aho, toy ny olona teraka zaza iray indray na toy ny mpandrafitra nahavita trano iray hafa. Refim-pandrosoako eo amin'ny sehatry ny kanto ny fitomboan'ny asa soratra vitako.


Anyah
Marina izany Ny Iraka Rambolamanana. Fa ahoana no ahitanao ny fivoaran'ny poezia na ny "literatiora" eto amitsika?

Ny Iraka Rambolamanana
Miroborobo ny eo amin'ny sehatry ny famoronana  fa adidy lehibe miandry ny fifanabeazana sy ny fifampitaizana mba ho voahaja foana ny maha-kanto azy.


Anyah
Ahoana ny fandrasain'ny tanora malagasy izany atao hoe "literatiora" izany eto amintsika?  Araka ny hevitrao manokana.


Ny Iraka Rambolamanana
Tsy dia tena mbola nifampiresaka tamin'ny tanora ny fiheverany ny antsoina hoe Literatiora aho. Tsapako kosa ao anatin'ny firoboroboan'ny asa famoronana fa manan-kafatra sy hevitra ampitaina mihitsy ny ankamaroany, na dia tsy tena ao anatin'ny fahamasahany tsara araka ny fiheveran'ny sasany azy aza izany.


Anyah
Izaho koa mahatsapa fa miverina miroborobo ny literatiora eto amintsika. Hevitro manokana izay. Hono ho'aho Ny iraka Rambolamanana, manana tetik'asa manokana ve ianao amin'ity taona ity? Mba lazalazao anay hoe aiza sy aiza avy ny programan'asanao ao anatin'ny literatiora amin'ity taona 2016 diavintsika ity?

Ny Iraka Rambolamanana
Fikasako ny hamarana ny antsan-tononkalo amin'ity taona 2016 ity, rehefa nifanesy nitondra ny anjara birikiny ny tsirairay. Ary ny volana Desambra mihitsy no hanakatonako azy, ao amin'ny CGM.


Anyah
Izany an!  Tena tsara kosa izany Ny iraka Rambolamanana ny programanao. Sady mamarana ny taona 2016 mihitsy izany.  Fa ho famaranantsika ny tafatafa dia inona no hafatra atolotrao ho an'ireo mpanaraka ny Poetawebs sy ireo mpanaraka anao manokana eo amin'ny lafiny "Asa soratra"?

Ny Iraka Rambolamanana
Aina ny soratra ary hafatra no entiny. Aza heverina ho kisendrasendra ny fandalovan'ny asa soratra iray eo ambany masonao fa efa lalany mihitsy ny tsy maintsy mandalo eo aminao noho ny adidiny.
Samia mitandro toy ny anaka andriamaso ny Literatiora MALAGASY sy ny kanto raiketiny, fa ny kolontsaina no mampiavaka antsika. Dia tiavo e!
Dia manararaotra ihany koa aho eto misaotra ireo mpanaraka sy mpitia tsy mahafoy ny asa soratro, hitako ny hazakazakareo manjohy izay anoratako fa mankatelina e! Tena mampiezaka sy mampanolotra zava-baovao foana, indrindra fa ireo fanamarihana sy fankasitrahana avy aminareo.
Isaorako manokana ny Poetawebs nampivahiny ahy teto, mahereza amin'ny fanaparitahana ny vaovaon'ny Poeta tahaka izao, fa tena adidy mavesatra no iantsorohanareo.

Dia mirary fetim-pirenena sambatra ho antsika rehetra tsy an-kanavaka sahady fa efa manatomotra indrindra izany.
MISAOTRA TOMPOKO.


Anyah
Misaotra anao indrindra Ny Iraka  Rambolamanana nanaiky nivahiny teto amin'ny Poetawebs. Mirary soa ho anao sy ny asa soratra mba haharitra ela sy hateza andro hiainana anie. Mankasitraja tompoko. Manao mandra-pitafa ho amin'ny manaraka indray.

Ny Iraka Rambolamanana
Mankasitraka indrindra tompoko!

2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 21/06/2016