Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 febroary 2017

VOLATIANA RAHAGA, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Sambany ny Poetawebs no mitapatapakahitra amin'ny poeta malagasy avy any Londona. Vehivavy renim-pianakaviana izy ary ambetin-dresaky ny maro tato ho ato ny bokiny vaovao antsoina hoe Eritrelatra.
Miteny ho azy aminao angamba ny lohateny kanefa maro ny zavatra
azony zaraina amintsika raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ireo hetsika roa andraisany anjara amin'ity volana febroary ity isika.


Toetra Ràja
Miarahaba anao Volatiana Rahaga ary misaotra indrindra
amin'izao nanekenao ho vahinin'ny Poetawebs izao. Arahabaina koa ianareo mpisera mpankafy an'ity tapatapakahitra ity.
Azo fintinina ve Volatiana ny mombamomba anao amin'ny
andavanandro sy amin'ny soratra?

Volatiana Rahaga
Volatiana Rahaga no anarako, misitraka ny zom-pirenena
malagasy, monina aty Londona, njorontany (Angletera), efa taona maromaro ihany izay. Amin’izay tany rehetra nalehako sy nonenako teo aloha tao anatin’izay roapolo taona mahery nandaozako an'i Madagasikara izay (misimisy ihany rehefa nojerena) dia nanampy ahy nifikirako tamin’ny faka nihaviana ny teny malagasy. Tahaka ny zezika nahafahako namboly tamin’izay rehetra nalehako ny hazondamosin’ny boky sy ny asa soratra izay nataoko, voatondraky ny aingam-panahy mazava ho azy. Manoratra amin’ny teny malagasy sy frantsay ary anglisy aho. Ary anisan’ny boky navoakako voalohany amin’ny fiteny telo ny angano mitondra ny lohateny hoe “I Vorombola sy i Voninkasina”.

Mankamamy ary tena tia ny teny malagasy ny tenako ary mampirisika ny tanora hiteny sy hanoratra amin’ny tenintsika.

 

Toetra Ràja
Raha hiverina kely tany amin'ny roapolo taona lasa mahery
tany isika dia fantatra fa mpianatra taloha tao amin'ny Masindahy Misely Amparibe Antananarivo ianao. Azo lazaina fa namolavola ny fitiavanao literatiora ve ny kolejy?

Volatiana Rahaga
Eny tokoa, mpianatra taloha tao amin’ny Masindahy Misely ny
tenako. Tsy azo lavina fa anisan’ny manda angamba namolavola ahy hanaja sy indrindra tsy hanao tandrametaka ny fitsipika sy ny tsipelina ny tao amin’ny Kolejy. Nisy mpampianatra Malagasy tadidiko anisan’ny tena sarotiny tamin’ny tsipelina, ny fomba nitsarany anay no tadidiko hentitra, nanalany isa isaky ny diso tsipelina. Ny tao amin’ny Masindahy anefa izany salanisa izany no tena anisan’ny tandrovina satria tsy azo atao ny mamerina kilasy fa na ianao miakatra na miala. Raha misintaka mitazana aty aoriana dia roa no zavatra mety hitranga amin’izay fomba hentitra hitsarana sy hampianarana izay:

1/ na ianao manara-panjaitra fotsiny dia aty aoriana tsy liana intsony amin’ny tena vontoatin’ny soratra sy ny literatiora,
2/ na ianao vao mainka liana satria mandrisika ny hihoatra ny
fetra sy ny fefy na ilay manda nolazaiko tery aloha.

Nilaozan’ny toetrandro tokoa angamba, tsy mbola nisy aterineto moa ka anisan’ny fandanianay andro ny mamaky tantara toa ny Sangy Mahery an’i Rodlish, Voromby an-dRandriamiadanarivo, ny tononkalon’i Rado sy ry Randja Zanamihoatra. Tsy latsa-danja koa anefa ny literatioran’ny daholobe toa ny Koditra, voavaky daholo izay laharana niseho rehetra tamin’izany.

Fehiny fa lava be (hehy): anisan’ny nanampy ahy ny kolejy Masindahy Misely, fa efa tia sy liana amin’ny literatiora daholo ny ao amin’ny fianakaviako na ny avy amin’ny ray na ny reny, nanampy be koa izany inoako.

 

Toetra Ràja
... dia izao ianao namoaka boky izao. Nisy aloha ilay voalohany, bokin'angano amin’ny fiteny telo, ary vao tonga
indray ny faharoa antsoina hoe Eritrelatra. Arahabaina! Ahoana aloha ny fihetseham-po?

Volatiana Rahaga
Eny, tamin’ny 2013 no nivoaka ofisialy "I Vorombola sy i
Voninkasina". Tamin'ny desambra 2016 indray no teraka i Eritrelatra.
Ny fihetseham-po ve?

Serintseriny, tsindrian-daona, faly mizara azy. Nisy vitrika aloha tao, dia nisy risika ihany koa sy tosika avy amin’ny mpanonta indrindra indrindra marihiko eto sy isaorako manokana, tsy iza fa i Soamiely Andriamananjara, angady nananana sy vy nahitana ao amin’ny Ranjasoa Publishing, satria izy no nampirisika ahy hanangona ireo tononkalo nosoratako ho lasa amboara ary nanaiky nanonta azy.

Dia rehefa nivoaka moa ny boky dia faly ny mpanoratra, satria ary elatra ilay nokoloina, nokaloina sy nolokoina an-teny ela.


Toetra Ràja
"Nokoloina, nokaloina sy nolokoina", azo lazaina araka izany fa hafa kely ny endriky ny boky? Misy tononkalo sy sary firy? 

Volatiana Rahaga
Misy tononkalo eo amin’ny valopolo mahery kely eo. Dimy amby
telopolo ny sary nandravahan’i Soamiely zanako vavy azy. Marihiko fa nataony tanteraka tamin’ny tabimisaina ny sary. Izay tohanako tokoa. Ny antony dia mba itandrovana kokoa ny tontolo iainana rehefa tsy dia mampiasa taratasy loatra, eny na dia mampiasa herinaratra sy angovo koa aza ny tabimisaina.
Isaorako etoana ihany koa i Michele Rakotoson nanao ny sasin-teny.

Toetra Ràja
Momba an'izay fiangalian'ny zanakao sary izay indrindra
Volatiana Rahaga, nolovany ve io talenta io?

Volatiana Rahaga
Mbola tsy nahay niteny tokoa izy dia efa nanao sary sy nandoko
ary tena nivoatra tokoa tao anatin’ny telo ambin'ny folo taona monja. Tsy nolovainy tamiko aloha fa avy tamin’ny rainy, raha ny hevitro, no nandovany io fahaizana manokana manao sary io.

Toetra Ràja
Raha tsy tsiambaratelo, misy paikady matotra voaomana ve
ampielezanao ny bokinao?

Volatiana Rahaga
Tsy misy afenina mihitsy akory ry Toetra a! Traikefa zaraina
mihitsy aza.

Resaka paikady?

1/ Raha ny toe-tsaina nentiko nanoratra aloha hatramin’izay dia tsy miantehitra na amin’iza na amin’iza fa mahaleo tena tanteraka.

2/ Dia voafaritra mazava ihany koa ny tanjona fa ny hampiroboroboana ny literatiora amin’ny teny malagasy amin’ny sehatra rehetra sy amin’ny fomba rehetra.

3/ Marihiko fa misy dingana maromaro vao boky ny boky anankiray. Na inona vontoatiny na inona, na tantara, na angano, na tantara an-tsehatra, na tononkalo, na tantara voaravaky ny sary…

a/ Ao ny mpanoratra, misafidy ny teny ampiasainy izay hipaka amin’ny olona hanjifa azy. Mety hisy koa ny misafidy mpandika teny avy eo, na tsia.

b/ Ao ny mpanao sary handravahanao azy, safidy iny na asiana na tsia. Fa raha misy, dia ranjan’andraikitra iray manontolo na asa iray manontolo mihitsy iny.

d/ Ao ny fanontana sy ny fampielezana azy.

Raha miala amin’ny traikefa azoko tamin’ny nanontako samirery sy ny nanapariahako an’I Vorombola sy Voninkasina tamin’izany dia ny zavatra tsikaritro dia izao.

• Raha any Madagasikara dia tsapako tao anatin’ny telo taona fa niha-nisonga ny isan’ny olona liana mamaky boky, fa boky taratasy no mbola mahaliana ny olona. Tsy ampy hoy aho ny manoratra amin’ny teny malagasy. Tsy ampy ihany koa ny fanohanana ireo olona marobe manana talenta mba maniry ny hampiranty izany.

• Mandalo “delestazy” koa ny mpanonta satria tsy misy ny ho enti-manana hanontana boky taratasy noho ny halafon’ny fanontana.

• Mampirisika mihitsy ny tenako hanampy ireo izay mba liana hanoratra sy hamoaka boky amin’ny teny malagasy.

Fehiny
Izaho dia nahaleo tena tanteraka tamin’ny fanontana ny boky sy
ny mikasika ireo dingana noresahiko tetsy ambony. Raha toa misy liana, ny amin’ny fanontana dia misy fikambanana mahaleo tenan’ny mpanonta tahaka an’i Lulu.com izay manonta an-taratasy ny bokinao manerana izao tontolo izao. Raha misy mieritreritra ny hanoratra ho fitadiavam-bola dia amiko sarotra ihany izany satria ny paikadin’ilay fikambanana mahaleo tena io dia manosika ny manana talenta  hanoratra sy hanonta ny bokiny fotsiny ihany fa anjaranao tanteraka ny fampielezana azy, izay misy sandany mazava ho azy.

Ny safidiko moa amin’ny fampielezana dia miaraka amin’i RanjaSoa Publishing ny aty Londona sy Etazonia. Fa ny any Parisy sy Madagasikara dia tena mahaleo tena tanteraka. Ny zandriko vavy no mandray sy mampiely ny boky any an-toerana.

Manampy be tokoa hatramin’izao ny tambazotra sy ny aterineto ary ireo mpanjifa izay liana sy mankafy ny asa soratro, isaorako etoana.

Na izany na tsy izany, fantatro fa misy tokoa ny mpanonta sy mpampiely matihanina izay tsy mikely soroka manampy ireo mpanoratra amin’ny teny malagasy, tahaka ny Editions des Jeunes.


Toetra Ràja
Telo taona mahery ankehitriny "I Vorombola sy i Voninkasina", aiza ho aiza izy izao?

Volatiana Rahaga
I Vorombola sy i Voninkasina dia efa ary elatra samirery. Izy
moa amin’ny fiteny telo koa dia misokatra ihany koa ny faravodilaniny. Natonta an-taratasy vao haingana koa anefa. Ary mbola tsy tonga any Madagasikara. Fa efa  azo jifaina amin’ny rohy manaraka etoana.

http://www.lulu.com/shop/volatiana-rahaga/seeking-happiness-vers-le-bonheur/paperback/product-22999019.html

http://www.lulu.com/shop/volatiana-rahaga/i-vorombola-sy-i-voninkasina/paperback/product-23000495.html


Toetra Ràja
Efa ela ve ianao no tia sy nanoratra angano?

Volatiana Rahaga
Mbola kely aho dia efa tia angano, tadidiko ilay mpitaiza ahy
no mpitantara angano amiko alohan’ny hatory sy eo am-pisakafoana. Isaorako azy fa izy amiko no anisan’ny hazondamosina nahafahako namakivaky ny tontolon’ny angano sy ny famoronana izay tena mahaliana ahy manokana tokoa.

Ny boky voalohany fanomezana nomen’i mamanay ahy tamin’ny fahafolo taonako dia ilay hoe “les contes de Madagascar”, tamin’ny teny frantsay. Io boky io no nianarako teny frantsay ary nahatonga ahy ho liana hamantatra bebe kokoa ny tontolon’ny angano malagasy. Teo izany dia efa nifandona sy mifandray tanana ny teny malagasy sy frantsay teo amin’ny tontoloko.

Hatramin’izao aho dia mbola mamaky ho an’ny zanako angano. Ny anganon’i Edgar Poe izao no tena mahaliana anay mianaka.


Toetra Ràja
Handray anjara amin'ny hetsika fankalazana ny fetin'ny
FITIAVANA sy ny Mpifankatia ao Parisy ianao. Azonao ambara amin'ny teny fohy ve ny momba ny mpikarakara ILOMBOAARY Vision?

Volatiana Rahaga
Eny tokoa, tena maharaka mihitsy ianao izany ry Toetra a! Nasaina hampiranty an’i Eritrelatra ao Parisy tokoa aho amin’ny
18 febroary ho avy izao ao amin’ilay Hetsika Big Love 3rd edition.

Ny Ilomboaary Vision moa dia namako tao amin’ny Masindahy Misely, i Manitra no anisan’ny nanorina an’i Ilomboaary. Ao anatin’ny toe-tsainy ny mampiranty sy mampahafantatra ny mpanakanto malagasy. Mpikarakara hetsika mifanaraka amin’izay no tena ataon-dry zareo: alim-pandihizana, na koa fampisehoana an-tsehatry ny mpanakanto malagasy mandalo aty Eoropa.

Dia tonga tamin’ilay fitenenana hoe “tonga tsy nantsoina, nasesiky ny razana” hoy isika na “serendipity” hoy ny anglisy. Nifanojo ny eritreritray ka tapa-kevitra fa hiara-hisalahy amin’io andro io hampiaraka mozika sy literatiora. Ny ankabeazan’ny tononkalon’i Eritrelatra rahateo moa dia manodidina ny Fitiavana amin’ny ankapobeny, koa dia nifandray tsara amin’ilay hetsik’i Ilomboaary Vision.

Dia afaka jifaina ao amin’io andro io izany i Eritrelatra. Marihiko fa hisy koa rango-pahatsiarovana ataoko ho an'izay liana amin’izany.


Toetra Ràja
Tsy vitan'izay fa amin'ity volana ity ihany koa dia hisy ny fihaonan'ny INALCO
sy ny HAVATSA UPEM ao Parisy. Azonao amarinina ve fa hanana ny toerany ao koa i Eritrelatra?

Volatiana Rahaga
Eny, ny 25 febroary ho avy izao, toy ny isan-taona, ny
fankalazan’ny INALCO Parisy miaraka amin’ny Havatsa Upem sampana Frantsa ny “Andro natokana ho an’ny literatiora malagasy”. Dia nasaina ao ihany koa ny tenako hanolotra ny boky Eritrelatra. Koa manasa anareo izay liana amin’izany àry handalo, fa mandritra ny tontolo andro ny hetsika manomboka amin’ny 10 ora tolakandro. Hisy boky azo jifaina mazava ho azy sy fanomezana rango-pahatsiarovana ihany koa amin’io andro io.

 

Toetra Ràja
Ho faly tokoa ireo Malagasy any Parisy hahita anao indroa
mihantaona. Fa amin'ny maha mponin'i Londona anao, azonao ampatsiahivina vetivety ve ny momba ilay poeta malaza dia malaza Shakespeare?

Volatiana Rahaga
Nankalazaina tamin’ny volana aprily 2014 ny faha-400 taonan’i
Shakespeare. Natao tao amin’ilay efitrano malaza be: Royal Albert hall izany, ary makotrokotroka tokoa ny fankalazana, nanam-bitana aho nanatrika izany satria nihira tao ny zanako vavy, i Soamiely.

I Shakespeare dia sady poeta, santionany amin’ny asa sorany ohatra ilay hoe “Sonnets” na koa ilay “Complainte d’un amoureux”, na “moi et toi jusqu’aux mortels”, no mpanoratra tantara an-tsehatra  ihany koa, fanta-daza amin'ilay hoe “Hamlet” na “Romeo & Juliet”. Mpiantsehatra mihitsy koa, izy no anisan’ny nilalao tao amin’ny tantarany ilay hoe “Hamlet”.

Nahafehy ny mozika ihany koa izy satria matetika izy no misafidy ny mozika apetrany amin’ny tantara an-tsehatra lalaoviny na soratany.

Mandrak'ankehitriny dia mbola tsaroana foana i Shakespeare, noho ny asa sorany sy ny fahaizany nilalao teny, na ny teny anglisy aza dia antsoina ankehitriny fa tenin’i Shakespeare.

Tany Stratford izy no niaina, fa rehefa taty aoriana vao nifindra taty Londona. Zanak’olona antsoina hoe “aristocrat” na “andriana” hoy isika, nianatra literatiora sy Latina ary tena nahafehy izany tokoa. Maro no nilaza fa nanao asa maro izy, nanan-janaka telo, vavy roa sy lahy iray izay maty. Io  sedra io no anisan’ny namelona ny aingam-panahiny nanoratany an’i “Hamlet” sy ilay fanontaniana malaza hoe “to be or no to be?”

 

Toetra Ràja
Kanefa efajato taona taty aoriana, mbola ironan'ny aingam-
panahin'ny ankehitriny ny fomba fanoratany. Ao anatiny ve ianao?

Volatiana Rahaga
Tena marina mihitsy izany, taonjato faha XVI moa no niainany sy
nanoratany. Ny rivotra nitsoka nanehoan’ny mpanakanto ny literatiora sy ny zavakanto amin’ny ankapobeny tamin’izany, ny "Renaissance", dia nirona be dia be tamin’ny “humanisme” na ny “fitodihana amin’ny maha-olona sy ny fampirantiana" izany. Tsy mahagaga ary raha toa ka hetsi-po (hehy sy tomany), vanim-piainana, fitiavana sy ny fahadisoam-panantenana miaraka aminy no tena rano mainty sy aingam-panahy nivoizan’i Shakespeare ny asa sorany. Ary vao mainka tsy mahagaga ihany koa raha mitohy ankehitriny izany fironana izany satria araka ilay fiteny malagasy hoe “iny volana iny tsy mba tsinjon’olona faly”, ary manan-karena aingam-panahy kokoa ny miaina sedra noho ny miaina hasambarana.

Hevitro iny! Ary izaho dia anisan’ny mivoy ny aingam-panahiko anatin’ny vanim-piainana.

Toetra Ràja
Misy poeta malagasy monina ve any Londona?

Volatiana Rahaga
Misy fantatro iray na roa manoratra fa tsy mbola reko namoaka
boky aloha ka aleo aho tsy hiteniteny foana.

Toetra Ràja
Manana fifandraisana amin'ireo poeta any an-tanindrazana ve
ianao?

Volatiana Rahaga
Eny manana tokoa, soa nisy ny habaky ny “aterineto ka hatrany”. Nanatrika ny hetsiky ny Faribolana Sandratra aho tamin’ny taona
lasa, nahafinaritra! I Tahirintsoa moa no anisan’ny nikarakara izany ary izao izahay mianadahy mifanena an-tsoratra eny, ao amin’ny Revio Tsara Soratra izy izao, anisan’ny nanoratra ao, ao koa i Rojo Fanahy, hitako tany koa i Zazangaly, i Avelo Nidor, i Dafy Noely… misy maromaro tsy tambo isaina eto.


Toetra Ràja
Sarotiny amin'ny tsipelin-teny ianao raha ny lahatsoratra
naelinao tao amin'ny Facebook indray mandeha izay no jerena. Ahoana ny fijerinao an'ireny poeta mpandiso tsipelina ireny kanefa manana hevitra tsara sy soratra kanto?

Volatiana Rahaga
Marina aloha etsy an-daniny fa miaina ny soratra, tsy misy hoe
tena marina sy diso, saingy misy marimaritra iraisana nierana sy nekena. Dia tsara raha ampiharina, ary raisina toa ny hazondamosina.

Amiko manokana mamono ny teny ny  soratra “simeso” ary taratry ny hakamoana sy tandrametaka ny mandiso tsipelina. Na izany na tsy izany anefa tsy misy mahay tany an-kibon-dreniny, fa ilaina ny mifampianatra, dingana lehibe hampivoatra ny fanekena fanitsiana. Tsy mba misy tsy ho diso fa izay mikiry no adala e. Ampirisihako mihitsy izay manana talenta sy hevitra tsara hivohy izany, hifehy izany ary indrindra tsy hijanona hanoratra, rehefa mandiso dia manaiky ahitsy.

  Oroka ambany tetezana
 
Ilay oroka kely tambany tetezana
Tsy halatra akory fa nifanomezana,
Ny tsirony imolotra mbola tsaroana,
Ny anarany sisa no antsoantsoina.
 
Oroka iray no mamehy ny tantarany
Ny hany tsaroako dia ny ankasom-parany,
Ilay oro-malian’ny fara veloma
Fanahy iniana hiadiana amin’ny fanadinoana.
 
Anareo sarahan’ilay halavirana
Sy ny alahelo tsy mifidy fihodirana,
Oroka ihany no ody mafonja
F’ io no vaika, tetezana, handrava ny onja.
 
Eny ho aho ry oroka kely tambany tetezana
Tsy halatra akory fa nifanomezana,
Veloma malia amin’ilay olon-tiako
Oroka sy fihina mandra-pihaviako.
 
VR

Toetra Ràja
Efa elaela ihany no nahafantarako anao ka raha mba te hanontany aho hoe inona no fialambolinao dia mety ho voatanisa ao ny hira sy ny piano. Misy azo anamafisana an'izay ve na hanampiana koa?

Volatiana Rahaga
Anisan’ny tena fialamboliko aloha ny mamaky boky, sy ny manoratra. Milalao echec ihany koa. Dia tia mozika ihany koa aho. Tsy dia tena hoe milalao piano fa mba mikitikitika! (hehy)

Toetra Ràja
Fanontaniana farany manitikitika, marina ve fa tsy mihinana
hena ianao?

Volatiana Rahaga
Eny tsy mihinan-kena tokoa aho, ary tsy mihinan-tsira na tsy
manisy sira ny sakafo raha ny marimarina kokoa. Raha toa izany ka tsy tia ahy manokana dia asaina aho dia atao be sira ny laoka, azo atokisana fa tsy hihinana ny sakafo aho (hehy).
Matetika mazava ho azy tsy fantatry ny olona ireo fomba fiaina hafahafa ireo, dia rehefa lazaina voalohany aminy dia ny fanontanian'ny olona dia hoe:" dia inona izany no hohaninao?"

Toetra Ràja
Izaho koa aza saika hanontany!

Volatiana Rahaga
Ankoatra ny hena dia misy zavatra be dia be
azo hohanina. Mampihomehy ahy foana, na koa fenoiny salady sy karaoty manta ny latabatra, hahaha! Izaho anie tsy bitro hoy aho (vazivazy izany). Fa ny sira efa tsy tiako hatramin'izay, ny hena kosa fitandremana fahasalamana.

Ny anton-tsakafontsika Malagasy matetika dia vary sy hena be menaka ary hendy be sira. Mifararemotra rehefa tsy afaka mividy vary, na mihinana hena.
Azo soloina tsara anefa ny hena, voanemba isan-karazany sy
trondro ihany koa. Torak'izany, ankoatra ny vary, misy hanin-kotrana hafa azo hohanina misy otrikaina betsaka noho ny vary aza indraindray. Ary ireo tsy dia tia hena no salama kokoa.

Dia izay sy izay fa nahafinaritra ny nitafatafa teto

Toetra Ràja
Amin'ny alalan'izay tantara kely izay, mahatsikaiky kanefa
tsara hotsakotsakoina, no entintsika hanaovam-beloma vetivety ny mpisera ary isaoran'ny Poetawebs anao Volatiana. Soava dia amin'ny fanandratana avo ny literatiora. Mirary fahombiazana ho an'ireo bokinao roa sy ho an'ny asa fampielezana miandry anao. Mandra-pitafa!

Volatiana Rahaga
Misaotra an'i Toetra sy ny Poetawebs amin'izao fanasana izao
ary mirary soa ho an'ny literatiora malagasy. Veloma!

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 12/02/2017