Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

03 septambra 2017

VOAHIRANA RAKOTOARIMANANA (FARA MANANJANDRY)
 

Heverinay fa harena manan-danja ka tokony havoaka ho antsika taranaka ankehitriny ity tafatafan’ny mpianaka nifanaovan’i Ikaloyna Vony tamin’i Fara Mananjandry ity fony fahavelony na tsy nitohy hatramin’ny farany aza… Nahazoan-dalana tamin'ny zanany ny ahafahanay mizara amintsika ny tapatapakahitra ka isaorana azy.

 

Ikaloyna
Miarahaba anao Voahirana Rakotoarimanana, fantatra amin’ny anarana hoe Fara Mananjandry tonga mivahiny eto amin'ny Pôetawebs. Aleo ianao no hanambara ny momba anao.

Voahirana
Zaza fahafito tamin'ny valo mianadahy (dimy lahy ary telo vavy), ny zandriny indrindra tamin’ny vavy ka nantsoina hoe Fara, fa manana zandry lahy izay tena akaikin'ny fo... Izany ny nisafidianana ny anaram-panoratana, fa ny tena anarana dia Rakotoarimanana Voahirana araka io efa voalazanao io.
Tsy mihevitra ny tenako ho "mpanoratra" aho, fa rehefa misy aingam-panahy dia mamoaka lahatsoratra an-tononkalo.

Azo lazaina ho efa voky taona ihany aho, satria mbola zanatany frantsay i Madagasikara raha teraka tany Diégo-Suarez (Antsiranana ankehitriny) aho, nandritra ny Ady Lehibe faharoa! Voatendry hiasa tany manko ny raiko sy ny reniko, izay samy dokotera mpitsabo.

Noho izy mivady mpiasam-panjakana (fonctionnaires) tamin'izany fotoana izany, dia afaka nampiditra anay tany amin'ny sekoly ho an'ny zanaka vazaha izy: tao amin'ny Lycée Jules Ferry - Lycée Faravohitra ankehitriny - no nianatra aho, nanomboka "classe de 11ème" ka hatramin'ny nahazoako ny "baccalauréat".

Isaorako ny Ray aman-dReniko ny nahaizany nitaiza anay tsy hampifangaro teny: rehefa miteny malagasy dia rano iray, toy izany koa raha miteny frantsay.
Fa tany an-tsekoly dia voasazy izay heno miteny malagasy!
"Classe de 4ème": nisafidy ny taranja malagasy ho "deuxième langue étrangère" aho, ka Itompokolahy Charles Ravoajanahary no mpampianatra anay.
Rehefa azo ny bakalôreà, dia niroso tany amin'ny "filière médecine" (noho ny asan'i Dada sy Neny ve? Asa lahy!) Nalahelo be i Ch. Ravoajanahary noho izany ...
Efa nanoratsoratra ihany tamin’ny fahatanorana, saingy tsy nisy voatahiry izany.

Ikaloyna
Voky taona hoy ianao, ny mpikanto tsy misy taona a! Nanao ahoana ny fomba fahitan'ny Ray aman-dReninao anao hoe nanao pôezia ianao fony tanora satria sarotiny ihany tamin'ny fitaizana ny Ray aman-dReny taloha?

Voahirana
Tsy dia nozaraiko loatra izay voasoratro, fa nataoko ho ahy samirery, ka tsy nisy olana raha ny tamin’ny fanoratana.
Anadahin-dreniko i Dox, ary tena nifandray akaiky dia akaiky ny ankohonana roa tonta, indrindra moa fa efa maty i Perla vadin'i Dox, ka tena nikarakara azy dimy mianadahy zanany ny Ray aman-dReninay. Toy ny mpiray tampo no nifampitondranay ankizy tamin’izany.

Fantatsika angamba fa nanoratra tantara filalao an-dampihazo maromaro i Dox (RAVAHINY - RASALAMA MARITIORA - RAINANDRIAMAMPANDRY - NY OMBALAHIBEMASO - AMINA BATSOLA - IBONIAMASIBONIAMANORO...) sady nandika ho amin’ny teny malagasy ireo lazaina hoe "classiques" frantsay toa an'i Racine sy Corneille: LE CID - ESTHER... Nolalaovina teo amin’ny "théâtre de verdure" tao Antsahamanitra izy ireny, tamina fomba vaovao tamin’izany dia "spectacle son et lumières". Misy olona miantsehatra manao ny fihetsehana, ary misy kosa olona miteny ery amin’ny "cabine". Nandray anjara betsaka tamin'ny filalaovana ny feo ny tenako, ary tena nankafiziko izany! Tena nitiavako ny TENY sy ny SORATRA ary ny FILALAOVANA TANTARA ireny.

Tia mihira koa aho tamin’izany... Tsapan'ny Ray aman-dReniko fa naniry ho "artiste" aho, ary teo no nisy fanakanana.
Koa dia nanohy ny fianarana ho dokotera aho, ary somary napetrapetrako izay mety ho fironana tamin’ny zavakanto.
Teny antsefantsefany teny anefa dia nisy ihany soratra mahalana dia mahalana, famoronana tononkira na fanoratana vakisaova fony mpianatra tany an-dafy (mpikambana tao amin'ny AEOM na Association des Etudiants d'Origine Malgache aho). Nitaiza ny fitiavan-tanindrazana tokoa ny AEOM, nampihiratra ny maso tamin’ny zavatra mianjady amin'ny vahoaka sy ny olom-pirenena tsotra, mbamin’ny fihetsiky ny mpitondra malagasy... Tsy mpanao politika aho fa miaina ny politika.

 

Niverina ny aingam-panahy hanoratra... ho an'ny Tanindrazana sy ny Vahoaka Malagasy. Ny zavatra hitan'ny maso sy ren'ny sofina ary niainana no niteraka ireny soratra ireny.
Tsy mba isan'ireo mpanoratra mamokatra be ny tenako: indraindray maharitra amam-bolana, na aman-taona mihitsy aza tsy mahasoratra.
Fa ny azoko ambara, raha hitsara ny tenako aho, dia FITIAVANA no manetsika ny tanako hanoratra: fitiavan-tanindrazana, fitiavana ny Malagasy iray ra amiko, fitiavana ny manodidina sy ny fianakaviana... Vitsy dia vitsy ireo tononkalo mikasika ny fitiavan'olon-droa raha oharina amin'ny tononkalo hafa.

Asa raha mahafa-po anareo ny fitantarako...

Ikaloyna
Tena mahafa-po sy mahaliana ny tantaram-piainanao, ary teo amin'ny fiaraha-monina, ahoana ny fijerin'ny fiaraha-monina malagasy sy vahiny izany hoe "vehivavy artista" izany? Tamin'ny fahatanoranao sy amin'izao fotoanan'ny miralenta izao?

Voahirana
Arakaraka ny fiaraha-monina angamba ny fijery ny "vehivavy artista". Ary tsy ny "vehivavy" ihany akory aza, fa ilay hoe "artista" mihitsy no nampiahiahy ny olona sasany! Ny manodidina ahy akaiky tamin’ny fahatanorako dia nanasokajy ny artista ho mpisotro alikaola, mpifoka sigara sy mpandrongony. Ary noheverina fa ny vehivavy dia tsy maintsy manana fitondrantena tsy mendrika!
Asa izay fihevitry ny olona ankehitriny...

Raha ny niainako azy manokana, dia tsy nisy fiantraikany tamin'ny naha mpitsabo sy naha renim-pianakaviana ahy ny fanoratana. Tsy nanokanako fotoana, fa rehefa mahita zavatra manitikitika ny saiko aho, na koa misy zavatra mihatra amiko mivantana, dia mahatonga ahy te handrakitra izany an-tsoratra.

Eny tokoa, anisan'ny reharehako i DOX anadahin-dreniko. Inoako fa nampita ampahan'ny talentany tamin'ny zanak'anabaviny izy (namoron-kira sy tononkalo koa ny zokiko lahimatoa). Nandova izany koa ireo naterany: Elie Ramasindraibe, Dédé Sorajavona. Tsy dia hoe fandovana "génétique" anefa no fiainako azy manokana, fa ilay fifaneraserana akaiky, ilay fikoloan'ny fianakaviana sy ny ankohonana ny fitiavana ny kanto, ilay fampisitrahana ny teny malagasy nitaizan'ny raiamandreny, izany no niampita tamin'ny zanany.

Fa tiako hotsindriana manokana ny fampianarana azoko tamin'i Charles Ravoajanahary tao amin'ny Lycée Jules Ferry. Mbola tamin'ny teny frantsay no nampianarana anay ny taranja malagasy tamin'izany, kanefa ny fototry ny fahaizako ny malagasy ankehitriny dia avy taminy!

Ikaloyna
Azafady, somary manaitra ahy ilay voalazanao teo, Fara Mananjandry, hoe ny fianakavianao dia nampita ny fitiavana ny kanto sy ny teny malagasy, toy izany koa ny mpampianatra anao. Tsapanao ve izany fa miainga ao amin'ny fianakaviana izay sekoly voalohany sy ny mpanabe ny fitiavana ny kanto sy ny teny malagasy?

Voahirana
Tsy ho hentitra ny valin-teniko, satria mialoha ny fianakaviana sy ny sekoly, dia tsy maintsy misy ny fitiavana ny soratra sy ny teny. Anisan'ny fialam-boly sy fitaizako saina ny famakiana boky sy asa soratra isan-karazany. tena tiako koa ny sampana "rédaction" tao amin'ny taranja frantsay sy malagasy. Izany no nampian'ny fifaneraserana mivantana tamin'i Dox, mbamin'i Rado mirahalahy (Célestin sy Georges Andriamanantena), izay sakaizan'i raiko. Tsy nihafihafy koa moa ny dadanay nividy boky samihafa, na tantara izany na tononkalo.


Ikaloyna
Marina loatra izany fa raha tsy misy tokoa moa ny fitiavana ny soratra sy ny teny malagasy, na misy aza ny fanampian'ny manodidina, dia zava-poana ihany. Afaka mitantara aminay ve ianao ny amin'izany fitiavana sy fanajan'ny Malagasy ny teniny izany talohan'ny nahazoana ny fahaleovan-tena, taoriany, tamin’ny andron'ny fanagasiana ka hatramin'izao? Inona ny olana raha misy ary ny vahaolana azo atolotra?

Voahirana
Ampahatsiahiviko fa mpianatra tao amina sekolim-bazaha aho, nanomboka tany amin'ny "classe de 11ème" (CP angamba izany izao), taona 1949, ka hatramin'ny nahafahako bakalôreà, taona 1963. Voasazy izahay raha miteny malagasy ao am-pianarana. Rehefa any ivelan'ny sekoly, dia misy ny miteny malagasy ho azy, toy ny fanaony any an-tranony. Fa misy ireo izay manohy miteny frantsay, na dia samy Malagasy aza. Tsy nandalina loatra ny anton'izany aho fahiny, fa ireo miteny malagasy dia valiako amin'ny teny malagasy, ary ireo miteny frantsay dia valiako amin'ny teny frantsay.
Ny tao amin'ny ankohonana sy ny fianakaviana dia voalazako koa fa nanavaka tsara ny teny gasy sy vazaha, fa tsy mba nampifangaro ireo. Ny Baiboly moa, tamin'izany fotoana izany, no azo ambara hoe boky voasoratra amin'ny teny malagasy be mpamaky indrindra, koa dia io no toy ny "référence" taminay.
Ankoatra ny sekoly sy fianakaviana indray, dia ny skotisma no nitaiza ahy. Fatra-panaja ny maha malagasy ny fahatsapako ny zavatra niainako tao, na dia azo ambara hoe fitaizana "vahiny" ihany aza izy io.

Sarotra amiko ny hamahavaha bebe kokoa ny fandraisan'ny olona ny teny malagasy tamin'izany fotoana izany, satria sady tanora fanahy ny tena, no tsy dia nahadinika lalina izay fiainan'ny tsirairay ny maha Malagasy azy. Ny amiko manokana ihany no azoko ambara: hentitra ny Ray aman-dReninay teo amin'ny fanajana ny teny malagasy sy ny teny frantsay, ka tsy mba anisan'ny nanao fiteny vary amin'akotry izahay.

1960: nambara fa azo ny fahaleovantena. Mbola mpianatra tao amin'ny Lycée Jules Ferry aho, ary tsy niova ny fandaharam-pianarana fa tamin'ny teny frantsay hatrany, eny fa na dia ny fampianarana ny taranja malagasy aza. Tsy fantatro kosa ny zava-nisy tany amin'ny sekoly hafa.
Efa tsy teto Madagasikara intsony aho tamin'ny andron'ny "fanagasiana". Ny zavatra tsapa kosa anefa dia sady tsy voafehin'ny tanora niaina izany ny teny malagasy, no tsy hainy tsara koa ny teny frantsay. Hitako tamin'ireo mpianatra nanohy fianarana tany Frantsa taty aorinako izany.
Ohatra ny sahirana ihany aho mamaly ny fanontaniana etoana, satria toa miresaka be loatra ny momba ahy...

Ikaloyna
Omena anao tanteraka ny sehatra ka!

 

"Ecole d'expression française", izany no maniry ohatra ny ahi-dratsy raha ny eto an-drenivohitra aloha... 40 taona niainana tany ivelan'i Madagasikara aho, kanefa mahatsapa fa mahay sy mahafehy ny teny malagasy noho ireo izay tsy niala teto mihitsy.


Voahirana
Manao ahoana indray ny amin'izao fotoana izao? Mahery vaika ny fanindrian'ny teny frantsay: "Ecole d'expression française", izany no maniry ohatra ny ahi-dratsy raha ny eto an-drenivohitra aloha. Manao ahoana ny fampianarana any amin'ny "EPP" ankehitriny? Ny Ray aman-dReny koa toa tsy dia miteny malagasy amin-janany?

40 taona niainana tany ivelan'i Madagasikara aho, kanefa mahatsapa (asa diso mihambo angamba?) fa mahay sy mahafehy ny teny malagasy noho ireo izay tsy niala teto mihitsy... Ary mbola miezaka mandalina sy manatsara izany, na eo amin'ny voambolana izay mivoatra sy mitombo, na eo amin'ny fitsipi-panoratana...

Iverenako kely ny tamin'ny taona nanodidina ny fanambarana fa nahaleo tena i Madagasikara. Nanana anjara toerana lehibe teo amin'ny fitenenana malagasy ny "Radio Madagasikara", raha ny fahatsapako azy:
tamin'izany dia tena nahay teny malagasy ireo mpanolotra fandaharana, mpilalao tantara... Ny gazety an-tsoratra koa dia mbola nitaiza tokoa, toy ny MARESAKA, HEHY, FANASINA, sy ny sisa tsy voatonona. Ankehitriny dia ny gazety mbamin'ny onjampeo sy fahitalavitra no tena manapotika ny teny malagasy sy ny teny frantsay!

Ikaloyna
Toa azonay sary an-tsaina ireo vanim-potoana nolalovanao amin'izay fitantaranao azy izany fa aleo isika hiverina amin'ny momba anao manokana amin'ny maha mpanoratra anao: efa namoaka boky ve ianao? Firy ary tahaka ny inona ny toetoetrany?

Voahirana
Namoaka boky iray monja aho ("à compte d'auteur"), tamin'ny taona 2004: "HIRA NY FIAINANA ary MITOHY NY TOLONA". Nisy tononkalo voasoratro tamin'ny teny malagasy no nadikako tamin'ny teny frantsay. Raha namaky azy ireny ireo sakaizako samihafa - tsy mahay teny malagasy na mahay ny fiteny roa - dia nampirisika ahy hanohy ny fandikana. Efa misy rakitra anankiray vita "maquette" saingy noho ny tsy fahampian'ny hoenti-manana dia mbola mijanona ho fikasana ihany ny famoahana izany. Ireo tononkalo voasoratra taorian'ny 2004 koa dia efa misimisy ihany voaangona ary azo avoaka ho boky, fa dia miandry ao ihany aloha hatramin'izao. Tsy manao antom-pivelomako ny asasoratra, kanefa kosa tsy mety amin'ny saiko ny haka "éditeur", satria ampahany kely amin'ny vidim-boky ihany no homena ny mpanoratra, fa ny tombom-barotra ho azy no betsaka, raha ankafizin'ny mpividy ny boky.
Maromaro ireo asasoratro navoakana gazety maimaim-poana, tany alohaloha tany, saingy efa naharitraritra izay no tsy nizarako izany intsony... asa, noho ny fisian'ny serasera toy ny Facebook angamba?
Tsy dia haiko loatra koa ny manao "dokam-barotra" (tsy manambany izany akory aho an!) any amin'ny haino aman-jery, na miantsa ny tononkaloko...

Ikaloyna
Dia tapaka teo ilay resakay mianaka fa isika no manohy izany... sy manohy ny dia.

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com
×