poetawebs_logo poeta_malagasy


RIMA no anarana diampeniny fa Tsilavo Herimanjaka kosa no ahalalan'ny maro azy eo amin'ny fiainana andavanandro. Mpiray faribolana ao amin'nhy Sandratra izy ary hanomana hetsika - antsan-tononkalo - ao amin'ny Ivokolo CEMDELAC Analakely ny 11 septambra 2013 ho avy izao
amin'ny 3 ora tolakandro. Antomotra ny fotoana ka izany indrindra no nanatonan'ny Poetawebs azy ka namaliany an'ireo fanontanian'i Toetra RAJA.


Miarahaba anao RIMA ary misaotra anao nanaiky nitapatapak'ahitra ato an-trano. N
isy antony manokana ve ny nahatonga anao ho poeta?
 



Eto ampiandohana aloha dia tiako ny manamarika fa ny  solonanarana RIMA dia fanafohezana ny teny filamatra kajiako isanandro manao hoe "RItsoka Miaina Anaty". Efa 15 taona izao no nanombohako nanoratra ka ny fitiavana ny teny Malagasy no tena antony... Fa raha tsy nisy tokoa mantsy ny teny dia azo antoka tanteraka fa tsy nisy izaho sy ianao...

Midika koa ve fa mpandala tononkalo miRIMA ianao?

Tsia, malalaka ny firafitry ny tononkaloko izay amoahako ireo lohahevitra voiziko dia tsy inona izany fa ny Tanindrazana sy ny fiainambahoaka.

Oviana no nidiranao tao amin'ny Faribolana Sandratra?

Dimy taona izao no naha mpiray faribolana ahy tao, hatramin'ny 11 septambra 2008 raha ny marimarina kokoa. Tsy dia nisy antony manokana ny nidirako tao fa te hifampitantana anaty faribolana fotsiny e!

5 taona mialoha ny hetsika izany. Efa namoaka boky ve i RIMA?

Eny, "NOFY-TIAKO" no lohateniny. Izy io iorenan'ny hetsika iantsorohako amin'ny 11 Septambra 2013 ao amin'ny CEMDELAC Analakely. Ankoatra ny boky dia anisan'ny fitaovana ampielezako ny sanganasako koa ny famangiana sekoly, fitetezana faritany hanaovana vela-kevitra...

Azonao asiana tsindrim-peo kely ve ny momba io hetsika io?

Hetsika ho an'i RIMA izy io ary nasalotra ny lohatenin'ny bokiko. Ny mpiray faribolana Sandratra no mamelona azy: Faribolana Sandratra Toamasiana, Antananarivo, Antsirabe. Antsan-tononkalo ranoray no ianohan'ny mpijery mandritra ny fotoana.
Toy ny mahazatra ny Sandratra dia tsy hisy ny vidimpidirana. Hisy famarotana boky koa toy ny fanao. Ankoatra ireo anefa dia afaka manjifa mari-pahatsiarovana ny mpijery: portes clés, tee-shirt, stylos... Voarakitra ao anatin'ireny zavatra ireny ny sary famantarana ny FARIBOLANA SANDRATRA, ny sariko ihany koa ary misy teny fohy vatsin-tsaina e! (citation)

Ambarao indray ary ny nentimanana.

Azo lazaina fa ezako izaho samirery no nahavitana an'ireny zavatra ireny. Ny nahazoana ny efitranon'ny CEMDELAC koa dia tsy nisy olana fa nilamina tsara ny fiarahamiasa e! Marihako fa eto Antsirabe aho no mipetraka sy monina. Ankoatra ny asako andavanandro amin'ny herinandro dia miakatra any Antananarivo aho manomana ny antsa sy ny seho NOFY-TIAKO!

Aorian'io hetsika any Antsirabe io, manana vinavina hafa ve i RIMA?

Hikasa ny hitety faritra maro aho raha sitra-pon'ny Tompo sy mahita fanampiana hanatontosana izany. Fa amin'ny volana novambra aloha dia azo antoka fa hitsidika an'i Toamasina i NOFY-TIAKO e!

Nahafantatra ny Poetawebs ve ianao talohan'izao dinidinika izao?

Fantatro ny fisiany, fa tsy dia nazava tamiko loatra ny antom-pisiany.

Ny Poetawebs dia tranonkala entina mampiroborobo ny Poeta sy ny poezia malagasy. Anisan'izany izao "Tapatapak'ahitra" ifanaovantsika mianaka izao. Mampiely tononkalo maro koa izy ka hahaliana ireo mpisera ny handray avy aminao andinin-tononkalo vitsivitsy.

Anaka !
Handeha leitsy i Dada
voatery handao anao.
Ny antony dia izao :
Ialahy tsy maintsy mihinana, tsy maintsy koa mitafy...
dia i Dada no mihafy
mitolona amin'ny fiainana.
Tsemboka isan'andro hitady ho an'Ialahy.
         ...
Ny tanjoko dia izao :
Ny hitovizanao amin'ny zaza toa anao
Na fitafy, na sakafo...
hatramin'ny kilalao.
Ka aza malahelo ,
aza koa tomany...
Fa ny anton-diako any
higohanao ny mamy
Aoriana tsy ho ela!!!
Ka mahandrasa kely.
    ...
Anaka !
hafaro leitsy i Neny
Rehefa tonga, hono, i Dada
mizara MAMY KELY!!!

           RIMA - marsa 2010


Misaotra indrindra RIMA nahafoy fotoana tamin'izao tapatapak'ahitra izao. Amin'ny 11 septambra izany ny fotoana, mahavità be.

Ny Poetawebs no isaorana tompoko. Veloma finaritra!

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021