RA-PHI, mpiangaly Sôvaramita

Tapatapakahitra 09/10/2023

Ra-phi, mpiangaly sôvaramita

RA-PHI, MPIANGALY SÔVARAMITA

Nifanojo tampoka tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo teo am-pividianana legioma ny poeta Ra-phi ka nitapatapakahitra. Mety hahaliana ny mpisera ny tafan'ireto olon'ny literatiora ireto ka tsara hozaraina amin'ny maro.

Tsikimilamina Rakotomavo
Anarana efa fandre matetika ny Ra-phi, fa mety indrindra raha ianao mihitsy no mampahafantatra ny mombamomba azy.

Ra-phi
Miarahaba antsika rehetra tompoko!
Ra-phi! Mpanoratra, poeta, mpampianatra malagasy, nandalina ny taranja malagasy teny Ankatso. Anisan'ny nahitana ny sôvaramita teo amin'ny haikanto ara-tsoratra. Mpikambana ao amin'ny Faribolana Sandratra eto Madagasikara aho.

Tsikimilamina Rakotomavo
Efa maro ireo boky navoakanao koa azonao tanisaina sy hazavaina fohifohy vé?

Ra-phi
Maro ny boky ahitana ny asasoratro, anisany ireto :

- Tahiry firaketana Amboara (amboara tononkalo ahy manokana)
- Bolongam-bolana
- Tanisa tanisa
- Sôvaramita
- Vonenina
- Siran'Ankaratra
- Vakinantsa
- Tsar'teny
- Atrikady Bac
- Angolaina
...

Amin'ny ankapobeny dia tononkalo no manavanana ny tena. Eo koa ny sôvaramita.

Tsikimilamina Rakotomavo 
Manao ahoana ny fankafizan'ny olona ny haisoratra any Vakinankaratra ?

Ra-phi
Vakinankaratra tia soratra ary betsaka mpanoratra. Ny hoe mankafy na tsia dia maro no tia saingy tsy dia hita eo amin'ny endriny!

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no heverinao mety ho sakana tsy mampisongadina ny Literatiora eto ?

Ra-phi
Ny sakana tsy mampisongadina ny literatiora eto Madagasikara dia :

- Maka tahaka ny sasany fotsiny ny mpanoratra fa tsy miaina amin'ny forona
- Maro no mampifangaro ny kanto amin'ny teny ratsy
- Tsy miraharaha mpanoratra ny fanjakana indrindra amin'ny famoahana boky.
- Toa mpanoratra akaikin'ny fitondrana ihany angamba no hita amin'ny fandaharam-pianarana.
- Toa tsy voadinika ny asasoratra sy lahabolana ianarana any am-pianarana
- Tsy ampy ny fandalinana ny lahabolana malagasy
- Maro ny mpanoratra zandry taty aoriana nahavita zava-kanto fa toa iniana tsy asiana sira fa ny vitsivitsy teo aloha ihany no asandratra sy hamasinina.
- Maro koa no tsy mahafehy ny teny malagasy sy ny maha olona.
- Maro no tsy mahalala akory ny hevitry ny tononkalo...

Tsikimilamina Rakotomavo 
Mampiavaka anao mihitsy ny sôvaramita, azonao lazaina ve ny tantarany, endrika isehoany, ireo mpiangaly azy?

Ra-phi
Ny sôvaramita dia sôva aty afovoan-tany ahitana ny gadona kidaombaramita kidaombità. Gadona tsy ananan'ny firenen-kafa izany. Mitanisa na manasongadina zavatra iray. Ny teny no tena lalaovina ao, eo koa ny voambolana maro sampanana.

Tsikimilamina Rakotomavo  
Ra-phi, sôva momba ny soa folera hoy ianao amin'ny tambajotra. Misy antony manokana ve?

Ra-phi
Mpirakitra ny mpanoratra ary milalao hevitra amin'ny teny. Tsilalao teny ny soa sy ny hoe folera nefa ahafahana maneho ny zava-misy sy ny tantara. Nitondra fahagagana koa anefa. Aleo ny mpandalina no hikaroka ny hevitra fonosiny e! Izaho aloha tsy nanana eritreritra ny hoe io no hanoratana ilay "chou-fleur" fa kilalaon-teny nataoko fotsiny io. Raha araka ny heviteny dia tsy mifanandrify mihitsy.

Tsikimilamina Rakotomavo 
Inona no hafatra ampitainao ho amin'ireo kandida hirotsaka ho filoham-pirenena, ho an'ny mpitondra fiangonana, ho an'ny mpanoratra, ho an'ny mpiara-belona?
Raha misy sôvaramita momba ireo vao mainka mety.

Ra-phi
Hafatra!
Fantaro ny tantaram-pirenena
Tena firenena afaka ve isika?
Torio ny fahamarinana
Fantaro fa ny firenena tsy mampijoro ny fahamarinana ao aminy dia ho firenena maty sy ho voaozona.

Ny fiangonana tsy sahy miteny io fahamarinana io, indrindra amin'ny mpitondra sy ny vahoaka, dia mitondra afo be ho an'ny tenany sy ny firenena ary ny vahoaka.

Ny sôvaramita dia fanehoam-pahalalana sy fikarohana ary fisainana  koa ilaina foana izy haneho fahalalana ho an'ny rehetra.

Misaotra anareo!
Hevitro izaho RA-PHI io.

Tsikimilamina Rakotomavo 
Mankasitraka indrindra Ra-phi!

Date de dernière mise à jour : 09/10/2023