Miantso anio ny penina

Nirhy-Lanto

Miantso anio ny penina

________________________________

Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo - 01/10/2023

 

Samy te haneho ny fitiavana an’i Madagasikara avokoa izay te hitondra ny firenena amin’izao fotoam-pifidianana izao. Te haneho fahagagana mamiratra am-bava izay mihevitra ny tenany fa kinga lahy eo amin’ny fitantanana raharaham-panjakana. Laha-pahitra anefa ny ankamaroan’ireny ka tsy maharesy lahatra ny mpitazana. Tsy diso anjara amin’ny fitarihana ny olona hitodika amin’ny tanindrazana i Nirhy-Lanto ao amin’ny tononkalo "Miantso anio ny penina" izay notsongaina tao amin’ny Rindrambolana tak 17. Aharihariny fa manana andraikitra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny fiainam-pirenena ny soratra. Hamahavahana izany dia hofakafakaina fa manaika ny Malagasy ny asasoratra. Aorian’izany no handalinana ny fanentanana ny Malagasy tsy vaky volo.

Miharota ny fehim-pihavanana ankehitriny noho ny fikoavan’ireo toe-tsaina raiki-paka naorin’ireo mpialoha lalana. Tsy takona afenina ohatra ny masoandroben-dohataona ny fiabilian’ny ankamaroan’ny mpiara-monina izay mitarika ho amin’ny fahapotehan’ny soatoavina nolalaina hatrizay. Ireo mikiry sy miezaka adia tsatsoina ka mila hiantofina sy mipempena. Ny fahitana ireny no mahatonga ny famoriana ny hery velona rehetra  tsy an-kanavaka izay tsy ifidianana sehatra irotsahana. Ny Malagasy maneran-tany no iantefan’ny antso tahaka izao ka ilazan’i Nirhy-Lanto amin’ny hoe :

"Malagasy namako ô ! miantso anao anio ny penina"

Ny saina miara-mihevitra hampandroso ny fiaraha-mivelona no fomba mahomby hiatrehana ny fampivelarana ny tontolo. Mametraka adidy amin’ny mpiray tanindrazana ny soratra mba tsy hiolonolona fa haneho ny fahaiza-miaina anaty fiombonana. Ny fifampihainoana sy fifanohanana no fototra iorenan’izany.

Eo anatrehan’izany indrindra dia tsy efan’ny irery ny fampandrosoana fa ilàna fandrisihana sesilany.

Koa mitaona ny Malagasy hiara-hientana ny tononkalon’i Nirhy-Lanto. Zava-dehibe eo amin’ny fandrindrana ny fiainam-piarahamonina mantsy ny fanetsiketsehana ny mpiara-monina mba hiara-hisalahy. Tsy tambo isaina mantsy ireo endrika isehoan’ny faharavana eo amin’ny tontolo iseharana toy ny fahasimban’ny teny ifandraisana, ny fanadinoana ny fomba amam-panao, ny fahaverezan’ny fomba fisainana. Ireny no ambaran’i Nirhy- Lanto amin’ny hoe :

"Izay narodana omaly ndeha hajoro sy harenina"

Mandrisika ny rehetra ny soratra araka izany mba hamelo-maso izay tsaran’ny razana fa tsy mahafaty antoka ny fanasongadinana izany.

***

Raha aravona izay rehetra nambara dia tsikaritra fa mitana toerana eo amin’ny fampivoarana ny fiainam-piarahamonina ny soratra. Manainga ny mpiray tanindrazana tsy hangorera ny hafatry ny teny ka hanana zotom-po sy havitrihana ahafaha-mioitra sy manarina izao tontolo mandavo izao. Ny fiombonana, ny firaisankina, ny fifanohanana hatrany no fomba mahomby anehoana izany fitiavan-tanindrazana izany. Koa antenaina fa hitondra vatsin-tsaina entina hanavotana ny fiainam-pirenena tsy hihilana izany.

Date de dernière mise à jour : 30/09/2023