Créer un site internet

Fotsiny, misambara !

Fanadihadiana ny tononkalon'i Ny.

Fotsiny, misambara !
Ny. - 03/07/2025

Amin’izao vanin’andro iainantsika izao dia maro ireo olona no sahirana miatrika ny fiainany fa tototry ny olana sy fiasana saina, hany ka tsy mahay mankafy izao fiainana izao intsony. I Aina Herinandrasana, ao amin’ilay tononkalony hoe : "Fotsiny, misambara !" dia manasongadina fa azo atao tsara ny misambatra eto amin’ity fiainana mandalo ity. Mba hahafahany mandresy lahatra ny mpamaky dia nambarany ireo sakana mahatonga ny olona tsy ho sambatra ka anomezany, manoloana izay, ireo fototry ny fahasambarana azon’ny rehetra isitrahana.

________________
Fotsiny, misambara !

Aza manadala fo amin’ny lasa tsy hiverina ;
Aza mampijaly saina amin’ny hoavy ankamantatra ;
Atreho aloha ny anio sy ny tsarany mielina
Dia iaino an-kafaliana izany atao hoe SAMBATRA !
Fa ny eto ange ka heniky ny soa sy ny tsara e !
Mahaiza mankafy ! Mahaiza manararaotra
Tsy ho laninao mihitsy ny fehezan’amboaran’
Ny tolotra ho anao : ataoNY feno mihoatra !

Ny. (Aina Herinandrasana)
Mpampianatra taranja malagasy, Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana
16 marsa 2025, Ankadikely / Antananarivo Avaradrano
________________

*
* *

Tsy azo lavina fa mihasarotra mandrakariva ny fiainana. Iarahan’ny rehetra miaina izany ary mety hiteraka fahakiviana, fahadisoam-panatenana, tsy fananana fifaliana hoenti-miaina intsony. Raha ambara amin’ny teny hafa, sarotra ho an’ny olona ny mahita hasambarana amin’izao fotoana izao. Antony vitsivitsy mety ho mahatonga izany. Isan’izany ny fitodihan’ny olona amin’ny lasa, izay mety ho niainany alahelo, nihibohany tao anaty tsy fahombiazana, nampitondra azy takaitra mangidy sy mavesatra tamin’ny namoizana zavatra maro… Ireny endrika miiba ireny no lasa mitamberina ao an-doha ka mahatonga azy tsy ho afaka miroso ka hihitsoka anaty fiainana maloka, lavitry ny hasambarana. "Aza manadala fo amin’ny lasa tsy hiverina" hoy ny mpanoratra satria tsy azo averina tokoa ireny fa dingana tsy maintsy nolalovana fotsiny ihany.

Ankoatra izany filentehana ao amin’ny lasa izany dia fototra iray manakona ny mety ho zara fahasambaran’ny olona koa ny fisainany loatra ny ho ampitsony na ny hoaviny. Lasa miaina anaty tahotra, ahiahy lava, fisainana mihoatra ny tokony hoheverina ny olona, hany ka lasa tsy mahita izay eo ambany masony mety hitondra fifaliana ho azy intsony. Ekena fa mila mitsinjo ny hoavy, mijery ny hampamiratra kokoa izany ny isam-batan’olona, saingy tsy tokony hanadino fa mila miatrika ny aniony am-pifaliana izy. "Aza mampijaly saina amin’ny hoavy ankamantatra", hoy ny mpanoratra, raha nampahatsiahy izy fa tsy ananan’ny olona fahefana ny hoaviny ka tsy tokony hatao mameno ny fisainana hampanjombona ny fiainana.

Manolona izany, tsy tokony hohadinoin’ny olona fa ny "anio" no azony iriariavana, ananany fahefana ka tokony hatrehiny am-pifaliana. Ny anio tokoa no mirakitra ny misy, ahafahana manao ny tsara, ho fototra tsy azo anozongozonana ny ampitso ; ny anio no tsy maintsy atrehina ka ahodina ho omaly, tandindon’ny fisiana. Ka eo am-piatrehana izany, azo atao tsara ny mikatsaka hasambarana fa tsy voatery hiferinaina lava na hiasa saina tsy misy farany. Koa "Atreho aloha ny anio sy ny tsarany mielina / Dia iaino an-kafaliana izany atao hoe SAMBATRA !", mampirisika ny olona hanana fifaliana foana amin’izay rehetra ataony.

Hita, araka izany, fa ny fototra mahatonga ny olona tsy mahay mifaly amin’ny fiainany dia ny fitodihany lava any amin’ny lasany ka mampitambolina ao an-tsainy ireo karazana sedra sy tsy fahombiazana mitazona azy tsy handroso. Manavesatra ny fiainany koa ka manakona ny zara hasambarany, ny fieritreretana loatra ny ho ampitsony, izay tsy ananany fahefana akory raha tokony hiatrika ny anio, tsy maintsy diaviny sy azony iainana am-pifaliana izy. Inona kosa àry ireo loharanom-pahasambarana azon’ny olona isitrahana eo amin’ny fiatrehana ny aniony?

*

Satria tokoa ny anio no tsimaintsy atrehin’ny olona, azony anatanterahana mivantana izay eritreretiny hahatsara ny fiainany. Azony atao tsara, araka izany, ny miatrika izany am-pifaliana. Raha mandinika ny fiainana sy ny namoronan’Andriamanitra ny tontolo mantsy dia hahatsapa fa nohariana tamin’ny hatsarana izao tontolo izao. Fanomezam-pahasoavana, ohatra, ny rivotra fohina, ny rano sotroina, ny tontolo voajanahary isitrahana, ny masoandro miposaka isan’andro tsy tapaka. Koa raha manana maso tsy mahay mijery afa-tsy ny fahatsarana sy ny fahasoavana omena azy ny olona dia hahay hisaotra ny Nahary sy hisambatra amin’ireny, efa nomena maimaim-poana. "Fa ny eto ange ka heniky ny soa sy ny tsara e !" marina e ! Misy zoro azo itazanana ny fiainana amin’ny lafiny miabo mandrakariva, na dia ny tombom-pahavelomana azo ahafaha-manoritra zotram-piainana hafa sy miavaka tsara aza.

Koa amin’ny fiainana dia azo atao tsara ny misitraka ireo tsara anoloana (voatanisa teo ambony). Tsy ny fitanisana ny tsy fahombiazana na ny alahelo na ny mety ho sedra no mampandroso fa ny mametraka ireny ho lasa fiaingana vaovao, ho tosika hahafaha-mandroso kokoa. Manampy betsaka amin’ny fampihodinana ny fiainana ny fananana fijery miabo, ny fahaizana mankafy izay ananana, ny fahaizana mankasitraka izay nomena, hitsin’ny ho an’ny tena. Matoa mantsy miseho eo amin’ny fiainana ireny dia tsy natao ho an’ny hafa na sendra diso lalana ka tonga tsy nahy teo anoloana fa tena zara ho an’ny tena tokoa. Koa "Mahaiza mankafy !"

Mahaiza manararaotra" ny zavatra rehetra mandalo, fa natao hahasoa avokoa ireny, manefy sy mampivoatra amin’ny fiainana raha raisina am-pifaliana, isambarana na amin’ny fotoana ( izay mety ho voafetra ihany aza).

Raha ny anio tokoa no isitrahana, toy ny fanomezana mifono ny fiainana ka isan’andro dia misy fanomezana atolotry ny Nahary ny voariny, isan’izany ny olona. Tsy misy mahalala ny havoaky ny ampitso tokoa, araka ny fitenenana. Na izany aza, ny olona manana fanahy andalana dia manana fisainana miabo mandrakariva ka manana fanantenana, mitafy fahavononana, mitoetra ho olom-banona eo am-piandrasana ny lahatry ny Avo. Fahendrena, araka izany, ny fananana fahatokiana ny hoavy voasoritra, ny fanaovana ny ezaka tandrify. Fa "Tsy ho laninao mihitsy ny fehezan’amboaran’ny tolotra ho anao : ataoNY feno mihoatra !". Andriamanitra hendry no mpandrindra izao rehetra izao, sady mahalala ny sahaza ny zavaboariny tsirairay.

*
* *

Nofakafakaina teo àry fa maro ireo sakana tsy mahatonga ny olona tsy ho sambatra sy hiaina am-pifaliana eto amin’ity tany fandalovana ity. Mamosavy tena ka mamorika ny aniony ny olona milona ao amin’ny lasany izay tsy hitondra inona ho azy rehefa tsy hainy ny manova lalana, manana fijery miabo manodina ireny ho lasa tohatra hiakarana. Mampahory tena koa ny olona misaina loatra ny ho aviny ka lasa manadino ny anio tsimaintsy atrehiny. Fa amin’ny fiainana tokoa dia tsy tambo isaina, tsy ho lany laniana ireo sompi-pahasoavana omen’Andriamanitra isitrahan’ny olona eo am-panodinana ny fiainany. Anjaran’ny tsirairay, araka izany, ny manana fisaina miabo, manana toe-tsaina mioitra hatrany mba hananany fiainana milona anaty hasambarana eo am-piatrehana ny aniony sy eo am-pikatsahana hoavy mamirapiratra kokoa hatrany. Azo atao foana tokoa ny misambatra amin’izay ananana ary isan’ny fahendrena izany.
_______________
Fotsiny, misambara ! fanadihadiana ny tononkalon'i Ny. - Poetawebs


Ajouter un commentaire