Créer un site internet

Tononkalon'i MAHEFA, nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

03 Aprily 2013

"Mpivaro-tena misotro ronono", tononkalon'i MAHEFA efa natolotra teto amin'ny tranonkala tamin'ny 15 desambra 2011, no nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON. Nivoaka tao amin'ny tranonkalany tamin'ny 27 Martsa 2013 ity famakafakana ity ary nanomezany alalana ny Poetawebs hizara izany ho an'ny mpisera. Misaotra azy ny poetawebs amin'ny ezaka ataony ho fampandrosoana ny poezia malagasy.
         
MPIVARO-TENA MISOTRO RONONO
MAHEFA - 12/10/99

Neny !
Tsy vazivazy raha miteny
Fa manomboka androany
Na ho any na tsy ho any
Dia mijanona amin’izay
Aleo izaho indray
No hizaka sy hisedra
Ny hirifirin’ny alina
Irakofanao, eny am-pijoroana
Amoron’arabe

Neny !
Aleo mba hiaretako
Ny ngidin – torimaso
Tsy hita anaty alina
Fa nosandaina vola
Ny rabirabin – dehilahy
Raha vao mahita anao
Miravaka akanjo
Mampidera ranjo
Sy ny ambonimbony
Manalavitra lohalika
… aleo mba hozakaiko…
  Reko ihany ange
Izany ianao miala maina
Rehefa tonga ny maraina
Tsy nahazo vola akory
Nefa niari-tory
Niaritra ny moka
Sy ny rivotra mitsoka
Ny esoeson’olona
Ny enji-piarahamonina
Aleo mba hihatra amiko

(ary aza mitomany)
Ka tsy misy honohono
Fa misotroa ronono

Amin’ny asanao ianao
Reko mantsy izao
Izany ianao, tsy misy maka
Mijoro mivanaka
Miandry ny maraina
Anaty fidorohana

Koa minoa sy matokia
Fa vonona ny aty
Hanohy ny asanao
Na ho mafy na ho mora
Fa I Neny mahonena
Vonona tanteraka aho
Handeha hivaro – tena
Ho mpandimby anao
Izao alina izao

Anaka !
Aza hadinoina ny mivavaka
Mba ho antitra avokoa
Izahay rehetra ireo
Satriko aza izany, zarako
Fa raha ianao zanako
Tsy ekeko, laviko
Handia izany lalana nodiaviko
  RAZAFIMAHEFA Haja Nalson no mpanoratra ny tononkalo. Ary tsy poeta ihany izy fa mpanoratra sombin-tantara koa ary miavaka amin’ny fahaizana miara-miasa amin’ny mpanakanto hafa amin’ny alalan’ny famoahana boky miaraka, ohatra. Raha ny tononkalo soratany dia matetika zava-pitranga amin’ny andavanandro ihany saingy amin’ny fijery tsy mahazatra sy tsy ampoizina firy. Iza moa, ohatra, no nahalala hoe ny ”valopy misy oroka” hay ka ”valopy tsisy hajia”? Iza koa no nieritreritra ny hoe mpivaro-tena no hisotro ronono?

Raha vao mandre ny lohatenin’ny tononkalo fotsiny isika, Mpivarotena misotro ronono dia hevitra roa mifanipaka avy hatrany no mamoha ny fahalianantsika. Ny mpiasa ihany mantsy no misotro ronono rehefa tonga ny taona voafetran’ny fanjakana itsaharana. Ny fivarotan-tena anefa tsy heverina ho anton’asa ekena ho ara-dalàna. Araka ny fitsaran’ny fiaraha-monina dia ”asa” tsy tokony hatomboka akory ny fivarotan-tena. Noho izany, asa tsy ahazoana fisotroan-dronono. Iza àry no hanome fisotroan-dronono ity mpivaro-tena ato amin’ny tononkalon’i MAHEFA ity?
 
Raha ny tononkalo aloha dia fantatsika fa miendrika resaka ifanaovan’ny reny iray sy ny zanany. Tsy voafaritra ao na lehilahy ilay zanaka na vehivavy.

Amin’ny voalohany dia toa mahare feon-janaka lahy aho eo am-pamakiana: ny firesany mandidy sy ny fandreseny lahatra ny reniny hiato tsy hivaro-tena intsony. ”Na ho any na tsy ho any Dia mijanona amin’izay”, hoy izy hentitra. Miteny tsy mampiseho fihetseham-po toy ny lehilahy izy na dia tsapa aza fa fangorahana sy fiantrana ny reniny no mahatonga azy namosaka ity resaka ity. Zavatra misy sy azo porofoina no arosony andresena lahatra ny reniny na dia hoe zavatra reny ihany aza. Miteny tsy misy fanamelohana na fitsarana izy. Tsy mila fanazavana koa izy momba ny antony maha-mpivaro-tena ny reniny; na mety efa fantany koa ka tsy mila asiana resaka ny momba izany. Ny votoatin-dresany dia fitanisana ireo zavatra mihatra amin’ny reniny noho ny fivarotan-tena: ireo mihatra ara-batana (ny hatsiaka, ny tsy fahampian-torimaso, ny moka) sy ireo mihatra ara-tsaina (ny rabiraby, ny tsy mahazo vola, ny esoeso). Tiany hijanona hatreo izany.
 
Rehefa milaza indray anefa ilay zanaka, etsy andaniny, hoe “Aleo izaho indray” dia mivadika ho vehivavy ho azy no azo sary ao an-doha: vehivavy tanora kokoa, tsara bika kokoa ary azo antoka kokoa hahavita tsara ny “asa”. Toa sarotra inoana ny hoe zanaka lahy no hiloaka hanambara hoe: “Vonona tanteraka aho Handeha hivaro-tena Ho mpandimby anao”, tonga dia hoe “Izao alina izao”.
 
Tsia! hoy ny reniny. Tsy tiako hiainanao ny diaviko. Izay rahateo no faran’ny resaka sy namarana ny tononkalo. Tsy voalaza na niova hevitra ilay zanaka ka namela ny reniny hanohy ny asa fivarotan-tenany na hoe hanotrona ny reniny izy ka izy mianaka no hiaraka any. Napetraky ny mpanoratra teo ny farany mba ho ny mpamaky no haminavina ny tohiny sy hiady hevitra. Azo antoka mantsy fa tsy ny hampiseho velively ny zavatra ratsy iainan’ny mpivaro-tena no tena tanjon’i MAHEFA eto, na dia hoe ny fitanisana momba izany aza no mibahan-toerana ao amin’ny andininy efatra voalohany ao amin’ny tononkalo. Iza rahateo moa no tsy mahalala fa mariky ny fahantran’ny firenena sy ny fitotonganan’ny fiaraha-monina ny fitomboan’ny mpivaro-tena? Tsy mino aho hoe hanantitrantitra izany no hafatra tian’ny mpanoratra ampitaina amintsika mpamaky.
 
Amiko dia ny andininy farany, izany hoe ny teny nolazain’ilay reny mpivaro-tena, no tena mitondra ny hevitra fototra tian’ny mpanoratra avohitra. Raha tsorina dia Mivavaha, hoy izy mba ho antitra izahay mpivaro-tena rehetra. Maniry izany indrindra na dia izy tenany aza. Tsy milaza an-kolaka ve izany fa tsy misy hahafoana ny fivarotan-tena, na ny zanany, na ny manodidina, na ny fiaraha-monina, na ny fanjakana, ankoatra an’Andriamanitra ihany? Mampahatsiahy ihany aho raha mitanisa fa efa ela be, hatramin’ny andron’ny Baiboly dia efa nisy ny mpivaro-tena: toa an’i Tamara (Genesisy 38), i Rahaba (Josoa 2), ny renin’i Jefta (Mpitsara 11), izy roa vavy niady zanaka teo anatrehan’i Solomona mpanjaka (1 Mpanjaka 3), sns sns. Nisy foana hatrizay ny asa fivarotan-tena.
 
Rehefa mandinika izany rehetra izany àry aho eto am-pamaranana dia te-hanamarika ity tononkalon’i MAHEFA ity ho toy ny fotoana fiatoana (pause) kely fotsiny hampieritreritra momba ny fivarotan-tena manoloana ny zava-marina momba izany. Mampahatsiahy izy fa tsy olan’ny fiaraha-monina ihany akory ny mpivaro-tena fa adin-tsaina ihany koa na ho an’ny zanany aza.
Lalasoa Berïnson
         
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021